Tompon`andraikitra amin`ny obésité an`ny zanantsika isika

Transcription

Tompon`andraikitra amin`ny obésité an`ny zanantsika isika
TO M PO N' AN D R AI KIT R A A M IN'NY O BESIT E AN'NY ZANANTSIKA IS I KA ‐ NY ANTO NY MAMPATAVY GUIDE HO AN’NY VEHIVAVY MALAGASY IZAY LEO REGIMES Boky nosoratan’i Minoharifidy tao amin’ny Malagasy Te Hihena Voalohan‐teny
Voalohan‐teny Minoharifidy no anarako, vehivavy malagasy, 26 taona1, izay miasa toa ny comptable, izany hoe tsy dokotera fa olona mankafia ny psykolojia sy ny sociolojia. Ary leo ny fampijalian‐tena ataon’ny vehivavy ny tenany amin’ny alalan’ny régimes, sy ny lainga izay ampanantenainy.  Tianao ny hihena, hanena kibo, hanintona bebe kokoa ?  Fanirianao ny tsy hitombo intsony ?  Na nofinofinao ny hahavita hanao pataloha jean nefa tsy mila mamela ny bokotra hivaha satria tsy mety mihidy intsony, mahasosotra anao ny voatery tsy mividy raha tsy leggings satria ireny ihany no elastika. Mijanona izany miaraka amiko, fa ho entiko miaraka amiko ianao mba hizarako ny fikako izay mampihena nefa tsy mety mitombo intsony. Efa hatrizay hatrizay, araka ny fahatadidiavako azy, rehefa te hihena dia manao régime foana. Nefa matetika, tsy vita ny miaritra hatramin’ny farany ary lasa mitombo indray avy eo, indraindray aza mihangeza kokoa noho ny teo aloha. Tsy mahatanty dia lasa mihinana izay rehetra hitan’ny maso. Iza no mahatsiaro ny bikany nafatifaty taloha ? Ireny zava‐
mitranga ireny matetika dia vokatry ny hanohanana na fihetseham‐po « ratsy » mahery loatra, toa ny alahelo, na koa hatezerana indraindray koa.
Ato anatin’ito boky ito, ho zaraiko aminao ny antony izay mampatavy mba hahafahana mamaha ny olana hatrany amin’ny fotony. Ary mba hahafahana manao izay tsy hitrangan’ny olana intsony. Na koa mba tsy hamerenana ny hadisoana fanao hatrizay izay mampatavy. Ho zaraiko ihany koa ny ny hadisoana rehetra izay nataoko tamin’ny hatanorako, rehefa izaho nitady izay rehetra azo hatao mba hahatratrarako ny tanjoko : hanana kibo fisaka. Mbola lamaody moa izany hatramin’izao ô ? Tsoriko fa tsy samihafa aminareo aho. Tsy teraka niaraka tamin’ny vatana mpilatro aho. Olona teraka tamin’ny fianakaviana izay be olona ngeza aho. Noheverin’ny ankabeazan’ny olona fa rahavavin‐dreniko aho tamin’ny manodidin’ny faha‐12 taonako, noho ny nahazoako 10kg tao anatin’ny 1 volana monja nanaovako fialan‐tsasatra. Ahoana no nataoko ? Manirery aho tamin’izay, tsy nisy namana, sady tsy nisy fialam‐bola. Nihinan‐kanina izany sisa no mba nandaniako ny fotoanako.
Noho ny tonga teto Antananarivo aho, taorin’ny fialan‐tsasatra, dia niova be : tsy antonina ahy intsony ny akanjoko taloha. Hany ka voatery nividy akanjo vaovao ho ahy ny ray aman‐
dreniko.
1
Tamin’ny taona 2015 Voalohan‐teny
Nanomboka nanadala ahy ny ankizy tany am‐pianarana. Soa ihany aloha fa tsy naharitra ela izany, nandritra ny 5 volana fotsiny. Nefa vetivety dia nihangeza indray aho avy eo. Tsy maintsy nionona niaina tao anatin’iny vatana iny aho nandritra ny fotoana maro satria tamin’ny 12 taona izany, tsy mbola fantatro hoe inona no mampihena. Tamin’ny manodidina ny faha‐14 taona tany, nametraka tanjona vaovao aho : ny hiverina amin’ny bikako mahia toa ny tamin’ny faha‐7 taonako tany. Raha ny tena marina, nilanja 45kg aho dia mirefy 1m52. Ie, fohy kely aho. Araka ny IMC‐ako (Indice de Masse Corporelle) dia milanja « normal » aho. Fa tsy raisin’io tao anatin’ny kajikajiny anefa fa isika malagasy dia fohy kokoa noho ny amerikanina sy ny eropeanina, izay nanaovana ny IMC. Sady Tsy miraharaha ny fizarazaran’io lanja io amin’ny faritry ny vatana akory ny IMC. Raha ny momba ahy izao, ny ankabeazan’izany tavy izany dia nandeha tany amin’ny kiboko sy ny takolako. Misy olona sasantsasany manodidina ahy izay tsy nahita ahy efa ela no nanontany ahy matetika hoe mitondra vohoka ve aho, mba hahazoanareo an‐tsaina ny zava‐nitranga. Ie, tamin’izaho mbola vao 14 taona monja. Nanomboka nanao toa ny olon‐drehetra amin’izay aho : nanomboka nanao régime.
Tamin’izany, tsy mbola nahalala ny tokony hatao aho. Ny hany mba haiko dia avy amin’ny sakafo no niandohan’ny olana. Nanomboka tsy nisakafo in‐3 isan’andro aho ary tsy nihinan‐
kanina raha tsy indray mandeha : amin’ny atoandro, mba hamerenana ny ohatra nomen’ny reniko ahy fahizay, tsy fanahy iniana, hatramin’ny fahakeliko. Nampijaliako ny vatako tamin’ny fiaretana ny hanohanana mandritra ny ora maro alohan’ny hihinanan‐kanina. Tsy nihinana raha tsy laoka iray sotro be (tsy feno tsara akory) aho, tsy misy vary, isaky ny atoandro. Tadidiko fa rarak’ivy toa ny alika be rora aho isaky ny mahita sakafo. Nihena aho, fa tsy nihena ny kiboko : nijanona ho ngeza be foana izy io, amiko, fa tsy nety nihena sady maneno foana. Tsy tantiko mihitsy ny mahita io kiboko io. Najaniko ary ny fifadian‐kanina, inona ny dikan’ny tsy fihinanan‐kanina nefa tsy mihena akory ny kiboko ? Niverina nisakafo toa ny taloha aho : vary sy laoka in‐3 isan’andro. Niverina nahazo tsirony tamin’ny vary aho ary dia nisesika be. Nihanatavy aho taorian’izay. Taorian’izay, najanoko ny fifadian‐kanina. Dia nanomboka nanao régime aho : « tsy mahazo mihinana zavatra tsara aho ». Efa fantam‐poko, fatam‐pirenena fa izay rehetra tsara dia na voararan’ny lalàna, na tsy mety ara‐moraly, na mampatavy. Noho izany, najanoko ny fihinanana hena, satria, ho ahy manokana, tsara be ny hena. Najanoko tanteraka ihany koa ny fihinanana mofo, vary, paty … Raha fehezina, tsy nihinana raha tsy voankazo sy legioma manta aho in‐2 isan’andro satria tsara ho an’ny fahasalamana hono ireny. Fa maninona no in‐2 fotsiny ? Tsy nisakafo aho raha tsy ny maraina sy ny atoandro tamin’ity indray mitoraka ity. Ary naharitra nandritra ny 5 andro izany. Vetivety be aho dia leo an’io régime io aho satria leo ny mihinana sakafo mitovy foana aho. Nefa dia nandaitra an : nihena aho.
Nanomboka nanandrana régimes maro hafa aho mba hiovana asakafo hanina.Nanontaniako ny manodidina ahy ary betsaka ny nanoro hevitra : régime poireau, régime lasopy laisoa, Voalohan‐teny
régime mandritra ny 21 andro tsy mihinana sakafo ahazoana glucides (vary, paty, mofo, …), régime tambavy (volon‐katsaka …), régime hyperprotéiné (be protéines), sns … Mazava ho azy, nihena haingana aho nandritra ny 3 na 4 herinandro, nefa tsy nihena intsony aho taorian’izay. Sady isaky ny mijanona tsy miaritra intsony aho, ka miverina amin’ny fahazarako taloha, dia nihanatavy be foana. Voatery nitandrina ben y sakaof nohaniko izany aho : tsy mihinana siramamy, tsy mihinana matavy, tsy mihinana be loatra, … Tonga tamin’ny faha‐16 taonako amin’izay aho. Tsara anie izany hatanorana izany e ! Teo no nanombohan’ny fiarahana tamin’ny lehilahy. Nahagaga anefa fa tsy nanintona lehilahy maro aho. Tsy mitovy amin’ny namako iray izay « taille manequin », izay nanana ny hatsarana rehetra : tongotra manify tsara sady lava, kibo fisaka … « Vahana » hono io araka ny filazan’ny olona.
Mbola nitady vahaolana amin’ny « olako » ihany aho. Nahita karazana menaka mampahiavita amin’ny sakay ny reniko. Hosorana amin’ny faritra mila ahena izany menaka izany dia orina mandritra ny 15 minitra. Avy eo, maka sachet dia fonosina amin’iny ilay faitry ny vatana. Mila anaovana mandritra ny alina iray manontolo izany. Hafanana re izao e ! Toa ny nisy nandoro ny kiboko nefa tsy afaka nandositra aho. Tsy haiko hampitahana amin’ny hafa izany fahamaizana izany, « narary anie izaho iny e » ! Nihevitra izany izaho sy ny reniko tamin’izany fa nandaitra ilay izy.
Mazava ho azy, najanonay izany « fikoloam‐batana » izany rehefa tapitra lany ilay menaka. Vokan’izany : tsy nisy fiovana akory, naharary sy lany vola tamin’ny tsy nisy antony fotsiny izahay. Fa tsy nijanona teo ny andrankandrana, nampiasa savony mampahia izahay. Manitra be izy io. Nefa, toa ilay menaka : tsy nandaitra akory. Sary 1 : Tany amin’ny saha kakao tany Ambanja tamin’ny aogositra 2013. Sary 2 : Tamin’ny fetim‐
pianakaviana tamin’ny 2013. Sary 3 : Sary natao photo de profil facebook tamin’ny desambra 2013. Tadidiko ihany koa tamin’ny faha‐22 taonako ny fanandramako ny thé minceur. « Ditemampahia, tena mandaitra », ilay mpivarotra rahateo nandresy lahatra. Iodite io dia Voalohan‐teny
fangaron‐dravinkazo izay nototoina dia natao anaty lamba kely manify toa ireny dite tsotraireny. Ny pake iray izay misy dite 20 isa dia vidiana 10.000Ar hatramin’ny 12.000Ar2. Ahoana no fampiasana azy ? Alatsaka anaty rano mangatsiaka ny dite iray mandritra ny 15 minitra ary sotroina iny ranony iny rehefa vao avy mifoha rehefa maraina, mbola tsy nisakafo. Raha ny tena marina, iny tambavy iny dia laxatif3. Avelako ho eritreretinareo hoe ahoana izany vehivavy izay mandeha miasa rehefa avy nihinana fanafody mampivalana izany. Marihiko etoana fa tsy nihinan‐kanina betsaka akory aho tamin'io fotoana io, mbola nino ihany aho mantsy fa ratsy ny mihinan‐kanina. Tsy azonareo an‐tsaina ve ny zava‐nitranga ?
Aleo izany ho tantaraiko anareo ny zava‐nitranga raha izany : voalohany indrindra aloha, toa ny nanenoneno be ny kiboko. Avy eo, toa ny nidiran’ny rivotra be izany ny kiboko,ka manery be ny vavoniko. Tsy nahazo aina mihitsy aho na mitsangana na mipetraka, na mandeha, na matory. Avy eo, nandeha nivalana isaky ny 15 minitra aho. Rano be mihitsy ny maloto nivoaka. Ary mafy be ny feon’ny filatsany, ary nandreraka be ahy izany. Raha fehezina, mampijaly e ! Afa‐baraka teo anivon’ny mpiara‐miasa amiko sy ny lehibeko tany am‐piasana aho noho ny fisotroana thé minceur. Tsy very na 1 kilao akory aho. Marina aloha fa tsy naharitra 2 herinandro akory aho. Tany amin’ny faha‐24 taonako tany, nanapa‐kevitra ny hanandrana hanao zumba aho, satria nalaza be izany teo anivon’ny vehivavy. Fanamarihana kely : tsy mankafy fanatanjahan‐tena aho. Ny hany fanatanjahan‐tena izay haritro dia ny milomano (izay tsy hataoko raha tsy in‐2 na in‐3 isan‐taona). Nitady club fanaovana zumba aho ary nisy iray izay niteny ahy hoe 25.000Ar « monja » raha miaraka amin’ny namana ary 30.000Ar « monja » raha miaraka amin’ny be sy ny maro4. Izay no vidin’ny fanaovana zumba indray mandeha. Marina aloha fa efa niasa efa 2 taona aho tamin’izay, fa tsy vitako ny handany ny hany kely mba nangoniko ho an’ny mariaziko mba hanaovana zumba INDRAY MANDEHA ihany. Sady ndrao bedin’ny fofombadiko amin’izany. Sady ankoatra izay koa moa saro‐kenatra aho ka tsy mahasahy manao an’izany eo imason’ny olona. Nitady vidéos zumba ary aho tamin’ny Youtube. Ary nahita maro aho. Nalaiko izay nifanaraka tamin’ny tanjoko : « Fitness Flat Abs Workout ». Noho ny tonga tany an‐trano aho, novelomiko ny solosaina ary nanomboka nijery ilay vidéo aho, eo am‐pipetrahana. Efa fanaoko ny mijery vidéos fotsiny aloha izay vao manaraka. Matetika, tsy arahako akory ilay izy satria tsy mahaliana ahy sady tsy mampazoto ahy akory.
Nijery an’ilay vidéo ary aho. Nanomboka tamin’ny fihetsika mora kely aloha : ahisaka mihiditra sy mivoaka ny tongotra. Fa ny tena nanintona ny masoko dia ny fampisehoana kibo 2
Tamin’ny taona 2014 Ny laxatif dia fanafody izay omena ny olona izay ampijalian’ny fitohanan’ny maloto (kaka) mba hampivalana azy. Ny fampiasana io karazana fanafody io nefa tsy mitohana akory dia tsy misy ilavana azy sady mety hisy voka‐dratsiny amin’ny fahasalamana izay mety hifarana amin’ny cancer any amin’ny tsinay. 4
Club professionnel an’ny Zumba io, vidiny izay hitako tamin’ny internet tamin’ny faran’ny taona 2013. Marina aloha fa misy clubs hafa izay mora kokoa any. Nefa mitady kalitao tsara sy coach matihanina aho, ka mila mandoa bebe kokoa. 3
Voalohan‐teny
hataon’ny tovovavy amin’ilay vidéo. Toa misy abdos daholo izy izany. Anefa ny hanana kibo fisaka no tanjoko fa TSY hanana muscles5. Najanoko ny fitsikerana nefa tsy manandrana akory. Nitsangana aho ary nanomboka nanandrana ilay fihetsika aho. Tsy arako ny fihetsika ataon’izy ireo. Fa notohizako ihany anefa noho ny fanantenana fa hahavita ihany aho. Dia very indray fa tsy naharaka e ! Fa ahoana no hanaovany an’io e ? Dia vita ny tapany voalohany amin’ilay vidéo nefa zara raha nihetsika akory aho. Kivy aho. Sady tsy tiako ilay fihetsika ampanaovina ahy, no tsy haiko akory ny fomba fanaovana azy. Nanery tena aho hanao an’izany nefa tsy nety. Tsy nazoto intsony aho hanohy ka naleoko najanona tanteraka. Tsy nandaitra ny fifadian‐kanina, ny régime, ny produits minceurs, ary ny fanatanjahantena. Nefa mbola nihangeza foana aho. Leo ny nijery ny vatako tamin’ny fitaratra aho, ny nikitikitika ny taviko isa‐maraina. Leo ny nijery ny olona nahia faly amin’ny fiainany aho. Leo ny reraka aho rehefa mandehandeha miaraka amin’ny sipako na rehefa miakatra ny tohatra miakatra any an‐tranonay aho. Nitady vahaolana hafa aho, hatraiza hatraiza. Ary satria aho matoky bebe kokoa ny lojika dia namaky boky siantifika izay afaka mamaly ny fanontaniako aho :
 Inona no mampatavy ?
 Fa maninona aho no tsy mety mihena ?
 Fa maninona aho no mihangeza haingana kokoa noho ny mihena ?
 Fa maninona no mila manao fanatanjahantena nefa misy olona mahia nefa tsy mikotrana akory ?
 Inona no tsiambarantelon’ireny olo‐malaza ireny mba hahazoana vatana tsara bika ?
 Inona no haniny ?
 Fa maninona no tsy mety mihena intsony aho nefa tsy mihinana sakafo mampatavy intsony ?
Nanontany dokotera ihany koa aho mba hahitana ny vahaolana tena mety. Dokotera jeneralista telo no niresahako hatreto, satria tsy mbola nahalala aho tamin’izay hoe misy nutritioniste eto Madagasikara6.
5
Ny tanjoko taloha, talohan’ny niovan’ny vatako. Fa taorian’izay dia naniry ny hanana abdos aho, tanjona manokana izay tiako ho tratrarina alohan’ny faha‐30 taonako. 6
Eny amin’ny Espace Médical raha ny tenin’ny mpanaraka ny pejy : « Te hihena nefa tsy mijaly ? Aty jerena » Voalohan‐teny
Sary 4 : Tamin’ny fanombohan’ny taona 2014 tamin’ny nanombohako nihena. Sary 5 : Tamin’ny manodidina ny mey 2014, photo de profil facebook. Sary 6 : Tamin’ny mars 2014, sary fijereko ny fivoharako. Sary 7 : sarin’ny kiboko ny 28 aogositra 2015, nanomboka niseho ny abdos‐ako. Nanomboka niasa mafy amin’izay ary aho. Nandramako daholo ny fika izay nangoniko. Ireo izay tsy nandaitra dia nahariko sy novaiko. Dia natambatro daholo ireo rehetra izay voavakiko sy reko, fa indrindra indrindra, izay nandramako, mba hanamboarako ny fikako. Nila andrana, hadisoana, ary fitsapatsapana nandritra ny 2 taona7 mba hahavitana an’izany. Samy nahita ny fivoaran’ny vatako daholo ny manodidina ahy vao vita ny 6 volana8, ary maro no nanontany ahy hoe inona no nataoko, na hoe inona no régime nataoko … Namorona pejy facebook9 ary aho mba hizarako aminareo ny niainako sy ny hany mba haiko. Avy eo aho namorona tranon‐kala ho an'ireo izay te hahita ny mombamomba ny fanenana tena nefa tsy tia ny fikorontanan'ny torohevitra ao amin'ny facebook. Ary farany, ito boky ito. Nefa indray andro, nahavaky boky aho izay nanova ny fomba fijeriko. Io boky io dia manome vahaolana amin'ny fanenana tena nefa tsy mila mampijaly tena amin'ny régime. Tsy maintsy novaiko daholo ary ny rehetra mba nahatongavako tamin'ito tranon‐kala vaovao ito sy ny boky farany. Nanapa‐kevitra ny hizara ny fikako aho mba hanampiako ireo izay, toa ahy taloha, te hihena sady tsy te hihangeza intsony, na te hanena kibo, na sady tsy te hitombo no tsy te hihena intsony. Satria samihafa avy isika, dia mila amboarina mba ho mety amin'ny iainanao ny torohevitra rehetra. Mba hahavitana izany, angatahana ianao mba hamaly ny fanontaniana rehetra amin'ny fahamarinana. Ary hanao ny enti‐mody rehetra izay tokony hatao. Mirary anao fafinaretana amin’ny famakiana ito boky ito aho ary bon courage. 7
Septambra 2013 hatramin’ny desambra 2015 Desambra 2013 hatramin’ny mey 2014 9
« Maigrir Sur mesure pour un Ventre Plat », ary avy eo « Te hihena nefa tsy mijaly ? Aty jerena » 8
Lohahevitra
Lohahevitra A. Mamaritra ny habeantsika ny jenetika .............................................................................. 4 B. Tsy mampatavy ny mihinan‐kanina ................................................................................... 6 I. Voataiza mba hatavy tsy nahy isika ................................................................................. 9 1. Mangala‐tahaka ny ohatry ny ray aman‐drenintsika isika ....................................... 9 2. Tian’ny ray aman‐drenintsika hatavy isika ............................................................ 15 3. Atosiky ny ray aman‐drenintsika tsy nahy mba hatavy isika ................................. 20 4. Nampianatra antsika, tsy niniana, hihinana ny fihetsehampontsika isika ............ 23 5. Complexés amin’ny vatantsika daholo isika .......................................................... 26 II. Mampatavy antsika ny manodidina antsika ................................................................. 37 1. Areti‐mifindra ny fihetsika tsy mendriky ny manodidina antsika .......................... 37 2. Tiantsika ny hanaraka ny lamaody : ho mahia ....................................................... 41 3. Manamparitaka ny modely ny medias mba hahazoany tombontsoa ................... 46 4. Ny lanjan’ny endrika ivelany .................................................................................. 50 III. C. Mampatavy ny régime ............................................................................................... 55 1. Fa maninona ary ny régime no mahangeza e ? ..................................................... 56 2. Fa inona no atao hoe régime ? .............................................................................. 67 3. Ny produits minceurs ............................................................................................. 77 Mampahia ny mihetsiketsika ........................................................................................... 79 I. Ahoana ny hahazoana fotoana hanaovana fanatanjahantena ? .................................. 80 II. Ahoana ny fomba hitiavana ny fanatanjahantena ? ..................................................... 82 Tari‐dresaka
Tari‐dresaka Misy manontany ahy matetika hoe « ahoana ny fomba hanenan‐danja haingana ? ». Ka omeko anareo ary ny vahaolana faran’izay haingana indrindra, sady tsotra no mandaitra 100% ihany koa. 1. Mandehàna milanja ary raiso an‐tsoratra tsara ny lanjanao ambamin’ny grama miaraka aminy mba hahafahanao mahita tsara ny lanja very. 2. Mandehana mikaka. 3. Mandehana mivrerina milanja. Tada ! Very lanja haingana ianao. Very grama vitsivitsy ianao tao anatin’ny minitra vitsy monja. Nampanantena anareo fahaverezan’ny lanja haingana aho, ary izay ny zava‐nitranga. Fa maninona ary ianao no kivy ? Niandry zavatra hafa angaha ianao ? Raha ny tena marina, nanantena ny ho very kilao maromaro efa noeritreretinao ianao. Ary ao anatin’ny fotoana fohy no hitadiavanao an’izany mba tsy hiandrasanao ela. Sady efa faly ery izay ianao vao nahavaky ilay teny hoe « tsotra », sa tsy izany ? Ka rehefa nanome ilay fika « fôpla » aho dia nivadika ho hakiviana ny fahazotoanao. Efa nanantena ny ho very 10 kilao izay ianao ao anatin’ny herinandro 1 monja na 1 volana. Ary amin’ny fifadiana sakafo sasantsasany no nanatenanao hahatongavana amin’izany no am‐panaovana fanatanjahantena ihany koa. Sa diso aho ? Efa betsaka ny fika izay mampanantena anao ireo vokany ireo. Koa maninona ary ianao no nitodika taty amiko ? Satria tonga saina ianao, na dia tsy fantatrao aza izany, fa tsy mety mihena tsara na dia miezaka be aza. Ary raha milaza aminao aho fa diso tanjona ianao ary izay no nahatonga ny vokany taminao ho niharatsy kokoa ? Izany hoe nihanatavy noho ny taloha ianao satria diso tanjona. A NDAO HANADIHADY NY ATAO HOE « VERY LANJA HAINGANA ». Very lanja isika rehefa mihena ny lanjan’ny vatantsika. Izany hoe rehefa misy zavatra izay manan‐danja niala tamin’ny vatana. Satria ny vatana dia fitambaran’ny singa maromaro : voa, volo, hoditra, rà, rano, kaka, tavy, … Very lanja izany isika rehefa tapa‐tanana na tongotra satria tsy mihiditra amin’ny lanjan’ny vatana intsony ny lanjan’iny tanana na tongotra iny. Mety ho very lanja ihany koa isika rehefa avy mikaka, na rehefa very rano ny vatana rehefa tsemboka na mivalana satria ny vatana dia feno rano amin’ny tahan’ny 56% (Wikipedia, Masse corporelle humaine, 2015), na rehefa mihena ny tavintsika. Nefa ny fihenan‐danja izay tiantsika hitranga amintsika dia ny fihenan’ny tavy. Mitovy hevitra daholo isika fa tsy misy hidiran’ny tapa‐tongotra, na very rano na kaka amin’ny tanjontsika. Ny mihena tavy dia mahatonga ny fiovan’ny bika ihany koa : mifintina ny vatana. Lasa mahia isika. Izay no atao hoe « mihamahia ».Noho izany, tsy hibahan‐toerana be intsony izany ny vatantsika, izany hoe kely volume. Raha fehezina, te ho very volume isika fa tsy lanja. Tari‐dresaka
Te hanatratra ny tanjonao haingana ianao. Nefa ny tavy dia nifatotra tamin’ny vatanao. Tiany ny toerana misy azy. Tia anao ny tavy ! Sady, nila volana maro, mety ho taona mihitsy aza, mba nahafahany niraikitra tamin’ny vatanao, na dia tsy tonga saina amin’izany aza ianao. Fa maninona ary ianao no mihevitra fa moramora an’ny tavy ny hiala ao anatin’ny fotoana fohy ? Sady, inona no tena dikan’ilay hoe « vetivety » ? 2 segondra ? 30 minitra ? Herinandro 1 ? 1 volana ? 2 volana ? Taona 1 ? 3 taona ? Tianao ny hahita haingana ny vokan’ilay ezaka nataonao mba hahitanao hoe tena mandaitra marina ilay izy, raha tsy izay dia hitady fika hafa ianao. Ary tianao ny ho haingana izany satria matahotra ianao sao ela loatra io. Ka ho leo ianao dia ho kivy na tsy haharitra, dia hiverina hatavy indray avy eo. Tianao ny hanafainganana izany mba hahafahanao manao zavatra hafa avy eo. Tianao ny hanena ny tavinao amin’ny fotoana fohy mba hahafahanao miaina10 avy eo. Tsy tianao ny « miafy » na mifady ela loatra mba hahatongavana amin’izany. Tsy tianao ihany koa anefa ny tsy mihinana pizza, frity, sokola, vatomamy, mofomamy, … intsony mandrapahafatinao. Iza moa no hanome tsiny anao ? Tsy mist olona tia an’izany anie e ! Izany hoe, ny fanirianao dia ny tsy hijaly fa tsy hoe hihena haingana. Raha fehezina izany, ny tena tanjontsika izany dia ny ho very lanja volume haingana tsy am‐
pijaliana. Hitantsika dieny etoana fa tsy ny régime izany no tadiavintsika noho ny fampijaliana amin’ny alalan’ny fihafiana isan‐karazany izay hentiny. Ka ahoana ary no fomba mampahia nefa tsy am‐pijaliana ary amin’ny fomba maharitra (tsy mitombo intsony avy eo) ? 10
Mi‐profite Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Fampidirana Toa samy manana ny valinteny amin’ny fanontaniana : « Inona no mampihena ? » avy isika. Mino ary aho fa samy manana lisitry ny vahaolana amin’izany « olana » izany ny tsirairay. Nefa io fanontaniana io dia miverimberina, indraindray aza im‐betsaka ao anatin’ny fiainan’ny vehivavy iray. Fa maninona ary no mbola mitady vahaolana amin’io « olana » io foana ny vehivavy na dia efa betsaka aza ny vahaolana efa nomena azy ? Sao dia tsy mandaitra akory ary ny vahaolana natolotra azy ? Ny fomba mandaitra indrindra mba hamahana olana iray ary tsy hiverenany intsony dia ny famongarana (esorina tsy hisy intsony) ny antony izay mahatonga azy. Rehefa tsy misy intsony ny antony nahatonga ny olana, tsy hisy intsony izany ny olana. Alohan’ny hitadiavana ny vahaolana amin’ny olantsika : ny hatavezana, dia mila mijery ny antony isika : inona no mampatavy ? A NTONY MAMPATAVY Araky ny hitan’ny mpamaky ny pejy facebook « Te hihena nefa tsy mijaly ? Aty jerena », ireto misy lisitry ny antony mampatavy. Sary 8 : Ny antony mampatavy izay nomenareo tamin’ny sondage tamin’ny facebook tamin’ny 26 novambra 2015 Ny natiora
•Ny jenetika
•Ny vahana
Ny fiovana
•Ny mariazy
•Ny fitondrana vohoka
•Aorian'ny fitondrana vohoka
•Fiadanana ara‐panambadiana
•Fiadanana ara‐bola
•Miadana
Mihinan‐kanina tsy ara‐pahasalamana
•Mihinana be loatra
•Mihinana fatifatin‐kanina
•Mihinana mamy be loatra
•Mihinana matavy be loatra
Tsy fihetsehana
•Tsy fanaovana fanatanjahan‐tena
•Hakamoana
Tsy te hihena
•Tsy manao régime
•Tsy te hihafy
•Tia mihinan‐kanina
•Tsy maharitra fakam‐panahy
‐ 1 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Dieny mbola eto amin’ny antony dia hitako fa diso fiheverana ny ankabeazantsika. Izay no antony hitodihantsika amin’ny « vahaolana diso » izay tsy mamaha akory ny olana fa manamafy orina azy kokoa aza. I NONA IZANY NO TENA ANTONY MAMPATAVY ? Sary 9 : Ny tena antony mampatavy Noho izany, ny mampatavy anao izany dia ny vokatry ny fihetsika 2 :  Mihinan‐kanina nefa tsy noana : fomba fisakafohanana ;  Tsy mikotrana : fitaizam‐batana. Marina fa misy olona sasantsasany izay tena matavy noho ny jenetika, ka manana ny antsoina hoe « gênes de gros ». Nefa vitsy izy ireo. Ireo olona ireo dia tsy afaka ny hihena ary tokony hianatra ny hanaiky ny vatany. Nefa, misy olona sasany izay teraka teo anivon’ny fianakaviana feno olona matavy, tsy misy io « gènes de gros » io akory. Hafahafa ny jenetika ary misy foana ny miavaka. Mety hoe tsy voa ny génération misy anao nefa ny zanakao mety ho tratra. Ka lasa misy sasany mampiasa ny jenetika ho fialana pà nefa raha ny tena marina, ny mampatavy azy dia ny vokatry ny régimes maro nataony. Ho hitantsika amin’ny manaraka izany. F ANADIHADIANA NY MANJO ANAO Mba hahitanao ny manjo anao, mila maka fotoana hieritreretana ny valin’ireto fanontaniana ireto :  Efa natavy foana ve ianao hatramin’ny fahazazanao ? Eny Tsia Raha izay no izy dia mety manana« gènes de gros » ianao. Nefa mbola tsy sûr tanteraka.  Tadidinao ve ny fomba nahangeza anao ? Izany hoe tsaroanao ve hoe ahoana ny nampatavy anao ? Eny Tsia  Raha tadidinao dia tantarao ary hoe ahoana. Raha hadinonao tanteraka dia inona ary ny antony nahatonga anao tsy hahatsiaro izany, raha ny hevitrao ? ‐ 2 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Tsarovy fa tsy hisy olona hatavy ao aorian’ny sakafo iray (1), na iray (1) andro, na herinandro iray (1). Nila volana maromaro ianao vao natavy, mila fotoana toa izay ihany koa ny mampihena anao.  Fa maninona ianao no mihinan‐kanina ? Izany hoe : rahoviana ianao no mihinan‐
kanina ? Ny valinteny tokana izay azo ekena dia ny hoe : « rehefa noana ». Amin’izay fotoana izay ihany no mila hery avy amin’ny sakafo ny vatana. Ny fotoana ankoatra izay, ilaozanao mitahiry tavy fotsiny.  Manao fanatanjahantena ve ianao ? Eny Tsia  Raha tsy izany, inona no antony ? Mety hoe nosaziana tamin’ny kotrana ianao tamin’ny fahazazanao (nanasazy anao tamin’ny fanaovana pompes ohatra ny ray aman‐dreninao na ny mpampianatra anao ka lasa tsy tia fanatanjahantena tanteraka ianao). Na koa hoe, ho anao, ny atao hoe fanatanjahantena dia izay karazana kotrana izay tsy tianao ihany, nefa midadasika be ny kotrana. Na koa hoe aleonao manao zavatra hafa. ‐ 3 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
A.
MAMARITRA NY HABEANTSIKA NY JENETIKA Mamaritra ny lokon’ny volontsika, ny masontsika, ny halavantsika, ny habeantsika (lava mahia na fohy matavy), … ny jenetika. Noho izany, afindrantsika amin’ny taranantsika ny gènes antsika. Nefa, satria manana gènes samihafa avy isika, sarotra ny hanao salade de fruit de gène. Mety hoe mahazo ny codes génétiques an’ny ray aman‐drenintsika isika nefa tsy hita amin’ny vatantsika izany. Nefa mety hipoitra amin’ny taranantsika indray. Izay ohatra ny antony mety ahitana olona mitovy amin’ny sinoa na frantsay any anatin’ny fianakaviana malagasy na dia manana endrika malagasy aza ny rainy sy ny reniny. Izay no mahatonga ny zaza roa izay nateraka olon‐droa mety hanana lokom‐bolo samihafa. Misy aza kambana izay tsy mitovy lokom‐bolon‐koditra : ny iray mangamanga, ny iray fotsifotsy. Noho izany, tsy mahagaga ny mahita olona mahia ara‐natoraly izay teraka tanatin’ny fianakaviana olona matavy. Mahatalanjona ny natiora. Nefa, tsy azo hadinoina fa tsy miova haingana ny gènes antsika. Nila taona aman‐tapitrisa mba nahavitana ny fivoaran’ny olombelona. Noho izany, raha matavy ny ray aman‐dreninao, nefa ny rainao sy ny renibeanao na ny teo alohan’izay (avy tamin’ny rainao sy ny reninao) tsy matavy akory, mety tsy manana « gènes de gros » ianao. Fa mety hoe vokatry ny régimes nataon’ny ray aman‐dreninao ny nampatavy azy. F ANADIHADIANA RAHA MISY « GENES DE GROS » IANAO Mba hahitana raha manana « gènes de gros » ianao, mangalà fotoana hieritreretana aireto fanontaniana manaraka ireto : 1. Teraka teo anivon’ny fianakaviana feno olona matavy ve ianao ? Eny Tsia Tsia Tsia 2. Matavy ve ny ray aman‐dreninao ? Eny 3. Matavy ve ny rainao sy ny renibeanao ? Eny 4. Matavy ve ny rainao sy renibeanao teo alohan’ireo ? Eny ‐ 4 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
5. Matavy ve ny olona niavianao ? oh : ny rain’ny raibenao sy ny renibeanao, ny teo alohan’ireo, … Eny Tsia 6. Efa natavy foana ve ianao efa hatramin’ny fahazazanao ? Eny Tsia 7. Tsaroanao ve fa nisy fotoana ianao mba nahia ? Eny Tsia 8. Efa mba nahavita nihena tao ambanin’ny lanjanao amin’izao ve ianao nisy fotoana ? Eny Tsia 9. Rehefa mihena ianao, mihodinkodina manodidina an’ny lanjanao amin’izao foana ve izy io ary tsy mety mihidina ambanin’izay ? Oh : manodidina ny 70kg : 69kg, 71kg, 68kg, … Eny Tsia Raha namaly « eny » tamin’ny fanontaniana 1 hatramin’ny 6 sy ny fanontaniana faha‐9 ianao dia mety manana « gènes de gros ». Nefa mbola tsy sûr izany. Mety koa hoe tsy manana gènes de gros ianao fa mihinan‐kanina nefa tsy noana, ka izay no mampatavy anao. Mba hahafahanao ho sûr kokoa, manaova aloha fanandramana : raha tsy mihetsika ny lanjanao nefa efa mihinana araka ny hanohananao ianao, dia tena manana« gènes de gros » tokoa ianao. Nefa, hainao tokoa ve ny mihinana araka ny hanohananao ? ‐ 5 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
B.
TSY MAMPATAVY NY MIHINAN‐KANINA Mila hery izay alainy ao anatin’ny sakafo izay hanintsika ny vatanamba hahafahantsika miaina. Izany hoe, « mila mihinan‐kanina mba hiainanana ».  Rehefa noana isika dia mampahafantatra antsika izay ny vatana fa mila hery izy. Izay no antony tokony hihinanan‐kanina rehefa noana.  Rehefa miaritra ela isika tsy mihinan‐kanina nefa noana dia lasa noana be. Lasa maka hery any anatin’ny tahirin’ny glucose‐ny izy 11 mba hampitoniana ny hahanoana anao mandritra ny fotoana fohy. Izay no antony mahatonga anao tsy mahare hanohanana intsony rehefa ela niaretana. Nefa mbola hiverina iny afaka fotoana fohy.  Rehefa tsy noana intsony isika dia efa ampy izay ny hery azon’ny vatana. Izay no antsoina hoe : fahafahampo. Izany hoe, tsy re intsony ny famantaran’ny hanohanana. Sary 10 : Fomba fisakafohanana normal Noana
Mihinan‐
kanina
Afa‐po
Mijanona tsy mihinana intsony
 Rehefa mbola mihinana ihany isika nefa efa afa‐po, dia mahazo hery miohatra noho ny ilainy ny vatana. Ataony inona izany hery miohatra izany ? Ho angoniny amin’ny endrika tavy izany, ao anatin’ny adipocytes12, mba ho ampiasainy raha sendra misy hanohanana tsy raharahiana : rehefa tsy mihinan‐kanina nefa noana.  Mibontsina ny adipocytes mba hahafahany mitahiry ny hery miohatra. Izay no mahatonga antsika mihangeza : mitombo volume. Sary 11 : Fomba fisakafohanana olona tendan‐kanina Noana
Mihinan‐
kanina
Afa‐po
Mbola mihinan‐
kanina ihany
11
12
Mba hampilanjalanjana haingana nefa tsy maharitra ny tahan’ny glycémie Ny adipocytes dia sela izay hita amin’ny tissus adipeux, izay natao hitahirizana ny tavy. ‐ 6 ‐ Hery miohatra izay hotahirizina
Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Rehefa mihian‐kanina ambanin’ny fatran’ny hery ilain’ny vatana isika, dia tsy maintsy maka hery any amin’ny tahiriny izy : any amin’ny tavyany anatin’ny adipocytes.  Rehefa maka hery any anatin’ny adipocytes ny vatana dia mifintina izy ireo. Dia lasa mihena isika : mifintina na mihena volume. Izay no antony mampihena antsika haingana be amin’ny voalohandohan’ny régime (Grégoire, 2012). Sary 12 : Fomba fisakafohanana olona mifadifady Noana
Zara raha mihinan‐
kanina
Tsy afa‐po
Tsy ampy hery
Mitady hery any anatin'ny tavy
 Nefa misy fetrany ny zakan’ny adipocytes. Rehefa feno izy ireo nefa mbola mahazo hery miohatra ihany ny vatana, dia voatery mamorona adipocytes vaovao indray ny vatana. Amin’izay fotoana izay no lasa obèse ilay olona.  Tsy afaka ny ho esorina anefa ny adipocytes, mifintina fotsiny izy. Rehefa mihena izany ny olona osbèse dia tsy hiverina amin’ny vatany teo aloha intsony, izany hoe talohan’ny nahazoany adipocytes maro. Nefa tsy mihinan‐kanina tsy amin’ny hanohanana mba hinanan‐kanina tsy amin’ny hanohanana fotsiny isika. Voatosika hanao izany isika noho ny antony telo lehibe :  Ny niainantsika tamin’ny fahazazantsika toa ny tsy fahampiam‐pitiavana na ny fampijaliana ara‐batana (kasihan‐tanana tsy am‐pisian’ny antony akory na noho ny fanabeazana hono), ny fampijaliana ara‐tsaina avy amin’ny ray ama‐dreny toa ny fanambaniana, ny fanamelohana anao satria teraka ianao, ny fampahatsiahivana anao fa zaza tsy niriana ianao, ny fanosehan’ny manodidina izay mampianatra fa ratsy ny fanariana sakafo, ny fampifandraisana ny sakafo amin’ny fitsaharam‐po, ary ny complexes … (Comestaz, 2007)  Ny terin’ny fiarahamonina izay manosika antsika hino fa misy lalàna izay mamaritra nytsara tarehy sy bika ary ireo izay tsy mifanaraka amin’izay dia ratsy bika na tsy normal, amin’ny famenoana sary sy vidéos mampiseho izany any amin’ny haino aman‐jery, na koa amin’ny fametrahana lalàna izay mamaritra ny fomba fisakafohanana amin’ny famonoana ny maha‐izy antsika sy ny tiantsika, amin’ny alalan’ny fampitahorana antsika fa ho voahilikilika isika raha tsy manaraka izany isika. ‐ 7 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Ny régimes izay manosika antsika hametra ny fatran’ny hanintsika (ohatra hoe manisa kaloria, tsy mihinana raha tsy vary 2 sotro be isan’andro, …) na hametra ny karazan‐tsakafo hanina mba tsy ho ilay « mampatavy » (toa ny tsy fihinanana produits laitiers, vary, paty, vokatra vita avy amin’ny lafarinina, ovy, akondro, zavoka, … ohatra) ary hanery antsika hihinana sakafo izay lazaina fa « mampahia » na « mampihena » (toa ny kaokaombra, tantely, paoma, kanelina, paza na papaye, …). (Comestaz, 2007) ‐ 8 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
I. VOATAIZA MBA HATAVY TSY NAHY ISIKA Efa hatramin’ny fahazazana isika no nahazo ohatra ara‐pihetsika sy fanabeazana ara‐
kolotoraly izay nampatavy antsika. Tiako marihina etoana fa ny manaraka eto dia TSY nosoratana mba hanamelohana ny ray aman‐dreny, fa mba hanampiana anao ho tonga saina fa na dia nampianatra anao an’ireo aza ny ray aman‐dreninao dia tsy voatery hanaraka an’izany intsony ianao, sady efa olon‐
dehibe rahateo e. Ireto manaraka ireto dia hanampy anao tsy hamerina ireo hadisoana ireo intsony amin’ny zanakao, mba tsy hijalian’izy ireo toa anao ihany koa. Sa tsy izany koa no tena tadiavintsika ? Noho izany, ny tena nampatavy antsika dia : 1. MANGALA‐TAHAKA NY OHATRY NY RAY AMAN‐DRENINTSIKA ISIKA Mamerina ny ohatra ara‐pihetsika izay nomen’ny ray aman‐drenintsika antsika tamin’ny fahazazantsika isika. Ny ankizivavy dia manaraka ny fihetsin’ny reniny ary ny ankizilahy ny fihetsin’ny rainy. Noho izany, ny fihetsika rehetra, izay tsy niniana, ataon’ny reny dia arahin’ny zanaka vavy any amin’ny hatanorany, na dia tsy fanahy iniana aza izany.  Raha mahita ny reniny manao maquillage sy jejojejo ny ankizivavy, dia hilalao maquillage izy sady tsy mitsahatra ny hijerijery fitaratra. Ho lasa jejojejo izy.  Raha hitan’ny ankizy ny ray aman‐dreniny fa mihinan‐kanina eo am‐pijerena fahitalavitra, dia hieritreritra izy fa normal izany. Ary hivadika ho fahazarana aza izany rehefa lehibe izy. Hijery fahitalavitra foana ary izy isaky ny hihinan‐kanina. Hifantoka bebe kokoa amin’ny vaovao, na horonantsary, na ny tantara mitohy izy fa tsy hiraharaha akory ny hanohanany. Hihinana am‐pahazarana izay rehetra ao am‐biliany ary izy na dia efa tsy noana efa ela.  Raha hitan’ny ankizy fa mihinan‐kanina ao amin’ny efitra fatoriana ny ray aman‐
dreniny, eo ambony fandriana, hieritreritra izy ary fa normal izany. Ho lasa zatra ny hihinan‐kanina ao an’efitrano fatoriana izy, eo ambonin’ny fandrianany. Hampahatsiahy azy matetika ny hihinan‐kanina ny fandrianany fa tsy hampahatsiahy azy ny hatory.  Raha miaina eo anivon’ny fianakaviana izay misy ray aman‐dreny tia miari‐tori ny ankizy, dia hievitra izy fa fandaniam‐potoana ny torimaso, ary ho ataony izay hanenana ny fotoana hatoriany. Mety ho kivy mihitsy aza izy isaky ny matory na te hatory. ‐ 9 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Raha mahita ny ankizy fa tsy manao fanatanjahantena ny ray aman‐dreniny dia heveriny fa normal ny tsy fanaovana izany. Mety hihomehy ireo izay manao fanatanjahantena na izay tia izany mihitsy aza izy.  Raha mahita ny rainy na reniny mihinana sakafo masiso noho ny tsy fitiavana manary sakafo ny ankizy dia hieritreritra izy fa ratsy ny manary sakafo ka tsy maintsy haniny daholo ny sakafo rehetra, na dia tsy noana intsony aza izy, ary na dia efa masiso aza izany.  Raha maheno ny ray aman‐dreniny mitsikera ny olona matavy amin’ny ankapobeny ny ankizy dia hihevitra fa ratsy ny mihangeza ary mila mijanona mahia foana izy raha tiany ny ho tian’i dada sy neny.  Raha mahita ny rainy na ny reniny misikotra ny vavoniny mba handoa, na mihinana fanafody mampivalana, na mihinana sakafo masiso mba hivalanany (hipiriritra) mba hahafahany mihena, dia hihevitra izy fa normal ny mampijaly tena mba hampihenana tena. Ary manan‐danja ben y fanenana tena.  Raha mahita ny reniny manao régime ny ankizivavy dia hanao régime ihany koa amin’ny hatanorany. Satria hoheveriny fa fomba fisakafohanana normal izany manao régime izany.  Raha mahita an‐dreniny mampiasa produits minceurs ny ankizivavy, dia hampiasa izany ihany koa amin’ny hatanorana. Satria hoheveriny fa normal be ny fampiasana ireny vokatra ireny.  Raha mahita an‐dreniny milanja isan’andro ny ankizivavy iray dia hitandrina be ny lanjany izy amin’ny hatanorany, na ho lasa obsédée amin’io lanjany io mihitsy aza. Satria hihevitra izy fa normal izany. Ka dia hitandrina be ny lanjany izy, na dia tsy mila an’izany aza. Ho hitantsika amin’ny manaraka fa maninona no mampatavy ny régimes sy ny fifantohana amin’ny lanja. Noho izany, ny fihetsika rehetra ataon’ny ray aman‐dreny dia ho ataon’ny ankizy ho ohatra arahina. Oh : Ny filanjana tena isan’andro dia mampiseho ny ankizy fa manan‐danja be ny lanjany, ary mila tandremany be io. Mitovy amin’izay daholo ny fihetsika rehetra izay ataon’ny ray ama‐dreny, na niniana natao na tsia. Noho izany, raha teraka ao anatin’ny fianakaviana matavy, tsy ny vahana mihitsy na jenetika no mampatavy fa ny ohatra ara‐pihetsika tsy ninian’ny ray aman‐dreny nomena ny zanany. Oh : manao régime, mihinana fanafody mampivalana na sakafo masiso mba hampivalana sy hampahia, misikotra vavony mba handoavana mba hihenana, mitaintaina amin’ny lanja sy obsedé(e) amin’izany, tsy manao fanatanjahantena, mihomehy sy mifosa, ary mankahala ny olona matavy, …Ireo ohatra ratsy ireo dia lasa miova lasa ho fihetsintsika ihany ary lasa mivadika ho fahazarana. Zatra ny fihetsika rasty isika ary tsy tonga saina amin’izany. ‐ 10 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY OHATRA RATSY ARA ‐ PIHETSIKA Mba hahalalanao ny ohatra ratsy ara‐pihetsika izay voarainao tamin’ny fahazazanao, valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Naleon’ny rainao/reninao kokoa ve ny hifantoka amin’ny vaovao, tantara mitohy, na horonantsary eo am‐pihinanan‐kanina, toa izay tamin’ny resadresaky ny mpianakavy ? Eny Tsia Io ohatra ara‐pihetsika io dia mampianatra ny ankizy tsy hifantoka amin’ny sakafony. Ka lasa tsy mankafy ny sakafo haniny akory izy fa aleony mifantoka amin’ny zavatra hafa. Mampianatra azy tsy nahy ny mihinana tsy am‐pihainoana ny tsapany izany : mbola noana ve izy sa efa afapo ?  Mihinan‐kanina hafa ankoatra ny haninareo ve ny rainao/reninao ? Eny Tsia Ny fanavakavahana sakafo (ny sakafon’ny lehibe hafa ary ny an’ny ankizy hafa) dia mampihevitra ny ankizy fa tsy mitovy amin’ny fianakaviany izy, na koa hoe : voahilikiliky ny ray aman‐dreniny mihitsy izy. Tsy mahazo mihinana sakafo mitovy amin’ny an’ny fianakaviany izy. Vokan’izany : ho lasa pêchers‐mignons‐any ireo sakafo ireo.  Namela anao hihinan‐kanina n’aiza n’aiza tao an‐trano ve ny rainao/reninao ? Oh : eo am‐pitsanganana ao an‐dakozia, mipetraka eo am‐pandriana, eo ambonin’ny canapé an’ny salon, … Eny Tsia Izany fandehandehanana mandritra ny fisakafohanana izany dia mampirisika ny ankizy tsy hifantoka amin’ny sakafony, fa hanao sy hieritreritra zavatra hafa. Ka ho lasa sarotra aminy ny hahatsapa ny hanohanany sy ny fahafahampony. Ka matetika hihinana miohatra ny fahafahampony izy.  Namela anao hilalao eo am‐pihinanan‐kanina ve ny rainao/reninao ? Oh : milalao fiara kely, milalao jeux vidéos amin’ny solosaina, … Eny Tsia  Namela anao hanao zavatra hafa eo am‐pihinanan‐kanina ve ny rainao/reninao ? Oh : manao enti‐mody, mijery fahitalavitra, misurf amin’ny facebook amin’ny finday, …
Eny Tsia Ny famelana ankizy hanao zavatra hafa mandritra ny fihinanan‐kanina dia mampirisika azy tsy hifantoka amin’ny sakafony. Ho sarotra kokoa aminy ny hahatsapa ny hanohanana sy ny fahafahampo. Ka dia hiohatra ny fahafahampony izy.  Niari‐tory foana ve ny rainao/reninao ? Oh : niasa alina, nijery fahitalavitra amin’ny alim‐be, … Eny Tsia Ho raisin’ny ankizy ho normal izany fihetsika izany. Ary ho lasa fahazarana mihitsy aza. Zara raha hatory ary izy ary hihevitra fa hakamoana ny matory. ‐ 11 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Nanasazy anao tamin’ny fanaovana kotrana ve ny rainao/reninao ? Oh : pompes, seza rivotra, … Eny Tsia Ho ampifandraisin’ilay ankizy amin’ny sazy ny fanatanjahantena. Vokany : Hihevitra izy fa tsy tia fanatanjahantena.  Nihinana ny sakafo rehetra, na dia ny masiso, ve ny rainao/reninao mba tsy hanariana izany ? Eny Tsia Ny fahatahorana ny fanariana sakafo dia mifindra amin’ny ankizy ary hotandremany ny tsy hanary na inona io na inona. Na dia tsy ilainy intsony aza izany. Vokany : Ho haniny daholo ny sakafo masiso mba tsy ho ariana, na dia tsy noana izy ary na tsy tiany aza ny tsirony.  Nilanja teo imasonao ve ny reninao/rainao ? Eny Tsia Ny fandanjana tena tsy ankitsahatra dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐danja ny lanjany. Ary raha tiany ny ho tiavin’ny ray aman‐dreniny azy foana, dia mila milanja izay eritreretiny fa mampahia azy izy.  Nanao régime ve ny reninao/rainao ? Eny Tsia Ny fanaovana régimes dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa normal ny manery tena hihinana sakafo hafahafa sy ny mampijaly saina mba tsy hihinanan‐kanina. Ary tsy misy hilavana azy ny hanohanana sy ny fahafahampo.  Nampiasaproduits amincissantsve ny rainao/reninao ? Oh : Thé minceur na dité mampahia, tambavy mampahia na mitroka tavy, savonymampahia, menaka ampahia, … Eny Tsia  Efa niresaka momba ny fomba mampahia teo imasonao ve ny rainao/reninao ? Oh : « Nihangeza indray aho, mila manao régime indray izany aho, mila mividy savony mampahia aho sao lasa matavy toa ny kisoa eo », … Eny Tsia Rehefa mahita ny ray aman‐dreniny mampiasa produits amincissants, na miresaka momba izany ny ankizy dia lasa mihevitra tsy nahy fa manan‐danja ny fitadiavana ny fika rehetra mba hampahia na hanenana tena. ‐ 12 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Efa nifosa ny olona matavy teo imasonao ve ny rainao/reninao ? Oh : « hatavy toa ny kisoa aho raha izao no mitohy », « jereo anie iny lehilahy iny fa matavy be toa ny kisoa e ! », « kamo ny olona matavy », « tsy manintona mihitsy ny olona matavy », « fa inona ary no hiarahan’iny lehilahy iny miaraka amin’iny vehivavy matavy be iny e ? » … Eny Tsia Rehefa mitsikera na mifosa ny olona matavy ny ray aman‐dreny dia mampihevitra tsy nahy ny ankizy fa ratsy na fahotana ny matavy. Ka mila mihena izany.  Efa nimenomenona momba ny lanjany teo imasonao ve ny reninao/rainao ? Oh : « Matavy loatra aho », « mahia loatra aho », « andrekaky ô ! nitombo 1 kilao indray aho ! », « nihanatavy indray aho, andrekaky re ry Ray ô : lasa milanja 78kg aho amin’izao. », … Eny Tsia Ny hakiviana na fahasorenanarehefa avy nilanja dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐
danja ny lanja. Ary raha tiany ny ho tiavin’i dada sy neny foana dia mila milanja kilao izay eritreretiny fa mahia izy.  Efa nimenomenona momba ny bikany teo imasonao ve ny reninao/rainao ? Oh : « Ratsy tarehy aho », « Matavy loatra aho », « Mahia loatra aho », « Nihangeza indray ny kiboko », « Ngeza loatra ny feako », … Eny Tsia Ny hakiviana na fahasorenanaateraky ny endrika ivelany (bika) dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐danja ny endrika ivelany. Ary raha tiany ny ho tiavin’i dada sy neny foana dia mila tsara tarehy eo imason’izy ireo izy.  Nilalao faritra iray tamin’ny vatany izay tsy tiany teo anoloana fitaratra ve ny reninao/rainao ? Oh : ny kibony, ny sandriny, … Eny Tsia Ny hakiviana na fahasorenanaateraky ny endrika ivelany (bika) dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐danja ny endrika ivelany. Ary raha tiany ny ho tiavin’i dada sy neny foana dia mila tsara tarehy eo imason’izy ireo izy.  Efa nanontany anao ve ny reninao/rainao fa nihanatavy ve izy ? Eny Tsia Ny tebitebin‐tsainaateraky ny fahazoana aina (mihamatavy) dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐danja ny endrika ivelany. Ary raha tiany ny ho tiavin’i dada sy neny foana dia tsy mahazo mihamatavy na mihangeza izy.  Efa nanontany anao ve ny reninao/rainao mba hampitaha azy amin’ny olona iray izay hitany fa « sexy » ? Oh : « Matavy noho izy ve aho ? »« Sexy noho izaho ve izy ? », « Ngeza noho ny feany ve ny feako ? », … Eny ‐ 13 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ny tsy fahatoniana mahakasika ny bika izay avy amin’ny complexes dia mampianatra tsy nahy ny ankizy fa manan‐danja ny endrika ivelany. Ary raha tiany ny ho tiavin’ny dada sy neny foana dia tokony hitovy amin’iny olona izany nangatahan’ny rainy/reniny fampitahana iny izy. ‐ 14 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
2. TIAN’NY RAY AMAN‐DRENINTSIKA HATAVY ISIKA Teren’ny ray aman‐drenintsika isika mba ho toa ny zanaka izay niriany hananana.Betsaka ny ray aman‐dreny izay manery ny zanany ho tonga dokotera, mpisolo vava, mpitsara, … nefa tsy miraharaha izay tena irian’ny zanany. Satria ireny asa ireny no tena ahitana vola. Ary mba ho fiadanan’ny zanany no hanaovany izany, mba tsy hiainan’izy ireo indray ny fahantrana izay niainany (ny ray aman‐dreny). Tsy mitranga any amin’ny asan’ny zanany fotsiny izany anefa, fa any amin’ny bikan’ny vatan’ny zanany ihany koa. Betsaka aza ny ray aman‐dreny izay kivy sy mitebiteby satria mahia loatra ny zanany, raha ny fahitany azy. Tereny hihinan‐kanina io zanany io na dia tsy noana aza izy. Misy namako hatramin’ny fahazazako izay miferotr’aina noho ny fivoharan’ny lanjan’ny zanany lahy vao tsy ampy taona iray. Satria hitany fa kely noho ny zanaky ny rahavaviny ny zanany. Tereny hinono foana io zaza io ary tsy tian’ilay zanany izany. Ny niafarany dia lasa tsy tia nono sy biberon ilay zaza. Tsy nahita aretina anefa ny pédiatre. Tsy nahita zavatra tokony hampiahiahy akory izy. Tsy noana fotsiny izy ary tsy tiany ny terena hihinan‐
kanina nefa tsy mila izany izy. Kivy foana io mpiara‐
miasa amiko io isaky ny mahita ny « fe keliny » araky ny filazany azy. Kivy foana izy isaky ny mahita sarin‐jazakely betrefona kely. Ary miteny izy hoe : « Rahoviana ary ny zanako vao ohatr’izao ? ». Mahatsapa‐tena voakasik’io ohatra io ve ianao ? Mahafinaritra anao ve ny mahita zaza kely botrefona kely na matavy be ? Efa nanery tena hihinan‐kanina be dia be ve ianao mba hampifalifaliana an’i dada sy neny ? Mihevitra ve ianao fa nahilikiliky ny ray aman‐dreninao satria tsy matavy, na mahia, araka ny tiany ? Ny ankabeazan’ny ray aman‐dreny dia manery ny zanany hatavy noho ny finoany ratsy momba ny olona mahia. Oh : « Ny olona mahia dia teraka tamin’ny fianakaviana mahantra. Raha tsy matavy ianao dia hihevitra ny olona fa mahantra isika. ». Na ny finoany tsara momba ny olona matavy. Oh : « Ny olona matavy dia teraka tamin’ny fianakaviana manan‐
karena sy miadana. » na « Ny zaza matavy dia zaza salama sady sambatra. Raha tsy mihangeza ianao dia hihevitra ny olona fa ratsy karakara ianao na hoe ampijalianay ianao. ». Ireny finoana ireny dia tsy marina akory amin’ny ankapobeny. Ireny finoana ireny dia azony noho ny fanabeazna zony vy tamin’ny ray aman‐dreniny (ny raibentsika sy ny renibentsika). ‐ 15 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Indraindray, mety hanery anao hanao régimes izy ireo satria, ho azy, ngeza na matavy loatra ianao. Nefa, mampatavy ny régimes rehefa ela ny ela. Indraindray, mety tsy natavy akory isika (tamin’ny fahazazantsika) tamin’ilay fotoana nampihorohoro azy. Mety ho vokatry ny fahatahoran’ny ray aman‐dreny ny ho hatavy toa azy isika, na ny ho lasa obèse isika. Izay mampihevitra antsika fa matahotra ny matavy ny ray aman‐drenintsika ary tsy mila an’ireny olona ireny ao amin’ny fianakaviana. Ary voatery hanao régimes isika raha te ho tian’i dada sy neny. Ireny finoan ireny dia tsy voatery ho marina na diso. Oh : « Mila manao régime ianao raha tsy izany ianao ho matavy ohatra ahy » na « Jereo anie ny tsy firaharahianao ny tenanao e ! Jereo anie ny habean’ny kibonao ? Ho lasa obèse ianao raha tsy mitandrina dieny izao isika ». H ANADIHADIO RAHA NOTERENA HATAVY IANAO Mba hanadihadiana raha noterena hatavy ianao dia valio ireto fanontaniana ireto :  Manana finoana ratsy momba ny olona mahia ve ny rainao/reninao ? Oh : « Ny zaza mahia dia zanaka olona mahantra, raha mahia ianao dia avy amin’ny fianakaviana mahantra. » Eny Tsia Ireny finoana ratsy momba ny olona mahia ireny dia mifindra amin’ny ankizy. Hihevitra ary izy fa ratsy ny mahia ary ho ataony daholo izay afaka ataony mba hatavy be, mba tsy ho ahilikilik’i dada sy neny.  Manana finoana tsara momba ny olona mahia ve ny rainao/reninao ? Oh : « Ny olona mahia dia tsara bika sy manintona kokoa ary mazoto », … Eny Tsia Ireny finoana tsara momba ny olona mahia ireny dia mifindra amin’ny ankizy. Hihevitra ary izy fa tsara ny mahia ary ho ataony daholo izay afaka ataony mba hahia kely, mba tsy ho ahilikilik’i dada sy neny.  Manana finoana tsara momba ny olona matavy ve ny rainao/reninao ? Oh : « Ny zaza matavy dia zaza tsara karakara sy salama tsara, raha mahia ianao dia zaza ampijalian’ny ray aman‐dreniny sy anorexique » Eny Tsia Ireny finoana tsara momba ny olona matavy ireny dia mifindra amin’ny ankizy. Hihevitra ary izy fa tsara ny matavy ary ho ataony daholo izay afaka ataony mba hatavy be, mba tsy ho ahilikilik’i dada sy neny.  Manana finoana ratsy momba ny olona matavy ve ny rainao/reninao ? Oh : « Ny olona matavy dia olona kamo sy malemy », « ny olona matavy dia mendrika ny ho ampijaliana satria ratsy fanahy », … Eny ‐ 16 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ireny finoana ratsy momba ny olona matavy ireny dia mifindra amin’ny ankizy. Hihevitra ary izy fa ratsy ny matavy ary ho ataony daholo izay afaka ataony mba hahia kely, mba tsy ho ahilikilik’i dada sy neny.  Nanery anao hanao régime ve ny reninao/rainao satria hitany fa matavy loatra noho ny faniriany ianao ? Eny Tsia  Nanery anao hampiasa produits minceurs ve ny reninao/rainao satria hitany fa ngeza noho ny tiany ianao ? Oh : savony mampahia, menaka mampahia, tambavy na dite mampahia, ranona poarao, … Eny Tsia Ny fanerena ankizy hanao régime na hampiasa produits minceurs dia mampihevitra azy fa ratsy ny matavy, ary tsy normal izy fa toa ny biby mampitahotra ka mila « mitsabo tena » amin’ny régimes sy ny produits minceurs, ary tsy ho tian’ny ray aman‐dreniny izy raha tsy mahia.  Efa nitsikera ny bikanao ve ny reninao/rainao ? Oh : Kely loatra ianao/ Mahia loatra/Matavy loatra ianao/Obèse loatra ianao, … Eny Tsia Ny fitsikerana ny endrika ivelan’ny ankizy (bika) dia mampihevitra azy fa ratsy ny kely/mahia/matavy/obèse …, ary ny olona izay manana vatana toa ireo dia biby mampitahotra fa tsy normal ka mila « mitsabo tena » amin’ny régimes sy ny produits minceurs, ary tsy ho tian’ny ray aman‐dreniny izy raha tsy mahia/obèse/matavy/kely …  Niferotr’aina noho ny lanjanao ve ny reninao/rainao ? Oh : Matavy loatra na kely loatra ianao ho azy. Eny Tsia Ny fitsikerana ny lanjan’ny ankizy dia mampianatra azy, tsy nahy, hitaintaina be momba ny lanjany. Mety ho obsédé(e) mihitsy aza izy. Mihevitra ary izy fa manan‐danja ny hananany lanja izay mahafinaritra ny ray aman‐dreniny.  Tezitra ve ny reninao/rainao satria tsy nihinan‐kanina araka ny faniriany ianao ? Oh : « Izay fotsiny ve ? Tsy te hanampy intsony ve ianao ? » Eny Tsia  Nampiseho anao ny hakiviany ve ny reninao/rainao rehefa tsy mihinan‐kanina araka ny faniriany ianao ? Oh : « Mbola ampio iray sotro e ! Zara raha nihinana ianao. Mahia loatra ianao ! Tsy hitovy amin’ny Rojo, ny zanaky ny mpifanolobodirindrina amintsika izay matavy kokoa noho ianao mihitsy ianao raha izao no mitohy. » Eny ‐ 17 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Tezitra taminao ve ny reninao/rainao rehefa mihinan‐kanina be loatra noho ny faniriany ianao ? Oh : « Ho haninao daholo ve io rehetra io ? » na « Aza misesika be ohatra an’io ! Hatavy ny hiafaranao ! » Eny Tsia  Nampiseho anao ny hakiviany ve ny reninao/rainao rehefa mihinan‐kanina be loatra noho ny faniriany ianao ? Oh : « Ahoana moa no hanantenanao ny hihena amin’ity vary be anao ity ? » na « Fa maninona ianao no tsy mba miezaka mihitsy mba hihinana kelikely kokoa. Sa te ho obèse ianao ? Izay no tianao ? ». Eny Tsia  Nampirisika anao ve ny rainao/reninao rehefa manery tena mihinan‐kanina bebe kokoa ianao ? Oh : « Félicitation akia an ! Zaza hendry ! Andana amin’izay milalao ! » na « Tsra be fa tohizo akia an ! » na « Izany ny zanak’i dada sy neny ». Eny Tsia  Nanambany anao ve ny reninao/rainao rehefa mihinan‐kanina be loatra noho ny faniriany ianao ? Oh : « Tsy laitra mihitsy ianao ity ! Tsy afaka ny mitana tena ve ianao e ? Matavy ohatra ny kisoa mihitsy ianao ity ! » Eny Tsia  Nampirisika anao ve ny rainao/reninao rehefa manery tena mihinan‐kanina kelikely kokoa ianao ? Oh : « Tsara be akia an ! Courage, zanako an ! Amin’izay ianao tsy hatavy ! ». Eny Tsia  Nanambany anao ve ny reninao/rainao rehefa mihinan‐kanina kely loatra noho ny faniriany ianao ? Oh : « Hitanao ve ny hakelin’ny zavatra haninao e ? Normal ianao raha toa ny taolan‐katsaka ! » Eny Tsia  Nampitahotra anao fa tsy ho tiany intsony ianao ve ny reninao/rainao mba hihinanao hanina bebe kokoa ? Oh : « Raha mbola misy ambiny eo am‐bilianao dia tsy tiako intsony ianao ». Na « tsy zanako intsony ianao raha tsy manampitra ny eo am‐
bilianao ». Eny Tsia Ny famerana ny fatran‐tsakafo izay hanin’ny ankizy na ny fampirisihana azy ho zara raha mihinan‐
kanina dia mampianatra azy, tsy nahy, ny hitandrina ny fatran‐tsakafo haniny fa tsy miraharaha ny tsapany. Ho heveriny fa manan‐danja ny fihinanany fatran‐tsakafo izay tian’ny ray aman‐dreniny (betsaka na kely) mba ho tian’i dada sy neny izy.  Nahatsapa ho toa ny voahilikilika tamin’ny fianakaviana ve ianao satria nanao régime ? Oh : Tsy mihinana sakafo mitovy amin’ny an’ny mpiray tampoha aminao ianao, ianao irery no noterena hisotro ranona poarao nefa tsy tianao izany, … Eny ‐ 18 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Nahatsapa ho toa ny voahilikilika tamin’ny ankizy nitovy taona taminao ve ianao satria nanao régime ? Oh : Tsy nahazo nihinana frity ianao, na paty, na pizza, na hamburgers, nefa ny mpiara‐mianatra aminao mihinana an’ireny amin’ny fitsangatsanganana … Eny Tsia Rehefa mahatsiaro ho voahilikilika amin’ny fianakaviana na ny ankizy hafa izay mitovy taona aminy ny ankizy dia mihevitra ny tenany ho biby mampitahotra ary mihevitra koa fa tsy ho tian’ny hafa izy raha tsy miova ny vatany. ‐ 19 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
3. ATOSIKY NY RAY AMAN‐DRENINTSIKA TSY NAHY MBA HATAVY ISIKA Iza no efa naheno ilay fiteny matetika hoe : « lanio daholo ny eo am‐bilia » na hoe « aza mamela sisa » satria « misy olona maro tsy misakafo any ivelan’ny trano any na any Antsimo any » na satria « tsy fahalalam‐pomba ny mamela sisa » ? Ireny fiteny izay ampiasain’ny ray aman‐dreny mba hanerena antsika tsy hamela sisa eo am‐bilia na dia tsy noana intsony azaisika. Nefa, mahatsikaiky kely, tsy hanampy ny olona ivelan’ny trano na any Antsimo hihinan‐
kanina ny fihinanana izany. Fantatro fa ny tena anton’izany dia ny fanehoana fanajana ireny olona izay matin’ny hanohanana ireny. Nefa ve ny fisesefanao hanina dia maneho fanajana an’ireny olona ireny ? Nahazo fanabeazana toa izany isika ary mitondra ny fiantraikan’izany mandrapahafaty. Ary matetika aza mbola ampianarintsika an’ny zanantsika sy ny zafikelintsika ihany koa ireny tsindrihazolena ireny. Ka dia mahatonga antsika hanery tena hihinana ny hanina rehetra izay eo am‐biliantsika fa tsy miraharaha akory ny fatra tena ilain’ny vatana izany.Nefa efa zatra ny mameno ny viliantsika ihany koa isika, tsy araky ny hanohanantsika fa amin’ny famenoana vilia amin’ny sakafo be dia be fotsiny. Mihevitra isika fa raha tsy feno tanteraka ny vilia dia mbola ho noana isika avy eo. Izay no mahatonga antsika hitady grands na moyens modèles na dia ny petit modèle aza dia efa hahampy antsika. Mihevitra ihany koa isika fa raha tsy mbola madio, tsy misy ambiny intsony eo am‐bilia dia mbola ho noana isika. Nefa ny hanohanana sy ny filan’ny vatana dia tsy miankina velively amin’ny fatra ao am‐bilia. Ny porofon’izany, dia ny fahafahantsika mbola manampy. Iza taminareo ihany koa no efa nahare ny hoe « aza mihinan‐kinan‐kanina anelanelan’ny sakafo » fa « mampatavy izany » ? Ary nanosika anareo hanery tena hisesika hanina mba tsy ho noana, mba tsy hitsaingotsaingohana ao anelanelan’ny sakafo. Izany hoe, lasa natahotra ny ho noana ianareo ary nanao izay tsy hahatongavan’izany mihitsy. Raha ny tena marina, ny tena anton’izany dia tian’ny ray aman‐dreninareo ianareo mba ho mbola noana rehefa tongan’ny ora fisakafohanana. Tsy hitranga mantsy izany raha toa ka tsy mitsaingotsaingoka ianareo eo anelanelan’ny sakafo. ‐ 20 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ANADIHADIO NY FANERENA IZAY MAMPATAVY ANAO Mba hahitanao ny fanerena izay mampatavy anao, valio ireto fanontaniana ireto :  Nanery anao tsy hamela sisa mihitsy ve ny reninao/rainao ? Oh : « Raha mbola misy ambiny ny eo am‐bilianao dia tsy mahazo mihetsika eo ianao ». Na « raha tsy tapitra ny eo am‐bilianao, tsy mahazo milalao ianao ». Eny Tsia Ny fanerena zaza handany ny rehetra eo am‐biliany dia mampianatra azy tsy niniana fa tsy tokony hahatoky ny tsapany izy (hanohanana na fahafahampo), ary tsy maintsy manohy mihinana foana izy na dia efa tsy noana intsony aza izy.  Nanery anao hisakafo ve ny reninao/rainao na dia tsy mbola noana aza ianao fa efa tonga fotsiny ny ora fisakafohanana ? Eny Tsia Ny fanerena zaza hihinan‐kanina satria tonga ny ora fisakafohanana dia mampianatra azy tsy niniana fa tsy tokony hahatoky ny tsapany izy (hanohanana na fahafahampo), ary tsy maintsy mihinan‐kanina izy rehefa tonga ny ora fisakafohanana na dia efa tsy noana intsony aza izy.  Nandrara anao tsy hihinan‐kanina eo anelanelan’ny sakafo ve ny rainao/reninao satria hoe mampatavy hono izany ? Eny Tsia Ny fitenenana ny ankizy fa hatavy izy raha mihinan‐kanina eny anelanelan’ny sakafo dia mampianatra azy, tsy niniana, mba hatahotra ny hihinan‐kanina eny anelanelan’ny sakafo, na dia hoe noana aza izy. Hatahotra ny hatavy ihany ko aizy satria ny tenin’ny ray aman‐dreniny dia toa ny midika aminy hoe ratsy ny matavy, raha tsy izany, tsy nampitahotra izy ireo. Ny tena antony aorian’izay dia mba ho noana ianao amin’ny ora fisakafohanana mba hahafahanao mihinan‐kanina miaraka amin’ny fianakaviana.  Ny rainao/reninao foana ve no nameno ny vilianao isaky ny hisakafo ? Eny Tsia  Nameno ny vilianao amin’ny sakafo mitafotafo foana ve ny rainao/reninao isaky ny hisakafo ? Eny Tsia Ny famenoana ny vilian’ny ankizy, indrindra indrindra amin’ny sakafo mitafotafo, ary ny fanerena azy handany an’iny dia mampianatra azy fa tsy maintsy mihinana an’iny fatra iny foana izy, na dia miohatra ny hanohanany aza iny fatra iny.  Tsy namela anao hameno irery ny vilianao mihitsy ve ny rainao/reninao isaky ny hisakafo ? Eny ‐ 21 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ny tsy famelana ny ankizy hameno irery ny viliany dia mampianatra azy, tsy niniana, hiankin‐doha amin’ny ray aman‐dreniny, ary ny hatoky ny hafa mba hamatra ny tokony haniny fa tsy hihaino ny vatany. ‐ 22 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
4. NAMPIANATRA ANTSIKA, FIHETSEHAMPONTSIKA ISIKA TSY NINIANA, HIHINANA NY  Efa nampinonoan’ny reninao ve ianao nefa tsy noana akory fa tiany fotsiny ianao mba tsy hitomany intsony noho ny couches‐nao maloto loatra, na aretin‐kibo, … ?  Efa nahazo vatomamy na sokola avy tamin’ny ray aman‐dreninao ve ianao mba hanambatambazanaanao ?  Efa nampitahotra anao mba hanerena anaohihinan‐kaninave ny rainao na ny reninao ?Oh : « raha tsy mihinana an’io ianao dia ho kivy aho ».  Efa noteren’ny ray aman‐dreninao hihinan‐kanina izay tsy tianao akory ve ianao ka lasa tsy tia maizina iny sakafo iny ? Voatosiky ny ray amandrenintsika, tsy niniana, isika mba hampifandray ny sakafo amin’ny fihetsehampontsika. Mamorona fifandraisana ratsy amin’ny sakafo izany : lasa « mihinana ny fihetsehampontsika isika ». Ohatra : ny fampinonoana zaza mba hampangina azy tsy hitomany intsony, tsy am‐
piraharahiana ny tena ilainy dia mampianatra azy, tsy nahy, hampifangaro ny tsapany. Noho izany, rehefa marary kibo, na tsy misy atao, na miangoty amin’ny ray aman‐dreniny, na te ho soloina couches, na mangatsiaka na mafana loatra, … ilay zaza dia tsy afaka ny hanavaka izay tena tsapany : Noana ve izy ? Sa reraka ? Sa tezitra ? Sa malahelo ? Sa tsy misy atao ? Sa marary kibo ? … Tsy hain’ilay zaza izany. Noho izany, hino izy fa na inona na inona tsapany, dia mila mihinan‐kanina izy.  Na tsy mahay manavaka ny ilan’ny zanany ny reniny dia lasa mampinono azy foana rehefa mitomany izy ;  Na mère‐poule 13 loatra ary hampianta ny zanany amin’ny sakafo isak’izay mitomany kely ilay zaza ;  Na leo ny maheno ny tabataba sy tomany izy ka aleony mampangina azy amin’ny fampinonoana azy ; Ka rehefa mihalehibe ilay ankizy dia lasa soren‐dava, tsy mahatanty miandry ka mitady izay iriany eo noho eo. Mitovy amin’izay ihany koa, rehefa zatra ny mahazo vatomamy 13
Fatra mpikarakara loatra ‐ 23 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
na sokola ny ankizy mba hanambatambazana azy dia hitady sakafo rehefa malahelo, kivy, tezitra, … Na rehefa mahazo naoty ratsy ny ankizy tany am‐pianarana, ohatra, dia mampirevy ny fianakaviana any amin’ny hotely ny ray aman‐dreniny mba hanambatambazana azy. Hihevitra izy fa mba ho faly, toa iny indray mandeha iny, dia mila mandeha hotely izy … Na rehefa terena hanao régime ny ankizy dia rarana tsy hihinana sakafo izay lazaina fa « mampatavy », lasa hanana fitiavana tsy tana an’ilay sakafo voarara iny ankizy iny. Ho lasa obsession ho azy iireny sakafo ireny. Ho velabelarintsika kokoa izany any amin’ny resaka régimes. Noho izany, mi‐compenser ny olantsika amin’ny sakafo isika, sady tsy miraharaha akory ny filan’ny vatantsika. Ary matetika, terentsika ny manodidina antsika hanaraka izany fihetsika izany. Ex : Nisy mpiara‐mianatra tamiko taloha izay niteny tamiko indray mandeha hoe : « Harary amin’io vary kelindry io ndry ». Tiako ho fantatrareo aloha fa io namako io dia nihangeza be noho ny stress nateraky ny fanadinana famaranana : nihinan‐kanina be izy noho ny stress. Tsy tonga saina izy fa complexée tamin’ny vatany ary namindra ny sorisoriny mikasika ny vatany tamiko. Fanamarihana : zara aho raha misakafo amin’ny atoandro satria mihinana goûters be dia be aho, dia lasa tsy dia noana rehefa amin’ny atoandro. Mitady ny hametra ny fatran’ny vary tokony hohaniko isaky ny atoandro io namako io. Nataony izany satria nihevitra izy fa manao régime aho, dia :  na te « hanampy » ahy izy mba tsy hirotsaka tanteraka ao anatin’ny régimes, izay hanosika azy tsy hanao izany koa ;  na tsy tonga sain aizy fa mialona ny « courage » hananako mba ho « zara raha mihinan‐kanina », tsy ohatra azy. Izay no manosika azy hitsikera ahy mba hahatonga ahy ho toa azy, mba hahazoany « akama ». Na amin’ny tranga voalohany, na amin’ny tranga faharoa, dia tsy tia ny vatany ny namako ary te hi‐compenser an’ny fijaliany amin’ny fitsikerana ny fomba fisakafohanako. Fa moa ve mahakasika ahy ny fijaliany ? Ankoatra izay, manery antsika hihinana sakafo tsy tiantsika ny ray aman‐drenintsika mba hahazoantsika mihinana sakafo izay tiantsika. Oh : « Raha tsy mihinana ny legiomanao ianao dia tsy mahazo glasy. ». Mampisy fitiavana bebe kokoa an’ny glasy izany ary tsy fitiavana maizina ny legioma. ‐ 24 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY MANOSIKA ANAO HIHINANA NY FIHETSEHAMPONAO Mba hahitanao ny manosika anao hihinana ny fihetsehamponao, valio ireto fanontaniana ireto :  Nampinono anao mba tsy hitomanianao intsony ve ny reninao na dia tsy noana akory aza ianao ? Oh : Nitomany ianao fa nianjera dia narary. Nitomany ianao satria nisy naka ny kilalao faran’izay tianao. Eny Tsia Ny fampinonoana ny zaza mba hahanginany na dia tsy noana akory aza izy dia mampianatra azy, tsy niniana, fa ny vahaolana amin’ny zava‐mitranga rehetra dia ny sakafo. Any amin’ny sakafo ary izy no hitady fitiavana sy fanambatambazana.  Nanome anao sakafo mba hanambatambazana anao ve ny rainao/reninao ? Oh : Mba hahanginanao, tsy hitomanianao intsony dia nomen’ny rainao/reninao vatomamy na sokola ianao. Eny Tsia Ny fanomezana sakafo ny ankizy mba hanambatambazana azy dia mampianatra azy, tsy niniana, fa ny vahaolana amin’ny zava‐mitranga rehetra dia ny sakafo. Any amin’ny sakafo ary izy no hitady fitiavana sy fanambatambazana.  Nandrara anao mba tsy hihinana sakafo izay nolazainy fa « mampatavy » na « tsy mahasalama » ve ny rainao/reninao ? Oh : paty, mofo, pizza, vatomamy, … Eny Tsia Ny teny rehetra izay tenenin’ny ray aman‐dreniny dia raisin’ny ankizy ho fanabeazana daholo. Noho izany, rehefa mampianatra azy ny ray aman‐dreniny fa misy fitsinjarana ara‐tsokajy ny sakafo dia hatahotra ny karazan‐tsakafo izay voasokajy ho « ratsy » izy. Ary hanitatra izy amin’ny fiheverana fa ratsy ny matavy.  Mamindra ny sorisorinao momba ny vatanao amin’ny manodidina anao ve ianao ? Oh : « Aza zara raha mihinan‐kanina ohatra an’io » na « Mba mihinana vary bebe kokoa e ! ». Eny Tsia Famantatra fa mijaly isika noho ny endrika ivelany izany. ‐ 25 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
5. COMPLEXES AMIN’NY VATANTSIKA DAHOLO ISIKA A VY AIZA ARY IRENY FIHETSIKA RATSY IZAY NAMPIANARIN ’ NY RAY AMAN ‐
DRENINTSIKA , TSY NINIANA , ANTSIKA IRENY ? Ireny fihetsika ratsy (mihinan‐kanina eo am‐pijerena fahitalavitra, tsy manao fanatanjahantena, tsy mihetsiketsika, manery tena tsy hamela sisa mihitsy, tsy manary sakafo mihitsy, mameno ny vilia amin’ny sakafo mitafotafo, …) dia vokatry ny fahazarana na ny fanabeazana izay azony avy tamin’ny ray aman‐dreniny (ny raibentsika sy ny renibentsika). Tsy nanana vata fampangatsiahana (frigo) ny razambeantsika, ary zara raha nisy sakafo koa tamin’izany, fa tsy hoe misy isaky ny mijery (be épiceries, be supermarchés, …). Fantatrao ve fa nitovy ny fatran’ny vary azon’ny malagasy nandritra ny sosialisma ? Dia tsy azony natao ny nanary sakafo. Tsy maintsy nohaniny daholo ny azony satria tsy nanana fomba hitahirizana ny sisa izy. Ary tsy azo noeritreretina akory ny fanariana ny sakafo satria zara raha nisy izy tamin’izany. Tsy nanana safidy izany izy ireo afa‐tsy ny hihinana an’izany sisa izany na dia tsy noana intsony aza. Raha tsy izany, avy aiza indray ny fihetsika tsy normal izay atao mba hampihenana tena toa ny manao régimes, na mitaintaina be amin’ny lanja, na mangarona ny vavony mba handoavana na ny fanerena tena hivalanana mba hanenana tena, … ? Ny sasany aminareo mety hamaly ahy hoe noho ny faniriana ny hihena, ny hanena ny habean’ny kibo na fe, na ny poignées d’amour. Ny sasany mety hamaly ahy fa noho ny faniriana mba hanintona kokoa. Na amin’ny valiny voalohany na ny faharoa, mitovy ny tena fototry ny olana : COMPLEXES amin’ny faritra amin’ny vatany ny ray aman‐drenintsika. (Aesthetic‐Lifestyle) Samy manana ny maha‐complexé azy avy ny tsirairay, na lahy io na vavy, na dia i Rija, ilay mpiara‐miasa aminao, mahafatifaty be iny aza. Andramo anie e : andana anontanio izy hoe inona no maha‐
complexé azy, fa ho omeny valinteny lava toa ny lisitry ny zavatra tokony vidian’ny reninao rehefa handray vahiny izy. Raha toa ka miteny ny marina izy an ! Ho ahy manokana, ny maha‐complexée ahy, amin’ny vatako, dia ny tongotro, ny takolako ary ny vavako. Satria tamin’ny fahakeliko, naverimberina tamiko matetika fa maimbo from foana ny tongotro, sady maimbo ben y fofom‐bavako. Ankoatra izay, isaky ny mihamatavy aho, dia ny takolako no mibontsina voalohany. Nefa amin’ny fihezahana mba « hanarina » ny indro kely amin’ny vatany ny ray ama‐drenintsika dia lasa mampianatra, tsy niniana, antsika mba hamerina ireny fihetsika tsy normal sy mampidi‐doza ho an’ny fahasalamana (ara‐tsaina na ara‐batana). Ny ankabeazan’ny complexes amin’ny vatana dia avy amin’ny ratsy niainana tamin’ny mbola kely : kiana na esoeson‐teny nataon’ny ray aman‐dreny na ny manodidina (anadahy, anabavy, ‐ 26 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
fianakaviana na havana, olon‐tsy fantatra eny an‐dalana, mpamppianatra, namana, mpiara‐mianatra, …). Lasa complexes ireny kiana ireny ka maka endrika feo kely izay mitsikera antsika matetika (miaraka amin’ny feontsika ihany) rehefa lehibe isika. Iny no ho antsointsika hoe « demony kely ». Miezaka matetika isika ny « hanarina » ireny indro kely amin’ny vatantsika ireny (ireo izay maha‐complexé antsika), amin’ny :  Ny fandosirana, izany hoe ny fanafenana an’izy ireny mba tsy hisy hahita na afaka hikitika, na atao ohatra ny tsy misy ilay complexe, izany hoe manao toa ny jamba tsy mahita ilay tsy tiana amin’ny vatana. Oh : manafina azy ireny anaty akanjo, na kiraro, na anaty akanjo ba be, anatin’ny kaskety na bonetra, na tatouages, …  Ny compensation, izany hoe mampangina ilay feo kely izay mibitsibitsika amintsika hoe ratsy isika noho iny (ireny) faritra amin’ny vatantsika iny (ireny) amin’ny fanaovana zavatra hafa mba hifantohana amin’ny zavatra hafa. Oh : Complexée amin’ny kiboko aho. Miresa‐drery matetika aho any an‐tsaina, miteny amiko ihany hoe ratsy aho, toa ny olona mitondra vohoka, tsy tokony handeha any amin’ny dobo filomanosna akory, … Reraky ny maheno ireny fanaratsiana ataoko amin’ny tenako ireny aho. Mba tsy ahenoko ireny intsony, andeha hanao zavatra hafa aho mba hampiasako ny saiko amin’ny zavatra hafa.  Na ny fanekena ny zava‐misy, izany hoe manaiky fa tsy tonga lafatra ny tena ary manohy ny fiainana. Izany hoe, manova ny afaka ovaina ary manaiky ny tsy afaka ovaina. Oh : Complexée amin’ny tongotro aho satria naverimberin’ny reniko tamiko hatramin’ny fahakeliko fa hafahafa izy ireo. Ary tena hitako hafahafa ny tongotro. Nefa, tsy rarahako. Mbola mahasahy manao kapa aho na dia hitan’ny olona maro be aza ny tongotro. Sahiko ny misolo kiraro anaty efitrano feno olona na dia mety haheno ny fofon‐tongotro aza izy ireo. Vitsy ny olona izay manaiky ny fisian’ny indro kely amin’ny vatany. Ny ankabeazany dia mandositra na mi‐compenser, na pire : mandositra sady mi‐compenser. A HOANA NY FOMBA FITRANGAN ’ NY COMPENSATION ? Betsaka ny mety hitrangany : ‐ 27 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Ny compensation amin’ny alalan’ny zava‐mahadomelina (rongony, sigara, paraky, na toaka) : Io no tena malaza indrindra. Rehefa midoroka ny olona iray, na mifoka sigara, na misotro toaka, dia mifantoka amin’iny indray ny sainy. Mijanona hatreo aloha izany ny latsa na fanaratsiana ataony amin’ny tenany. Izay no mahatonga ny olona hiankin‐doha amin’ireny. Oh : Complexée amin’ny olatra amin’ny tarehiko aho. Nisy lehilahy iray tsy nitsahatry ny nijery ahy foana tao anaty taxi‐be, tamin’ny maraina. Mimenomenona tsy an‐kijanona ny tenako aho, ao an‐tsaina, fa nijerijery ny olatra tamin’ny tarehiko izy ary nitsikera an’iny tany an‐tsainy tany. Apiretiko haingana ny sigarako ary fohako. Ahhh ! Mijanona toa ny tsy nisy ny fieritreretako izany rehetra izany, mandra‐
pifoahako sigara. Tsy misaina na inona na inona hafa aho hatreto afa‐tsy ny sigara sy ny setroka.  Ny compensation amin’ny alalan’ny shopping : Tsaroanareo ve ilay fhoronan‐tsary iny hoe : « Confessions d’une accro du shopping » (na Famborahan’ny tovovavy iray izay miankin‐doha amin’ny shopping) ? Ho an’ireo izay tsy mahatsiaro, ilay tovovavy dia tia manao shopping foana, tsy an‐
kiato, mba hanadinoany fa mahatsiravina ny fiainany (araka ny hahitany azy), ka dia lasa be trosa be ratovovavy. Oh : Complexée amin’ny soroko aho. Misy mpiara‐miasa amiko iray niteny amiko androany hoe mivelatra be ny soroko, sady tsy tsara ho an’ny vehivavy izany. Miverimberina ao an‐tsaiko tsy an‐kiato mandritra ny tontolo andro ny vavany tamiko. Lasa mieritreritra ny tokony navaliko azy foana aho mandritra ny tontolo andro. Mahasorena ahy izany. Rehefa mivoaka ny fiasako aho dia te hieritreritra zavatra hafa. Lasa mandeha mitetitety fivarotana aho, dia mahita karazan‐javatra tiako be. « Mety amin’ny ambonin’akanjoko miloko maramara any an‐trano ve ito zipo ito ? », hoy aho amin’ny tenako. Lasa adinoko tanteraka ilay notenenin’ilay mpiara‐miasa amiko tamiko teo. Mety amiko ery izany !  Ny compensation amin’ny alalan’ny réseaux sociaux : Ito no mahavoa ny maro nefa tsy tsikaritra akory. Ny olona tratra azy ito dia lasa miankin‐doha amin’ny réseaux sociaux : » zarainy daholo ny momba ny zava‐
drehetra ataony. Oh : « Sorena satria avy nanadino famerimbola 200Ar tany amin’ny épicerie #jevise » ; » amin’ny internet foana izy ary toa ny very izy raha tsy misy an’ilay réseau social ankafiziny indrindra (facebook izany raha amin’ny ankapobeny). ‐ 28 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Oh : Complexée amin’ny maha‐irery ahy aho (tsy misy olon‐tiana). Manana olona‐
tiana daholo anefa ny olon‐drehetra manodidina ahy. Lasa manontsany tena aho : « Ratsy tarehy ve aho ? Mahasadaikatra ny olona ve ny manantona ahy ? Inona ary no ataon’ireny tovovavy ireny mba hanintomana ny tovolahy ? Fa maninona ary aho no lasa mpitan‐dabozy foana ? ». Dia lasa mamaly amin’izay eritreretiko fa marina (azo avy amin’ny niainako taloha) amin’ny fanontaniako teo aho (na dia tsy fantatro aza hoe marina sa tsia ny eritreretiko) : « Mino aho fa ratsy tarehy satria tsy misy tovolahy mba manintona ahy mba manantona ahy. Mino aho fa izany no antony tsy nisian’ny tovolahy na iray aza mba nanantona ahy tamin’ilay fety tamin’ny herinandro teo. Nefa ny namako roa samy mba nahavita nanoroka bandy iray farafahakeliny. Tsy rariny mihitsy ny mahazo ahy ! ». Dia lasa malahelo aho. Lasa mi‐
surf aho dia mijery ny fil d’actualité an’ny facebook‐ko. Dia mahita statuts an’ny namakoizay manana olon‐tiana. Toa ny hoe : i anona dia miaraka amin’ianona, na ianona dia miadana am‐pitiavana, … Mba hanalako ny sorisoriko, manao statut aho mba hamborahako ny ao am‐poko : « Ny olona mba ilaiko amin’ny fiainako dia hitako isa‐maraina ao anaty fitaratra », miaraka amin’ny vidéo an’ny hiran’ny Pussycat Dolls : I don’t need a man (tsy mila lehilahy aho). Afakafaka ny foko. Mi‐j’aime pejy toa ny : « Selibatera nefa faly amin’izany », « Aleo irery toa izay miaraka amin’olona tsy mendrika ny tena » … aho.  Ny compensation amin’ny alalan’ny sakafo : Izy io no tena tsy tsikaritry ny olona eran‐tany. Nefa ny ankabeazan’ny olona (izaho anisan’izany) dia voakasik’io daholo. Oh : Complexée amin’ny fahantrako aho raha oharina amin’ny mpiara‐
mianatra amiko (tsaroanareo i Lesabotsy ?). Afeniko amin’ny namako izany. Tsy misy mahalala izany ny olona (raha ny fahalalako azy). Nifanaraka ny handeha hanao karaoke tsaratsara ny namako. Nefa tsy ampy ny volako mba handehanako any. Mamoron‐dainga mba tsy handehanana any aho : « Mila mody aho satria izaho indray izao no tokony hahandro sakafo, aleo amin’ny manaraka e ! ». Any an‐dalana, am‐podiana any an‐trano, lasa miverimberina ao an‐tsaiko ny zava‐
nitranga. « Mino aho fa fantan’izy ireo hoe nandainga ajho. Mihomehy ahy izao izy ireo mandritra ny hariva ! ». Lasa manamelo‐tena noho ny lainga nataoko sy ny fihetsiko aho. Rehefa tonga any an‐trano aho, tonga dia misavasava vilany ao an‐
dakozia. Misesika mofo aho. Tohizako izany satria mampijanona ny fiketriketrin’ny saiko ny fihinanan‐kanina. Ary mbola misy betsaka hafa noho ireo : ny compensation amin’ny alalan’ny asa, ny mozika, ny fandratrana tena (rehefa mampijaly tena, mampaharary tena mba hampitony ny fijaliana ao an‐doha, ara‐tsaina), ny kilalao (jeux vidéos), ny fandrahoana sakafo, ny fivavahana (na finoana), ny fampijaliana olona, ny vetaveta … ‐ 29 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
I NONA NO ZAVA ‐ MITRANGA AVY EO ? Nefa tsy maharitra mandrakizay ny compensation.  Rehefa lany ny sigara (paraky), miverina haingana be ao an‐doha ny fitebitebin‐
tsaina. Izay no antony mahatonga ny olona maro mahavita mifoka iray pake an’ny sigara isan’andro.  Rehefa jifa ny fiasan’ny rongony sy ny toaka, sady makafoka ny tena no tsy maintsy miverina miatrika ny fiainana indray. Dia tadidintsika ny nanosika antsika hisotro toaka na hampiasa zava‐
mahadomelina. Dia miverina indray.  Rehefa tafody any an‐trano, rehefa avy niantsena be, dia manomboka manisa ny vola nolaniana sy ny ambiny am‐paosy. Manomboka manongo‐tena sy manenina isika. Lasa misy olana vaovao indray : ny tsy fahampiana vola. Dia lasa manamelo‐tena sy mitebiteby bebe kokoa isika.  Rehefa lany daholo izay rehetra hita tao an‐dakozia, dia lasa manamelo‐tena noho ny fisesefana sakafo be isika, sady miverina ao an‐tsaina ny olana. Manenina noho ny tsy faharetana tamin’ny fakam‐panahy isika. Dia lasa mieritreritra isika fa tsy manjary ny fiainana sy ny tenantsika. Manosika antsika hihinan‐kanina mba hampitoniana ny fihetseham‐po ny compensation amin’ny alalan’ny sakafo. Antsoina hoe « mihinana ny fihetseham‐po » izany. Nefa, mampatavy ny fihinanan‐kanina rehefa tsy noana. Rehefa avy ni‐compensé isika, na inona na inona fika nampiasaina, dia na manenina ny nataontsika na mahatsiaro indray ny olantsika. Dia mitady compensation hafa indray avy eo. ‐ 30 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Sary 13 : Boribory vetavetan’ny complexes Tebiteby noho ny complexes
Mihamatavy
Olana
Compensation
Compensation
Famoronana olana vaovao
Manenina
Amin’ny ankapobeny, tsy mahakasika ny lanja akory ny olana sasanynefa manosika antsika hanana olana amin’ny lanjantsika. Oh : Nande niresaka tamin’ny inspecteur de travail aho mba hangatahana fanazavana momba ny andro tsy fiasana sy ny congés. Fanamarihana :  kely aho sady tia miankanjo toa ny adolantseto 14 na 16 taona, nefa efa 26 taona aho. Noho izany, toa ny ankizivavy kely aho ;  misy fijery ratsy aho momba ny vehivavy : mihevitra aho fa tsy professionnelles izy ireny sady mampifangaro ny fiainany amin’ny asany ;  manana fijery ratsy momba ny olona aho, amin’ny ankapobeny : mihevitra aho fa mitsara ratsy ahy amin’ny endriko ivelany ny olon‐drehetra satria heveriny fa zazakely aho ;  manana fijery ratsy momba ny olon‐dehibe (antitra noho izaho) aho : mihevitra aho fa tsy raharahiany aho satria toa ny zazakely, ka mihevitra aho fa tsy mihaino ahy izy ireny ary tsy mamaly ahy raha tsy mba hampangina ahy. Tsy voatery ho marina avy ireo fa fijeriko, fiheverako, finoako fotsiny. Noho izany, rehefa avy nifetopetoka tamiko ny inspecteur hoe diso ny fiheverako fa ny andro tsy fiasana dia tsy tokony hihiditra amin’ny isan’ny andron’ny congés dia sady nitomany aho no lasa nody. Nanatsatso ihany koa ny demony keliko : « Vendrana mihitsy ndry ity ! Tokony nohentindry ‐ 31 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
tany iny fatina code de travail iny satria tao niteny hoe tsy tafiditra ny andro tsy fiasana. Fa eee ! Vendrana loatra ndry ka naleondry tsy nitondra an’iny. Nihevitra angaha ndry hoe hanampy andry izy ? Ohatra ny zazakely anie ndry e ! Vendrana ndry ho azy ary marina ny fiheverany. Fa maninona raha tsy navaly izy hoe hanome andry ny article tao amin’ny code de travail izay manamarina ny zavatra noteneniny ? » … Dia nanohy ny fampijaliana sy ny kiana ihany ny demony keliko. Tsy tantiko ary ka naleoko ni‐compenser amin’ny fanadiovana trano sy fandrahoan‐
tsakafo. Rehefa tafody avy niasa ny fofombadiko dia niteny ahy hoe aleo mivoaka mba hieritreretana zavatra hafa. Compensation hafa indray. Nihalefy ny alaheloko. Nefa avy eo, tao anatin’ny resaka tsy misy dikany dia niteny tamiko izy fa tsy tena manana olana aho. Nony tafody tao an‐trano, nibitsibitsika tamiko ny demony keliko : « Tongava saina fa hamaivaniny ny olandry ! Izany hoe, tsy misy dikany anie izany ndry e ! ». Dia niverina indray ny tebitebintsaina, ka nila compensation hafa indray aho. Tamin’ito indray nitoraka ito, naleoko nihinan‐kanina. Nisesika mofo sy dobera be aho satria izay no hitako tao an‐trano. Dia niverina nibitsibitsika indray ny demony keliko : « Hatavy indray ndry ! Mofo anie io e ! Mampatavy ny féculents ! Sady efa toa ny zazakely ndry no mbola hatavy koa ! Tsy hisy olona hiraharaha andry intsony manomboka androany ! ». Nanenina sy nanamelo‐tena aho tamin’ny fihinanako ilay mofo sy dobera. Dia mbola nihinana ihany aho mba hampahanginana ny demony keliko, nefa tsy nandaitra akory izany. Sary 14 : Fitrangan’ny tsy fahatokisan‐tena Tsy fahatokisan‐
tena
Fanamelohan‐
tena
Complexe d'infériorité
Tranga izay mampahatsiahy ilay complexe
Compensation amin'ny sakafo
Tany amin’ny complexe novokarin’ny endriko mitovy loatra amin’ny zazakely ka mahatonga fijery ivelany ny tena olana. Nampihevitra ahy fa tsy norarahian’ny manodidina ahy aho izany rehetra izany. Ka nahatonga tsy fahatokisan‐tena 14 . Ny fampijaliana nataon’ny inspecteur de travail tamiko dia nampahatsiahy ahy ny tsy fahatokisan‐tenako ka nandratra ahy. Dia nitady hevitra ary aho mba tsy hijaliana intsony amin’ny fanadiovan‐trano sy fandrahoana sakafo, ary ny fivoahana miaraka amin’ny fofombadiko. Nefa teny kely iray izay tsy voahevitra fotsiny dia ampy nampahatsiahy ahy indray ny tsy fahatokisako ny tenako. Nihinan‐kanina indray aho mba hanadinoana an’izany. Nefa nanatsatso indray ny demony keliko tamin’ny fampitahorana ahy fa hatavy aho. Tsy hivaha mihitsy izany ny olana fa vao 14
Mihevitra isika fa ambany raha oharina amin’ny hafa, ary tsy mendrika ny hiaina eto an‐tany. ‐ 32 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
maika ho gravy. Dia nanenina ny nataoko aho nefa mbola nanohy nisesika hanina ihany mba hanadinoana izany. Misy namako iray izay, izay normale ny habeany tamin’ny izy mbola kely. Nefa ny reniny dia nihevitra fa mahia loatra hono ilay namako. Satria menatra ny reniny sao lazain’ny olona fa mahia loatra hono ny zanany satria mahantra izy ireo na mampijaly zanaka izy. Marihiko fa ny heviny izany fa tsy ny tena marina an. Noho izany, miferotr’aina foana ilay renin’ny namako fa tsy mba mihamatavy mihitsy ny zanany. Indray andro ary, nanery tena hahalany vary iray vilia io namako io. Ary faly ery izy nampiseho an’izany tamin’ny reniny. Faly tsy misy ohatra izany ny reniny. Nanomboka tamin’izay dia lasa nihinan‐
kanina be foana io namako io ka lasa nihanatavy be. Dia faly ery ny reniny. Rehefa matavy anefa dia toa ny lasa antitra noho ny tena taona hananana. Tamin’ny faha‐12 taonany, noheverin’ny olona fa 16 taona izy. Fa hita tamin’ny fahamatorany ihany ny tena taonany. Tonga tamin’ny taonan’ny adolantsento ary izy. Nanomboka niraharaha ny bikany amin’izay io namako io. Nanao régime amin’izay izy. Tsy nihinan‐kanina izy nandritra ny 2 andro. Dia ny andro faha‐3 izy vao nihinan‐
kanina : paoma iray fotsiny. Dia tsy nihan‐kanina indray izy ny atoandro sy ny hariva. Naharitra herinandro izy nanao an’izany. Saika torana teny an‐dàlana izy nisy fotoana satria noana loatra. Namporisihin’ny reniny ihany anefa izy hanoy io régime nataony io. Nihevitra ny reniny fa mila mijanona tsy mihinan‐kanina intsony io namako io mba hampihena azy. Indray andro, najanony io régime io satria novazavazaiko izy mba hahatongavany saina fa mamono tena izy amin’io ataony io. Nividy savony mampahia, menaka fanorana mampahia, ary , izay natorony ahy ihany koa izy. Tsaroanareo ve ilay dite mampivalana efa noresahiko taminareo ? Ireny no nosotroiny. Ary mazava ho azy fa tsy nandaitra akory ireo vokatra ireo. Tamin’izany fotoana izany aho no nanandrina ny dite mampahia. Nampianariko azy ary ny fikako dia nandaitra. Fa mbola nisy tavy nijanona ihany teo, mila nahintsana. Ary tsy vitany mihitsy ny manintsana an’io na dia nikotrana be aza izy. Fantantsika avy ny antony mampatavy :  Ny tosiky ny reniny izay nampiseho azy fa kivy izy satria mahia loatra hono ny zanany, raha ny heviny, miampy ny famporisihana nataon‐dreniny taminy rehefa nihanatavy io namako io ;  Ny régimes izay nataony tamin’ny fahatanorany : tsy mihanan‐kanina, zara raha misakafo, tsy misakafo atoandro sy hariva, misotro dite mampahia, mampiasa savony sy menaka fanorana mampahia izay nampatavy azy kokoa noho ny taloha. ‐ 33 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Nefa mbola tsy notantaraiko taminareo ihany koa ny fiainam‐
pianakavian’io namako io. Ny rainy dia mpisotro toaka be izay mampirafy ny vadiny ary mikasi‐tanana azy. Mikapoka ny zanany amin’ny fehikibo koa io rangahy io satria tsy tia vehivavy io rangahy io. Nopainy matetika io zanany io hoe : « makorelina », « mpivaro‐
tena », … Nahita ny reniny (bebean’ny namako) nampirafy ny vadiny im‐betsaka io rangahy io. Ho an’ny rain’ny namako ary, « mpivaro‐tena » sy « makorelina » daholo ny vehivavy rehetra. Izay no antony nikasihany tanana ny vadiny sy ny zanany vavy. Ny renin’io namako io indray dia niaina ny fahazazany niaraka tamin’ny rainy (dadabean’ny namako) izay mpisotro toaka ihany koa. Ary ny bebean’ny namako dia nandefitra foana. Nihevitra ary ny renin’ny namako fa normal ho an’ny lehilahy ny mikasi‐
tanana ny vadiny. Ary nihevitra ihany koa izy fa tsy azon’ny vehivavy atao ny miady amin’ny vadiny, na dia mikasi‐tanana ny zanany aza io vadiny io. Nandefitra tamin’ny fihetsiky ny vadiny ary ny renin’ny namako io. Ary navelany hikasi‐tanana ny zanany vavy io rangahy io. Nijaly ara‐tsaina io namako io. Voagadran’ny ray aman‐dreniny izy. Nikasi‐tanana azy matetika ny rainy. Ary ny reniny tsy miraharaha mihitsy. Ny hany mba afaka nataony mba hanadinoana ny olany dia ny MIHINAN‐KANINA. Ary dia nihinan‐
kanina foana izy. Indray andro, nahita asa tany amin’ny faritra Avaratra io namako io tamin’ny faha‐18 taonany. Dia nandao ny ray aman‐dreniny ary izy. Tsy niresaka tamin’izy ireo intsony izy. Nihena be sady nihena ny kibony tao anatin’ny 2 volana monja. Lasa tafiditra anaty pataloha 36 izy nefa teo efa noterena be izay vao tafiditra anatin’ny taille 38. Inona no nitranga ? Ahoanany fomba nampihena azy haingana be toa izany ? Nofohanany tanteraka tamin’ny fiainany ny tena fototry ny olany, ireo izay nanosika azy hisesika hanina nefa tsy noana akory : ny ray aman‐dreniny. Mety tsy hitanareo angamba ny hidiran’ny vitsika amin’ny pétrole, na ny hidiran’ny olanao amin’ny nampatavy anao. Nefa misy fiantraikany daholo ny olanao rehetra. ‐ 34 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY COMPLEXES SY NY OLANAO Mba hahitanao ny complexes sy ny olana mampijaly anao, valio ireto fanontaniana ireto :  Inona avy ny complexes anananao ? Oh : Menatra ny sofiko aho satria ranga sofina aho. Ny complexes dia mampihevitra anao fa ratsy tarehy ianao, ary tsy hisy olona hitia ny tsy mety amin’ny tenanao. Tsy marina izany, fiheverana fotsiny izany. Hifantoka be amin’izany koa ianao ka hahajamba anao, mba tsy hahitanao ny mahatsara anao.  Manaiky ny complexes‐anao ve ianao ? Eny Tsia Ny dikan’ny hoe manaiky dia manova ny afaka ovaina ary miaina miaraka amin’ny tsy azo ovaina. Rehefa manaiky ny complexes anao ianao dia lasa manana fiainana tsy misy fitaintainana sy fahasorenana intsony.  Mandositra ny complexes anao ve ianao ? Oh : Manafina an’izany any anatina lamba be na tatouages, … mba tsy hahitan’ny olona azy na tsy hahafahan’izy ireo mikasika azy. Eny Tsia  Mi‐compenser ve ny complexes‐anao ve ianao ? Oh : Mifoka sigara, misotro toaka, … ianao mba hanadinoana ny trangan‐javatra mampahatsiahy anao ny complexes‐anao. Eny Tsia Ny fandosirana ny complexes dia fanafenana ny marina mba tsy ho hitan’ny maso. Mety ho diso isika : tsy ratsy be toa ny fiheverantsika azy akory ireny tsy mety kely amin’ny vatantsika ireny.  Inona no ataonao mba hi‐compenser ny complexes‐anao ?  Mandaitra ve izany ? Eny Tsia Indraindray, mi‐compenser amin’ny fomba tsy mandaitra akory isika. Mahafaly anao ve ireny fomba ireny sa vao maika mahabe ny olana ananao : lany vola, matavy, … ‐ 35 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Misy fotoana ve mba mi‐compenser ny fijalianao amin’ny sakafo ianao ? Eny Tsia Rehefa mi‐compenser ny fijaliana amin’ny sakafo isika dia lasa mamorona fifandraisana ratsy miaraka amin’ny sakafo. Etsy andaniny, tianao ny sakafo, mety maha‐obsédé(e) anao mihitsy aza. Etsy ankilany, mampatavy anao izany. ‐ 36 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
II. MAMPATAVY ANTSIKA NY MANODIDINA ANTSIKA F AMPAHATSIAHIVANA : Efa hitantsika fa nitaiza antsika, tsy niniana, mba hatavy ny ray aman‐drenintsika sy ny razambentsika :  na amin’ny fampianarana antsika ny finoana tsara na ratsy momba ny olona matavy sy ny olona mahia izay nananany, izay nanosika antsika hankahala na hitia ny olona matavy sy mahia ary ho toa izany15 koa mba hitiavan’ny fianakaviantsika antsika ;  na amin’ny fanedrena antsika mba hatavy noho ny finoany tsara momba ny olona matavy ;  na amin’ny fanerena antsika hanao régimes noho ny finoany ratsy momba ny olona mahia ;  na amin’ny fampianarana antsika, tsy niniana, mba hanana fifandraisana ratsy amintsika ihany : famoronana complexes amin’ny alalan’ny tsikera momba ny endrika ivelany na habe, sy famoronana obsession momba ny lanja amin’ny alalan’ny filanjana tena isan’andro na ny fanomezan‐
danja an’izany ;  na amin’ny fampianarana antsika, tsy niniana, hanana fifandraisana ratsy miaraka amin’ny sakafo : fanaovana régimes sy fampiasana produits minceurs, fahatahorana ny hamela sisa na hitahiry sakafo ka mifarana amin’ny tsy famelana sisa mihitsy, fisokajiana ny sakafo ho « tsara », « ratsy », « mampatavy », « mampahia », sy « mampihena ». Satria miverina alavitra isika amin’ny razambeantsika, ary toa izany koa ho an’ny olon‐
drehetra manodidina antsika, ny olon‐drehetra izany no manosika antsika hatavy. Nefa inona no mahatonga an’izany ho manan‐danja ? 1. ARETI‐MIFINDRA NY FIHETSIKA TSY MENDRIKY NY MANODIDINA ANTSIKA Satria isika miaina eo anivon’ny fiaraha‐monina, dia mila manana fihetsika izay manampy antsika mba hiara‐monina am‐pifaliana miaraka amin’ny hafa. Anisan’izany fomba izany ny empathie, na ny fahaizana mahatsapa ny fihetsehampon’ireo izay tiantsika. Noho ny empathie dia azontsika hatao ny mi‐influencer ny hafa ary azon’ny hafa hatao ny mi‐
influencer antsika. 15
Mihamatavy na mihamahia araka ny tian’ny razambe ‐ 37 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Noho izany, raha misy olona izay tianao ao amin’ny manodidina anao ka te hipetraka any Frantsa, mety hiova hevitra tsikelikely ianao, lasa te hiaina any ihany ko. Amin’izay fotoana izay, fangalahantahaka tanjona no resahina.  Raha misy mpiara‐miasa aminao izay mahafinaritra anao, mijaly satria ampijalian’ny sefony (izay sefonao ihany koa), mety hahatsapa tsikelikely ianao fa mampijaly anao ihany koa ny sefonareo. Amin’izay fotoana izay, fangalahantahaka ny tsapa no resahina.  Raha misy mpiara‐mianatra aminao, izay tianao, mihinana ny sakafony lanaraina amin’ny 10 ora maraina, mandritra ny récréation, dia hiova tsikelikely ianao ka lasa hihinana ny sakafonao maraina amin’izany ora izany koa. Amin’izay fotoana izay, fangalahantahaka fahazarana sy fihetsika no resahina. Nefa tsy mangalatahaka raha tsy ny olona izay manodidina antsika isika ary izay tiantsika ihany, na izay olona izay hajaintsika, na mahafinaritra antsika. Izany hoe tsy mangalatahaka raha tsy ny olona izay manan‐danja ho antsika isika. Izay no antony mahatonga ny vehivavy mihamatavy rehefa mitokan‐trano miaraka amin’ny olon‐tiany : mangalatahaka ny fatran‐tsakafo hanin’ny olon‐tiany izy. Nefa fantantsika fa ny lehilahy dia mila sakafo bebe kokoa noho ny vehivavy. Noho izany, miohatra ny ilain’ny vatany ny sakafo hanin’ireny vehivavy ireny satria mihinana be loatra izy. HADIHADIO NY OLONA IZAY ALAINAO TAHAKA AMIN ’ NY MANODIDINA ANAO
Mba hahalalanao hoe voan’ny terin’ny fiaraha‐monina ve ianao dia tanisao ny olona izay akaikin’ny fonao rehetra. Afaka mi‐influencer ny eritreritrao, ny fahazaranao ary ny fihetsikao ireo olona ireo. ‐ 38 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Hafiriana ny fotoana niarahanao tamin’ireny olona ireny ?  Hajainao ve ireo olona ireo ? Eny Tsia Tsia  Tsapanao fa mitovy ve ianareo ? Eny  Manan‐danja aminao ve ny hevitr’ireo olona ireo ? Eny Tsia Tsia  Matoky ireo olona ire ove ianao ? Eny  Mampitaintaina anao ve ny manjo an’ireo olona ireo ? Eny Tsia Ny olona izay akaiky kokoa ny fo no tena misy influence amin’ny hevitra, fahazarana ary fihetsika. H ADIHADIO NY INFLUENCE HANANAN ’ NY FIARAHA ‐ MONINA AMINAO Mba hahitanao hoe voan’ny influence an’ny fiaraha‐monina ve ianao, dia jereo ny manodidina anao. Valio ireto fanontaniana ireto avy eo :  Misy olon‐kafa ve amin’ny manodidina anao izay mitovy tanjona aminao ? Oh : Te hihena izy, te hanena ny habean’ny kibony, te hanena ny habean’ny feany, … Eny Tsia Mety hoe nangalatahaka ny tanjon’ireny olona ireny ianao. Izany hoe, tsy tena tanjonao akory izany.  Mangalatahaka ny fahazaram‐pisakafohanan’ny olona sasany amin’ny manodidina anao ve ianao ? Oh : mihinana goûter amin’ny 10 ora maraina, mihinana gaufres amin’ny atoandro, tsy misotro rano, … Eny Tsia Mety mampatavy anao ireny fahazarana ireny. Ary tsy tonga saina akory ianao fa tsy ianao no diso.  Iza amin’ny manodidina anao no nangalatahaka ny tanjonao ? Manana influence amin’ireo olona ireo ianao satria akaiky ny fony ianao. Mety hangalatsahaka ny hevitrao, ny fahazaranao ary ny fihetsikao izany ireo olona ireo. ‐ 39 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Inona no fomba fisakafohanan’ny manodidina anao izay alainao tahaka ?  Misy fiantraikany ratsy amin’ny tanjonao ve ireo fihetsika ireo ? Eny Tsia Tsy fihetsikao manokana ireo fihetsika ireo. Vokatry ny influence sociale ireo. Noho izany, tsy misy zavatra tsy mety izany ao aminao fa olombelona fotsiny ianao.  Misy olona ve izay rehefa iarahanao dia mahatonga anao hihinan‐kanina be foana ? Oh : Rehefa miaraka amin’ny sipako aho dia mihinana nem sy sambos be dia be foana. Eny Tsia Na manana fomba fisakafohanana tsy normal ireny olona ireny (mihinan‐kanina nefa tsy noana), na raha tsy izany, mila sakafo be dia be izy. Misy influence be loatra aminao ireny olona ireny. ‐ 40 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
2. TIANTSIKA NY HANARAKA NY LAMAODY : HO MAHIA Andao hianatra tantara kely :  Tamin’ny Ejipta taloha, ny tian’ny vehivavy dia ny manana vatana mahia nefa misy hozatra, ary ngeza valahana raha oharina amin’ny hanches. Tsy lamaody izany ny valahana kely.  Tamin’ny Antiquité, nila nanana ny proportions tonga lafatra, nila nanana bika tsara rafitra. Noforonina ny kotrana mba handrafetana ny vatana. Ny statues no mampiseho ny vehivavy tonga lafatra : kely nefa be fe, sy be sandry, kibo fisaka ary misy hozatra. Ny lehilahy natavy dia noheverina fa lehilahy manan‐karena, ary ny hatavezan’ny vehivavy dia neverina ho tsara bika. Nefa ny obésité dia nampifandraisina tamin’ny fahakamoana.  Tamin’ny Moyen‐âge, ny tsara bika dia ny vehivavy lava, blonde, lava tenda ary manana ratsan‐tanana manify. Ny obèses dia noheverina fa tsy mihetsiketsika, sady mpanota noho ny herin’ny fiangonana tamin’izany. Noampangaina fa kamo, sady tendan‐kanina no tia harena ny olona obèse.  Tamin’ny Renaissance, nofaritana ny proportions tsara ho an’ny vatana. Tamin’izany fotoana izany, ny valahan’ny vehivavy dia nanify kely, tsy misy bourrelet. Nanana kibo fisaka izy ireo noho ny corsets izay mampifitsaka ny valahana. Nefa mampivelatra ny hanches, izay nolazaina fa maha‐vehivavy ny vehivavy.  Tamin’ny XVIIème siècle, natoraly kokoa ny vehivavy, tsy manao corsets intsony fa manao akanjo izay mampiditra ny kibo izay mampiseho ny bikan’ny vatany.  Tamin’ny XIXème siècle, dia natavy ny vehivavy. Ny vehivavy tsara dia natavy sy nisy formes.  Tamin’ny XXème siècle, tamin’ny taona 1900, niverina nanao corsets indray y vehivavay ary nafenina ny tavy.  Tamin’ny « années folles » (1920), taorian’ny ady lehibe voalohany, lasa lamaody ny manana vatana mitovy amin’ny lehilahy. Mila manana kibo sy fitombenana fisaka, sandry be hozatra ary tongotra manify.  Tamin’ny 1930 no teraka ny congés payés voalohany, izany hoe ny fialan‐tsasatra any amin’ny moron‐dranomasina, nampiseho vatana teny amoron‐dranomasina ny vehivavy ary tsy maintsy tsara bika. Tamin’izay no niatombohan’ny culte de la minceur. Tsy maintsy mahia ny vehivavy satria izany no ahitana fa tsara tarehy ianao.  Tamin’ny 1950, taorian’ny ady lehibe faharoa, ny olona marary no mahia kely. Mba hanarahana ny lamaody, mba ho hita hoe tena vehivavy ary ho hita hoe tsara bika, dia niverina natavy ny vehivavy. ‐ 41 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Tamin’ny taona 1960, niova ho fahiazana tanteraka ny lamaody satria noforonina i Barbie, ilay saribakoly manana proportions tonga lafatra. Mba hitovizana aminy dia niova ny mahatsara ny vehivavy.  Ankehitriny, mbola mahita izany finoana izany isika any amin’ny olona ngeza. Satria dieny mbola kely dia efa ampianarina ny ankizy hampifandray ny obésité sy ny haratsiam‐bika, ny hakamoana, ny tsy fahaizana, sns. Namafisina ilay finoana hoe ny olona obèses dia mahantra, kamo, marary ary tsy faly. Lasa lamaody ny fahihiazana, tsy maintsy manify ny vatana, raha ny lalàna no arahina. (Les origines du régime). Eto Madagasikara, tsy mazava tsara ny fahitantsika ny olona matavy :  etsy andaniny, ampifandraisina amin’ny harena sy ny fahasalamana ny hatavezana ;  nefa etsy andaniny ampangaina ho kamo izy ireo. Miampy an’izay koa ny finoana ara‐pivavahana izay mampanga an’izy ireo ho tendan‐kanina, kamo ary tia harena16. Ny olona mahia indray anefa :  etsy andaniny enjehina satria heverina fa mahantra na olona marary, farofy ;  ary etsy an‐kilany, iriana satria heverina fa olona mazoto sy mahavita. Ireny fiheverana sy finoana avy amin’ny fivavahana, ny razambe, … ireny dia nampianarina antsika mba hanarahantsika ny modely izay napetraky ny fiaraha‐monina raha tsy izay isika dia voatondro‐molotra hoe « tsy normal » na « ratsy tarehy ». Modely izay tsy mazava tsara akory : mahia nefa tsy mahantra na marary, na matavy nefa tsy kamo sy tendan‐
kanina. Izay no atao hoe culture de la minceur. Sary 15 : Influence an’ny finoana momba ny olona matavy sy mahia Finoana momba ny olona matavy sy mahia
Complexes
Stress sy fatahorana ny ho voahilikilika
Régimes
Tsy fahatantesana ny fakam‐
panahy
16
Ny fahotana mahafaty 7 : ny fiavonavonana, fitiavam‐bola (kahidy), ny faniriana, ny fahatezerana, ny fitiavan‐
karena, ny hakamoana, ary ny hatendan‐kanina. ‐ 42 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY FINOANAO MOMBA NY OLONA MATAVY SY MAHIA Mba hahitanao ny finoanao momba ny olona matavy sy mahia, valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Amin’ny ankapobeny, ahoana ny ahitanao ny olona matavy ? Ratsy tarehy izy ireo Mahatsiravina sy maharikoriko izy ireo Tsara tarehy izy ireo Masiso/mantsina/mamofona izy ireo Ratsy fanahy izy ireo Tsara fanahy izy ireo Kamo izy ireo Courageux izy ireo Tendan‐kanina izy ireo Manan‐karena izy ireo Marary izy ireo Tsy mitia ny tenany (vatany) izy ireo Tokony hanao régimes izy ireo Hafa (tanisao) Toetra hafa hananan’ny olona matavy : Na manosika anao hatahotra ny hatavy ireo finoana ireo, na manosika anao te hatavy. Mety ho marina ary mety ho diso ireo finoana ireo.  Amin’ny ankapobeny, ahoana ny ahitanao ny olona mahia ? Tsara tarehy izy ireo Ratsy tarehy izy ireo Courageux izy ireo Marary izy ireo Ratsy fanahy izy ireo ‐ 43 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Tsara fanahy izy ireo Mora tezitra izy ireo Tendan‐kanina izy ireo Manao régimes izy ireo sady zara raha misakafo Mihinan‐kanina nefa tsy mety mihangeza izy ireo Tsara vintana izy ireo Mahantra izy ireo Be zesta izy ireo Hafa (tanisao) Toetra hafa hananan’ny olona mahia : Na manosika anao hatahotra ny hahia ireo finoana ireo, na manosika anao te hahia. Mety ho marina ary mety ho diso ireo finoana ireo.  Avy aiza ireo finoana ireo, araka ny hevitrao ? Ny ray aman‐dreninao Ny rainao sy ny renibeanao Ny anabavinao na anadahinao Havana Mpampianatra Namana na mpiara‐mianatra Fivavahana Médias : magazines, gazety, fahitalavitra, radio, réseau social17, … Hafa (tanisao) Olon‐kafa nahazoanao ilay finoana : Manana influence aminao ireo olona ireo. Afaka ny mi‐influencer ny hevitrao izy ireo. 17
Facebook, twitter, snaptchat, instagram, … ‐ 44 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY INFLUENCE AN ’ NY CULTURE DE LA MINCEUR EO AMINAO Mba hahitanao raha manaiky ny modely napetraky ny firaha‐monina ianao mba tsy ho « samihafa » amin’ny be sy ny maro, valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Misy fotoana ve ianao mihevitra fa tsy misy dikany ny tanjonao satria tsy mifanaraka amin’ny tadiavin’ny be sy ny maro ? Oh : Matavy daholo ny olon‐drehetra, te hihena ianao, tsy misy dikany ve ny tanjonao ? Na Te hatavy daholo ny olon‐
drehetra ary te hihena ianao. Tsy misy dikany ve ny tanjonao ? Eny Tsia Raha « eny » ny valinteninao dia tianao ny hitovy amin’ny heverinao hoe tian’ny olon‐drehetra. Tsy voatery hoe ohatr’izay tokoa ny olon‐drehetra. Raha « tsia » ny valinteninao dia mety tianao ny manao izay mifanohitra amin’ny tadiavin’ny olon‐drehetra. Na izay marina no tena tadiavinao.  Misy olona « adala » ve mba mitovy fihetsika amin’ilay fihetsika tianao hananana ? Oh : olona izay mihinan‐kanina nefa tsy manamelo‐tena nefa salama tsara, … Eny Tsia Raha misy « adala » izay mitady izay tadiavinao ihany koa, dia normal izany ny tanjonao. Satria tsy ny olon‐drehetra no te [fenoy amin’izay heverinao fa tian’ny olon‐drehetra]. Misy olona mba mitovy aminao ihany. ‐ 45 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
3. MANAMPARITAKA NY MODELY NY MEDIAS MBA HAHAZOANY TOMBONTSOA Noho ny fitadiavan’ny vehivavy fatratra ny fahihiazana, nahita fomba mamoka‐bola be ny sasany : ny régimes sy ny produits amincissants. Sady tsy terena ny vehivavy, ary amin’izao ny lehilahy ihany koa, fa safidiny manokana ny manao an’izany. Mba hahazoana ny « normalité ». Noho izany, feno sarin‐tava namboarina tamin’ny Photoshop ny réseaux sociaux izay faran’izay tiantsika (facebook, instagram, snapchat, ...), mba hampahatsiahivana antsika tsy an‐kiato fa tsy mifanaraka amin’ny modely tokony harahina isika. Feno torohevitra mampahia na mampihena ny magazines natokana ho an’ny vehivavy. Mba hanovany ny endriny, mba hanatsarany ny bikany sy ny tarehiny, … izay midika hoe ny vehivavy rehetra dia matavy sy ratsy tarehy/bika. Fampahatsiahivana tsy an‐kiato fa tsy mifanaraka amin’ny atao hoe « normal » isika. Mahakasika ny tanora ihany koa ireny dokam‐barotra ireny, miaraka amin’ny saribakoly manana vatana « tonga lafatra » izay deraina any amin’ny fivarotana. Tsy misy miraharaha intsony ny saribakoly izay manana bika mitovy amin’ny ankizy18. Mba ho « normal » isika dia aleontsika ny mamolavola ny vatantsika araka ilay modely : fitombenana boribory sy tsy mitarozaka, nono tsy mitarozaka, kibo fisaka, hanches sy fe ngeza, valahana manify, … Tsy maintsy ariantsika ny mampiavaka ny vatantsika : ny bikantsika. Fa pâte à modeler ve ny vatantsika ? « Soa ihany » fa manome vahaolana amin’ny « olantsika » ny médias : ny régimes, ny produits amincissants ary ny kotrana. « Andramo hosorana amin’ny kibo sy fe anie ito crème ito dia ho lasa normal ianao ao anatin’ny fotoana fohy. », « Sotroy isan’andro ito dite ito fa hanomboka hadio ny tarehinao sady ho tsara tarehy ianao, ka ho normal amin’izay ianao » na « Toa anao i Rindra taloha, sady ratsy tarehy no ratsy bika, noho ny nanao régime 2 à5 izy sady nikotrana niaraka tamin’ny coach certifié Haja, dia nivoatra avy tamin’ny paozina sahona izy dia lasa mpanjaka vavy. Tongava manoratra anarana dieny izao fa ho hitanao fa mahafinaritra ny normal » … 18
Ilay saribakoly mavokely izay vita amin’ny plastika tanteraka ireny, tsy misy volo, ary ny tanany sy ny tongony dia tsy afaka ahetsika amin’ny vatany. ‐ 46 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Sary 16 : Fitrangan’ny influence an’ny media Fampisehoana ny modely tokony arahina
Complexes
Stress sy fahatahorana ny ho voahilikilika
Fitadiavana vahaolana
Régimes, produits minceurs ary kotrana
Nefa ireny médias ireny ihany no manosika antsika hividy sy hihinana vokatra izay tsy ilaintsika akory amin’ny fampiasana ny « terror management ». I NONA NO ATAO HOE « TERROR MANAGEMENT » ? Miara‐monina amin’ny hafa ny olombelona. Raha misy manjo ny olombelona hafa, na tsy fantany aza izany olona izany, dia misy fiantraikany aminy izany loza izany. Oh : raha tantaraiko anareo ny nahazo izay lehilahy iray izay : nandeha mission izy. Nijanona tao an‐trano ny vadiny sy ny zanany 2 (vavy sy lahy) ary mpanampy. Indray alina, nisy namaky ny trano dia nohidian’ny mpangalatra tao an’efitra ny fianakavian’ilay lehilahy miaraka amin’nilay mpanapy. Ary nodorany ny trano. Niantso ny vadiny ilay vehivavy, ary nampandre ny gendarmes ilay lehilahy. Nefa, taraiky loatra ny gendarmes. Voadoro velona tao an‐trano izy mianakavy kely. Tsy tohina tamin’iny tantara iny ve ianao ? Mety nihovitrovitra mihitsy aza ny sasany. Mampahatsiahy anao iny tantara iny fa malemy ny olombelona ary tsy ho fantatra mialoha hoe rahoviana izy no ho faty. Ka mampieritreritra anao hoe « Fa maninona aho no mampijaly tena eto an‐tany nefa mety ho faty rahampitso aho ? Mila manararaotra ny fiainako dieny izao aho ! ». Izay no manosika antsika hanararaotra ny fiainantsika amin’ny fihinanan‐kanina izay hampiato ny tebitebin‐
tsainao. Fihetsika izay tsy nataonao raha tsy nahare iny tantara iny. Nefa tsy maharitra ela ny vokan’iny tantara iny. Tsy maharitra andro iray, fa minitra vitsy fotsiny. Ohatra izay ny manipulation ataon’ny haino aman‐jery amaintsika. Nahatsikaritra ve ianao fa tia vaovao ratsy isika ? Ny vaovao an‐tsary na gazety rehetra dia tsy maintsy mitantara farafahakeliny vaovao ratsy roa, ary tsara kokoa raha zava‐doza. Mahafaly ny haino aman‐jery ny mampiseho sary sy vidéos mampihorohoro sy feno rà. Oh : ilay niseho tany Ambohipo, tamin’ny nisian’ny jiolahy namaky ny Telma Shop. Rehefa tafaverina amin’ny mpanolotra ny vaovao ny sary, dia miresaka momba ilay famonoana ny jiolahy izy ireo. Dokam‐
barotra kely : karazan‐tsakitsaky, régimes, … Tampoka teo, te hihinan‐kanina ianao : na ilay tsakitsaky hitanao tain’ny dokam‐barotra, na zavatra hafa. Tianao ovaina ny eritreretinao, hanadino ny sary nampihorohoro anao. ‐ 47 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Mety maka endrika hafa io terror management io : statut amin’ny facebook izay mampiseho anao :  ny fika vaovao ataon’ny mpangalatra fiara ;  ny fiparitahan’ny menaka fandrahoan‐kanina misy pozina ;  ny vaksiny anti‐poliomyélite izay mampidi‐doza ;  ny fika azonao hatao mba tsy ho voan’ny homamiadana ;  ny régimes izay « mahasalama » ;  ny sarin’ny zazakely na ankizy marary be ka mila « j’aime » mba ho avotra ;  Sns ‐ 48 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ohatra fotsiny ireo ! Tsy tena marina io ! Ireo sary sy statuts ireo dia manohina ny fonao (na stressé ianao, na mitaintaina inaao, na malahelo ianao, …) ary tianao ny hanova izay ao an‐tsainao. Noho izany, ny « terror management » dia fomba entin’ny haino aman‐jery hampahatsiahivana anao fa malemy ianao amin’ny fampisehoana anao vidéos na sary mampihorohoro mba hanambatambazana anao amin’ny alalan’ny « vahaolana » : ny vokatra ataony dokam‐barotra. Fakam‐panahy
Vahaolana : Dokam‐barotra
Fitadiavana vahaolana
Stress
Matsapa fa malemy
Fampisehoana sary sy vidéos mampihorohoro
Sary 17 : Ny influence an’ny terror management Misy fotoana, manosika antsika tsy hanao na inona na inona ny terror management noho ny alahelontsika. Oh : tsy manao fanatanjahantena, mandeha matory, tsy te hanao na inona na inona, … H ADIHADIO NY INFLUENCES HANANAN ’ NY HAINO AMAN ‐ JERY Mba hahitanao ny fomba hi‐manipuler‐n’ny haino aman‐jery anao dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Inona avy ny dokam‐barotra izay mandeha aorian’ny vaovao an‐tsary ? Ny vokatra izay atao dokam‐barotra aorian’ny vaovao an‐tsary no vokatra izay mety ho tadiavinao.  Misy hifandraisany amin’ny tanjonao ve ireny vokatra ireny ? Oh : régimes, sakafo, zava‐pisotro, salle de sport, matériel de sport, … Eny Tsia  Rehefa tsy te hikotrana ianao, sao dia mandositra ny hevitra hoe malemy ianao ary mbola ho faty indray andro ? Oh : « Tsy te hanao zumba aho satria tsy haharaka ny fihetsiky ny coach indray aho izao. » na « Tsy hikotrana aho satria tsy hahavita ny hihazakazaka mandritra ny adiny 4 akory. » na « Tsy hikotrana aho satria tsy misy dikany avy izany, mbola ho faty ihany aho na dia hikotrana aza. » Eny Tsia Manakana antsika hanao zavatra izay hahazoantsika zava‐tsoa ny fahatahorana ny fahalemena (mora maty, tsy fahavitan‐javatra, …). ‐ 49 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
4. NY LANJAN’NY ENDRIKA IVELANY F AMPAHATSIAHIVANA :  Complexés amin’ny vatantsika na faritra amin’ny vatantsika isika noho ny tsikeran’ny ray aman‐
drenintsika momba ny endritsika ivelany tamin’ny fahazazantsika.  Vokatry ny insécurités physiques antsika ireny complexes ireny. F A AVY AIZA ARY NY INSECURITES PHYSIQUES ANTSIKA ?  « Zava‐boahary mifandray amin’ny hafa ny olombelona », « Tsy nosy ny olombelona », nianatra an’izany isika tamin’ny filozofia tamin’ny kilasy voalohany na famaranana. Tsy miaina irery izany izy. 
Te hanery antsika hanaiky modelin’ny hatsaram‐bika ny fiaraha‐monina : tsy maintsy mahia ianao raha te ho normal, ny olona matavy dia [tanisao eto ny toertra ratsy rehetra izay fahenonao momba ny olona matavy]. 
Noho izany, manahirana ireo rehetra izay tsy mitovy amin’ny modelin’ny hatsaram‐bika (mahia) ny fahatahorana ny ho irery, ny ho voahilikilika, ny ho voatositosika, na ny ho voatondro‐molotra.  Nefa tsy mifanaraka amin’ny tena misy ireny modely ireny, ka zara raha misy ny olona izay mitovy amin’ireny (anisan’izany ny olona izay afaka nanao chirurgies esthétiques)  Noho izany, tratran’ny complexes sy fahamenarana ny ankabeazany satria mihevitra izy fa tsy normal, ratsy bika, na toa ny biby mampitahotra.  Iza no hitia olona ratsy bika na biby mampitahotra ? 19 Tsy misy fanafany izany fa tsy maintsy mitady « vahaolana » izany isy mba ho « normal ». Izany tranga izany dia notsikerain’ilay mpihira rap frantsay : Tunisiano tao amin’ny hirany mitondra ny lohateny hoe « Le regard des gens ». Indro ary misy sombin’izany hira izany : Oui, elle est pleine de grâce, Belle et élégante. Mais son reflet dans la glace l’a rendu Si différente des autres. Elle se sent mise à l'écart. Du dégoût est le sentiment 19
Afatsy i Belle tao amin’ny « La belle et la bête ». ‐ 50 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Qu’elle peut lire dans le regard des autres. Elle se sent si seule, si laide. Si elle gueule et s'isole, C’est qu'elle s'est demandée de l'aide. Entre autres, elle fait partis de ces filles Mal dans leur peau. Ces yeux qui les fusillent Pour quelques kilos en trop. Ces yeux qui la grugent, lui font croire qu'elle est difforme. Tous ces regards qui la juge qui l’on rendu non conforme. Elle ne cherche plus à plaire bêtement, elle cache ces rondeurs Derrière ces larges vêtements. Peu féminine, Complexée par son physique, Devant ces magazines et ces filles anorexiques, Son poids est un crime.Terrifiée par la foule, Elle multiplie les régimes afin d'entrer dans le bon moule. Effet yoyo. Elle galère, tel est le salaire Pour soit disant faire partis des gens normaux. Elle a perdu toute confiance en elle. Elle qui a cru que l'apparence pouvait suffire pour être belle. On fait semblant d'être heureux, de sourire pour se sentir mieux (Dans le regard des gens) On se déguise, s’idéalise, c'est la perfection qu'on veut (Dans le regard des gens) On fait semblant d'être heureux (Dans le regard des gens) On se déguise ... (Dans le regard des gens) (…) Ils veulent devenir des icônes Pour que les gens les aiment. Seins en silicone et piqûre en collagène. Ils se font la guerre chassent les préjugés, S’agrippent à des critères par peur d'être jugé. A toutes ces femmes qui se montrent pour s'aimer, A tous ces hommes qui se cachent pour pleurer, Toutes ces personnes qui ont des choses à prouver, Qui se cherchent pour ne pas se retrouver. C’est vrai qu'on se sent mieux grâce au regard des gens. C’est vrai qu'on se voit beau dans le regard des gens. La morale est que peu importe le problème, Avant d'être aimé par les autres il faut d'abord s'aimer soi‐même. (Tunisiano) Noho izany, mihorohoro isika rehefa mieritreritra fa mety ho irery, na voatositosika na voahilikilika, na voatondro molotra, na asitakin’ny fiaraha‐monina. Ary nanomboka tamin’ny fahazazana teny anivon’ny fianakaviana izany tahotra izany. Matahotra ny ho tsy tian’ny ray aman‐dreny intsony isika satria « ratsy bika » na « biby mampitahotra ». Jereo ny Tiantsika ny hanaraka ny lamaody : ho mahia. Sary 18 : Influence an’ny endrika ivelany na ny fijerin’ny hafa Fametrahana modelim‐
batana
Complexes
Stress : Tahotry ny ho voahilikilika
‐ 51 ‐ Régimes
Tsy fahatantesana fakam‐panahy
Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO NY LANJAN ’ NY ENDRIKA IVELANY Mba haitanao ny lanjan’ny endrika ivelany ho anao dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Mahita ny vatanao ho tsara ve ianao ? Eny Tsia Ny fahitanao ny vatanao dia voafaritry ny fitiavana na fampijaliana nataon’ny ray aman‐dreninao anao tamin’ny fahazazanao. Ny fitiavana dia mampihevitra anao fa tsara ny vatanao ary mendrika ny ho tiavina izany ianao. Ny fampijaliana indray mapihevitra anao fa ratsy ny vatanao ka mendrika ny ampijaliana ianao.  Menatry ny vatanao ve ianao ? Eny Tsia  Menatry ny mampiseho faritry ny vatanao ve ianao ? Eny Tsia  Menatry ny manao akanjo sasany ve ianao ? Oh : crop‐top, bikini, maillots de bain, shorts, zipo, ambonin’ankanjo fohy tanana, … Eny Tsia Rahefa mihevitra ianao fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny vatanao (oh : kibo fisaka, fe manify, hanches mivelatra, mahia, taille 36 …), dia menatra ho azy ny vatanao ianao. Menatry ny ho « biby mampitahotra » izay voahilikilikin’ny fiaraha‐monina ianao.  Manana modely mamaritra ny ataonao hoe tsara ve ianao ? Oh : Ny vehivavy dia tokony hanana kibo fisaka, fitombenana boribory, be nono, … Eny Tsia  Mifanaraka amin’ny modelin’ny ataonao hoe tsara ve ianao ? Oh : Ny vehivavy dia tokony hanana kibo fisaka. Tsy manana kibo fisaka aho. Eny Tsia  Raha tsy mifanaraka amin’ny modely izay mamaritra ny tsara ianao, mihevitra ny tenanao ho tsy normal ve ianao ? Eny Tsia  Araka ny hevitrao, tsy normal ve ireo izay tsy mifanaraka amin’ny modely izay mamaritra ny tsara ? Eny Tsia  Firy ny olona izay mifanaraka amin’ny modelin’ny ataonao hoe tsara ka efa hitanao teo amin’ny fiainanao ? ‐ 52 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Araka ny hevitrao, ilaina ve ny mitovy amin’ireny modely ireny ? Eny Tsia  Fa maninona ? Ireny modely mamaritra ny hatsarana ireny dia noforonin’ny fiaraha‐monina ary naparitaky ny haino aman‐jery mba hanerena ny olona hanaraka izany amin’ny fanaovana zavatra izay mampanankarena ny sasany. Tsy mifanaraka amin’ny normal avy ireny modely ireny. Ny normal mantsy dia tsy tonga lafatra.  Araha ny hevitrao, ilaina ve ny normal ? Eny Tsia  Efa nahatsapa fa voahilikiliky ny ray aman‐dreninao ve ianao noho ny endrikao ivelany izay tsy nifanaraka tamin’ny faniriany, tamin’ny fahazazanao ? Oh : Sorena taminao ny rainao sy ny reninao satria matavy, mahia, obèse, kely, … ianao ho azy. Eny Tsia  Efa nahatsapa fa voahilikiliky ny mpiara‐mianatra taminao ve ianao noho ny endrikao ivelany izay tsy nifanaraka tamin’ny modelin’ny hatsarana, tamin’ny fahazazanao ? Oh : Nampijalian’ny mpiara‐mianatra taminao ianao satria matavy, mahia, obèse, kely, ... Eny Tsia Tsia Tsia  Matahotra ny ho irery ve ianao ? Eny  Matahotra ny ho asitaka ve ianao ? Eny  Matahotra ny ho voahilikiliky ny fiaraha‐monina ve ianao ? Eny Tsia  Matahotra ny tsy hitovy amin’ny hafa ve ianao ? Eny ‐ 53 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ny tahotra no fitaovam‐piadiana entin’ny fiaraha‐monina hanerena antsika hanaraka ny modelin’ny hatsarana izay tsy mifanaraka amin’ny tena misy. Ny tahotry ny ho tsy normal, ny ho toa ny « biby mampitahotra », ny ho irery, ny ho voatositosika, ny ho voahilikilika, na ny ho samihafa. ‐ 54 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
III. MAMPATAVY NY REGIME F AMPAHATSIAHIVANA : Mila hery mba hahavelona antsika ny vatana. Ary alainy any anatin’ny sakafo hanintsika izany hery izany. Nefa raha mihinana miohatra ny ilain’ny vatana isika, dia ho tahiriziny amin’ny endrika tavy any anatin’ny adipocytes iny hery miohatra iny. Indrindra indrindra any amin’ny kibo ho an’ny vehivavy. Noho izany, raha toa ka mihinan‐kanina miohatra ny filan’ny vatana isika dia hatavy. A TAON ’ NY VATANA INONA ARY ILAY TAVY TAHIRIZINY INY ? I NONA NO ANTONY HANAOVAN ’ NY VATANA AN ’ IZANY ? Efa voavolavola hanao izay afany mba hamelona antsika lalandava ny vatana. Mba hahavelona antsika, mila hery ny vatana. Izany hoe : « mila mihinan‐kanina mba hiaina » Rehefa mihinan‐kanina ambanin’ny fatran’ny hery ilain’ny vatana isika, dia tsy maintsy maka hery any amin’ny tahiriny izy : any amin’ny tavy. Izay mandritra ny adipocytes. Izay no antony mampihena antsika haingana be amin’ny voalohandohan’ny régime. N OHO IZANY ANIE , MANDAITRA NY REGIME E , SA AHOANA ? Amin’ny voalohany ihany. Matoa ianao mamaky ito boky ito, efa niaina ny hakiviana vokatry ny tsy fihetsehan’ny lanja intsony ianao taorian’ny régime nataonao ary ny fahazoana tavy indray taorian’ny taona maromaro. I NONA ARY NO MITRANGA ? F A MANINONA NO TSY METY MIHENA INTSONY ISIKA REHEFA ELA NY ELA ? Voavolavola hamelona antsika ny vatantsika. Matoa isika olombelona mbola velona foana nandritra ny taona 2,8 tapitrisa, dia noho ny fahaizan’ny vatana miaina amin’ny zava‐misy. Amin’ny voalohandohan’ny régime, mbola voatery haka ny hery ilainy any amin’ny tavy ny vatana. Fa mbola mitady hevitra izy mba hahafahany miaina amin’ny fatran’ny hery izay omentsika azy. Ary ho tonga ny andro izay hahafahany miaina tanteraka amin’ny fatran’ny hery izay nomenao azy nanomboka tamin’ny régime nataonao. Izany hoe : hihena ny filan’ny vatana ara‐kery mba hitovy amin’ny fatran’ny ‐ 55 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
hery izay omenao azy. Izany hoe raha mifatra 10 ohatra ny hery ilain’ny vatana alohan’ny régime. Ary rehefa manao régime ianao dia manena ny hery omenao azy ho lasa 5 fotsiny. Hahenan’ny vatanao ho 5 fotsiny ihany koa ny filany ara‐kery. Noho izany, ho lasa ampy ny vatana indray izany ny fatran’ny hery izay omenao azy. Izay no tsy mampihena anao intsony. Izay no mahatonga ny lanjanao tsy hihena intsony. Efa niainanao ve izany ? Sary 19 : Fitrangan’ny régime hatramin’ny adaptation an’ny vatana Régime : fanenana ny hery omena ny vatana
Fanenana ny hery ilaina mba hitovy amin'ny azo
Fitadiavana hery any amin'ny tavy
Tsy mihetsika intsony ny lanja
1. FA MANINONA ARY NY REGIME NO MAHANGEZA E ? Tsy misy olona maharitra hoe zara raha mihinan‐kanina na hoe tsy mihinana karazana sakafo iray na maro (oh : voankazo sy legioma fotsiny fa tsy mahazo mihinana vary, ovy, vokatra avy amin’ny ronono, paty, siramamy, menaka, …) izany mandrapahafatiny. Tsy maintsy ho avy ny andro tsy hahatantesanao izany. Na tiana na tsy tiana, na inona na inona ny fahazotoana. Rehefa manao régime isika dia mametra ny karazan‐tsakafo hanina amin’ny fatra izay efa voatondro ihany koa, tsy mahazo miohatra. Ohatra hoe, tsy mihinana raha tsy 1/2 vilia an’ny voankazo sy legioma ary 1/4 vilia an’ny hena tsy misy matavy isaky ny sakafo. Tsy mihinana na vary, na mofo, na menaka, na siramamy (afa‐tsy ny avy amin’ny voankazo). Izany hoe tsy mihinana féculents, ary tsy mihinana raha tsy voankazo sy legioma na manta na nandrahoana tamin’ny entona (à la vapeur). Ny hena dia tsy mahazo andrahoana amin’ny menaka. Manery tena hihinana an’izany isika isan’andro : alatsinainy hatramin’ny alahady, maraina, atoandro ary hariva. Ny fanontaniana voalohany tsara apetraka : Iza no mahasahy manome an’izany amin’ny vahininy ? Tsy misy. Mazava ho azy ! Raha tsy hoe marary ilay vahiny ka manery azy hanao izany régime izany ny aretiny. Nefa raha amin’ny ankapobeny, tsy misy mahasahy manome an’io karazan‐tsakafo io amin’ny vahininy. Fa maninona ? Satria tsy matsiro izany. Nefa dia manery tena isika hihinana an’izany isan’andro. Normal raha leo isika ny hiafarany. Te hihinana zavatra hafa isika. Nefa, satria ny vatana tsy ampy nutriments sy hery, dia mihena isika. ‐ 56 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Sary 20 : Fitrangan’ny régime hatramin’ny fahaverezan’ny fahazotoana Régime : Fanenana ny fatra sy ny karazan‐
tsakafo hanina
Tsy fahampiana nutriments sy hery : Mihena
Tsy mazoto misakafo
Fitadiavana karazan‐tsakafo hafa
Etsy andaniny, manery tena isika mba tsy hihinana féculents, menaka, siramamy, … Dia tonga saina ny vatana fa tsy afaka ny miaina raha tsy misy an’ireny. Mahatsapa tsy fahampiana nutriments izay hita any amin’ireny karazan‐tsakafo ireny ny vatana. Ka handefa famantarana : ny faniriana te hihinana an’ireny sakafo ireny (envie). Oh : Te hihinana mofomamy vita amin’ny sokola aho na rarak’ivy aho rehefa mahita sokola, na maheno ny fofon’ny sokola aho, … Sary 21 : Fitrangan’ny régime hatramin’ny faniriana te hihinana sakafo efa voatondro Régime : Famerana ny karazan‐tsakafo hanina
Tsy fahampiana nutriments : Mihena
Tsy mazoto intsony
Te hiova sakafo hanina : sakafo voarara
Mba hanatsaharana ilay faniriana te hihinana sakafo voarara dia mety mihinana sakafo lazaina fa « tsara » na « mampahia » na « mampihena » na « zara raha misy kaloria » isika, satria :  mihevitra isika fa ireny sakafo ireny dia tsy hampatavy antsika satria azo hatokisana kokoa ;  sady tsy mahay manavaka ny faniriana te hihinan‐kanina sy ny hanohanana isika. Oh : Te hihinana mofomamy misy sokola aho dia aleoko mihinana paoma mba hampitoniana ny faniriako. Nefa tsy mety mijanona ilay faniriana. Mety handehandeha isika, hilalao jeux, hiresaka amin’ny namana, … mba hanadinoana azy. Nefa tsy mety mijanona mihitsy. Sary 22 : Fitrangan’ny régime hatramin’ny tsy fahafahampo Régime : Fanenana ny karazan‐
tsakafo azo hanina
Tsy mazoto intsony hanohy
Te hihinana sakafo voarara
Fitadiavana fitsaharana any amin'ny sakafo "kely kaloria"
Stress sy tsy fahafahampo
Mety haharitra ela isika, nefa rehefa be loatra ny fanerena dia tsy mahatanty intsony isika : Aleontsika mihinana ilay mofomamy misy sokola. Mihevitra isika fa ho vitan’ny didiny iray fotsiny dia efa hahampy antsika. Nefa rehefa tapitra ilay didiny iray, dia te hihinana iray hafa, dia iray hafa indray, mandrapahalanintsika 3 na 4. Satria mihevitra isika fa :  mila tratrarina ny fotoana lany ;  tsy hitranga intsony izao any aoriana any ;  tsy fantatra intsony hoe rahoviana indray vao afaka hanararaotra toa izao ; ‐ 57 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 mila manararaotra be. Ary satria tsy noana isika fa te hihinana mofomamy misy sokola fotsiny, dia lasa mihinana tsy amin’ny hanohanana izany. Ampahatsiahiviko anao fa nihena ny filàna ara‐kerin’ny vatana taorian’ny régime. Noho izany, rehefa tsy naharitra intsony ny fihafiana isika, dia lasa nihinana betsaka kokoa noho ny nahazatra. Taorian’ny régime dia nihena ho 5 fotsiny ny filàn’ny vatana. Tsy noana akory isika. Nihinana paoma 1 izay nitondra hery 0,1 ohatra izany. Dia, tsy naharitra ny niafy intsony isika ka lasa nihinana mofomamy didiny 3 na 4. Izay mitondra, ohatra hoe, hery mifatra 1. Izany hoe nihinana hery mifatra 1,1 isika, nefa tsy ilain’ny vatana io. Ka dia ho tahiriziny amin’ny endrika tavy. Sary 23 : Fitrangan’ny régime hatramin’ny tsy fahatantesana intsony Régime : Fanenana ny karazan‐
tsakafo azo hanina
Fitadiavana hery any aamin'ny tavy
Adaptation : Fanenana ny filana ara‐
kery
Tsy fihetsehan'ny lanja
Stress
Tsy maharitra ka misesika
Manenina ny nataontsika isika sy ny tsy fahafahantsika nitana tena. Manamelo‐tena isika fa tsy nahery, « nalemy teo anoloan’ny fakam‐panahy ». Ary tsy mitsahatra ny mampijaly antsika ny demony kelintsika. Amin’ny kiana sy ny fampahatsiahivana antsika fa tsy vitantsika ny nitana tena. Aorian’izany dia :  Na mi‐compenser amin’ny alalan’ny fihinanan‐kanina mba hampanginana ilay demony kelintsika izay manambany antsika ary mitsikera antsika. Izay manamafy ny fanamelohan‐tena. Mihinanana tsy amin’ny hanohanana indray izany isika. Mety hoe hery 4 no azo tamin’izany. Izay manome hery toataliny 5,1 izay tsy ilain’ny vatana. Ka andeha ho tahiriziny amin’ny endrika tavy any anatin’ny adipocytes.  Na « miarina » dia manapa‐kevitra ny « hanarina ny hadisoana ». Manapa‐
kevitra ny hanamafy ny régime nataontsika ary isika : manao régime mafimafy kokoa noho ny teo aloha, manamafy ny fifadiana natao tamin’ny régime teo aloha. Manasazy tena isika satria « nalemy teo anoloan’ny fakampanahy » ka tsy naharitra. Tsy hitsahatra ny hanome famantarana anefa ny vatana fa tsy ampy féculents, mamy ary menaka izy. Ary indray andro, tsy hahatanty isika. Dia hitohy indray ny boribory vetavetan’ny régime. Ary satria mihinana be loatra isika ary matetika (tsy maharitra matetika), dia mihafeno foana ny adipocytes. Ny adipocytes anefa rehefa feno dia manamboatra hafa indray ny vatana. Ary tsy afaka ny miala intsony ny adipocytes rehefa mihena satria mifintina fotsiny ny habeany. Lasa mihangeza noho ny tamin’ny voalohany isika20. Izay no atao hoe effet yoyo. 20
Talohan’ny régime ‐ 58 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Izay no mahatonga ny régimes mampatavy, ary matetika miohatran ny teo aloha aza. Sary 24 : Boribory vetavetan’ny régime Fanamelohan‐
tena
Régime
Tsy fahampiana hery sy nutriments
Manenina
Faniriana te hihinan‐kanina voarara
Tsy fahatantesana
Misy olona sasany izay matavy haingana be nefa zara raha mihinan‐kanina raha oharina amin’ny hafa izay tsy mihontsina akory raha mihinana iny fatra iny. Satria izy nanao régimes be loatra. Ka nanena ny filana ara‐kerin’ny vatany. Ka noho izany, lasa sakafo kely fotsiny dia efa ampy miohatra ny ilain’ny vatany. Indraindray ireny olona ireny dia tsy tonga saina tsara amin’ny fatra haniny. Satria ilay sakafo nohaniny dia sakafo « mampihena » na « mampahia » ka heveriny fa tsy misy fiantraikany amin’ny lanjany 21 . Hadinoiny ary ny fatra haniny amin’ireny sakafo ireny ary mifantoka bebe kokoa amin’ny fatran’ny sakafo « mampatavy » haniny izy. Izay ihany koa no mahatonga ny olona sasany mihevitra fa mihamatavy rehefa mihinana karazan‐kanina (yaourt, mofo, mofomamy, paty, akondro, zavoka, …) nefa ny sasany mijanona ho kely foana. Raha ny tena marina, nametra ny vatany tsy hihinana ireny sakafo ireny izy. Ka nahatonga azy maniry te hihinana an’ireny (mety lasa obsession mihitsy aza). Izay mitranga matetika rehefa tsy noana izy. Rehefa tsy hariny izany dia mihinana an’ilay sakafo rehefa tsy noana izy ary tsy mahavita 21
Finoana izay tsy marina akory ‐ 59 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
ny mijanona intsony. Ary rehefa mihinana nefa tsy noana dia manome hery tsy ilaina amin’ny vatana. Izay ho tahiriziny amin’ny endrika tavy. Izay no antony mahatonga antsika mihevitra fa efa vahana ny an’ireny olona ireny na jenetika. Tsia ! Vokatry ny régime nataony no mihatra aminy. Mivaly amintsika foana ny ataontsika rehetra. H O FAMEHEZANA  Mila hery mba hahavelona antsika ny vatana. Ary alainy any anatin’ny sakafo hanintsika izany hery izany.  Famantarana alefan’ny vatana amintsika ny hanohanana mba hahafantarantsika fa mila hery izy. Rehefa mihinana araky ny hanohanana izany, dia sady tsy mihena no tsy mihangeza satria hajaina ny filan’ny vatana.  Rehefa mihinana tsy amin’ny hanohanana, na inona na inona ny sakafo hanina : « mampatavy » na « mampahia » na « mampihena », dia manome hery tsy ilain’ny vatana. Ho tahiriziny amin’ny endrika tavy any anaty adipocytes iny hery miohatra iny mba hahafahany miaina raha sendra misy hanohanana tsy raharahiana.  Rehefa tsy fenoina ny filana ara‐kerin’ny vatana, izany hoe manome hery izay tsy ampy noho ny ilain’ny vatana, na inona na inona ny sakafo hanina : « mampatavy » na « mampahia » na « mampihena », dia mitroka ny hery tsy ampy any anatin’ny tavy any anatin’ny adipocytes izy. Dia hifintina ny adipocytes, ka lasa mihena ilay olona.  Rehefa avy nihinana tsy amin’ny hanohanana nandritra ny fotoana maro, izany hoe nanome hery tsy nilaina an’ny vatana nandritra ny fotoana maro, ka miverina mihinana amin’ny hanohanana, izany hoe miverina manome ny hery ilain’ny vatana, dia manena ny fatran’ny hery omena an’ny vatana. Izany fanenana izany dia manome famantarana an’ny adipocytes mba hoavoakany tsikelikely ny tavy izay tahiriziny satria tsy ilainy intsony izany.  Te hanena ny hery omena ny vatana ny régime. Mba hanerena ny vatana hitroka ny hery tsy ampy aminy any anatin’ny tavy any anatin’ny adipocytes. Izay no mampihena.  Nefa hain’ny vatana ny mi‐s’adapte haingana amin’ny zava‐mitranga. Rehefa ela ny ela dia ho hahenan’ny vatana ny filana ara‐keriny mba hitovitovy amin’ny hery izay omena azy. Ka tsy ho voatery hitroka any amin’ny tavy any anatin’ny adipocytes intsony izy satria mitovy ny hery mihiditra sy ny hery ilaina. Izay mahatonga ilay olona sady tsy mihena no tsy mitombo intsony. ‐ 60 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Raha tsy ahena indray ny hery omena ny vatana dia tsy hihetsika intsony ny lanja.  Ary rehefa manena ny fatran‐tsakafo omena ny vatana isika dia mandrisika antsika hisy obsession amin’ny sakafo.  Nefa ny régime, noho izy mandrara, dia mahatonga tsy fahampiana amin’ny nutriments. Mandefa famantarana ary ny vatana izay tsapantsika ho faniriana te hihinana sakafo izay misy io nutriment tsy ampy io.  Nefa rehefa tonga io faniriana te hihinana ilay sakafo io dia matetika rehefa tsy noana isika.  Ka matahotra ny tsy hahatana tena tsy hihinana be loatra isika raha toa ka mihaino io faniriana io.  Na miaritra isika, na miezaka ny mampitony ilay faniriana amin’ny fihinanana sakafo izay heverintsika fa « tsara », « mampihena » na « mampahia » (nefa indraindray isika tsy noana akory), na tsy maharitra ilay faniriana isika.  Rehefa afaka mihinana an’ilay sakafo voarara amin’izay isika, na dis tsy niniana aza izany, dia te hanararaotra faran’izay vita. Mihinana be mihitsy isika satria fantantsika fa mbola hifady an’iny indray isika rehefa avy eo. Amin’iny fotoana iny isika no miohatra ny filan’ny vatana.  Manenina ny nataontsika isika. Ary izany fanamelohan‐tena izany dia manosika antsika hanasazy tena mba « hanarenana ny hadisoana ».  Noho ny tsy faharetana ny faniriana te hihinana tsy amin’ny hanohanana matetika dia mihafeno ny adipocytes. Ary rehefa feno izy ireny dia manamboatra hafa ny vatana. Izay no mahatonga antsika ho matavy noho ny talohan’ny régime. Voan’ny effet yoyo isika. H ADIHADIO RAHA NATAVEZIN ’ NY REGIME IANAO Mba hahalalana raha nahatavezin’ny régime ianao, valio ireto fanontaniana ireto :  Manao régime ve ianao ? Eny Tsia  Tamin’ny oviana ianao no nanomboka nanao régime voalohany indrindra ? ‐ 61 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Manana menu mila arahinao ve ianao ? Eny Tsia  Afaka mivoaka miaraka amin’ny namanao ve ianao, nefa tsy matahotra ny hihiditra any amin’ny pizzeria, pâtisserie, na hotely ? Eny Tsia  Matahotra ny hatavy ve ianao raha mandeha mariazy na lanonana isan‐karazany izay misy fisakafohanana ? Oh : vodiondry, batemy, fetim‐pianakaviana, noely, buffet, …
Eny Tsia  Mila mitandrina foana ny sakafo haninao ve ianao ? Oh : tsy mahazo mihinana féculents, tsy mahazo mihinana glucide miaraka amin’ny lipides, tsy mahazo mihinana siramamy, … Eny Tsia  Misy lalàna mametra ny fatran’ny sakafo tokony haninao ? Oh : tsy mahazo miohatra ny 2 sotro beam‐bary, tsy maintsy mihinana féculent 1 isan’andro, … Eny Tsia Ny famerana ny fatran’ny sakafo tokony hanin’ny olona iray dia mampitovy ny zavatra tokony ho samihafa. Ny fatran‐tsakafo izay ilain’ny vatana dia samihafa isaky ny olombelona sy ny zava‐
mitranga. Ny olona iray 18 taona tsy mitovy filàna amin’ny olona 7 taona. Ny filan’ny olona iray izay avy nilomano nandritra ny adiny 2 dia samihafa amin’ny an’ny olona iray izay avy natory.  Misy lalàna mametra ny karazan‐tsakafo tokony haninao ? Oh : Tsy mahazo mihinana féculents, tsy mahazo mihinana menaka, tsy mahazo mihinana siramamy, tsy mihinanan raha tsy voankazo sy legioma, … Eny Tsia Ny famerana ny karazan‐tsakafo tokony hanin’ny olona iray dia mampitovy ny zavatra tokony ho samihafa. Ny karazan‐tsakafo izay ilain’ny vatana dia samihafa isaky ny olombelona sy ny zava‐
mitranga. Tsy mitovy ny filan’ny olona izay nihinana legioma efa hatrizay sy ny filan’ny olona izay tsy maintsy nihinana hena foana. Samihafa ny filan’ny olona izay miaina any amin’ny Pôle Nord sy olona miaina aty Madagasikara.  Mihevitra ve ianao fa misy sakafo « mampihena » na « mampahia » na « mampatavy » ? Eny Tsia  Matahotra ny mihinana karazan‐tsakafo ve ianao ? Oh : akondro, yaourt, paty, vary, mofo, ovy, pizza, pâtisseries, … Eny Tsia  Mihevitra ny tenanao ho « hendry » ve ianao rehefa mahavita miaritra tsy mihinana sakafo « mampatavy » ? Eny ‐ 62 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Mihevitra ny tenanao ho « maditra » ve ianao rehefa tsy mahavita miaritra ny fakam‐
panahy hihinana sakafo « mampatavy » ? Eny Tsia  Fa maninona ianao no matahotra ny hihinana ireny sakafo ireny ? Ny fanasokajiana ny sakafo ho « tsara », « ratsy », « mampatavy », « mampahia », « mampihena », … dia mamorona fifandraisana ratsy amin’ny sakafo. Ho lasa obsedé(e) amin’ny sakafo ilay olona : te hihinana foana ny sakafo izay sokajiany hoe « ratsy » na « mampatavy » izy satria tsy azony hanina. Nefa rehefa mihinana an’ireny izy dia tsy ho faly akory.  Rehefa misy faniriana te hihinana sakafo (oh : chausson aux pommes) ianao, manampy anao ve ny fihezahanao mba tsy hieritreretana izany intsony ? Oh : Mitondra chausson aux pommes foana mba ataony goûter amin’ny 10. Rehefa manantona ny amin’ny 10 dia mi‐stresse aho satria fantatro fa ho tratran’ny fakam‐panahy aho. Aleoko mandehandeha dia tsy miverina raha tsy amin’ny 10 ora sy sasany. Amin’izay mba tsy ho tratran’ny fakam‐panahy aho. Nefa rehefa miverina aho dia manontany tena hoe ahoana ary ny tsiron’ilay chausson. Eny Tsia  Rehefa misy faniriana te hihinana sakafo (oh : glasy amin’ny vanilina) ianao, mahatonga anao vao maika te hihinana ve ny fihezahanao mba tsy hieritreretana izany intsony ? Oh : Mividy galsy amin’ny vanilina foana ny ray aman‐dreniko isaky ny zoma mba hohaniny amin’ny faran’ny herinandro. Mba tsy hisian’ny fakam‐panahy dia fenoiko zavatra hatao ny fandaharam‐potoanako mandritra ny faran’ny herinandro. Amin’ny farany, eo am‐panaovan‐javatra, manontany tena foana aho hoe mbola misy glasy ve ao anatin’ny frigo dia ahoana ary ny tsirony, … Eny Tsia Tsy mandaitra mihitsy ny fihezahana mandroaka hevitra iray ao an‐doha. Vao maika aza mahatonga anao hieritreritra bebe kokoa an’iny izany.  Mahafaly anao ve ny fomba fisakafohananao ? Eny Tsia  Mahafapo anao ve ny fatran‐tsakafo haninao ? Eny Tsia  Mahafapo anao ve ny karazan‐tsakafo haninao ? Eny Tsia  Normal ve ny fomba fiainananao, araka ny hevitrao ? Eny ‐ 63 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Mahafaly anao ve ny fomba fiainananao ? Eny Tsia Amin’ny ankapobeny, tsy mahafaly ny fanaovana régimes. Mahatsapa ho voafehy foana ny olona manao régime. Nefa tsy mahafapo azy ihany koa ny ezaka izay ataony. Ka manosika azy hanenjana ny régime ataony. H ADIHADIO RAHA NETY HO ANAO NY FANAOVANA REGIMES Makà sarinao talohan’ny régime voalohany nataonao. Ahoana ny fahitanao ny vatanao ? Amin’ny ankapobeny, vao maika mampatavy ny régimes. Ny ankabeazan’ny olona izay manao an’io fampitahana io dia manenina ny nanao régimes satria tonga saina izy fa tsy ratsy akory izy taloha. H ADIHADIO RAHA MANAMBITAMBY LOATRA NY TENANAO IANAO Mandritra ny herinandro iray (1), jereo hoe ahoana ny fihetsikao manoloana faniriana te hihinan‐kanina nefa tsy noana :  Mitsikera ny tenanao ve ianao ? Oh : « Tsy hiova mihitsy ianao ity, hatavy sy ratsy tarehy foana ndry ! » Eny Tsia Izany fanamelohan‐tena izany dia manosika anao hitady fanambatambazana any amin’ny sakafo.  Mampiseho zavatra tsy mety ao aminao ve izany ? Oh : Mahatsapa tena ho kamo ianao, na vendrana, na tsy mahavita na inona na inona, … Eny Tsia  Mihevitra ny tenanao ho tsy avotra intsony ve ianao ? Eny Tsia Tsia Tsia  Manamelo‐tena ve ianao ? Eny  Menatra ve ianao ? Eny ‐ 64 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Tezitra ve ianao ? Eny Tsia  Toa ny tsy mahavita na inona na inona intsony ve ianao ? Eny Tsia Ny fanondroana molotra ny tsy mety, ny fiheverana fa tsy ho avotra intsony, ny fanamelohan‐tena, ny fahamenarana, ny fahatezerana, ny fiheverana fa tsy mahavita na inona na inona intsony, … dia manosika anao hitady fanambatambazana any amin’ny sakafo.  Fialana bala mba hanohizana ny fisesefan‐kanina ve ny tsy fahatantesana ny fakam‐
panahy ? Oh : « Efa tsy nety ihany ny régime‐ako dia aleo laniana daholo ito. » Eny Tsia Fialana bala fotsiny izany mba tsy hanamelohan‐tena rehefa tsy maharitra fakam‐panahy.  Ataonao valisoa ve ny sakafo isaky ny hariva satria nahavita naharitra ny fakam‐panahy ianao nandritra ny tontolo andro ? Eny Tsia Ny fampifaliana tena amin’ny sakafo dia toa ny fanambatambazana tena amin’ny sakafo. Mamorona fifandraisana ratsy amin’ny sakafo izany.  Mampiasa fihetsika « tsara » ve ianao mba hanomezanao alalana anao ihany mba hihinanana sakafo « mampatavy » ? Oh : Nahavita tsy nihinana vary aho, tsy nihinana raha tsy voankazo aho. Amin’ny atoandro aho mahazo manampy vary 2 sotro ». Na « Avy nihazakazaka nandritra ny adiny 2 teo ambonin’ny tapis aho. Mahazo mihinana pizza amin’izay aho. ». Eny Tsia  Manome alalana anao hihinana be ve ny fifantohana amin’ny voka‐tsoa hentin’ny sakafo ? Oh : Mihinana salady be dia be ianao satria « mampahia » na « mampihena ».
Eny Tsia Ny fisokajiana ny sakafo (ho « tsara » sy « ratsy) dia manosika anao hanana fifandraisana ratsy miaraka amin’ny sakafo (te hihinana ireny sakafo ireny ianao nefa tsy faly akory ianao rehefa mihinana azy), nefa mampitahotra anao ihany koa izany (raha mihinana an’ito sakafo ito aho dia hatavy). Ny fisokajiana ny fihetsika (ho « tsara » sy « ratsy) dia manosika anao hanome valisoa anao rehefa manao an’ilay fihetsika « tsara » ianao ary manasazy tena rehefa manao fihetsika « ratsy ».  Misy « mots magiques » izay manome anao alalana hihinan‐kanina be ve ao antin’ireto voatanisa manaraka ireto ? Naturel – Light – Sans matière grasse – Organique – Complet – Amincissant – Amaigrissant – Sans sucre – Sans sel – Nature – Mampahia – Mampihena – Natoraly Eny ‐ 65 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ny fanomezana povoara majika an’ny teny entina hamaritana sakafo (natoraly, light, tsy misy siramamy, …) dia manome anao alalana mba hihinana be loatra satria heverinao fa tsy haninona anao izany, tsy hisy fiantraikany izany. ‐ 66 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
2. FA INONA NO ATAO HOE REGIME ? Ny régime dia izay fika rehetra, na niniana natao na tsy niniana, izay mahatonga anao hanena ny hery omena ny vatana, tsy miraharaha ny filan’ny vatana. Efa hitantsika fa rehefa kely noho ny filan’ny vatana ny hery hanina dia lasa voatery haka any amin’ny tahiriny izy : any amin’ny tavy. Izay no mahatonga ny régime ho toa mandaitra amin’ny voalohany. Ireny fika ireny dia manery antsika :  hametra ny fatran’ny hanina izay hanintsika, tsy miraharaha ny tena ilain’ny vatana. Oh : tsy misakafo maraina, na hariva nefa noana, tsy mihinan‐kanina mihitsy nefa noana, tsy mihinana goûter na dia noana aza, tsy mihinana raha tsy vary 2 sotro isan’andro nefa tsy mahampy ny filanao izany, tsy mihinana raha tsy féculent iray isan’andro na dia mitady bebe kokoa noho izany aza, …  hifady sakafo izay lazaina fa « ratsy » na « mampatavy » na « tsy mahasalama » na dia tiana aza ireny sakafo ireny. Oh : paty, vary, ovy, akondro, zavoka, vokatra azo avy amin’ny ronono, pizza, hamburger, glasy, sokola, …  hihinana « sakafo » na fifangaroana sakafo voalaza fa « tsara » na « mampahia » na « mampihena » na « mahasalama » bebe kokoa, na dia tsy tiana aza izany. Oh : smoothies, ranona poarao, dite mampahia, tambavy mampahia, legioma, voankazo …  hifantoka be amin’ny lanjantsika. Izany hoe, hilanja isan’andro isika na isaky ny herinandro dia miresaka momba an’izany foana. Oh : « Very 200g aho », « nahazo 2kg aho », « firy kilao re aho izao e ? », « Oh lala nihinana be loatra indray aho tamin’ny faran’ny herinandro teo mino aho fa nahazo farafahakeliny 1kg », …  hampihena ny siramamy na tavy hanina. Oh : mihinana yaourt nature tsy misy siramamy, misotro ronono écrémé na demi‐écrémé, mihinana sakafo light, mihinana sakafo tsy misy siramamy, mampiasa édulcorants fa tsy siramamy, …  hihinana coupe‐faim mba hamerana ny hanohanana sy ny fihinananan‐kanina. Oh : paoma, rano, yaourt, mananasy, …  « hanadio ny any anaty » na « hanao détox » amin’ny alalan’ny fanafody, zavatra mampivalana, tambavy, dite na fifangaroan‐javatra samihafa. Oh : rano mafana miaraka amin’ny ranona voasary makirana, dite na tambavy mampahia, … Tsara ho anao tokoa ve ireny zavatra ireny ? ‐ 67 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
a. FAMERANA NY FATRAN’NY SAKAFO HANINA Izany hoe ferana ny fatran’ny sakafo hanina mba hanaraka lalàna ara‐pisakafohanana iray. Oh : Ny régime équilibré dia mametra ny protéines hanina ho ¼ an’ny vilia, ny féculents ho ¼ an’ny vilia ary ny legioma ho ½ an’ny vilia. Mametra ny voankazo sy ny legioma ihany ko aizy io ho karazany 5 isan’andro. Ny nutritionistes dia manoro hoe tsy mihinana raha tsy vary 2 sotro fandoharana isan’andro. Ny fifadian‐
kanina dia mandrara tanteraka ny fihinanan‐kanina, izany hoe ny fatran‐tsakafo hanina dia ahena ho 0. Sns Ary raha mila miohatra an’izany isika ? Ary raha mila vary miohatra ny 2 sotro be fandoharam‐bary ny vatantsika ? Samihafa ny filan’ny olombelona tsirairay. Te hanisy lalàna mampitovy ny ilain’ny vatana ny siansa, amin’ny fifantohana amin’ny vatan’ny olombelona amin’ny ankapobeny fotsiny. Rehefa mitady régime amin’ny internet ianao, tsy kivy ve ianao rehefa mahita menus izay tsy misy raha tsy sakafo tsy hita eto Madagasikara na lafo loatra ? Oh : feta, mofo feno22, édulcorants, saumons, … Satria ny fomba fisakafohanantsika dia samihafa amin’ny an’ny vahiny. Izany dia vokan’ny fahasamihafana ara‐pitoerana ara‐jeografika. Oh : Ny japoney dia mihinana algues sy trondro be dia be satria nosy i Japon sady mpanjono ny ankabeazan’ny mponina eo aminy. Moramora aminy ihany koa ny hitahiry an’ireny. Ny rosianina indray, tia vodka satria manafana an‐dry zareo izany, satria mangatsiaka be ny any Rosia. Mihinana vary be isika malagasy satria izay no feno eny an‐tanimbary. Sady ny ankabeazan’ny malagasy ihany koa dia tantsaha mpamboly vary izay miasa tany tsy mampiasa fitaovana toa ny tracteurs, moissonneuses, .... Toa ny hoe ho terena ny malagasy any atsimo any, izay mafana be, hoe hisotro farafahakeliny lasopy legioma mafana sy vodka roa vera isan’andro mba ho salama tsara. Mazava ho azy fa mampihomehy be izany torohevitra izany ! Nefa, toa izay no ataontsika amin’ny régimes izay mametra ny fatran‐tsakafo. b. FAMERANA NY KARAZAN‐TSAKAFO HANINA Izany hoe ho tsinjaraina hisokajy 2 ny sakafo : 22
Pains complets ‐ 68 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 ireo izay « tsara », « mahasalama », « mampahia », « mampihena » : paoma, tantely, kaokaombra, papaye, … ohatra ;  ireo izay « ratsy », « tsy ara‐pahasalamana » na « mampatavy » : paty, vary, mofo, sokola, akondro, zavoka, dobera, … ohatra. Eto, ny lalàna dia miteny fa ny sakafo « mampahia » na « mampihena » dia afaka hanina be dia be satria manampy anao hihena na hahia. Ary ny sakafo « mampatavy » dia tsy azo hanina tanteraka satria mampatavy na firy na firy ny fatrany haninao. Mifoha ohatra ianao. Mihinan‐kanina ianao nefa tsy noana akory. Nefa, tsaroanao fa tsy mahazo tsy misakafo maraina fa « mampatavy izany ». Manery tena ary ianao hihinana paoma iray sy dite miaraka amin’ny tantely. Lazaina fa « mampahia » na « mampihena » ny paoma sy ny tantely. Ary satria ianao nihinana nefa tsy noana akory, dia tsy nila an’iny hery iny akory izany ny vatana. Nanome hery tsy nilaina an’ny vatana izany ianao. Ary na dia avy amin’ny « sokajy tsara » aza ireny sakafo ireny dia ho tahirizin’ny vatana amin’ny endrika tavy. Ohatra ihany koa hoe tsy nisakafo maraina ianao satria mizihitra be ny kibonao. Mety hoe nihinan‐kanina be loatra ianao tamin’ny alina. Izany hoe, tsy nisakafo maraina ianao, nefa voalaza izany fa mampatavy. Mahatsapa ianao fa toa ny banga ny ao anatin’ny vavoninao amin’ny 10 ora. Noana amin’izay izany ianao. Tsy mahita paoma na sakafo « tsara » ianao manodidina anao. Mividy mofo ary ianao satria izay no hitanaoa any amin’ny épicerie. Satria nihinana mofo ianao tamin’ny hanohanana, izany hoe nila hery ny vatana, dia nahafapo ny filan »ny vatanao izany ianao tamin’iny mofo iny. Ary tsy hatavy ianao amin’ny fihinanana iny mofo iny raha tsy miohatra ny hanohananao. Na dia ao anatin’ny « sokajin‐tsajkafo ratsy » aza ny mofo. Noho izany, tsy misy sakafo « ratsy » na « tsara », na « mampihena » na « mampahia » na « mampatavy » izany.  Ny sakafo rehetra, na inona io na inona, izay hanina rehefa tsy noana akory dia mampatavy.  Ny sakafo rehetra, na inona io na inona, izay hanina rehefa noana, dia sady tsy mampatavy no tsy mampahia.  Ny saakfo rehetra, na inona io na inona, izay hanina rehefa noana nefa tsy mahafapo tsara ny hanohanana, izany hoe mbola noana ianao avy eo, dia mampihena. ‐ 69 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Tsotra sady lojika. Aza lanaiky ho fitahina toa ny fianakavian’i Feno tao amin’ny boky : « Mitarainanytany » izay nosoratan’i Andry Andraina, izay noterena hanao régime mba « hanasitrananana » ny anabaviny izay voan’ny pesta. Sady maty zanaka vavy ny ray aman‐dreniny no very vola noho ny finoana dadarabe. c. FIFANTOHANA AMIN’NY LANJA Dieny vao teraka isika dia efa manan‐danja be ny lanjantsika. Isaky ny misy vehivavy iray vao avy niteraka dia manontany azy daholo ny olona hoe firy ny lanjan’ny zanany. Ary raha avadika moa ny tany ka aleontsika miteny ny lanjan’ny namantsika rehetra izay hoentintsika any an‐trano : « Izy no atao hoe Vero an : 26 taona, 1m 52, 54 kg, 84 sm ny manodidina ny hanches‐any, 60 sm ny manodidina ny valahany, … ». Ahoana no ahitanareo an’izany ? Nefa … ohatra izany ny hiainantsika isan’andro, ireny laharana ireny no mamaritra ny maha‐izy antsika : taona, lanja, halavana, manodidina ny hanche, tratra, valahana, fe, …  Miresaka momba ny fivoharan’ny lanjantsika isika mandritra ny tontolo andro : very 650g aho, nahazo 2 kg aho, …  Te hahalala matetika isika hoe nihanitombo lanja sa nihena. Mba hahafahantsika maka fanampahan‐kevitra.  Te hilanja kilao efa voavinavinantsika isika fa tsy kilao izay mampatahotra antsika : te hiverina ho 45 kg aho, tsy te hiohatra ny 55 kg aho, …  Ny sasany aza dia matahotra ny milanja mihitsy satria tsy te hahalala hoe firy ny lanjany. Miankina amin’ny voavakiny amin’ny fandanjana ny fihetsehampony sy izay ho haniny mandritra ny tontolo andro. Mandositra izy ireo.  Ny sasany aza milanja im‐betsaka ao anatin’ny iray andro mba hahitany hoe mifanaraka amin’ny tanjony ve ny ataony. Laharana fotsiny anie ireny e ! Fa maninona ? Inona no mahatonga an’ireny hanan‐danja ? Ary fa maninona no mety ny 54,90 kg fa tsy mety ny 55 kg ? Fa maninona no tsy maintsy milanja 45 kg ianao fa tsy 50 kg ? Satria nampianarina antsika ny fitaintainana momba ny lanja io. Nametraka ny IMC (Indice de Masse Corporelle) ny siansa tamin’ny 1832 tamin’ny alalan’ilay matematisianina – astronoma ‐ natoralista ary statistisianina belza : Lambert Adolphe Jacques Quételet. (Nau, ‐ 70 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
2009). Nefa mbola misy tsy mety io indicateur io. Nefa tsy fantantsika ireny tsy mety kely ireny :  Tsy afaka ampiharina amin’ny mpanao fanatanjahantena izy io satria lasa mifangaro ny lanjan’ny hozatra sy ny lanjan’ny tavy ;  Tsy natao raha tsy ho an’ny olon‐dehibe 18 hatramin’ny 65 taona izy io.  Araka ny bikan’ny olona izy io. Ny olona fohy nefa ngezangeza mety lazainy fa tsy matavy akory, nefa ny olona lava mahia mety manana tavy be loatra ;  Ny famakiana ny valiny izay nofaritan’ny OMS dia tokony hiovaova araky ny sexe23, taona24 ary firazanana25 ;  Tsy miraharaha na ny sexe, na ny taona, na ny firazanana, na ny fiparitahan’ny tavy eran’ny vatana ny IMC ;  Tsy natao ho an’ny olona izay nanesorana rantsana na olona lava be loatra miohatra ny olon‐drehetra (géant) na ny olona fohy loatra (nains) ny IMC. (Wikipedia, Indice de Masse Corporelle, 2015) Ka dia voatosiky ny siansa isika hampitaha ny vatantsika amin’ny hafa. Noho ny fitandrovana ny fahasalamana hono. Manosika antsika ny manodidina mba hanana lanja izay mifanaraka amin’ny tabilao izay tsy miraharaha akory ny filan’ny tsirairay. Ary tsy tonga saina mihitsy isika fa samihafa daholo. Samihafa ny vatantsika, samihafa ny hanintsika, samihafa ny fiainantsika, … nefa tsy maintsy mitovy ve ny bikantsika ? Lojika ve izany ? d. MANENA NY SIRAMAMY SY NY MENAKA HANINA Andao hianatra tantara kely :  1825 – 1969 : Namorona ny régimes tsy misy siramamy (glucides, féculents sy vokatra vita avy amin’ny lafarinina) ny siantifika mba hiadiana amin’ny obésité ;  Tamin’ny antsasan’ny 1960, noterena ny olona mba tsy hihinana menaka sy féculents be loatra isaky ny sakafo ;  1972 : Noforonin’i Dr Atkins ny régime hyperprotéiné (be protéines). (Souccar, 2011) 23
Lasa ambony ny IMC an’ny vehivavy raha oharina amin’ny tokony ho izy Tsy manavaka ny taonan’ny olona ny IMC L’IMC 25
Ny halavan’ny malagasy efa fantatra fa fohy noho ny amerikanina any amin’ny avarar’i Amerika sy ny eropeanina (ireo izay namoronana ny valin’ny IMC) 24
‐ 71 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Noho izany, niovaova hevfitra matetika ny siantifika momba ny fanenana tena izay tena mandaitra. Nefa ireny torolalana ireny dia tsy mazava tsara sady tsy miraharaha ny maha‐
samihafa ny olon‐drehetra. Fa maninona ary ny tantsaha any ambanivohitra no toa mahia kely nefa mihinam‐bary be (glucides be siramamy, féculents, ary vokatra ahazoana) ? Sady, ny fatran’ny siramamy sy ny menaka izay ilain’ny olona tsirairay dia tsy voateny akory tao anatin’ilay torolalana, ka lasa mahatonga ny maro handeha an‐jambany fotsiny. Ka dia ahenantsika tsy an‐
kijanona ny fatran‐tsiramamy (glucides, féculents, vokatra avy amin’ny lafarininz) sy ny menaka (lipides) hanintsika nefa tsy fantantsika akory hoe sao dia efa mihinana ny « fatrany tena mety » isika. Ka lasa misy aza tsy mihinana mihitsy mba tsy hisian’ny hadisoana. Tsy mandaitra ela ireny régimes mametra ny karazan‐kanina azo hanina ireny. Satria mila atao mandrapahafaty. Sady ny sakafo sady tsy mamy no tsy misy menaka dia mety hatsatso. Kanefa tian’ny olombelona ny tsiron‐tsakafo. Tsy vita ny hanao an’izany ela be. Iza no hahavita hanao an’izany mandrapahafatiny ? Nefa rehefa tsy mahatana indray mandeha dia tonga dia tsy tana intsony. e. MIHINANA COUPE‐FAIM Ito fomba fanenana tena ito dia hanakana antsika tsy hahatsapa ny hanohanana amin’ny fihinanana sakafo na fanafody. Fa maninona no tsy tiantsika ny mahatsapa ny hanohanana ? Nefa ny hanohanana dia famantarana fotsiny izay alefan’ny vatana mba hampahafantarana antsika fa mila hery izy. Satria ny hanohanana dia mahasarika antsika hitady sakafo mba tsy ho noana intsony, nefa :  nampianarina antsika fa « mampatavy ny mihinan‐
kanina eny anelanelan’ny sakafo », izany hoe manakana anao tsy hitsaingotsaingoka mba tsy hatavy izany ireny, raha ny hevitry ny mpivarotra ireny vokatra ireny ;  ny hanohanana dia hanosika antsika hihinana sakafo « mampatavy » izay tsy harintsika. Ary rehefa mihinana an’ireny isika dia tsy afaka ny mijanona intsony ;  ny hanohanana dia manosika antsika hividy goûters izay mahatonga antsika handany vola. Izany hoe, raha ny hevintsika, ny hanohanana dia mampidi‐doza ho an’ny régime antsika (manosika antsika hitsaingotsaingoka eo anelanelan’ny sakafo sy mihinana sakafo ‐ 72 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
« mampatavy ») sy ho an’ny poketram‐bolantsika ihany koa (mandany vola amin’ny goputers). Izany hoe, ny coupe‐faim dia mamitaka ny vatana mba tsy hanomezana azy izay ilainy. Izany hoe, ny coupe‐faim dia mahatonga antsika tsy hiraharaha izay tena ilain’ny vatantsika mba hanomezana azy izay tsy ilainy akory. Normal ve izany ? Raha te hihinana sokola ianao ka omena paoma sady tenenina hoe mitovy ihany ireo, tsy ho sorena ve ianao ? Ka manaafy ny fanirianao te hihinana « sakafo mampatavy » izay hatahoranao. f. « MANADIO NY ANY ANATY » NA « MANAO DETOX » Io fomba fanenana tena io dia nateraky ny finoana fa ny vatana dia mitahiry tavy noho ny toxines. Inona no atao hoe toxines ? Raha fehezina dia ny loto rehetra no atao hoe toxines. Izany hoe, raha te hihena dia mila manao « cure détoxifiante » na « manadio ny any anaty » na « manao détox » amin’ny alalan’ny fanafdy, tambavy na dite, na ranondranon‐javatra izay mampivalana. Raha fehezina ny tian’ireny fika ireny ambara dia : matavy ianao satria feno kaka any antin’ny vatanao. Satria tereny hivalana ianao. Iza no manaiky an’izany ? Raha marina anie izany dia feno kaka any anatin’ny takolako sy ny kiboko e ! Ary feno kaka any antin’ny tanan’ny namako iray izay. Midika koa izany hoe ny mahatonga anao tsy mihena dia ianao tsy mikaka tsara. Maharikoriko sy mampihomehy izany, sa ahoana ? Nefa maro ny mino an’izany rehefa mahita fa mihena noho ny fihinanana an’ireny sy ny fahitana ny menamenaka miaraka amin’ny kaka rehefa mivalana izy. Mandaitra ireny fika ireny satria very nutriments, rano ary kaka betsaka ianao rehefa mivalana, ka lasa mihena. Toa ireny olona tsy ampy sakafo any Afrika ireny e ! Nefa tsy mety mihena intsony ianao avy eo. Inona intsony moa no miala raha tsy misy kaka ho esorina intsony ? Manadio tena ho azy ny vatana, izany hoe tsy mila fanampiana avy aminao izy mba hanadiovany ny ao anatinao ao, ataony ho azy sy irery izany, ary natoraly aminy izany. Ahoana moa ny fomba nahavelona antsika nandritra ny taona 2,8 tapitrisa raha nila fanampiana ny vatana mba hanadiovana ny any anaty any ? (Bernard, 2013). Ary na dia mihena aza ianao rehefa « manao détox », tsy manova ny fahazarana ara‐
pisakafohananao akory io fika io. Mbola hihinan‐kanina na dia tsy noana foana ianao. Ka hatavy foana foana. ‐ 73 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Ireny fika rehetra ireny dia mety handaitra mba hampihena anao haingana raha tsy mijery alavitra. Nefa, mba hitazonana izany fihenana izany, tsy maintsy ampiharina mandrapahafaty izy ireo. Izany hoe, raha manao régime tsy mihinana siramamy mihitsy ianao, amin’ny fotoana nanampahanao hevitra dia mila tonga saina ianao fa tsy mahazo mihinana siramamy mandrapahafaty, raha tsy izany tsy hahavita hitandrina tsy hihinana be dia be ianao ka hatavy indray. Tsy mahazo miova ianao, raha tsy izany mihangeza indray. Vonona hanao an’izany ve ianao ? Mino ve ianao fa haharitra an’izany foana mandrapahafaty ? Normal ve ireo fihetsika ireo aminao ? Vitanao mandrapahafaty ve ireo ? Ary fantaro fa na dia mino mafy dia mafy aza ianao fa tsy manao régime, nefa manao ny iray na maro amin’ireo fihetsika ireo, dia efa manao régime ianao izay, na dia tsy fantatrao aza izany. Ohatra :  Tsy mihinan‐kanina ianao ny hariva satria renoka teo am‐piandrasana ny fiverenan’ny jiro tapaka nefa noana ;  Tsy mihinana goûter ianao nefa noana fa tsy manam‐bola hividianana goûter na hoe kamo andeha hividy ;  Mihinana « sakafo voalanjalanja » 26 ianao ary tsy mihinana « sakafo tsy ara‐pahasalamana » mihitsy nefa te hihinana pizza sy sandwichs indraindray ;  Zara raha mihinana menaka ianao satria « tsy tsara ho an’ny fahasalamana » nefa tianao izany ;  Manery tena hihinana sakafo maraina ianao nefa tsy noana akory ;  Manery tena hihinana vary na mofo isa‐maraina ianao nefa tsy te hihinana an’izany, fa izay fotsiny no natoron’ny nutritionistes ;  Manery tena hihinana voankazo ianao isa‐maraina nefa vary na mofo no tianao hanina, fa izay no natoron’ny nutritionistes anao ;  Misotro rano misy ranom‐boasary makirana ianao isan’andro mba « hanesorana ny menaka rehetra any anatin’ny voa any sy mba hanamaivanana ny fandevonan‐
kanina » nefa tsy tianao akory ny tsirony ;  Sns … 26
Sakafo équilibré ‐ 74 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO RAHA MANAO REGIME IANAO Makà taratasy. Manaova tabilao mizara 2. Ao amin’ny fizarana voalohany, tanisao daholo ny fomba hentina mampihena izay fantatrao. Oh : régimes, tsy misakafo maraina na hariva, tsy mihinan‐kanina mihitsy (fifadian‐kanina), dite mampahia, hotra, fanatanjahantena, régime équilibré … Ao amin’ny fizarana faharoa, valio ireto fanontaniana manaraka ireto isaky ny fomba notanisanao :  Manery anao hametra ny sakafo haninao ve izany (fatra sy/na karazan‐tsakafo azo hanina) ?  Normal ve ny fomba fiainanao miaraka amin’izany fomba fanenana tena izany ? Fomba fanenana tena Hevitrao momba ny régime Manery anao hametra ny sakafo haninao ve izany (fatra sy/na karazan‐tsakafo azo hanina) ? Eny Tsia Normal ve ny fomba fiainanao miaraka amin’izany fomba fanenana tena izany ? Eny Tsia H ADIHADIO RAHA MANANA FOMBA FISAKAFOHANANA NORMAL IANAO Raha tianao ho fantatra hoe normal ve ny fomba fisakafohananano dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Araka ny hevitrao, vitanao ve ny mihinana vary 2 sotro fandoharana fotsiny isan’nadro mandrapahafatinao, na dia te hihinana miohatra izany aza ianao ? Eny Tsia  Araka ny hevitrao, vitanao ve ny tsy mihinana raha tsy voankazo ihany isa‐maraina andrapahafatinao, na dia te hihinana zavatra hafa aza ianao ? Eny Tsia  Araka ny hevitrao, vitanao ve ny tsy mihinana raha tsy voankazo sy legioma andrapahafatinao, na dia te hihinana zavatra hafa aza ianao ? Eny Tsia  Araka ny hevitrao, vitanao ve ny handrara ny tenanao tsy hihinana sokola, … izay sakafo rehetra hitanao fa matsiro nefa « mampatavy » mandrapahafatinao ? Eny ‐ 75 ‐ Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Araka ny hevitrao, vitanao ve ny mandrara ny tenanao tsy hihnana siramamy sy menaka intsony mandrapahafatinao ? Eny Tsia Ny famerana ny fatran’ny sakafo na karazan‐tsakafo hanina mandrapahafaty dia tsy firaharahiana tanteraka ny ilain’ny vatana. Mety hoe mila siramamy na menaka bebe kokoa ianao. Nefa tsy hainoanao ny vatanao satria « tsy manaja ny régime ataonao izany ».  Tantinao ve ny hampijaly tena mandrapahafaty mba hihenana dia avy eo mihamatavy indray rehefa tsy maharitra fakam‐panahy ? Eny Tsia  Tantinao ve ny hanery tena hivalana hipiriritra be sy harary kibo lava isan’andro mandrapahafatinao ? Eny Tsia  Vitanao ve ny hanery ny zanakao hanao an’izany koa ? Eny Tsia Tsy misy mahasahy manao ratsy an‐janany. Raha tsy sahinao atao an‐janakao dia eritrereto aloha sao zavatra tsy mety akory. ‐ 76 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
3. NY PRODUITS MINCEURS Nefa ankehitriny, misy fika tsy ara‐pahasalamana hafa noho ny régime izay omena ny vehivavy te hihena. Ny resahina eto dia ny produits minceurs, toa ny menaka mampahia, savony mampahia, dite na tambavy mampahia, fanorana, akanjo mampahia (gaines, fehikibo mi‐vibre, kilaoty‐gaine, corsets, collants‐gaines, …) … Efa hitantsika daholo ny antony mampatavy. Anisan’ireny ny antony ngeza indrindra : ny fihinanan‐kanina nefa tsy noana. Mino aho fa tsy mihinan‐kanina nefa tsy noana isika mba hihinanan‐kanina nefa tsy noana fotsiny. Izany hoe tsy fanahy iniana izany fa voatosika isika. Inona no mampirisika antsika hanao izany ? Efa hitantsika izany : ny niainantsika tamin’ny fahazazantsika. Rehefa fantantsika izany rehetra izany, mino marina ve ianao fa ireny vokatra ireny dia hamaha ny olanao ?  Moa ve ny fisotroana dite na tambavy dia hanakana ny rainao tsy hikasi‐tanana anao izay manosika anao hi‐compenser amin’ny fihinanan‐kanina ?  Moa ve ny fandroana amin’ny savony dia hanakana anao tsy hamela sisa intsony na dia efa tsy noana intsony aza ianao ? 
Moa ve ny menaka fanorana iray dia hamafa ny fahatsiarovanao ny olanao rehetra ? 
Moa ve ny gadget iray dia afaka ny hanova ny fahazaran‐dratsinao toa ny mihinan‐kanina eo am‐pijerena fahitalavitra fa tsy mifantoka amin’ny sakafo, ka tsy mahatsapa intsony ny hanohanana sy ny fahafahampo ? 
Moa ve ny gaine dia hanakana anao tsy hihinan‐
kanina nefa tsy noana ianao ?  Moa ve ny hotra amin’ny menaka dia hanakana ny adipocytes mba tsy hitahiry tavy ?  Moa ve ny tambavy dia hanampy anao hifantoka amin’ny fahafahamponao sy hijanona ny hihinana rehefa tsy noana intsony ?  Moa ve ny fehikibo mi‐vibre dia hanakana anao tsy hisy faniriana te hihinana sakafo izay lazainao fa « mampatavy » ka hanakana anao tsy hiseska io hanina io ? Ireny « vahaolana » ireny dia manome illusion anao fotsiny fa ho tratranao ny tanjonao. Izany hoe placebos fotsiny ireny. ‐ 77 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO RAHA MANDAITRA NY PRODUITS MINCEURS Makà taratasy. Manaova tabilao mizara 2. Ao amin’ny fizarana voalohany, tanisao daholo ny produits minceurs izay fantatrao. Oh : gaines, fehikibo mi‐vibre, kilaoty‐gaines, corsets, collants‐gaines, menaka, savony, dite, tambavy, gadget fanorana, … Ao amin’ny fizarana faharoa, valio ireto fanontaniana manaraka ireto isaky ny fomba notanisanao :  Manampy anao mandravona ny olana hatramin’ny fahazazanao ve io fomba entina mampahia io ?  Manova ny fahazaran‐dratsinao ve io fomba entina mampahia io ? Produits minceurs Hevitrao momba ny produits minceurs Manampy anao mandravona ny olana hatramin’ny fahazazanao ve io fomba entina mampahia io ? Eny Tsia Manova ny fahazaran‐dratsinao ve io fomba entina mampahia io ? ‐ 78 ‐ Eny Tsia Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
C.
MAMPAHIA NY MIHETSIKETSIKA Mila hery ny vatana, ary azony avy amin’ny sakafo hanina izany hery izany. Ny hery miohatra izay omentsika ny vatana dia hangoniny amin’ny endrika tavy … raha toa ka tsy ampiasaina. Ahoana no hampiasana izany hery izany ? Amin’ny fietsiketsehana : reefa miteny isika, na miaina, na mandea an‐tongotra, na matory, na rehefa mitempo ny fo, na rehefa manoratra isika, na milalao amin’ny finday, na mandihy, na mikipikipy maso … Izany hoe : Ny kotrana na ny fanatanjahantena, na ny fihetsiketsehana, dia manampy ny vatana handany ny ampahan’ny hery miohatra izay azony. Mazava ho azy fa ny miteny dia tsy mandany hery kokoa noho ny mandeha an‐tongotra sy ny mihazakazaka. Ny ankabeazantsika rehetra dia tsy manao fanatanjahantena. Mba tsy hanaovana izany, miteny ny sasany fa : « Tsy manam‐potoana hanaovana fanatanjahantena », ary ny hafa indrayhiteny hoe : « Tsy tia fanatanjahantena ». ‐ 79 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
I. AHOANA NY HAHAZOANA FOTOANA HANAOVANA FANATANJAHANTENA ? Samy manana 24 ora avy isika isan’nadro mba hanatontosantsika ny adidy aman’andraikitra tokony hataontsika. Ny mampiavaka antsika amin’ny Einstein sy Mère Theresa dia ny fampiasantsika ireny 24 ora ireny. Tsinjaraintsika amin’ny rehetra izay manan‐danja ireo 24 ora ireo. Noho izany, manokana fotoana ho an’izay rehetra manan‐danja ho antsika isika : ny asantsika, ny fianarana, ny zanaka, ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny tantara mitohy ankafizintsika, ny fanoratana matetika ao amin’ny réseaux sociaux (facebook, instagram, twitter, snapchat, …), ny kilalao ankafizintsika (candy crush, zumba deluxe, dota 2, …), … Rehefa miteny izany isika hoe « Tsy manam‐potoana hanaovana fanatanjahantena » dia midika hoe : « Tsy manan‐danja ho ahy ny fanatanjahantena ». Mahita fotoana foana isika hanaovana izay manan‐danja ho antsika. Ohatra : fa maninona ianao no afaka manao facebook ? Aiza no ahitanao fotoana hahitana ny épisodes rehetra amin’ny saison iray amin’ny Bones ? Nefa raha tsy manan‐danja ho anao ny fanatanjahantena dia mihomana ny hatavy na harary. HADIHADIO RAHA MANAM ‐ POTOANA IANAO HANAOVANA FANATANJAHANTENA Mandritra ny herinandro iray, raiso an‐tsoratra ny toatalin’ny ora izay hijerevanao fahitalavitra, hanaovanao facebook, hilalaovanao jeux vidéos (candy crush, flappy bird, dota 2 …), hamakianao boky, hamakianao zavatra amin’ny internet, hamakianao gazety, hiantsenanao, … Ary kajikajio hoe firy ny toatalin’ny ora izay hahafahanao manao zavatra ao anatin’ny andro iray sy ao anatin’ny herinandro iray. Raha ny hevitrao, tena mino marina ve ianao fa tsy manana fotoana mihitsy hanaovana fanatanjahantena ? Zavatra hatao Ora nanaovana an’io isan’andro Facebook/internet Asa/Fianarana Mamaky gazety Vaovao … ‐ 80 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
H ADIHADIO RAHA MANANTENA BE NY HO AVY IANAO Mba hahalalanao hoe manantena be ny ho avinao be loatra ianao, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto :  Mampanantena anao ve ianao fa hikotrana manomboka amin’ny alatsinainy, na amin’ny volana ambony, satria manantena ianao fa amin’ny manaraka ianao hazoto kokoa hanao an’izany ? Eny Tsia  Tena ataonao ve ny nampanantenanao ny tenanao rehefa tonga ny fotoana tokony hanaovana azy ? Oh : Nampanantena aho fa hanomboka hikotrana amin’ny alatsinainy. Rehefa tonga ny alatsinainy, tena ataoko ve izany ? Eny Tsia Manantena isika fa amin’ny ho avy (rahampitso, amin’ny volana ambony, amin’ny taona manaraka, …) dia hanana povoara izay hanampy antsika hanao izay tsy tiantsika atao androany na izao. ‐ 81 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
II. AHOANA NY FOMBA HITIAVANA NY FANATANJAHANTENA ? Tsaroako aho niteny tamin’ny mpampianatro marketing tamin’ny 3ème année hoe : « Tsy tia fanatanjahantena aho ». Nefa notohizako hoe : « Tiako be ny milomano ». Dia namaly ahy daholo ny iray kilasy hoe : « Fanatanjahan‐
tena anie ny milomano e ! ». Ie, nefa ho ahy, ny fanatanjahantena dia ny mihazakazaka ihany. Noho izany, rehefa miteny isika hoe : « Tsy tia fanatanjahantena aho », ny tiantsika tenenina amin’izany dia : « Tsy tiako ilay heveriko hoe fanatanjahantena ». Ny heveriko hoe fanatanjahantena dia mety ho ny mihazakazaka na jogging ihany, na zumba, na milomano, na basket, na foot, na rugby, na handball, na hay ady, na fitness, na yoga, … Hitanao ve fa mety ho maro be ny atao hoe fanatanjahantena ? Mitovy amin’izay ihany koa rehefa miteny isika hoe « kamo aho hanao fanatanjahantena ». Kamo fotsiny isika hanao izay heverintsika hoe fanatanjahantena. H ADIHADIO RAHA TIA FANATANJAHANTENA IANAO Mba hahalalanao fa tia fanatanjahantena ianao, makà taratasy iray ary manaova tabilao mizara 2. Ao amin’ny fizarana voalohany, tanisao daholo ny fanatanjahantena izay tsy tianao. Ao amin’ny fizarana faharoa, tanisao izay tianao. Oh : mihazakazanka na jogging, mandeha an‐tongotra na mandehandeha, milomano, EPS, zumba na mandihy, besket, tennis, foot, handball, rugby, tennis de table, pétanque, athlétisme (saut en hauteur, en longueur, …), gymnastique (roulades, …), hay ady (karaté, taekwan do, judo, …), fitness (squat, lunges na pas de géant, …), tsipi‐tady, hula hoop, pilates, yoga, musculation, … Betsaka ny safidy. Mbola mihevitra ihany ve ianao fa tsy tia fanatanjahantena ? Kotrana tsy tianao Kotrana tianao ‐ 82 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
F AMINTINANA  Mihamatavy isika amin’ny ankapobeny satria mihinan‐kanina nefa tsy noana akory sady zara raha mikotrana.  Indraindray, mety noho ny jenetika ny mampatavy antsika.  Mihinan‐kanina nefa tsy noana isika noho ny niainantsika tamin’ny fahazazana, ny terin’ny fiaraha‐monina ary ny régime izay nataontsika.  Tamin’ny fahazazantsika, nahazo ohatra ratsy ara‐pihetsika isika izay nampianatra, tsy nahy, antsika ny hihinan‐kanina na dia tsy noana aza. Toa ny : »
mihinan‐kanina eo am‐pijerena fahitalavitra ka tsy mifantoka amin’ny fatran’ny sakafo hanina ; »
mihinan‐kanina eny ambony fandriana ka mahazatra ny mihinan‐kanina foana rehefa any amin’ny efintrano fatoriana ; »
tsy fanaovana fanatanjahantena ; »
mihinana sakafo efa masiso mba tsy hanariana an’izany ; »
mitsikera olona matavy ka lasa mankahala azy ireny sy matahotra ny hatavy ; »
manao régimes ; »
mampiasa produits amincissants ; »
milanja matetika satria mitaintaina momba ny lanja na obsédé momba, … Ireo fihetsika ireo dia lasa fahazaran‐dratsy izay averimberintsika, nefa tsy tonga saina amin’izany akory isika.  Teren’ny ankabeazan’ny ray amandreny isika mba hatavy satria izay no bikan’ny zaza niriany. Noho izany, voatery hihinan‐kanina isika, tsy am‐piraharahiana ny tena ilain’ny vatantsika. Ny ankabezan’ny ray aman‐dreny aza mampatavy antsika noho ny finoany ratsy momba ny olona mahia na ny finoany tsara momba ny ankizy matavy. Tsy marina akory ireny finoana ireny amin’ny ankapobeny.  Atosiky ny ray aman‐dreny hanatavy tena, tsy niniana, isika amin’ny alalan’ny fanabeazany. Tereny isika ny : »
handany foana ny eo am‐bilia ; »
tsy hamela sisa ; »
hameno ny viliantsika amin’ny sakafo mitafotafo, fa tsy miraharaha ny tena ilain’ny vatana ; »
tsy hihinan‐kanina eny anelanelan’ny sakafo satria mampatavy hono izany. Ka manamafy ny fahatahorantsika ny hanohanana sy ny hatavy.  Notaizana, tsy niniana, isika mba hihinana ny fihetsehampontsika. Izany hoe, tamin’ny fampinonoana antsika mba hijanonantsika tsy hitomany intsony, na amin’ny ‐ 83 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
fanambatambazana antsika amin’ny alalan’ny sakafo, dia namorona fifandraisana ratsy amin’ny sakafo isika. Lasa mi‐compenser ny olantsika amin’ny sakafo isika, tsy am‐pieritreretana ny tena ilain’ny vatantsika.  Indraindray, mi‐compenser ny complexes‐antsika amin’ny fitsikerana ny hafa isika na fandrisihana ny olona hanao régime.  Amin’ny ankapobeny, ny fihetsika ratsy ataontsika dia avy amin’ny fanabeazana antsika izay lasa fahazarana.  Ny fihetsika hafa dia avy amin’ny faniriana ny hi‐compenser ny complexes hananantsika. Ireny complexes ireny dia avy amin’ny tsikeran’ny ray aman‐drenintsika na ny manodidina antsika. Maka ny endriky ny feo kelintsika izay mitsikera antsika matetika amin’ny tsikera izay azontsika tamin’ny fahazazana ihany izany : Iiny no ho antsointsika hoe « demony kely ».  Misy fika hafa izay hahafahana mi‐compenser : ny compensation amin’ny alalan’ny toaka, ny paraky na sigara na rongony, ny fiantsenana, ny réseaux sociaux, ny asa, ny mozika, ny fandratrana tena (rehefa mampijaly tena, mampaharary tena mba hampitony ny fijaliana ao an‐doha, ara‐tsaina), ny kilalao (jeux vidéos), ny fandrahoana sakafo, ny fivavahana (na finoana), ny fampijaliana olona, ny vetaveta … ary ny compensation amin’ny alalan’ny sakafo. Io farany io no mampatavy antsika. Satria tsy mihinan‐kanina satria noana isika fa satria mijaly ary te hampangina ny demony kelintsika.  Afaka ny mi‐influencer antsika ny olona akaikin’ny fontsika. Ka lasa mangalatahaka ny tanjony isika, na ny fihetsehampony, na ny fahazarany na ny fihetsiny.  Lasa lamaody ny fahahiazana. Misy modelin’ny hatsarana izay mahakasika ny endrika ivelany izay napetraka. Nefa tsy manaraka ny tena misy anefa izy io. Ny fahatahorana ny ho voahilikiliky ny fiaraha‐
monina satria « tsy normal » na toa ny « biby mampitahotra » no manery antsika hanaraka ireny modely ireny.  Manaparitaka izany tahotra izany ny haino aman‐jery, ary mampahatsiahy antsika tsy an‐kiato ireny modely ireny mba hanomezana vahaolana antsika izay mampanankarena azy : ny régimes, ny produits minceurs ary ny kotrana.  Maha‐obsedé antsika ny endrika ivelany satria manery antsika amin’izany ny fiaraha‐
monina. Manomboka amin’ny fahazazana izany, miaraka amin’ny ray aman‐dreny.  Mila hery mba hahavelona antsika ny vatana. Ary alainy any anatin’ny sakafo hanintsika izany hery izany  Nefa raha mihinana miohatra ny ilain’ny vatana isika, dia ho tahiriziny amin’ny endrika tavy any anatin’ny adipocytes iny hery miohatra iny. Indrindra indrindra any amin’ny kibo ho an’ny vehivavy. Noho izany, raha toa ka mihinan‐kanina miohatra ny filan’ny vatana isika dia hatavy.  Rehefa manome sakafo miohatra ny ilaina isika, dia mameno tavy ny adipocytes isika. Rehefa mihafeno izy dia mibontsina.  Manana fetrany anefa ny adipocytes. Rehefa tratrany ny fetrany dia tsy maintsy manamboatra hafa indray ny vatana. Amin’izay fotoana izany no lasa obèse isika. ‐ 84 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
 Rehefa mihian‐kanina ambanin’ny fatran’ny hery ilain’ny vatana isika, dia tsy maintsy maka hery any amin’ny tahiriny izy : any amin’ny tavy. Izay mandritra ny adipocytes. Izay no antony mampihena antsika haingana be amin’ny voalohandohan’ny régime.  Rehefa maka hery any anatin’ny tavy ny vatana dia mifintina ny adipocytes. Nefa tsy afaka ny hiala ny adipocytes. Izay no fetran’ny fihenana.  Ary ho tonga ny andro izay hahafahan’ny miaina tanteraka amin’ny fatran’ny hery izay nomena azy nanomboka tamin’ny régime natao. Izany hoe : hihena ny filan’ny vatana ara‐kery mba hitovy amin’ny fatran’ny hery izay omentsika azy. Izay no mahatonga ny lanjanao tsy hihena intsony. Izay no tsy mampihena anao intsony.  Nefa, tsy misy olona maharitra hoe zara raha mihinan‐kanina na hoe tsy mihinana karazana sakafo iray na maro (oh : voankazo sy legioma fotsiny fa tsy mahazo mihinana vary, ovy, vokatra avy amin’ny ronono, paty, siramamy, menaka, …) izany mandrapahafatiny. Tsy maintsy ho avy ny andro hankaleo an’izany sy hitadiavana sakafo hafa. Dia tsy maharitra isika ka mihinana be, matetika miohatra ny talohan’ny régime. Ary izany heruy miohatra izany dia ho tahirizina amin’ny endrika tavy : mihamatavy isika.  Tsy mijanona eo ny tanatara : Manamelo‐tena isika fa tsy naharitra. Dia hamafisintsika ny régime nataontsika. Manasazy tena isika fa « nalemy teo anoloan’ny fakam‐
panahy » sady tsy naharitra. Dia mitohy ny boribory vetavetan’ny régime. Ka mahatonga ny effet yoyo.  Misy olona sasany izay matavy haingana be nefa zara raha mihinan‐kanina raha oharina amin’ny hafa izay tsy mihontsina akory raha mihinana iny fatra iny. Satria izy nanao régimes be loatra. Ka nanena ny filana ara‐kerin’ny vatany. Ka noho izany, lasa sakafo kely fotsiny dia efa ampy miohatra ny ilain’ny vatany. Indraindray ireny olona ireny dia tsy tonga saina tsara amin’ny fatra haniny. Satria ilay sakafo nohaniny dia sakafo « mampihena » na « mampahia » ka heveriny fa tsy misy fiantraikany amin’ny lanjany27. Hadinoiny ary ny fatra haniny amin’ireny sakafo ireny ary mifantoka bebe kokoa amin’ny fatran’ny sakafo « mampatavy » haniny izy. Izay ihany koa no mahatonga ny olona sasany mihevitra fa mihamatavy rehefa mihinana karazan‐kanina (yaourt, mofo, mofomamy, paty, akondro, zavoka, …) nefa ny sasany mijanona ho kely foana. Raha ny tena marina, nametra ny vatany tsy hihinana ireny sakafo ireny izy. Ka nahatonga azy maniry te hihinana an’ireny (mety lasa obsession mihitsy aza). Izay mitranga matetika rehefa tsy noana izy. Rehefa tsy hariny izany dia mihinana an’ilay sakafo rehefa tsy noana izy ary tsy mahavita ny mijanona intsony. Ary rehefa mihinana nefa tsy noana dia manome hery tsy ilaina amin’ny vatana. Izay ho tahiriziny amin’ny endrika tavy. Izay no antony mahatonga antsika mihevitra fa efa vahana ny an’ireny olona ireny na jenetika. Tsia ! Vokatry ny régime nataony no mihatra aminy.  Ny régime dia izay fika rehetra, na niniana natao na tsy niniana, izay mahatonga anao hanena ny hery omena ny vatana, nefa tsy raharahiana ny filan’ny vatana. Ireny fika ireny dia manery antsika : »
hametra ny fatran’ny hanina izay hanintsika, tsy miraharaha ny tena ilain’ny vatana. Oh : tsy misakafo maraina, na hariva nefa noana, tsy mihinan‐
27
Finoana izay tsy marina akory ‐ 85 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
kanina mihitsy nefa noana, tsy mihinana goûter na dia noana aza, tsy mihinana raha tsy vary 2 sotro isan’andro nefa tsy mahampy ny filanao izany, tsy mihinana raha tsy féculent iray isan’andro na dia mitady bebe kokoa noho izany aza, … »
hifady sakafo izay lazaina fa « ratsy » na « mampatavy » na « tsy mahasalama » na dia tiana aza ireny sakafo ireny. Oh : paty, vary, ovy, akondro, zavoka, vokatra azo avy amin’ny ronono, pizza, hamburger, glasy, sokola, … »
hihinana « sakafo » na fifangaroana sakafo voalaza fa « tsara » na « mampahia » na « mampihena » na « mahasalama » bebe kokoa, na dia tsy tiana aza izany. Oh : smoothies, ranona poarao, dite mampahia, tambavy mampahia, legioma, voankazo … »
hifantoka be amin’ny lanjantsika. Izany hoe, hilanja isan’andro isika na isaky ny herinandro dia miresaka momba an’izany foana. Oh : « Very 200g aho », « nahazo 2kg aho », « firy kilao re aho izao e ? », « Oh lala nihinana be loatra indray aho tamin’ny faran’ny herinandro teo mino aho fa nahazo farafahakeliny 1kg », … »
hampihena ny siramamy na tavy hanina. Oh : mihinana yaourt nature tsy misy siramamy, misotro ronono écrémé na demi‐écrémé, mihinana sakafo light, mihinana sakafo tsy misy siramamy, mampiasa édulcorants fa tsy siramamy, … »
hihinana coupe‐faim mba hamerana ny hanohanana sy ny fihinananan‐kanina. Oh : paoma, rano, yaourt, mananasy, … »
« hanadio ny any anaty » na « hanao détox » amin’ny alalan’ny fanafody, zavatra mampivalana, tambavy, dite na fifangaroan‐javatra samihafa. Oh : rano mafana miaraka amin’ny ranona voasary makirana, dite na tambavy mampahia, …  Ireny fika rehetra ireny dia mety handaitra mba hampihena anao haingana raha tsy mijery alavitra. Nefa, mba hitazonana izany fihenana izany, tsy maintsy ampiharina mandrapahafaty izy ireo.  Ary fantaro fa na dia mino mafy dia mafy aza ianao fa tsy manao régime, nefa manao ny iray na maro amin’ireo fihetsika ireo, dia efa manao régime ianao izay, na dia tsy fantatrao aza izany. Oh : Tsy mihinan‐kanina ianao ny hariva satria renoka teo am‐
piandrasana ny fiverenan’ny jiro tapaka nefa noana, tsy mihinana goûter ianao nefa noana fa tsy manam‐bola hividianana goûter na hoe kamo andeha hividy, mihinana « sakafo voalanjalanja » ianao ary tsy mihinana « sakafo tsy ara‐pahasalamana » mihitsy nefa te hihinana pizza sy sandwichs indraindray, zara raha mihinana menaka ianao satria « tsy tsara ho an’ny fahasalamana » nefa tianao izany, manery tena hihinana sakafo maraina ianao nefa tsy noana akory, manery tena hihinana vary na mofo isa‐maraina ianao nefa tsy te hihinana an’izany, fa izay fotsiny no natoron’ny nutritionistes, manery tena hihinana voankazo ianao isa‐maraina ‐ 86 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
nefa vary na mofo no tianao hanina, fa izay no natoron’ny nutritionistes anao, misotro rano misy ranom‐boasary makirana ianao isan’andro mba « hanesorana ny menaka rehetra any anatin’ny voa any sy mba hanamaivanana ny fandevonan‐kanina » nefa tsy tianao akory ny tsirony, …  Ny produits amincissants toa ny menaka mampahia, savony mampahia, dite na tambavy mampahia, fanorana, akanjo mampahia (gaines, fehikibo mi‐vibre, kilaoty‐gaine, corsets, collants‐gaines, …) … dia tsy mandravona ny olanao. Misafosafo ny vokan’ny tena olanao fotsiny izy ireo : ny fijaliana ara‐psykolojia izay manosika anao hihinan‐kanina nefa tsy noana. Placebos fotsiny izy ireny.  Manampy ny vatana handany ny ampahan’ny hery miohatra izay azony ny kotrana na ny fanatanjahantena, na ny fihetsiketsehana.  Rehefa miteny izany isika hoe « Tsy manam‐potoana hanaovana fanatanjahantena » dia midika hoe : « Tsy manan‐danja ho ahy ny fanatanjahantena ». Satria mahita fotoana foana isika hanaovana izay manan‐danja ho antsika.  Rehefa miteny isika hoe : « Tsy tia fanatanjahantena aho », ny tiantsika tenenina amin’izany dia : « Tsy tiako ilay heveriko hoe fanatanjahantena ». ‐ 87 ‐ Tompon'andraikitraamin'nyobésitéan'nyzanantsikaisika‐Ny
antonymampatavy
Famaranana Vokan’ny niainantsika taoha isika, na ny niainantsika tamin’ny fahazazantsika, izay nanabe sy ny nanazatra antsika amin’ny fihetsika samihafa sy nampianatra antsika finoana ratsy sy tsara ihany koa mahakasika ny sakafo, ny olona matavy sy mahia, …, na ny régimes izay nataontsika ka mampijaly antsika ny vokany, na ny tsy fihetsehantsika tsara amin’ny andavan’andro. Nefa ireny fihetsika efa lasa ireny dia tsy afaka ny hamaritra ny ho avintsika. Afaka ny hanova ny ho avy isika ary mihena. Mba hahatongavana amin’izany, dia mila ovaina ny fomba fisainana mba tsy hihinanan‐
kanina rehefa tsy noana akory ary hihetsehana matetika. Noho izany, tsy resaka lanja na endrika ivelany fotsiny ny fihenana. Fifaninanana mihazakazaka izay tokony hataon’ny olona ny fanenana tena mba ho heken’ny fiaraha‐
monina izay iainany. Vokan’ny fijaliana anatin’ny olona izay tsy maintsy niaretany nandritra ny fiainany manontolo ny hatavezana. Ny fitomboana na hatavezana izany dia alarme maneno izay mampahafantatra antsika fa misy tsy mety amin’ny fiainantsika. Izay no antony mahasarotra ny manena tena ary tsy miverina matavy avy eo. Lafiny vaovaon’ny fanenana tena ny antony izay notanisaina tato antin’ito boky ito. Valin’ny fanadihadiana sy ny andrana nataoko daholo ireo andrana sy fanontaniana izay nomeko tato anatin’ny boky ireo. Nila fitsapatsapana, andrana, hadisoana sy andrana nety nandritra ny 2 taona aho izay vao nahavita an’ito boky ito. Mila fotoana mitovitovy amin’izany ihany koa ianao mba hahafahanao mandrindra ny fiainanao ary hahafahanao mihena. Nefa, tena ilaina ve izany ? ‐ 88 ‐ Bokynatranon‐kalanozahana
Boky na tranon‐kala nozahana Aesthetic‐Lifestyle. Ventre plat. Bernard, O. (2013, janvier 10). 5 mensonges au sujet des toxines. Consulté le novembre 30, 2015, sur Le pharmachien: http://lepharmachien.com/toxines/ Comestaz, P. (2007). Les 3 mécanismes qui font maigrir à coup sûr. Club Positif. Geolion. (2014, Octobre 21). Quelle est la meilleure heure pour aller se coucher? Ce que les scientifiques en savent. Consulté le novembre 25, 2015, sur atlantico.fr: http://www.atlantico.fr/decryptage/quelle‐est‐meilleure‐heure‐pour‐aller‐se‐coucher‐que‐
scientifiques‐en‐savent‐1796698.html Grégoire, P. (2012). Les 5 erreurs fatales à éviter quand on veut maigrir. Willsphil. Le‐Journal‐des‐Femmes. (s.d.). Alimentation et régimes : que nous apprend l'histoire? Consulté le novembre 30, 2015, sur Le Journal des Femmes: http://www.journaldesfemmes.com/dossier/regime/5histoire.shtml Les origines du régime. (s.d.). Consulté le décembre 8, 2015, sur Le régime et la peur du regard des autres: http://regime‐regard‐des‐autres‐tpe.e‐
monsite.com/pages/plan/premiere‐partie.html Nau, J.‐Y. (2009). IMC : Grandeur et décadence annoncée. Consulté le novembre 30, 2015, sur Revue Médicale Suisse: http://www.revmed.ch/rms/2009/RMS‐213/IMC‐grandeur‐et‐
decadence‐annoncee Souccar, T. (2011, novembre 22). Maigrir, une histoire de régimes ... Consulté le novembre 30, 2015, sur i‐dietetique.com: http://www.i‐dietetique.com/articles/maigrir‐une‐histoire‐
de‐regimes/8813.html Tunisiano. Le regard des gens. Le regard des gens. Columbia, France. Wikipedia. (2015, novembre 16). Indice de Masse Corporelle. Consulté le novembre 30, 2015, sur Wikipedia: http://webcache.googleusercontent.com/search?q=cache:wwBe5HJDWtsJ:https://fr.wikipe
dia.org/wiki/Indice_de_masse_corporelle Wikipedia. (2015, novembre 22). Masse corporelle humaine. Consulté le novembre 25, 2015, sur Wikipedia: https://fr.wikipedia.org/wiki/Masse_corporelle_humaine