Gazety N°03 - FLM Toby Fanantenana

Transcription

Gazety N°03 - FLM Toby Fanantenana
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fitandremana Toby Fanantenana 67 ha
http://www.flm67ha.org
Gazety ara-pilazantsara miseho isan-droa-volana
Laharana: 03
Volana May / Jona 2008
Vidiny: 500 Ar
TENIN-DRAIAMANDRENY
Nankalaza ny Andro Niakaran’ny Tompo
isika ny Alakamisy 01 Mey 2008 teo.
Niditra tamin’ny voninahiny izay niarahany
nanana tamin’ny Rainy hatramin’ ny mandrakizay Izy. Nankalazaintsika koa tamin’izany andro izany ny firaisantsika amin’i
Kristy, araka ny teniny hoe “Ary Izaho koa
ho ao aminy” Jaona 17:26.
Mitondra fanavotana sy fampaherezana
ho an’ny Fiangonana sy fisandratan’i
Kristy eo ankavanan’ny Ray. Fanavotana
satria eo anatrehan’Andriamanitra mandrakariva ny Ran’ny Fanekena mandrakizay izay nentin’i Kristy namaky ny lanitra,
ary amin’izany no ifonany tsy mitsahatra
ho an’ny Fiangonany. Fampaherezana
satria afaka maniraka ho antsika ny
Fanahy Masina Izy, dia ny Mpananatra, ny
Mpampionona, ny Mpampahery, ary ny
Mpiso-lovava.
Mankalaza ny Pentekosta koa isika
ankehitriny! Fotoana hahatsiarovana ny
nanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina
sy ny nisehoan’ny Fanahy Masina miasa
mihamihary eo amin’ny Fiangonana.
Notanterahin’i Jesosy ny teniny hoe “Tsy
hamela anareo ho kamboty aho”. Ny
Fanahy Masina no manatanteraka amin’ny
hery ny fampiorenana ny maha fiombonan’ny olona masina (Communio sanctorum) ny Fiangonana sy ny fampitarana ny
asa vavolombelona ataony (missio Dei).
Ny Fanahy Masina dia fanomezan’
Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’i Kristy
sy ny mino rehetra ao aminy. Ny kendrena
sy irina indrindra amin’ity Pentekosta
Fiadanana 2008 ity, dia ny hahafantarantsika tsirairay ny personan’ny Fanahy
Masina, avy amin’ny fandinihana ireto
Soratra
Masina
ireto:
bokin’ny
Filazantsaran’i Jaona, Asan’ny Apostoly,
Romana, I Korintiana, Galatiana, ary
Efesiana. Fanomezana sarobidy ho antsika ny ahafahantsika manao izany.
Ny irin’ny Gazety Fanantenana ho anao
dia hanananao ny Fiadanan’ny Tompo
amin’ny fahalalanao ny Fanahy Masina sy
ny iasany
PENTEKOSTA FIADANANA
Pejy 2
TONTOLO IAINANA
Ny ala, rano ary ny fiovan'ny toetr'andro no mamaritra ny teny hoe TONTOLO
IAINANA. Efa hitantsika tamin'ny laharana teo aloha ny ala. Ankehitriny isika dia
hizaha sy hanadihady ny momba ny RANO
AINA ny rano ary ny zava manan'aina rehetra dia mila azy. Ampy ve izy io?
Haintsika olombelona ve ny mitantana azy arak'izay maha zava-boaharin'Andriamanitra azy?
Pejy 3
O
O
H
Ho hitanao ato
Pejy 5
Vory lanina teny SAVA toerana tsy lavitra an'
Imerintsiatosika ny kristiana maro teto amin'ny
Fitandremana niala voly sy nifaly havanja ny
alatsinainy Paska 2008
Lalao ara-panatanjahatena maro, fisakafoanana
ambany alokaloky ny sapin
Pejy 5
Fampianarana Soratra Masina ..............2
Toriteny ..................................................2
Lakolosy ................................................3
Fahalalahana mivavaka ........................3
Tontolo iainantsika ................................3
DFF-DFK-FDL-DHM ..............................4
KTLM-F5-MTF-SA..................................4
Akon'ny fitsangatsanganana..................5
Epistily ho an'ny Romana ......................6
Filôzôfia Malagasy ................................7
Fileovana 67ha-FMBM-FFPM................7
Fahasalamana ......................................8
Sakafo....................................................8
Kilalao ....................................................8
Tononkalo ..............................................8
“Mifalia amin’ny Fanantenana”
Fampianarana Soratra Masina
FAMPIANARAM-PINOANA :
PENTEKOSTA 2008
Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mino
araka ny lova apostolika
Ho fankalazantsika ny Pentekosta Fiadanana 2008 dia indro
atolotra antsika fandinihana tsotra ny amin’ny asan’ny
Fanahy Masina amin’ny mino tsirairay araka ny soratry ny
Apostoly.
1. Ny asan’ny Fanahy Masina miseho amin’ny famantarana ivelany :
* Asa 2:4: Izay ilatsahan’ny Fanahy Masina na itoerany na
feno azy dia miteny amin’ny fitenin’ny olona hafa izay tsy
mbola hainy.
* Asa 10:44 –46; 19:6: Kornelio sy ny ankohonany ary ireo
12 lahy tany Efesosy rehefa nandray ny Fanahy Masina dia
niteny amin’ny fiteny hafa, tsy fanatatra (Glossolalia).
* Mar 16:17: “Hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy
izy”. Izany dia ny tenim-pitiavana, izay tsy maintsy
ianaran’ny mino sy hitomboana manaraka ny transformation
izay hiainany amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
2. Ny asan’ny Fanahy Masina
miseho amin’ny famantarana
anaty :
* Finoana an’i Jesosy
- I Kor. 12:3 “Tsy misy mahay
manaiky hoe ‘Jesosy no Tompo’
Raha tsy amin’ny Fanahy
Masina”.
- I Jao 4:2 : “Ny Fanahy izay manaiky fa avy amin’ny nofo
Kristy no avy amin’ Andriamanitra”.
* Fitiavana sy fanantenana
- I Kor 13: Lazain’i Paoly fa hain’ny olombelona atao ny
misandoka asam-pitiavana, kanefa tsinontsinona sy zavapoana ireny raha tsy misy fitiavana, dia ny fitiavana
AGAPE, tsy mitaky valiny.
- Rom.5:5 : Ny Fanahy Masina izay nomena antsika, hoy
Paoly, no mampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ao ampontsika, ka izany no miantoka ny fanantenantsika.
- Gal. 5: 22 – 25: Izany fitiavana izany dia miseho amin’ny
fitarihan’ny Fanahy ny mino.
* Fahafahana
- Gal 5: 1, 18 : Ny Fanahy Masina no miantoka ny fahafahana kristiana, dia ny fahafahana amin’ny fahandevozana
samihafa.
* Firaisana
- Efes 2: 18, 22: Firaisan’ny Jiosy sy ny Jentilisa ho iray ao
amin’ Andriamanitra amin’ny Fanahy iray.
- Efes 4: 1 – 3 : Firaisan’ny mino ho tena iray ao amin’ny
Fanahy.
* Fiadanana
- Rom. 14:17: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”.
- Gal. 5:22: Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana
ary fiadanana.
Ho tanteraka aminao tokoa anie ny fiadanana entin’ny
Fanahy Masina!
2
Toby Fanantenana 67 Ha
TORITENY: Jaona 15:1-11
LOHATENY: Ny fiangonana velona
FOTO-KEVITRA: Ny firaisan’ain’ny mino amin’i Jesosy Kristy araka ny
fiasan’ny Fanahy Masina.
Ny kristiana tsirairay avy izay vato velona
narafitr’Andriamanitra ho trano fonenan’ny Fanahiny
dia mitana ny finoana nomena azy amin’ny fanekena
an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra velona
(Matio 16:16). Io no fiangonana masina, manerana
izao tontolo izao. Naorin’i Jesosy amin’ny finoana
Azy, Ilay teny tonga nofo, ny fiangonana.
Asan’Andriamanitra anatin’ny fahariana vaovao,
nisahiranany. Nanomboka namerina ny olona ho eo
aminy Izy rehefa nanota ny olona.
Nolazain’i Jesosy fa ny “ Raiko no maneho anao izany” rehefa nanaiky an’i Jesosy
ho “Kristy Zanak’Andriamanitra velona” i Petera (Matio 16). Satria teo amin’ny
mpianany Jesosy dia nampiteny azy araka ny fanahy ny Ray fa tsy araka ny nofo
aman-drà. Naorin’i Jesosy ny fiangonana: tombokasen’ny fitiavan’Andriamanitra,
miasa eto an-tany na tombokasen’ny fanavotana vitan’i Jesosy. Mampivaingana ny
finoantsika ho azo tsapain-tànana, ny fitsanganan’ny Tompo , iraisantsika amin’ny fitsanganany. Isainy ho antsika izany ary no hamarininy tao amin’ny Batisa. Tiany hiaina
ny famindrampo, ny fahasoavana, ny fiadanana , ny fitiavana , ny fahamarinana avy
amin’ny Filazantara isika,dia nomeny ny Fanahy Masina; mba tsy ho miafina ao
amin’ny Tompo fotsiny ny fiainantsika fa tena ho vavolombelony ny amin’ny Teny
velona sy mahery (Hebreo 4:12). Teny fiainana hananantsika finoana sy fitiavana Azy
isika. Koa eto amin’ny perikopa dia asehon’i Jesosy amin’ny sary velona izay kendreny ny amin’ny asa ataony mandray antsika antanana. Sampana miray amin’ny
VOALOBOKA, mitondra aina avy amin’ny ain’ny voaloboka. Rantsanany koa mba
tsy hisy rantsana maro, handra-vina be fa mba hamoa be. Asa tsy manampi-tsaharana
hiainan’ny mpamboatra voaloboka izany raha te hanam-bokatra tsara ka dia
mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika:
1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny
amin’ny voaloboka ny tenany mba handraisantsika sampana ranon’aina avy Aminy.
Efa maty ny amin’ny ota isika ka velona ao Aminy ; tafasaraka amin’izay nahavery sy
nahafaty nefa tafaray Aminy noho ny teny nomeny: “efa mahadio rahateo noho ny
teniko ianareo” Jaona 15:3
2) Manana ny Ray mihevitra ny firaisantsika amin’ny Zanany isika. Ny Raiko no
Mpamboatra. Nosainin’ny Ray ao amin’ny Teny Fikasany ny hahatonga antsika eo
anatrehany : ho tonga olom-baovao, hamoa noho ny firaisantsika aminy , ka miaraka
amin’izay Izy mandrantsana , manamboatra isan’andro.
3) Manana ny Fanahy Masina mihevitra ny hitoerantsika eo amin’i Jesosy sy ny Teny
isika. Ny fitiavan’ny Ray ny zanaka no itiavan’i Jesosy antsika mpianany. Tonga
velona amin’ny toetra vaovao , fiainana vaovao isika. Madio noho ny teny izay
nolazainy amintsika: Teny mamorona, manavao, ahafahantsika mitoetra ao amin’ny
Tompo ary Izy ao amintsika. Tsy hafa noho izany ny fiasan’ny Fanahy Masina ao
amin’ny Finoana, tia an’i Jesosy, tia ny Teny; mampitoetra ny fitiavan’ny Ray ho ao
ampontsika ny Fanahy Masina ( Romana 5.5) no mampianatra ho antsika ny zavatra
rehetra, mampahatsiahy ny Teny. Tsy mampiditra fitiavana ao ampontsika ihany fa
monina, hiasa, hanavao, hiaro amin’ny fakampanahy, mampiorina antsika anatin’ny
fizahan-toetry ny finoana. Nomen’ny Ray ny Fanahin’ny Fahamarinana mandrakizay
ho eo amintsika sy ho ao anatintsika. Jaona 14.17, hahatratrarantsika ny fiainana
mandrakizay
Aoka isika handeha araka ny Fanahy. Aoka ianao ho mahatoky ny amin’izay vitan’i
Jesosy sy nataony ho anao ka hatoky sy hijery Azy. Hebreo 12: 1-3.
Fantaro fa amin’izao fiainana mandalo, hisian’ny fahoriana sy ny fahasahiranana izao,
dia tsy ampahery anao ny tenanao, ny nofonao. Raha tsy miambina ianao dia ho
azon’ny velapandrik’i satana, ho azon’ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra
ka tonga misaina ny lasanao ho fototra mbola mahavoa sy maharesy anao eo amin’ny
fiainana ka azon’ny fiapangan’ny satana.Hoy ny Soratra Masina: “iza no hiampanga
ny olomboafidin’Andriamanitra, iza no hanameloka azy?” Valinteny: “Tomoera
amiko Izaho aminy . Kristy no efa maty sy efa nitsangana hamonjy anao”, “indro efa
vitako tombokavatsa eo ampelatanako ianao, Ahy ianao.” Raiso ny Fanahy manamafy fa tafasaraka amin’izao tontolo izao ianao ka manana ny Teny fiainana. Avelao
hiasa ny Fanahy Masina hitondra anao eo amin’i Jesosy isan’andro isan’ora noho ny
teniny izay hitokianao. Avelao ny Fanahin’ny Fahamarinana hitarika anao hanampiraisana amin’ireo zanak’Andriamanitra izay naterany, tahaka ny niterahany anao
koa; I Jaona 5
Ny fiangonana velona: ianao ao anatiny, Jesosy ao anatiny ho amin’ny fiombonana
masina sy ny firaisan’ainan’ny mino ho amin’i Jesosy, tsy hitsaharan’ny famangian’ny
Fanahy izay handraisanao, miditra sy mivoaka eto amin’ity fiangonana ity, ny fo vaovao sy Fanahy vaovao mba hivaingana ny famoazanao. Tsy fanirianao izany fa
fanomezana nomen’ny Ray anao; omen’ny Zanaka anao; omen’ny Fanahy Masina
anao. Tsy efa vita batisa va ianao? Tsy efa mpandray ny fanasan’ny Tompo? Raiso koa
izay rehetra momba ny fiainana mandrakizay hamoazanao voa tsara araka ny Fanahy
Masina.
Ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra mandrakizay. Amena.
Pastora Andrianantoandro Léon Fidèle
Fiainam-piangonana
NY LAKOLOSY
NY TONTOLO IAINANTSIKA
« Injay fa maneno ny lakolosy rankizy ka miomana amin’izay sao tara isika
» hoy ity renim-pianakaviana iray. Midika inona eo amin’ny olona tokoa moa
ny lakolosy?
Ny tantarany :
2000 taona talohan’ny Jesosy Kristy no nisian’ny lakolosy ary ny taon-jato
faha-6 no nanomboka nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny kristiana
io zava-maneno iray io. Ny lakolosy tokoa no niantsoana ny mpino hanantona ny tempoly ary hatramin’izao vanin’androntsika izao izany. Manampy
ireo izay tsy manana ora ihany koa ny feony.
Misy ihany ireo fiangonana tsy mampaneno azy fa avy hatrany dia miredona
hira ny mpivavaka. Raha ny eto amin’ny Fitandremana Toby Fanantenana
67Ha dia in-telo mampaneno lakolosy ny fiangonana mialoha ny fotoana
araky ny hita ao anaty Litorjia.
Ny lakolosy fidirana eto amin’ny FLM 67Ha :
Inona no atao hoe RANO
Samy mahafantatra ny hatao hoe rano isika fa ny singa siantifika mamaritra azy dia ny
fitambaran'ny oxygène sy ny hydrogène na H2O na H3O+. Singa iray tena ilain’ny zavamanan’aina eto an-tany izy io ary mety miseho amin’ny endrika vainga , tsiranoka, ary gazy
(liquide, solide, gazeuse).
Ny rano dia mandalo amin'ilay atao hoe "cycle
hydrologique".
Ny orana mitsika eo amin’ny tany dia tonga "nappe prhéatique" na rano amban’ny tany (eaux souterraines) ary ny
rano mandeha sy miandrona kosa dia ny farihy, ny renirano,
ny ranomasina (l’eau de surface) no tenehin’ny masoandro
ary ampangatsiahin’ny atmosphère dia manome rahona
mavesatra miteraka ny orana sy ny rano mandry ary ny avandra (pluie, neige, grêle).
Ny ¾ ny bola-tany dia rakotra rano avokoa, ka ny 99,6 % dia ranomasina, ary ny 0,4 %
ihany no ranomamy na ny rano ambany tany (nappe prhéatique).
Asa lehibe miandry ny zanak’olombelona ny fandridrana ny rano (gestion de l’eau) satria
maro loatra ny fahasimbana, sy ny fandravana ataon'ny olona.
Aina ny Rano
Ny ¾ ny vatan'ny olona dia rano avokoa, ary ny zava-manan'aina toy voro-manidina, ny
biby mandady, ny mikisaka, ny fambolena, ny ala sns…dia mila rano avokoa. Tena ilaina
dia tena ilaina ny rano ary toa tsy tsapan-tsika aty amin’ny toerana misy sy be rano izany .
-Mamelona ary aina ny rano; hosotroina, hidiovana, ilaina amin’ny fambolena, ilaina
amin’ny famokarana herin’aratra (production d’énergie hydroélectrique), ilaina eo amin’ny
fitaterana ary koa ilaina amin’ny fialamboly (transport et les loisirs hydroliques). Mba fantatrao moa fa isan’ny singa voalohany ilaina amin’ny "énergie nucléaire" ny rano mba
hamokarana herin’aratra sns...
Raha tsy ampy na tsy misy izy dia maro ny voka-dratsy toy
ny kere, ny fahasimban’ny fambolena, fifindra-monina,
fahasimban’ny ala, fahafatesan’ny zava-manan’aina, ady
eo amin'ny firenena roa mifanakaiky sns ….,
-Mamono koa anefa ny rano raha
1- diso tafahoatra, toy oram-be izay miteraka tondra-drano,
2- raha voaloton'ny akora simika ny loharano sy ny renirano,
-Manimba zavatra koa ny rano amin’ny fikaofan'ny riaka sy ny renirano ny nofon-tany.
Mankaiza ireo nofon-tany sy mineraly mamokatra avy amin’ny lavaka sy tanety?
1- mianjera any an-dranomasina rehefa nentin'ny ony sy ny renirano : any no hiafarany ka
miteraka ny fiovan’ny lalan'ny vinany (naissance de delta) satria mitohana eo ambavany
ireo fotaka sy fasika. Ohatra iray amin’ny maro azo tsapai-tànana izay tsy ahitana vahaolana ny vavarano Betsiboka ao Mahajanga ary tena ratsy ny fiatraikany amin’ny fizahantany satria raha mba milalao amin’ny sisin-dranomasina ao Mahajanga ianao dia ho gaga
amin’ireo fotaka maloto ao anatiny; toy izany koa eo amin'ny lafiny ekonomika satria
tsentsina fasika ny seranana ka tsy afaka mandray ireo sambo goavana.
2- mianjera any @ ireo farihy: any koa no iafarany. Ratsy koa ny vokatr' io amin’ireo farihy
satria mihena ireo hazandrano sy ireo karazany, mihena koa ny fitombony (croissance)
satria maty ireo sakafo (algue). Mihamarivo sy mihitatra ny velarany, ary mora tratry ny
tondra-drano ireo tanàna manodidina toy ny any Alaotra sy Itasy rehefa avy ny orana; ny
tanimbary ambany toerana moa dia maty saron'ny atsanga na fasika .
Ny rano sy ny foto-drafitr’asa .
Ny rano be sy ny orana ary ny tondra-drano no manimba ny 90 % ny fotodrafitr’asa toy ny
làlana, ny tetezana, ny sekoly, ny trano fitehizana sns.. eto Madagasikara ..
Vaha olana
Raha ireo voalaza rehetra ireo dia ny voka-dratsiny no betsaka. Azo sorohina na koa
mihena amin’ny ampahany betsaka izy io raha hain’ny zanak’olombelona ny mandridra sy
mifehy ary miaro ny rano amin’ny ankapobeny (gestion de l’eau)
Ny fitadiavana vaha-olana amin’ny fandotoana ny loharano, ny rano sy ny renirano.
Fadiana ny manorina orin'asa akaiky loharano, tsy azo atao koa ny mandefa ireo akora
toxique sy akora simika any amin’ny renirano sy ny farihy
Inona avy ireo mandoto ny rano
1- misy ireo izay mety ho levon'ny rano (polluants non persistants) toy ny: rano avy nampiasaina ao an-tokatrano, ny zezika, ny akora indostrialy sasantsasany
2 -Ireo izay tsy mety levona mihitsy na amam-polo taonany aza (polluants persistants)
Ohatra: DDT, dieldrine, pétrole, dioxine, hydrocarbure, aromatiques polycycliques, substance radioactive, plomb, mercure, cadmium, ohatra ireo pile famataranandro …
3- Ny zavatra mitsikafona: toy ny plastika, ny fako, ny mousses.
Vitsivitsy ihany ireo voatanisa ireo fa mbola maro ny zavatra ampiasain'ny olombelona izay
mandoto ny rano.
Ampy ve ny rano fisotro madio ?
Raha ny eto Madagasikara dia ny 20% ny mponina sy ny tokantrano ihany no manana rano
fisotro madio; ny tiana holazaina amin’io dia rano ara pahasalamana, toy ny lava-drano sy
ny vovo voaaro, ny rano’ny JIRAMA na koa ny loharano voajanahary. Betsaka izany ny
olona miaina sy misotro rano tsy madio.
Fidirana I
Fidirana II
Fidirana III
Lakolosy I
5ora30mn
10ora30
2ora30mn
LakolosyII
6ora
Lakolosy III
3ora
6ora30mn
Noho ny fahateren’ny fotoana dia indray mandeha ny famelomana ny
lakolosy amin’ny fiandohan’ny fidirana faharoa.
Ny lakolosy famaranana.
Pehina in-telo misesy ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana.
“Symbolique”ihany koa ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana , izany
hoe amin’iny fotoana mampaneno azy iny no mifarana ny fotoam-pivavahana. Ny lakolosy no mampandre izao tontolo izao fa mivoaka ny
zanak’Andriamanitra hanao ny fanompoana. Miomana sy mitandrina koa ny
devoly noho izay fivoahan’ny zanak’Andriamanitra izay ka izany indrindra
no hiambenana mandrakariva. Tokony hahazo ny fampaherezana avy
amin’ny Tenin’Andriamanitra sy tso-drano noho izany vao mody fa tsy
mivoaka fahatany. Mba handray fanavotana koa ireo izay mifanena aminao
efa manana ny Teny Soa .
Ny lakolosy amin’ny fanambadiana sy ny fahafatesana.
Amin'ny ora fidiran’ny mariazy dia velomina maharitra kokoa sy maredona
ny lakolosy izany hoe atao misesisesy fa ny fanenony amin’ny fahafatesana
no somary misy fiatoana kely sy mahalankalana.
Inty misy feon-dakolosy ho anao.
Milanja 181 taonina ny lakolosy mavesatra indrindra eran-tany, ka 5,80m ny
haavony ary efa tamin’ny taona 1733 izy io (La Tsar Kolokol de Moscou).
FAHALALANA MIVAVAKA
Moa fantatrao ve fa any ho any misy ny mijaly?
Mifalia sy araraoty soa ny fahalalahanao maneho ny finoanao ary koa migoka ny hasambarana entin'izany amin'ny fiainanao sy ny manodidina anao.
Sady afaka mivavaka ankalalahana ianao no koa mbola afaka mitarika ny
havana, namana manodidina ary indrindra ireo ondry mania; koa MIFALIA!
MIFALIA!.
Fantatrao moa fa mbola misy, ary tena misy, ireo mpino an'i Kristy no tsy
afaka manao toa anao izao? Fiafenana, fanenjehana, famonoana ary fanaovana sorona ny aina no mihatra amin'ny maro amin'izy ireo.
Fantatrao koa ve fa misy ny atao hoe "pacte international relatif aux droits
civils et politiques (Art. 18,1)" izay manome zo ny olona mba hanana malalaka antokom-pinoana (liberté de religion) ary mamaritra ny fahalalahana
miaina io antokom-pinoana, na manamafy io safidy io ny fahalalana mampiseho amin'ny fomba manokana na fiangonana amasom-bahoaka na
mitokana amin'ny fivavahana sy fomba amam-panao ary koa amin'ny
alalan'ny fampianarana io antokom-pinoana io na io faharesen-dahatra io.
Na misy aza ireo fifanipahana ireo dia tsy mahasakana ny maro hijoro
amin'ny finoany izany ary manamafy ny MAHA-MPANDRESY AN'I
JESOSY KRISTY.
Hay ve 'zany ka manome hasambarana ho antsika isan'andro Andriamanitra
fa tsy tsapan-tsika izany na dia ny "fahalalahana" fotsiny aza; indrindra
moa fa ny "fahalalana mivavaka" amin'ny fotoana rehetra ilàna izany.
Jereo ange ity adiresy iray ity izay mampahalala anao bebe kokoa mikasika
ny fahafahana: http://www.aed-france.org/observatoire/afrique.php.
Toby Fanantenana 67 Ha
3
Vaovao anatiny
- DFF Ny Departemanta ny Fampandrosoana sy
Fanasoavana dia isan’ireo departemanta vao niorina ary manana ny rafitra izay mandrindra ny
fomba fiasa ao aminy, araka ny anarany dia natsangana io departemanta io mba hampandrosoana ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny
ankapobeny sy ny Kristiana ao aminy ary ho fitsinjovana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana, efa misy soritr’asa natao ho tanterahina
izay voasoritra ao anatin’ny planina 5 taona,
isan’izany ny fananganana toerana fitaizana zaza
ho an’ireo reny miasa (crèche), ny fitaizana ireo
zaza sembana ara-tsaina (autiste) ary ny
fanomezana fanofanana arak’asa ho an’ireo tanora sy ray aman-dreny tsy an’asa hanampiana azy
ireo amin’ny fitadiavana asa fivelomana.
Ny DFF dia misokatra ho an’ireo Kristiana rehetra
eto amin’ny Toby Fanantenana FLM 67ha maniry
ny hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny mpiara-mivavaka eto amin’ny
Fiangonana amin’ny lafiny rehetra.
- DFK - Konfirmanda
Ny Alatsinainy Pentekosta ho avy izao no
handraisana ireo Konfirmanda rehefa avy niofana
nandritra ny iray taona latsaka kely.
- FDL -
JOBILY 25 TAONA
Nosokafana tamin’ny Alahady 27 Aprily teo ny
Jobily faha 25 taonan’ny Fikambanan-dehilahy
"ANDRY". Ny 24 Aogositra ny ivon’ny
fanakalazana ary ny 07 Desambra ny famaranana. Nanamarika ny fanokafana ny Jobily ny
filaharam-be nataon’ireo Lehilahy eto amin’ny
Fiangonana nisalotra ny «Echarpe» volomparasy,
izay loko litorjika ho an’ny Fiangonana Loterana.
Nalaina tao amin’ny Efesiana 4 :13b ny Loha-hevitra banjinina amin’izao fankalazana izao : Ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehibeazan’ny fahafenoan’i Kristy. Navoitra ao
amin’ny Hira faneva izany lohahevitra izany.
Nolazain’ny Filohan’ny Fankalazana, Atoa Aimé
Rakotondrasoa, fa ny «Hitarika ny lehilahy
rehetra eto amin’ny Fitandremana Toby
Fanantenana 67 ha ho ao amin’i Jesosy amin’ny
alalan’ny FDL no tanjona». Anisan’ny dingana ho
amin’izany ny fanaovana lahateny mifandraika
indrindra amin’ny fiainan’ny Lehilahy andavanandro sy izay mety ho zava-dehibe aminy : ny ankohonana, ny fihariana sy ny asa fivelomana sns.
Mbola homena amin’ny manaraka ny daty hanaovana ireo lahateny ireo hoy ny mpikarakara ny
Jobily.
- DHM Vita ny fandaminana ny fandaharan'asan'ny
Departemantan'ny Hira sy Mozika izay notarihin'ny Filoha Atoa Ramanakoraisina Evariste
mandritra ity taona 2008 ity: ny fanolorana ny fandaharam-potoana ny antoko mpihira rehetra (TF,
MTF, VLM, ANDRY, MF3, MF5, MF7, MF8, MF13)
amin'ny endriny vaovao. Ezahana ny hamoahana
CD ireo hira faneva rehetra izay nisy teto. Hisy ny
fanatsarana ny fanamafisam-peo taorian'ny fijerena akaiky ireo fitaovana izay miasa amin'izao
fotoana izao.
Manodidina ny 210 eo no isan'izy ireo ka mitsinjara
toy izao : katekomena : 26, konfirmasiona : 194 ka
ny 169 no raisina eto ary ny 25 dia nangata-tsodrano ho raisina any amin’ny Fiangonana misy azy;
mifindra finoana : 2; mariazy miara-mizotra : 5
Misy fanadinana roa no atao mandritra ny taompianarana, koa izay mahazo naoty tsara amin'ireo
miampy ny taham-pahavitrihana dia azo atolotra
avy hatrany. Ny mahazo naoty ambanimbany dia
omena fanatevenana manokana alohan'ny fotoana
handraisana azy.
Ny tanjona dia ny mba tsy hisian'ny latsaka na dia
iray aza.
Fiomanana ho kristiana tompon'andraikitra eo
amin'ny Fiangonana no tena ampianarina mandritra izay volana maromaro izay" hoy RATEFIARIVONY Jeannet sy Claudine anisan'ny
Mpiandraikitra miaraka amin'ny Pastora RAHARIMANANA Eugène.
Zava-dehibe araka izany ny fahafantaran'ireto
mpianatra ny fiainam-piangonana sy ny lalàmpiangonana
Ireo feno 16 taona no miakatra dia afaka manaraka
ny fampianarana. Ary mandritra ny taom-pianarana
dia amporisihina izy ireo mba hirotsaka amin'ny
iray amin'ireo sampana maro ato amin'ny
Fiangonana.
Teny Faneva ho an'ity andiany ity dia ao amin'ny
Rom 8: 17-39, izay mampahatsiaro mandrakariva, indrindra ho an'ireo mpianatra, fa tsy hisy
hahasaraka antsika tokoa amin'ny Fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika.
Ny fidirana manaraka dia ny volana Septambra
2008.
4
Toby Fanantenana 67 Ha
- KTLM -
Trompetra Fanatenana
Natao tamin'ny 08 Martsa lasa teo ny fifidianana
izay ho “Chef de choeur”. Lany hiantsoroka io
andraikitra io indray Atoa Henri Aimé RATIANASOLO. Misy ny paikady vaovao entina mana-tsara
kokoa ny fomba fiasa, dia ny fisian’ireo
mpiandraikitra mpiandry toerana mba handavorary ny programa amin’ny fotoana tsy ahafahan’ny
tompon-toerana. Ny ampitson’io dia efa niatrika
sahady ny andraikiny izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny toriteny an-kira izay natao tany Sabotsy
Namehana; teo koa ny fanatrehana ny
Zaikakelin’ny KTLM SPAnta izay natao tany
Miantso ao anatin’ny Fileovana Ambohibao ny 26
hatramin’ny 30 Martsa; ankoatr’izany ny isan-telovolan’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha izay
natao tany Arivonimamo ny 19 sy 20 Martsa sy ny
Antsan-kira lehibe natao tao amin’ny FJKM Kristy
Voahombo Andavamamba ny herin’io Alahady io
ihany koa.
Maro ireo fandaharam-potoana miandry ny
«Trompetra Fanantenana» mandritra ity taona
2008 ity.
Faritra faha-5
"Nandroso ny fitaizana ara-panahy"
Voatokana soa aman-tsara ho antoko mpihira
tamin'ny Alahady 9 martsa 2008 lasa teo ny
Tanora Mpihira Faritra fahadimy(MF5) niaraka
tamin'-ny fanamiany.
Niorina tamin'ny 28 febroary 2006 izy taorian'ny
antso manokana nataon-dRamatoa RAKOTOARISOA Mariette Filohan'ny Faritra nandritra
ny fanamarihana ny Krismasin'ny Faritra tao
amin'ny EPP 67 ha Atsimo ny 11 febroary 2006.
Nandritry ny taona 2007 dia nandray anjara
amin'ny fotoam-pivavahana Alahady, na maraina
na hariva ny MF5. Nanampy ny Filohan'ny Faritra
tamin'ny fampianaran-kira sy fampivoriana ireto
tanora ireto Andriamatoa ADAN sy RAMILISON
Jeannot. Teo ihany koa ireo mpanakanto ato
amin'ny Faritra, dia i Zaka sy Bodo izany.
Hatramin'ny faramparan'ny taona 2006 no
mankaty dia nitombo isa hatrany ireo tanora tonga
manatevin-daharana,
nisy
ny
ezaka
tamin'ny fianaran-kira sy ny fomba fihirana ary
tsapa fa nandroso ny fitaizana ara-panahy.
Teny Faneva niorenan’ny MF5 dia ny "Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo" Lioka
12:35. Manana filoha ny MF5 dia Atoa
Randrianan-tenaina Jacques .
Antoko Mpihira Maintimolaly
"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo
amin'ny fiangonana no hiderako Anao" Sal. 22:22
Ny Alahady 4 Mai 2008 amin’ny fidirana faharoa
no fanokafana ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny antoko mpihira Maintimolaly, amin’io
fotoana io koa ny fanokanana ny fanamiana vaovao. Maro ny fandaharam-potoana hotanterahina
amin’ity taona ity. Hampahafantarina miandalana
eo ihany izany.
Sekoly Alahady
Mianatra ny mpampianatra
Mitohy ny fiofananan’ireo nisoratra anarana ho
mpampianatra Sekoly Alahady. Miisa 22 izy ireo
ary efa nahavita taranja roa hatramin’izao: ny
fifandraisana sy ny fahaiza-mitarika. Haharitra
enimbolana ny fiofanana an-dakilasy ary ny pratika. Efa nanomboka koa ny fiofanana momba ny
Boky ao amin’ny Baiboly izay ampianarin’ny
Pastora Eugène. Rehefa vita ireo dia miroso
amin’ny fianarana ny Boky sy toetoetran’ny ankizy
isan-kilasy ny mpiofanana. Aorian’izay vao mamojy Kilasy mijery sy manao pratika. Marihina fa ireo
mpampianatra nanaraka fiofanana nasionaly sy
manana traikefa , ireo Tomponandraikitra ao
amin’ny Synoda sy ny Pastora mpiahy ny Sekoly
Alahady no mampianatra ireto mpampianatra vaovao ireto. Renim-pianakaviana sy ireo tanora
nivoaka tamin’ny Kilasy F2 no miofana ao amin’ity
kilasy fiofanan’ny mpampianatra ity.
Akoatry ny fiofanan’ny mpampianatra vaovao dia
miofana isam-bolana koa ny mpampianatra amperinasa. Sokajin-taona iray isam-bolana no jerena. Efa vita ny fiofanan’ny ho an’ny Kilasy zandriny( Santatra – A-B) ary efa manomboka ny
Kilasy Zokiny ny fiofanana amin’izao fotoana izao.
Ho an’ny Kilasy F manokana dia ny Filoha
nasionaly, Pastora Rajoma, no hampiofana
amin’ny volana Jiona ho avy izao. .
Vaovao anatiny
AKON’NY ALATSINAININ’NY PASKA SY TAHIRIN-TSARY 2008
Nahasondriana tokoa ny nahita ireto mpianakavin’ny finoana niaraka nankalaza ny Alatsinain’ny
Paska sy naneho ny hafaliany fa VELONA
JESOSY ka niara-nitsangatsangana tany SAVA
làlana mankany Imerintsiatosika.
Aoka aloha haka aina kely indray e!
Departementan’ny Firaketana sy Serasera izy
ireny. Ny toerana rahateo moa nidadasika sy
nahafa-po ny rehetra ka dia feno ny fifaliana.
Ny faniriana lehibe indrindra moa dia ny ho
Sao mbola misy tavela any anaty harona any!!!
Departementa, ny asam-pifohazana rehetra mba
ho fanehoana avo ny Voninahitr’-ANDRIAMANITRA Tsitoha nahary izao rehetra izao.
Mieritreritra aloha vao mikatroka
Miisa teo amin’ny 1500 teo ho eo moa ny olona
: tao ny ankohonana maro samihafa, tao ireo
nasain’ny havany, tao koa ireo tapaka sy
namana rehetra. Ho fampifaliana ny fianakaviam-ben’i Jesosy izay tonga teny an-toerana dia
maro ny lalao nomanin’ireo tanora mpiandraikitra
toy ny : toraka kapoaka, toraka anneau, rahosy
jamba, tao koa ny fifaninanana fanatanjahantena
toy ny volley-ball, ny foot-ball sns... izay nahitana
Iza izany be fihavy any izany?
tafahoana indray ny rehetra ka hitombo isa
amin’ny fivoriana masina tahak’ireny ka tsy ho
fitsangatsanganana fotsiny ihany no hisarika
olona maro an’isa toy ireny fa rehefa mety ho
asa fanompoana isan-tSampana, Faritra,
Ity ndray dia tsy maintsy matiko!
Aleo mitsiky lalandava
ny talentan’ ireo vehivavy ray aman-dreny eo
amin’ny fiangonana izay mbola matanjaka tokoa,
ary tao ny fifaninanana an-kira masina. Ireo
sekoly alahady kely moa dia faly satria izay
nilalao dia nahazo fanomezana sahaza azy avy.
Santionan’ireo sary maro dia maro nalaina moa
ireto satria dia hatao tahiry ho an’ny
Toa lavitra loatra izy 'zany!!
DOKAM-BAROTRA
Hifanohanantsika !!!!
30 000 Ariary
Mivoaka in-3 be izao!!.
Izay tonga voalohany dia miseho maimaim-poana amin’ny
laharana manaraka
- mandoa 20 000 Ariary fotsiny
ho an’ny laharana roa farany.
80 x 64 mm
azo asiana sary
Amin'ny herintaona indray e!
FAMANDRIHANA NY GAZETY FANANTENANA
3.000 Ariary monja isan-taona.
Anarana/Sampana/Faritra/Departemanta………………………………
Adiresy mazava...…………………………………………………………
Tel….…………….............………E-mail………………………………...
Taratasim-bola (Chèque) N°…………………...........Banky…….……..
Na lelavola
mitentina ………...........Ar ho famandrihana mandritra ny …..taona
Atero ao amin’ny fandraharahana ary takio sy tehirizo ny rosianao!
Misaotra amin’ny fanohananao ny gazetintsika.
Toby Fanantenana 67 Ha
5
Fampianarana Boky
Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana (Fizarana 2)
“NY FANAMARINAN’ANDRIAMANITRA na ny MARINA AMIN’NY FINOANA”
nataony. Eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra dia samy
y faratampony amin’ity fizarana ity dia ny 3.21-36 izay manam- hotsaraina, eny fa na dia ny jiosy izay mihevitra fa manana ny
bara ny zavatra vitan’i Jesosy ho famonjena antsika.
lalàna sy handova ny teny fikasana aza. Asan’Andriamanitra ny
Mialoha an’io anefa ny 1.18,3.20, izay mampiseho fa tsy misy mari- fanamarinana antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, koa tsy misy
na eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehetra ary ny man- afaka mirehareha fa samy eo ambany fitsaran’Andriamanitra
araka indray dia ny 3.26-4.25 dia izay manafoana ny fireharehana avokoa ny olona rehetra.
sy manamporofo fa ampianarin’ny testamenta taloha ihany koa
izany fahamarinana avy amin’ny finoana izany.
2) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “positif” dia ny
fahamarinana avy amin’ny finoana amin’ny toe-piainana vaovao
1) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “negatif” dia ny (Rom 3.21-4.25)
fanamelohana ny olombelona manontolo eo amin’ny toe-piainana Ny fanamarinana ny mpanota dia ny hahatonga azy ho marina eo
taloha (1.18-3.20 )
anatrehan’Andriamanitra izay ahazoany famelankeloka. Tsy hain’ny
Lazain’ny Paoly ao amin’ny 1.17 fa hamarinina amin’ny finoana ny olona anefa ny manaisotra ny fahotany na manonitra ny ratsy vitany,
olona, ary ny andininy manaraka (1.15-3.20 ) dia mampiseho ny ka izany no antony nanirahan’Andriamanitra ny Zanany teto
fitsaran’ny filazantsara ny olombelona na izany tamin’ny fotoana amin’izao tontolo izao mba hananan’ny olona ny fiadanany
niainantsika sy izay nataontsika na izay marina momba antsika eo (Rom 1.1). Ny olona mibebaka , miova amin’ny toe-piainana ratsy
imason’Andriamanitra, ary ambaran’I Paoly ao amin’ny 3.10 fa “tsy teo aloha, miaiky heloka ka mandray fanamarinana avy
misy marina na dia iray aza”
amin’Andriamanitra no mandray fiainam-baovao ao amin’I Kristy,
Mifanindra-dalana ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fahamari- koa ny fahamarinan’Anndriamanitra dia fahamarinana avy amin’ny
nany satria Andriamanitra amin’ny maha- Andriamanitra Masina Azy Kristy, ka tsy azo raha tsy amin’ny finoana irery ihany. Nanova ny
dia tsy afaka handefitra amin’ny fahotana ary mihatra
olona, ka mahatonga azy ho vita fihavanana
amin’ny olona rehetra ny fahatezerany amin’izay tsy
amin’Andriamanitra ny herin’ny Filazantsara
anjakan’ny fahamarinany. Ankilany koa anefa ny
(Rom 3.23-25). Ny famonjena dia natao hoan’izay
fanamarinany dia noho ny asa-panavotana vitan’i
rehetra mino ary ny fahamarinana dia fahamarinana
Jesosy Kristy ho an’ny olona, ka izay mino izany dia
raisina amin’ny finoana ao main’ny Filazantsara.
hamarinina ka vita fihavanana, ary manana
(Rom 10.3). Ny hazo fijaliana no toerana lehibe
fiadanana satria afaka amin’ny fahatezerana.
anehoan’Andriamanitra ny fahamarinany, ary ny
Asehon’i Paoly eto amin’ny 1.18-3.20 ity ary ny
ràn’I Jesosy latsaka no fanavotana ho antsika
fanamelohan’Andriamanitra ny olombelona manon(Rom 3.25) ary izany indrindra no fototry ny
tolo, ka tsy misy afaka amin’izany na ny jentilisa na ny
fahamarinan’Andriamanitra.
Jiosy, fa izay rehetra manota na manao zavatra tsy
Fomba iray ihany no hanamarinan’Andriamanitra ny
araka ny sitrapon’Andriamanitra dia iharan’ny
olona, fa raha tsy izany dia azo lazaina fa tsy Iray
fahatezerany (2.6-11). Asehoan’Andriamanitra izany fahatezerany izy. Hamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny
izany mba anehoany fa tsy ankasitrahany ny fahotana, satria izany olona ary raha misy milaza fa
misy fomba manokana
dia mitondra ho amin’ny fahaverezana. Tsy toetra ananan’- hamonjen’Andriamanitra ny Israely dia midika izany fa tsy iray
Andriamanitra anefa ny fahatezerana fa asany ny mitsara ny intsony Andriamanitra. Tsy misy afaka mirehareha eo anatrehan’mpanota, koa amin’ny maha-Andriamanitra Masina Azy dia maneho Andriamanitra eny fa na dia Abrahama aza dia hamarinina amin’ny
ny fahatezerany amin’ny olombelona mpanota rehetra Izy finoana (Rom 4.1-8). Tsindrian’i Paoly mazava tsara fa raha marina
(Rom 1.18). Ny fahatezeran’Andriamanitra dia aseho avy any an- izay lazain’i Jiosy fa nohamarinina amin’ny asany Abrahama dia
danitra amin’ny tsi-fahamarinana (Jiosy sy ny Jentilisa) ary foana ny fampianaran’i Paoly hatreto. Noho izany ny finoana an’i
Andriamanitra dia tsy mila voatsiary ka hijinja amin’izay tsy Jesosy Kristy irery ihany no ahazoana fahamarinana ary io asan’ i
namafazany, fa tsy nisy nafenina tamin’ny olona ny marina, fa ny Jesosy ho fanavotana io no fototry ny fampihavanana izay
olona no tsy nanaraka izany, tsy nety niankina tamin’Andriamanitra Filazantsara lehibe manala ny mino tsy ho eo ambanin’ny
izy fa nihambo ho nahavita tena sy nahaleontena noho izany tsy fahatezeran’Andriamanitra satria isaina ho marina izay rehetra mino
fahatezeran-poana ny fahatezeran’Andriamanitra fa tena ara- an’i Jesosy Kristy ary vita fihavanana amin’Andriamanitra izy.
drariny (Rom 2.2).
Mitovy ny fomba fijerin’Andriamanitra ny faharatsian’ny Jiosy sy
Pastora Raharimanana Eugène
Jentilisa fa samy tsy manana ny marina eo amin’ny
fitsaran’Andriamanitra izy roa (Rom 1.20) ary tsy misy fizahantavan’olona amin’Andriamanitra (Rom 2.11) Tsy misy miafina eo
anatrehan’Andriamanitra ny asan’ny olona rehetra, koa raha manao
GAZETY FANANTENANA
fitsarana Andriamanitra dia araka ny fahamarinany ary tsy miafina ny fitTalen'ny Gazety : Past Dr Péri Rasolondraibe
sarany (Rom 1.20) Tsy misy afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra
Tonian’ny Gazety : Atoa Ramanankatsoina Lucas
satria natao miharihary ny fitsarana ( Rom 2.3)
Mpanao gazety : Tsiry - Laingo - Mamy - Rinah - LéaTsindrian’i Paoly mazava fa tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olona no
Harimalala- Haja- Vololona-Felana - Oelifara - Samy - Lynda
isaina ho maha- marina azy fa mifanohitra amin’ny fanamarinana
- Denise - Lalaoarisoa
amin’ny finoana izany (Rom 1.17).
Kirakira Sary : Christophe
Hotsarain’Andriamanitra amin’ny alalan'i Jesosy Kristy izao tontolo
Maquette : Christophe, Vohanson
izao, ary tsy ny jiosy ihany fa na ny jentilisa koa dia samy hotsaraina
avokoa, eny fa hatramin’ny Kristiana dia handalo fitsarana
FLM Toby Fanantenana 67 ha
(2 kor 5.10) (Rom 14.10-11)
E-mail : [email protected]
Araka an’i Paoly ny fahamarinana dia mitory ny fitsarana mba ho
Site Web: www.flm67ha.org
Tél: 261 20 22 324 45
fanairana ny Kristiana sy fampiononana azy amin’ny andro izay
B.P: 72 Antananarivo 101
hahamarinan’Andriamanitra ny olona rehetra amin’izay rehetra
N
6
Toby Fanantenana 67 Ha
Samihafa
Filozofia Malagasy
« Ny tsiny, ny tody, ny eritreritra »
2. Ny tody:
Filozofia Malagasy isan’ny mavesa-danja ao
aminy loatra ny “tody”; toa tsy mila ampitaina na
ampianarina aza indrindray vao fantatra ny
heviny fa zary hay ho azy ny dikany noho ny lanjany eo amin’ny fiaraha-monina, na koa na dia ny
fanenon’ilay teny ihany aza dia toa ampy hahalalàna ny dikany.
Raha nilaza momba ny “tsiny” isika teo aloha dia
nahalala fa azon’ny olona atao ihany ny misoroka azy amin’ny alalan’ny “fialan-tsiny”, saingy ny
“tody” kosa dia tsy mba azo ialana velively satria
valin’ny fitondratena tsy azo hozongozonina,
hany ka tsy mba fandre ny teny hoe “miala tody”
na dia miezaka hametraka ny fefy ihany aza ny
maro ka milaza ny hoe “aza manody”, raha toa
ka nisy zavatra tsapa ho tsy nety natao. Raha
tomorina akaiky kokoa dia valin’izay rehetra tsy
nety nataontsika na koa ambara fa fiverenan’ny
natao amin’ny tena na koa amin’ny taranaka ny
tody. Izany hoe raha nangalatra dia mba
hangalarana koa ao aoriana, raha namono olona
dia mba hovonoina koa, sy ny sisa.
Nohamarinin’ny Ntaolo izany rehetra izany ka
nanambarany hoe: “Ny Tody tsy misy fa ny atao
no miverina”, izany hoe tsy inona akory izy io fa
fiverenan’ny natao ihany; “todim-pitia, fitia”;
“todin-karena, harena”. Ny voamarika dia toa
any amin’ny lafiratsin’ny natao ihany no ipetrahann’ny tody araka ny fihevitry ny maro. Tsara
fantarina fa na dia ny soa atao koa aza “Manody”
eo amin’ny tontolon’ity tody ity, “ny soa atao
ilevenam-bola”, “Ny tody toy ny salaka: soa atao,
mihodidina; ratsy atao, mihodidina”. Aiza ary ny
lalan-kombana fa ny “tsiny mbola azo sorohina
fa ny tody tsy misy fanefitra”. Ka na iza na iza
malemy, na iza na iza mahery; na iza bado na iza
mahay dia tsy afa miala aminy avokoa. Ka na
ratsy na tsara atao amin’ny hafa dia tsy maintsy
miverina amin’ny tena avokoa araka ny finoan’ny
razantsika izay mbola mitoetra ankehitriny.
Eo amin’ny fiainan’ny kristiana anefa dia hafa
tanteraka noho izany, tsy sanatria rehefa nanao
ratsy dia tsy maintsy valiana ratsy, na rehefa
nanao soa dia hanantena soa ihany koa, fa
nohon’ny amin’ny ran’ny Zanakondry nanaisotra
ny fahotan’izao tontolo izao dia voafafa ny
fahotan’izay miaiky izany Aminy ary mendrika ny
handova fiainan-tsambatra sy fiadanana dieny
ety an-tany ary indrindra ny mandrakizay. Fa
izay tsy mino (mibebaka amin’ny fahotany) dia
efa voaheloka rahateo. (hitohy)
Fileovana Fahamarinana 67Ha
Isan-telovolana faharoa
Notanterahina tao amin’ny FLM Arivonimamo ny
18, 19 ary 20 Aprily 2008 teo ny Isantelovolana
faharoa eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67
ha. Ny teny fanevan’ny fivoriana dia ny hoe ″ Tsy
naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy
naman’izao tontolo izao ″ ( Jaona 17 : 16 ).
Ny fiofanan’ny Mpiasam-piangonana rehetra ato
amin’ny Fileovana momba ny firaisan’ny fiangonana sy ny maha-mpisorona ny mino rehetra no
nanombohana ny fivoriana ny Zoma 18 Aprily
2008. Nitohy tamin’ny fotoam-pivavahana
niraisan’ny Krisitiana mpiray Fileovana izany ny
Asabotsy 19 Aprily tontolo andro sy ny Alahady
maraina. Nisy ny fampianarana Soratra Masina
sy lahateny ary toriteny izay nifototra tamin’ny
maha-mpisoronabe an’i Jesosy, maha-loharanom-pamonjena Azy ary ny firaisan’ny fiangonana. Tao ihany koa ny asa sy fampaherezana
sy ny antsam-panahy ary ny fanentanana samihafa. Ny fiombonana amin’ny Fandraisana ny
Fanasan’ny Tompo no namaranana ny fivoriana
ny Alahady maraina.
Nampahafantarina ny mpivory tamin’izao
Isantelovolana izao ny Mpitondra Fileovana vaovao eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha,
dia ny Raiamandreny Pastora Dr Péri
RASOLONDRAIBE. Hotanterahina amin’ny talata 12 Mey maraina ny fanoloran’ny Filohan’ny
Synodam-paritany Antananarivo azy, eto amin’ny
FLM Toby Fanantenana 67 ha.
Nampiavaka ity Isantelovolana ity ny
hamaroan’ny mpivory sy fahavitrihany teo
amin’ny ezaka samihafa natao.
Ho famaranana dia tiana ny mampatsiahy ireto
daty ireto :
- 14 Jona 2008 amin’ny 9 ora : fivorian’ny
Komitin’ny Fileovana;
- 12, 13 Jolay 2008 : Isantelovolana fahatelo
hatao eto amin’ny Toby Fanantenana 67 ha.
FMBM :
Fandikana ny Baiboly
« SAMY MANANA NY HANITRA HO AZY »
Izany no nambaran'Atoa Rakoto Marc, tomponandraikitra voalohany ny Trano Mampiely
Baiboly, tamin'ny fampirantina ny Baiboly DIEM
na Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara ny
volana Novambra 2007 teo iny, tao amin'ny
Trano foibe toerany ao Antaninarenina,
Antananarivo.
Raha tsiahivana ny tantara dia ny taona nahatongavan'ny Misionera anglisy voalohany teto
Madagasikara dia i David Jones (1820) sy David
Griffith (1821), no nanombohan'ny fandikana ny
Baiboly anglisy ho amin'ny teny Malagasy. Tsy
vitan'izy roa lahy irery izany asa lehibe izany fa
nampian'ireo mpianatra Malagasy roambinifolo,
nomena ny anarana hoe Raombinifololahy I.
Didy folo
Raha nihodina ny fanotana printy ny volana
desambra 1827 dia ny Eksodosy:20, dia ny Didy
folo no andininy ao amin'ny Soratra Masina vita
voalohany.
Raha ny volana Martsa 1830 no nahavitana
Testamenta Vaovao,dia ny 21 Jona 1835 no vita
tanteraka ny fandikana sy ny fanotana printy ny
Baiboly Malagasy.
Nandalo fanitsiana maromaro ny Baiboly taorian'io dia ny taona 1865, 1887 ary 1909.
Ny taona 1976 koa dia niroso tamin’ny
fandikana ny Baiboly amin’ny Dikanteny
Iombonana na ny DIEM. Anisan'izany
Itompokolahy Pastora Dr Rakoto Andrianarijaona avy amin'ny FLM. Nizara ekipa maromaro izy ireo ka ny volana Jiona 2003 no vita ny
Baiboly D.I.E.M. manontolo.
Ity Baiboly D.I.E.M.ity dia ilay dikanteny niainga
avy dia ny teny hebreo ho an'ny Testamenta
Taloha ary teny grika ho an'ny Testamenta
Vaovao.
Ny taona 2005 no vita ny fanitsiana ny Baiboly
Katolika, raha mbola eo andala-mpanatsarana
ny dikanteny ny Protestanta.
Fanatsarana
Nanomboka ny Martsa 2006 ny asa fanatsarana
ny Baiboly Protestanta. Mpiasam-piangonana
telo nomanatanteraka izany ao amin'ny Foibe
Fikambanana Mampiely Baiboly dia: Pastora
Rakotoarivony Stephenson, avy amin'ny
Fiangonana Loterana Malagasy. Rév Randrianavalona Lovaniaina, avy amin'ny Fiangonana
Anglikana sy Ramatoa Rabarijaona Brigitte
Mpitandrinaavy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy
eto Madagasikara (FJKM).Telo taona no fetra
napetraka hahavitana io asa fanatsarana io.
Hanitra
Samy mampiasa ny Baiboliny ny isam-piangonana isan'alahady na amin'ny fotoana ilainy
izany, izay hanitra maha izy azy, fa rehefa
amin'ny fotoana iraisan’ny Fiangonana no
ampiasana ny DIEM.
FFPM
MIROSO AMIN’NY FIFAMATORANA
NY PROTESTANTA
Fivoriana indroa miantoana no natao dia ny faha
6 Febroary 2008 sy ny 25, 26 Avrily 2008 tao
amin’ny Fofikri Ilafy. Nandray anjara tamin’izany
ny mpikambana ao amin’ny Komitim-pitanana
iombonana amin’ny vondron-tsapan’asa rehetra,
ny birao vondron’asa rehetra, ny birao farimbon’asa rehetra, ny Talen’ny sampan’asa rehetra
ao amin’ny FFPM. Izany no natao ho
fanomanana ny Komitin’ny Protestanta hatao
any Antsirabe manomboka ny 26 Mai 2008 ho
avy izao. Hasongadina amin’izany ny maha
Protestanta amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary
hojerena koa ny ifandraisana amin’ny
Fiangonana rahavavy hafa. Hanantanteraka ny
Tenin’I Tompo hoe: “Mba ho iray ihany izy
rehetra” no tanjona amin’izany.
An-dalam-panavaozana tanteraka koa ankehitriny ny trano fiasana ao Vohipiraisana izay
mampiray ny Fiangonana roa tonta dia ny FLM
sy FJKM eo Ambohijatovo Ambony.Vita ny
Talatan’iny Herinandro Masina iny ny trano
andrefana izay iasana amin’izao fotoana izao.
Ho vita ny fanavaozana ny trano rehetra ny
Janoary 2009, vokatry ny fiaraha-miasa ny
Fiangonana sy ny Fanjakana.
FIFANINANA HO AN’NY TANORA !!!!!
Fikajiana ny tontolo iainana no
nanomezan’ny Ntaolo anaran-tanàna mitondra anaran-kazo, ohatra:
Madirotelo, Ambodibonara
Manomeza ary anaran-tanàna na
toerana eto Madagasikara misy
anaran-kazo araka izay fantatrao,
ka izay tanora telo voalohany
mahalaza betsaka indrindra dia
hahazo loka avy amin’ny Gazety
Fanantenana!!!
Atero ao amin’ny Biraon’ny fandraharahan’ny Fiangonana ny taratasy
misy ny valiny, misy anarana mazava, taona, adiresy, alohan’ny
faran’ny volana Mey. Mazotoa mandray anjara.
Toby Fanantenana 67 Ha
7
Soa sy ny Finaritra
MIHINANA FINARITRA :
Raha hazan-drano no asian-teny, mahalala
azy avokoa na ny ankizy madinika , io ilay
sakafo namokisan’i Jesosy ireo lehilahy tsy
omby dimy arivo fahizay. Karazan- trondro
aman’alina no hita any anaty ranomasina
sy ranomamy any. Mora levonina ny trondro ary tena mahasalama , ahitana proteina
betsaka ao aminy.Iray amin’ireo trondro
tena mahay milomano ny “thon”.
Mahavariana fa misy koa ireo trondro tsy
dia mitsoriaka firy na anaty rano aza.
Zavatra ilaina :
Ho an'ny " Filets de merlan à la crème " :
Nofon-trondro ..................................4
Ny ikarakarana ny ro
Rano ..........................................1,5 l
Divay fotsy ....................................2dl
Tongolo, selery,karoty
Trondro
Hanitra maintso isan-karazany
Sira, dipoavatra
Ny ikarakarana ny lasaosy
Tamenak’atody ................................3
Crème fraîche............................125g
Fomba fikarakarana azy :
Ampangotrahana miaraka ny rano misy
sira, ny divay, ny zava-maintso sy ny selery
ary ny karoty. Avela hiketrika mandritra ny
30 minitra.
Arotsaka ao anaty ro ny nofon-trondro
tokony ho 10 mn eo ho eo. Esory avy
hatrany rehefa tokony ho fahefatry ny litatra
sisa ny ranony.Esorina ireo hanitra isankarazany.
Karakaraina ny lasaosy: afangaro ny tamenak’atody sy ny crème fraîche dia atao
“bain marie”eo ambony afo malefaka, kendrena tsy hangotraka dia asiana dipoavatra
kely sy sira.
Iny lasaosy iny no handrakofana ilay nofontrondro ary azo aroso avy hatrany. Tsara
kokoa raha vary fotsy lava no ampiarahana
aminy.
TONOKALO
Vonona Izahay
1-Ry Ray sy Zanaka Fanahy
Miantso Anao’zahay etoana
R’Ilay Telo izay iray
Androany no fotoana
3-Raha tsy Ianao no niasa
Sasa-poana izahay
Tanterakay ny kinasa
Nanirahanao anay
5-Maintimolaly no anaranay
Tsy mitsahatra mitory
Voninahitra ho Anao ry Ray
Na dia maro ny mampahory.
Amen
2-Dimy taona lasa izay
No nitorianay ny Teny
Nasandratray ny feonay
Nafafy eny rehetra eny
4-Ny toriteny an-kira no atao
Ampibebaka ny maro
Ny iverina Aminao
Ny tsara tsy ifangaroaro
FAHASALAMANA
“Tuberclose”
Ny tiberkilaozy na raboka dia aretina azo avy amin’ny tsimok’aretina atao
hoe « bacille de Koch ». Mbola mamono olona hatrany amin’ny roa
tapitrisa isan-taona maneran-tany izy io. Manome fanazavana bebe kokoa
ny Dokotera tompon’andraikitra eto amin’ny Tobim-Pitsaboana Loterana
67ha: Dr.RANDRIANTIANA Michelle: ny tiberkilaozy dia i Laennec no
nahita azy voalohany tamin’ny taona 1839. Tamin’ny taona 1865 no nahitan’i Dokotera Jean Antoine Villemin ny fomba fifindran’ny aretina. Ny
taona 1862 i Robert Koch no nahita ny tsimok’aretina (fandinihana
nataon’ny Institut Pasteur).
Ny fisehoany eran-tany: Ambara ho aretin’ny tany mahantra ny tiberkilaozy. Aty Afrika no tena mbola ambony ny tahan’io aretina io noho ny
maha ambony ny tahan’ny olona izay mitondra ny tsimok’aretina VIH
(seropositivité HIV) izay mampihena ambany dia ambany ny hery
fiarovana eo amin’ny marary . Ho an’i Madagasikara manokana dia mahatratra hatrany amin’ny 20000 ny isan’ny marary mitondra io tsimok’aretina
io isan-taona .
Ny karazany: 1) Ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka na tratra (tubercu
lose pulmonaire)
2) Ny tiberkilaozy ivelan’ny tratra (exotre-pulmonaire,
ohatra any amin’ny taolana, hoditra, ny lalan’ny fivalanandrano, lalanjaza sns…)
Ny karazany voalohany no tena mihanaka eto amintsika satria dia
Malagasy 15000 isan-taona no mitondra azy io izay miseho amin’ny
alalan’ny:
° Fanaviana, harerahana matetika, fahalain-komana, tsembontsembodava indrindra amin’ny alina, fihenan-danja.
° Kohaka mihoatra ny telo herin’andro.
° Marary amin’ny tratra na mandrehoka misy rà.
Mifindra ve? Ny olona iray voan’ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka
(tuberculose pulmonaire) ihany no mifindra amin’ny alalan’ny fipitihan’ny
otrik’aretina rehefa mievona na mikohaka.
Ny fomba ahalalana fa voan’ny tiberkilaozy: Ny fitsirihana ny rehoka no
ahitana taratra fa mitondra ny tsimok’aretina ny olona iray ary hamafisina
amin’ny alalan’ny fitarafana ny tratra izany. Eo ihany koa ny IDR(intradermo-reaction)
Ny fomba fitsaboana azy: Azo tsaboina ny raboka ary sitrana tsara rehefa manaraka ny torohevitra antsakany sy andavany ny marary. Valo
volana ny fotoana hitsaboana ka hihinanana fanafody isan’andro. Efa
nohamoraina rahateo ny fitsaboana azy satria dia maimaim-poana izany.
Mbola sakana anefa ny fiheverana fa aretina mahamenatra ny raboka.
Marihana etoana fa mampiverina ny aretina ary indrindra manome aina
ireo”bacille” matanjaka ny tsy fanaperana ny fitsaboana na ny traitement .
Fiarovana: ° Fitsaboana ara-potoana ny olona voan’ny tiberkilaozy izay
mety hamindra
° Vaksiny B.C.G hoan’ny zaza
° Fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana (tsy mandrehoka eny rehetra eny ary tsy manimba ny ala izay
manadio ny tontolo iainana.
Voahirana Maintimolaly
NY KILALAONTSIKA : Diso fito N° 003
8
Toby Fanantenana 67 Ha

Similar documents

Ny MAP - Planipolis

Ny MAP - Planipolis ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP isika ny volana Oktobra 2006. Drafitr’asa goavana sy matotra ny MAP ary manoritra ny soridalana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny Firenena ao anatin’ny dimy taona...

More information

Vakiana manontolo - Hafatry ny lanitra

Vakiana manontolo - Hafatry ny lanitra mihoatra noho ny fitadiavana volamena ny Paradisa. Jesosy Kristy irery ihany no làlana tokana ahafahanao mankany, dia ilay niteny hoe : « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » Jao 14. 6 Ra...

More information