Gazety N°03 - FLM Toby Fanantenana
Transcription
Gazety N°03 - FLM Toby Fanantenana
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY Fitandremana Toby Fanantenana 67 ha http://www.flm67ha.org Gazety ara-pilazantsara miseho isan-droa-volana Laharana: 03 Volana May / Jona 2008 Vidiny: 500 Ar TENIN-DRAIAMANDRENY Nankalaza ny Andro Niakaran’ny Tompo isika ny Alakamisy 01 Mey 2008 teo. Niditra tamin’ny voninahiny izay niarahany nanana tamin’ny Rainy hatramin’ ny mandrakizay Izy. Nankalazaintsika koa tamin’izany andro izany ny firaisantsika amin’i Kristy, araka ny teniny hoe “Ary Izaho koa ho ao aminy” Jaona 17:26. Mitondra fanavotana sy fampaherezana ho an’ny Fiangonana sy fisandratan’i Kristy eo ankavanan’ny Ray. Fanavotana satria eo anatrehan’Andriamanitra mandrakariva ny Ran’ny Fanekena mandrakizay izay nentin’i Kristy namaky ny lanitra, ary amin’izany no ifonany tsy mitsahatra ho an’ny Fiangonany. Fampaherezana satria afaka maniraka ho antsika ny Fanahy Masina Izy, dia ny Mpananatra, ny Mpampionona, ny Mpampahery, ary ny Mpiso-lovava. Mankalaza ny Pentekosta koa isika ankehitriny! Fotoana hahatsiarovana ny nanomezan’ny Tompo ny Fanahy Masina sy ny nisehoan’ny Fanahy Masina miasa mihamihary eo amin’ny Fiangonana. Notanterahin’i Jesosy ny teniny hoe “Tsy hamela anareo ho kamboty aho”. Ny Fanahy Masina no manatanteraka amin’ny hery ny fampiorenana ny maha fiombonan’ny olona masina (Communio sanctorum) ny Fiangonana sy ny fampitarana ny asa vavolombelona ataony (missio Dei). Ny Fanahy Masina dia fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’i Kristy sy ny mino rehetra ao aminy. Ny kendrena sy irina indrindra amin’ity Pentekosta Fiadanana 2008 ity, dia ny hahafantarantsika tsirairay ny personan’ny Fanahy Masina, avy amin’ny fandinihana ireto Soratra Masina ireto: bokin’ny Filazantsaran’i Jaona, Asan’ny Apostoly, Romana, I Korintiana, Galatiana, ary Efesiana. Fanomezana sarobidy ho antsika ny ahafahantsika manao izany. Ny irin’ny Gazety Fanantenana ho anao dia hanananao ny Fiadanan’ny Tompo amin’ny fahalalanao ny Fanahy Masina sy ny iasany PENTEKOSTA FIADANANA Pejy 2 TONTOLO IAINANA Ny ala, rano ary ny fiovan'ny toetr'andro no mamaritra ny teny hoe TONTOLO IAINANA. Efa hitantsika tamin'ny laharana teo aloha ny ala. Ankehitriny isika dia hizaha sy hanadihady ny momba ny RANO AINA ny rano ary ny zava manan'aina rehetra dia mila azy. Ampy ve izy io? Haintsika olombelona ve ny mitantana azy arak'izay maha zava-boaharin'Andriamanitra azy? Pejy 3 O O H Ho hitanao ato Pejy 5 Vory lanina teny SAVA toerana tsy lavitra an' Imerintsiatosika ny kristiana maro teto amin'ny Fitandremana niala voly sy nifaly havanja ny alatsinainy Paska 2008 Lalao ara-panatanjahatena maro, fisakafoanana ambany alokaloky ny sapin Pejy 5 Fampianarana Soratra Masina ..............2 Toriteny ..................................................2 Lakolosy ................................................3 Fahalalahana mivavaka ........................3 Tontolo iainantsika ................................3 DFF-DFK-FDL-DHM ..............................4 KTLM-F5-MTF-SA..................................4 Akon'ny fitsangatsanganana..................5 Epistily ho an'ny Romana ......................6 Filôzôfia Malagasy ................................7 Fileovana 67ha-FMBM-FFPM................7 Fahasalamana ......................................8 Sakafo....................................................8 Kilalao ....................................................8 Tononkalo ..............................................8 “Mifalia amin’ny Fanantenana” Fampianarana Soratra Masina FAMPIANARAM-PINOANA : PENTEKOSTA 2008 Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mino araka ny lova apostolika Ho fankalazantsika ny Pentekosta Fiadanana 2008 dia indro atolotra antsika fandinihana tsotra ny amin’ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny mino tsirairay araka ny soratry ny Apostoly. 1. Ny asan’ny Fanahy Masina miseho amin’ny famantarana ivelany : * Asa 2:4: Izay ilatsahan’ny Fanahy Masina na itoerany na feno azy dia miteny amin’ny fitenin’ny olona hafa izay tsy mbola hainy. * Asa 10:44 –46; 19:6: Kornelio sy ny ankohonany ary ireo 12 lahy tany Efesosy rehefa nandray ny Fanahy Masina dia niteny amin’ny fiteny hafa, tsy fanatatra (Glossolalia). * Mar 16:17: “Hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy”. Izany dia ny tenim-pitiavana, izay tsy maintsy ianaran’ny mino sy hitomboana manaraka ny transformation izay hiainany amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. 2. Ny asan’ny Fanahy Masina miseho amin’ny famantarana anaty : * Finoana an’i Jesosy - I Kor. 12:3 “Tsy misy mahay manaiky hoe ‘Jesosy no Tompo’ Raha tsy amin’ny Fanahy Masina”. - I Jao 4:2 : “Ny Fanahy izay manaiky fa avy amin’ny nofo Kristy no avy amin’ Andriamanitra”. * Fitiavana sy fanantenana - I Kor 13: Lazain’i Paoly fa hain’ny olombelona atao ny misandoka asam-pitiavana, kanefa tsinontsinona sy zavapoana ireny raha tsy misy fitiavana, dia ny fitiavana AGAPE, tsy mitaky valiny. - Rom.5:5 : Ny Fanahy Masina izay nomena antsika, hoy Paoly, no mampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ao ampontsika, ka izany no miantoka ny fanantenantsika. - Gal. 5: 22 – 25: Izany fitiavana izany dia miseho amin’ny fitarihan’ny Fanahy ny mino. * Fahafahana - Gal 5: 1, 18 : Ny Fanahy Masina no miantoka ny fahafahana kristiana, dia ny fahafahana amin’ny fahandevozana samihafa. * Firaisana - Efes 2: 18, 22: Firaisan’ny Jiosy sy ny Jentilisa ho iray ao amin’ Andriamanitra amin’ny Fanahy iray. - Efes 4: 1 – 3 : Firaisan’ny mino ho tena iray ao amin’ny Fanahy. * Fiadanana - Rom. 14:17: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina”. - Gal. 5:22: Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana ary fiadanana. Ho tanteraka aminao tokoa anie ny fiadanana entin’ny Fanahy Masina! 2 Toby Fanantenana 67 Ha TORITENY: Jaona 15:1-11 LOHATENY: Ny fiangonana velona FOTO-KEVITRA: Ny firaisan’ain’ny mino amin’i Jesosy Kristy araka ny fiasan’ny Fanahy Masina. Ny kristiana tsirairay avy izay vato velona narafitr’Andriamanitra ho trano fonenan’ny Fanahiny dia mitana ny finoana nomena azy amin’ny fanekena an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra velona (Matio 16:16). Io no fiangonana masina, manerana izao tontolo izao. Naorin’i Jesosy amin’ny finoana Azy, Ilay teny tonga nofo, ny fiangonana. Asan’Andriamanitra anatin’ny fahariana vaovao, nisahiranany. Nanomboka namerina ny olona ho eo aminy Izy rehefa nanota ny olona. Nolazain’i Jesosy fa ny “ Raiko no maneho anao izany” rehefa nanaiky an’i Jesosy ho “Kristy Zanak’Andriamanitra velona” i Petera (Matio 16). Satria teo amin’ny mpianany Jesosy dia nampiteny azy araka ny fanahy ny Ray fa tsy araka ny nofo aman-drà. Naorin’i Jesosy ny fiangonana: tombokasen’ny fitiavan’Andriamanitra, miasa eto an-tany na tombokasen’ny fanavotana vitan’i Jesosy. Mampivaingana ny finoantsika ho azo tsapain-tànana, ny fitsanganan’ny Tompo , iraisantsika amin’ny fitsanganany. Isainy ho antsika izany ary no hamarininy tao amin’ny Batisa. Tiany hiaina ny famindrampo, ny fahasoavana, ny fiadanana , ny fitiavana , ny fahamarinana avy amin’ny Filazantara isika,dia nomeny ny Fanahy Masina; mba tsy ho miafina ao amin’ny Tompo fotsiny ny fiainantsika fa tena ho vavolombelony ny amin’ny Teny velona sy mahery (Hebreo 4:12). Teny fiainana hananantsika finoana sy fitiavana Azy isika. Koa eto amin’ny perikopa dia asehon’i Jesosy amin’ny sary velona izay kendreny ny amin’ny asa ataony mandray antsika antanana. Sampana miray amin’ny VOALOBOKA, mitondra aina avy amin’ny ain’ny voaloboka. Rantsanany koa mba tsy hisy rantsana maro, handra-vina be fa mba hamoa be. Asa tsy manampi-tsaharana hiainan’ny mpamboatra voaloboka izany raha te hanam-bokatra tsara ka dia mihoatr’zany no ataon’ny Ray ny amintsika: 1) Manana an’i Jesosy izay mihevitra antsika eo amin’ny tenany isika. Ohariny amin’ny voaloboka ny tenany mba handraisantsika sampana ranon’aina avy Aminy. Efa maty ny amin’ny ota isika ka velona ao Aminy ; tafasaraka amin’izay nahavery sy nahafaty nefa tafaray Aminy noho ny teny nomeny: “efa mahadio rahateo noho ny teniko ianareo” Jaona 15:3 2) Manana ny Ray mihevitra ny firaisantsika amin’ny Zanany isika. Ny Raiko no Mpamboatra. Nosainin’ny Ray ao amin’ny Teny Fikasany ny hahatonga antsika eo anatrehany : ho tonga olom-baovao, hamoa noho ny firaisantsika aminy , ka miaraka amin’izay Izy mandrantsana , manamboatra isan’andro. 3) Manana ny Fanahy Masina mihevitra ny hitoerantsika eo amin’i Jesosy sy ny Teny isika. Ny fitiavan’ny Ray ny zanaka no itiavan’i Jesosy antsika mpianany. Tonga velona amin’ny toetra vaovao , fiainana vaovao isika. Madio noho ny teny izay nolazainy amintsika: Teny mamorona, manavao, ahafahantsika mitoetra ao amin’ny Tompo ary Izy ao amintsika. Tsy hafa noho izany ny fiasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Finoana, tia an’i Jesosy, tia ny Teny; mampitoetra ny fitiavan’ny Ray ho ao ampontsika ny Fanahy Masina ( Romana 5.5) no mampianatra ho antsika ny zavatra rehetra, mampahatsiahy ny Teny. Tsy mampiditra fitiavana ao ampontsika ihany fa monina, hiasa, hanavao, hiaro amin’ny fakampanahy, mampiorina antsika anatin’ny fizahan-toetry ny finoana. Nomen’ny Ray ny Fanahin’ny Fahamarinana mandrakizay ho eo amintsika sy ho ao anatintsika. Jaona 14.17, hahatratrarantsika ny fiainana mandrakizay Aoka isika handeha araka ny Fanahy. Aoka ianao ho mahatoky ny amin’izay vitan’i Jesosy sy nataony ho anao ka hatoky sy hijery Azy. Hebreo 12: 1-3. Fantaro fa amin’izao fiainana mandalo, hisian’ny fahoriana sy ny fahasahiranana izao, dia tsy ampahery anao ny tenanao, ny nofonao. Raha tsy miambina ianao dia ho azon’ny velapandrik’i satana, ho azon’ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra ka tonga misaina ny lasanao ho fototra mbola mahavoa sy maharesy anao eo amin’ny fiainana ka azon’ny fiapangan’ny satana.Hoy ny Soratra Masina: “iza no hiampanga ny olomboafidin’Andriamanitra, iza no hanameloka azy?” Valinteny: “Tomoera amiko Izaho aminy . Kristy no efa maty sy efa nitsangana hamonjy anao”, “indro efa vitako tombokavatsa eo ampelatanako ianao, Ahy ianao.” Raiso ny Fanahy manamafy fa tafasaraka amin’izao tontolo izao ianao ka manana ny Teny fiainana. Avelao hiasa ny Fanahy Masina hitondra anao eo amin’i Jesosy isan’andro isan’ora noho ny teniny izay hitokianao. Avelao ny Fanahin’ny Fahamarinana hitarika anao hanampiraisana amin’ireo zanak’Andriamanitra izay naterany, tahaka ny niterahany anao koa; I Jaona 5 Ny fiangonana velona: ianao ao anatiny, Jesosy ao anatiny ho amin’ny fiombonana masina sy ny firaisan’ainan’ny mino ho amin’i Jesosy, tsy hitsaharan’ny famangian’ny Fanahy izay handraisanao, miditra sy mivoaka eto amin’ity fiangonana ity, ny fo vaovao sy Fanahy vaovao mba hivaingana ny famoazanao. Tsy fanirianao izany fa fanomezana nomen’ny Ray anao; omen’ny Zanaka anao; omen’ny Fanahy Masina anao. Tsy efa vita batisa va ianao? Tsy efa mpandray ny fanasan’ny Tompo? Raiso koa izay rehetra momba ny fiainana mandrakizay hamoazanao voa tsara araka ny Fanahy Masina. Ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra mandrakizay. Amena. Pastora Andrianantoandro Léon Fidèle Fiainam-piangonana NY LAKOLOSY NY TONTOLO IAINANTSIKA « Injay fa maneno ny lakolosy rankizy ka miomana amin’izay sao tara isika » hoy ity renim-pianakaviana iray. Midika inona eo amin’ny olona tokoa moa ny lakolosy? Ny tantarany : 2000 taona talohan’ny Jesosy Kristy no nisian’ny lakolosy ary ny taon-jato faha-6 no nanomboka nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny kristiana io zava-maneno iray io. Ny lakolosy tokoa no niantsoana ny mpino hanantona ny tempoly ary hatramin’izao vanin’androntsika izao izany. Manampy ireo izay tsy manana ora ihany koa ny feony. Misy ihany ireo fiangonana tsy mampaneno azy fa avy hatrany dia miredona hira ny mpivavaka. Raha ny eto amin’ny Fitandremana Toby Fanantenana 67Ha dia in-telo mampaneno lakolosy ny fiangonana mialoha ny fotoana araky ny hita ao anaty Litorjia. Ny lakolosy fidirana eto amin’ny FLM 67Ha : Inona no atao hoe RANO Samy mahafantatra ny hatao hoe rano isika fa ny singa siantifika mamaritra azy dia ny fitambaran'ny oxygène sy ny hydrogène na H2O na H3O+. Singa iray tena ilain’ny zavamanan’aina eto an-tany izy io ary mety miseho amin’ny endrika vainga , tsiranoka, ary gazy (liquide, solide, gazeuse). Ny rano dia mandalo amin'ilay atao hoe "cycle hydrologique". Ny orana mitsika eo amin’ny tany dia tonga "nappe prhéatique" na rano amban’ny tany (eaux souterraines) ary ny rano mandeha sy miandrona kosa dia ny farihy, ny renirano, ny ranomasina (l’eau de surface) no tenehin’ny masoandro ary ampangatsiahin’ny atmosphère dia manome rahona mavesatra miteraka ny orana sy ny rano mandry ary ny avandra (pluie, neige, grêle). Ny ¾ ny bola-tany dia rakotra rano avokoa, ka ny 99,6 % dia ranomasina, ary ny 0,4 % ihany no ranomamy na ny rano ambany tany (nappe prhéatique). Asa lehibe miandry ny zanak’olombelona ny fandridrana ny rano (gestion de l’eau) satria maro loatra ny fahasimbana, sy ny fandravana ataon'ny olona. Aina ny Rano Ny ¾ ny vatan'ny olona dia rano avokoa, ary ny zava-manan'aina toy voro-manidina, ny biby mandady, ny mikisaka, ny fambolena, ny ala sns…dia mila rano avokoa. Tena ilaina dia tena ilaina ny rano ary toa tsy tsapan-tsika aty amin’ny toerana misy sy be rano izany . -Mamelona ary aina ny rano; hosotroina, hidiovana, ilaina amin’ny fambolena, ilaina amin’ny famokarana herin’aratra (production d’énergie hydroélectrique), ilaina eo amin’ny fitaterana ary koa ilaina amin’ny fialamboly (transport et les loisirs hydroliques). Mba fantatrao moa fa isan’ny singa voalohany ilaina amin’ny "énergie nucléaire" ny rano mba hamokarana herin’aratra sns... Raha tsy ampy na tsy misy izy dia maro ny voka-dratsy toy ny kere, ny fahasimban’ny fambolena, fifindra-monina, fahasimban’ny ala, fahafatesan’ny zava-manan’aina, ady eo amin'ny firenena roa mifanakaiky sns …., -Mamono koa anefa ny rano raha 1- diso tafahoatra, toy oram-be izay miteraka tondra-drano, 2- raha voaloton'ny akora simika ny loharano sy ny renirano, -Manimba zavatra koa ny rano amin’ny fikaofan'ny riaka sy ny renirano ny nofon-tany. Mankaiza ireo nofon-tany sy mineraly mamokatra avy amin’ny lavaka sy tanety? 1- mianjera any an-dranomasina rehefa nentin'ny ony sy ny renirano : any no hiafarany ka miteraka ny fiovan’ny lalan'ny vinany (naissance de delta) satria mitohana eo ambavany ireo fotaka sy fasika. Ohatra iray amin’ny maro azo tsapai-tànana izay tsy ahitana vahaolana ny vavarano Betsiboka ao Mahajanga ary tena ratsy ny fiatraikany amin’ny fizahantany satria raha mba milalao amin’ny sisin-dranomasina ao Mahajanga ianao dia ho gaga amin’ireo fotaka maloto ao anatiny; toy izany koa eo amin'ny lafiny ekonomika satria tsentsina fasika ny seranana ka tsy afaka mandray ireo sambo goavana. 2- mianjera any @ ireo farihy: any koa no iafarany. Ratsy koa ny vokatr' io amin’ireo farihy satria mihena ireo hazandrano sy ireo karazany, mihena koa ny fitombony (croissance) satria maty ireo sakafo (algue). Mihamarivo sy mihitatra ny velarany, ary mora tratry ny tondra-drano ireo tanàna manodidina toy ny any Alaotra sy Itasy rehefa avy ny orana; ny tanimbary ambany toerana moa dia maty saron'ny atsanga na fasika . Ny rano sy ny foto-drafitr’asa . Ny rano be sy ny orana ary ny tondra-drano no manimba ny 90 % ny fotodrafitr’asa toy ny làlana, ny tetezana, ny sekoly, ny trano fitehizana sns.. eto Madagasikara .. Vaha olana Raha ireo voalaza rehetra ireo dia ny voka-dratsiny no betsaka. Azo sorohina na koa mihena amin’ny ampahany betsaka izy io raha hain’ny zanak’olombelona ny mandridra sy mifehy ary miaro ny rano amin’ny ankapobeny (gestion de l’eau) Ny fitadiavana vaha-olana amin’ny fandotoana ny loharano, ny rano sy ny renirano. Fadiana ny manorina orin'asa akaiky loharano, tsy azo atao koa ny mandefa ireo akora toxique sy akora simika any amin’ny renirano sy ny farihy Inona avy ireo mandoto ny rano 1- misy ireo izay mety ho levon'ny rano (polluants non persistants) toy ny: rano avy nampiasaina ao an-tokatrano, ny zezika, ny akora indostrialy sasantsasany 2 -Ireo izay tsy mety levona mihitsy na amam-polo taonany aza (polluants persistants) Ohatra: DDT, dieldrine, pétrole, dioxine, hydrocarbure, aromatiques polycycliques, substance radioactive, plomb, mercure, cadmium, ohatra ireo pile famataranandro … 3- Ny zavatra mitsikafona: toy ny plastika, ny fako, ny mousses. Vitsivitsy ihany ireo voatanisa ireo fa mbola maro ny zavatra ampiasain'ny olombelona izay mandoto ny rano. Ampy ve ny rano fisotro madio ? Raha ny eto Madagasikara dia ny 20% ny mponina sy ny tokantrano ihany no manana rano fisotro madio; ny tiana holazaina amin’io dia rano ara pahasalamana, toy ny lava-drano sy ny vovo voaaro, ny rano’ny JIRAMA na koa ny loharano voajanahary. Betsaka izany ny olona miaina sy misotro rano tsy madio. Fidirana I Fidirana II Fidirana III Lakolosy I 5ora30mn 10ora30 2ora30mn LakolosyII 6ora Lakolosy III 3ora 6ora30mn Noho ny fahateren’ny fotoana dia indray mandeha ny famelomana ny lakolosy amin’ny fiandohan’ny fidirana faharoa. Ny lakolosy famaranana. Pehina in-telo misesy ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana. “Symbolique”ihany koa ny lakolosy amin’ny famaranana ny fotoana , izany hoe amin’iny fotoana mampaneno azy iny no mifarana ny fotoam-pivavahana. Ny lakolosy no mampandre izao tontolo izao fa mivoaka ny zanak’Andriamanitra hanao ny fanompoana. Miomana sy mitandrina koa ny devoly noho izay fivoahan’ny zanak’Andriamanitra izay ka izany indrindra no hiambenana mandrakariva. Tokony hahazo ny fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy tso-drano noho izany vao mody fa tsy mivoaka fahatany. Mba handray fanavotana koa ireo izay mifanena aminao efa manana ny Teny Soa . Ny lakolosy amin’ny fanambadiana sy ny fahafatesana. Amin'ny ora fidiran’ny mariazy dia velomina maharitra kokoa sy maredona ny lakolosy izany hoe atao misesisesy fa ny fanenony amin’ny fahafatesana no somary misy fiatoana kely sy mahalankalana. Inty misy feon-dakolosy ho anao. Milanja 181 taonina ny lakolosy mavesatra indrindra eran-tany, ka 5,80m ny haavony ary efa tamin’ny taona 1733 izy io (La Tsar Kolokol de Moscou). FAHALALANA MIVAVAKA Moa fantatrao ve fa any ho any misy ny mijaly? Mifalia sy araraoty soa ny fahalalahanao maneho ny finoanao ary koa migoka ny hasambarana entin'izany amin'ny fiainanao sy ny manodidina anao. Sady afaka mivavaka ankalalahana ianao no koa mbola afaka mitarika ny havana, namana manodidina ary indrindra ireo ondry mania; koa MIFALIA! MIFALIA!. Fantatrao moa fa mbola misy, ary tena misy, ireo mpino an'i Kristy no tsy afaka manao toa anao izao? Fiafenana, fanenjehana, famonoana ary fanaovana sorona ny aina no mihatra amin'ny maro amin'izy ireo. Fantatrao koa ve fa misy ny atao hoe "pacte international relatif aux droits civils et politiques (Art. 18,1)" izay manome zo ny olona mba hanana malalaka antokom-pinoana (liberté de religion) ary mamaritra ny fahalalahana miaina io antokom-pinoana, na manamafy io safidy io ny fahalalana mampiseho amin'ny fomba manokana na fiangonana amasom-bahoaka na mitokana amin'ny fivavahana sy fomba amam-panao ary koa amin'ny alalan'ny fampianarana io antokom-pinoana io na io faharesen-dahatra io. Na misy aza ireo fifanipahana ireo dia tsy mahasakana ny maro hijoro amin'ny finoany izany ary manamafy ny MAHA-MPANDRESY AN'I JESOSY KRISTY. Hay ve 'zany ka manome hasambarana ho antsika isan'andro Andriamanitra fa tsy tsapan-tsika izany na dia ny "fahalalahana" fotsiny aza; indrindra moa fa ny "fahalalana mivavaka" amin'ny fotoana rehetra ilàna izany. Jereo ange ity adiresy iray ity izay mampahalala anao bebe kokoa mikasika ny fahafahana: http://www.aed-france.org/observatoire/afrique.php. Toby Fanantenana 67 Ha 3 Vaovao anatiny - DFF Ny Departemanta ny Fampandrosoana sy Fanasoavana dia isan’ireo departemanta vao niorina ary manana ny rafitra izay mandrindra ny fomba fiasa ao aminy, araka ny anarany dia natsangana io departemanta io mba hampandrosoana ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny sy ny Kristiana ao aminy ary ho fitsinjovana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana, efa misy soritr’asa natao ho tanterahina izay voasoritra ao anatin’ny planina 5 taona, isan’izany ny fananganana toerana fitaizana zaza ho an’ireo reny miasa (crèche), ny fitaizana ireo zaza sembana ara-tsaina (autiste) ary ny fanomezana fanofanana arak’asa ho an’ireo tanora sy ray aman-dreny tsy an’asa hanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana asa fivelomana. Ny DFF dia misokatra ho an’ireo Kristiana rehetra eto amin’ny Toby Fanantenana FLM 67ha maniry ny hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny mpiara-mivavaka eto amin’ny Fiangonana amin’ny lafiny rehetra. - DFK - Konfirmanda Ny Alatsinainy Pentekosta ho avy izao no handraisana ireo Konfirmanda rehefa avy niofana nandritra ny iray taona latsaka kely. - FDL - JOBILY 25 TAONA Nosokafana tamin’ny Alahady 27 Aprily teo ny Jobily faha 25 taonan’ny Fikambanan-dehilahy "ANDRY". Ny 24 Aogositra ny ivon’ny fanakalazana ary ny 07 Desambra ny famaranana. Nanamarika ny fanokafana ny Jobily ny filaharam-be nataon’ireo Lehilahy eto amin’ny Fiangonana nisalotra ny «Echarpe» volomparasy, izay loko litorjika ho an’ny Fiangonana Loterana. Nalaina tao amin’ny Efesiana 4 :13b ny Loha-hevitra banjinina amin’izao fankalazana izao : Ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehibeazan’ny fahafenoan’i Kristy. Navoitra ao amin’ny Hira faneva izany lohahevitra izany. Nolazain’ny Filohan’ny Fankalazana, Atoa Aimé Rakotondrasoa, fa ny «Hitarika ny lehilahy rehetra eto amin’ny Fitandremana Toby Fanantenana 67 ha ho ao amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny FDL no tanjona». Anisan’ny dingana ho amin’izany ny fanaovana lahateny mifandraika indrindra amin’ny fiainan’ny Lehilahy andavanandro sy izay mety ho zava-dehibe aminy : ny ankohonana, ny fihariana sy ny asa fivelomana sns. Mbola homena amin’ny manaraka ny daty hanaovana ireo lahateny ireo hoy ny mpikarakara ny Jobily. - DHM Vita ny fandaminana ny fandaharan'asan'ny Departemantan'ny Hira sy Mozika izay notarihin'ny Filoha Atoa Ramanakoraisina Evariste mandritra ity taona 2008 ity: ny fanolorana ny fandaharam-potoana ny antoko mpihira rehetra (TF, MTF, VLM, ANDRY, MF3, MF5, MF7, MF8, MF13) amin'ny endriny vaovao. Ezahana ny hamoahana CD ireo hira faneva rehetra izay nisy teto. Hisy ny fanatsarana ny fanamafisam-peo taorian'ny fijerena akaiky ireo fitaovana izay miasa amin'izao fotoana izao. Manodidina ny 210 eo no isan'izy ireo ka mitsinjara toy izao : katekomena : 26, konfirmasiona : 194 ka ny 169 no raisina eto ary ny 25 dia nangata-tsodrano ho raisina any amin’ny Fiangonana misy azy; mifindra finoana : 2; mariazy miara-mizotra : 5 Misy fanadinana roa no atao mandritra ny taompianarana, koa izay mahazo naoty tsara amin'ireo miampy ny taham-pahavitrihana dia azo atolotra avy hatrany. Ny mahazo naoty ambanimbany dia omena fanatevenana manokana alohan'ny fotoana handraisana azy. Ny tanjona dia ny mba tsy hisian'ny latsaka na dia iray aza. Fiomanana ho kristiana tompon'andraikitra eo amin'ny Fiangonana no tena ampianarina mandritra izay volana maromaro izay" hoy RATEFIARIVONY Jeannet sy Claudine anisan'ny Mpiandraikitra miaraka amin'ny Pastora RAHARIMANANA Eugène. Zava-dehibe araka izany ny fahafantaran'ireto mpianatra ny fiainam-piangonana sy ny lalàmpiangonana Ireo feno 16 taona no miakatra dia afaka manaraka ny fampianarana. Ary mandritra ny taom-pianarana dia amporisihina izy ireo mba hirotsaka amin'ny iray amin'ireo sampana maro ato amin'ny Fiangonana. Teny Faneva ho an'ity andiany ity dia ao amin'ny Rom 8: 17-39, izay mampahatsiaro mandrakariva, indrindra ho an'ireo mpianatra, fa tsy hisy hahasaraka antsika tokoa amin'ny Fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. Ny fidirana manaraka dia ny volana Septambra 2008. 4 Toby Fanantenana 67 Ha - KTLM - Trompetra Fanatenana Natao tamin'ny 08 Martsa lasa teo ny fifidianana izay ho “Chef de choeur”. Lany hiantsoroka io andraikitra io indray Atoa Henri Aimé RATIANASOLO. Misy ny paikady vaovao entina mana-tsara kokoa ny fomba fiasa, dia ny fisian’ireo mpiandraikitra mpiandry toerana mba handavorary ny programa amin’ny fotoana tsy ahafahan’ny tompon-toerana. Ny ampitson’io dia efa niatrika sahady ny andraikiny izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny toriteny an-kira izay natao tany Sabotsy Namehana; teo koa ny fanatrehana ny Zaikakelin’ny KTLM SPAnta izay natao tany Miantso ao anatin’ny Fileovana Ambohibao ny 26 hatramin’ny 30 Martsa; ankoatr’izany ny isan-telovolan’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha izay natao tany Arivonimamo ny 19 sy 20 Martsa sy ny Antsan-kira lehibe natao tao amin’ny FJKM Kristy Voahombo Andavamamba ny herin’io Alahady io ihany koa. Maro ireo fandaharam-potoana miandry ny «Trompetra Fanantenana» mandritra ity taona 2008 ity. Faritra faha-5 "Nandroso ny fitaizana ara-panahy" Voatokana soa aman-tsara ho antoko mpihira tamin'ny Alahady 9 martsa 2008 lasa teo ny Tanora Mpihira Faritra fahadimy(MF5) niaraka tamin'-ny fanamiany. Niorina tamin'ny 28 febroary 2006 izy taorian'ny antso manokana nataon-dRamatoa RAKOTOARISOA Mariette Filohan'ny Faritra nandritra ny fanamarihana ny Krismasin'ny Faritra tao amin'ny EPP 67 ha Atsimo ny 11 febroary 2006. Nandritry ny taona 2007 dia nandray anjara amin'ny fotoam-pivavahana Alahady, na maraina na hariva ny MF5. Nanampy ny Filohan'ny Faritra tamin'ny fampianaran-kira sy fampivoriana ireto tanora ireto Andriamatoa ADAN sy RAMILISON Jeannot. Teo ihany koa ireo mpanakanto ato amin'ny Faritra, dia i Zaka sy Bodo izany. Hatramin'ny faramparan'ny taona 2006 no mankaty dia nitombo isa hatrany ireo tanora tonga manatevin-daharana, nisy ny ezaka tamin'ny fianaran-kira sy ny fomba fihirana ary tsapa fa nandroso ny fitaizana ara-panahy. Teny Faneva niorenan’ny MF5 dia ny "Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo" Lioka 12:35. Manana filoha ny MF5 dia Atoa Randrianan-tenaina Jacques . Antoko Mpihira Maintimolaly "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao" Sal. 22:22 Ny Alahady 4 Mai 2008 amin’ny fidirana faharoa no fanokafana ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny antoko mpihira Maintimolaly, amin’io fotoana io koa ny fanokanana ny fanamiana vaovao. Maro ny fandaharam-potoana hotanterahina amin’ity taona ity. Hampahafantarina miandalana eo ihany izany. Sekoly Alahady Mianatra ny mpampianatra Mitohy ny fiofananan’ireo nisoratra anarana ho mpampianatra Sekoly Alahady. Miisa 22 izy ireo ary efa nahavita taranja roa hatramin’izao: ny fifandraisana sy ny fahaiza-mitarika. Haharitra enimbolana ny fiofanana an-dakilasy ary ny pratika. Efa nanomboka koa ny fiofanana momba ny Boky ao amin’ny Baiboly izay ampianarin’ny Pastora Eugène. Rehefa vita ireo dia miroso amin’ny fianarana ny Boky sy toetoetran’ny ankizy isan-kilasy ny mpiofanana. Aorian’izay vao mamojy Kilasy mijery sy manao pratika. Marihina fa ireo mpampianatra nanaraka fiofanana nasionaly sy manana traikefa , ireo Tomponandraikitra ao amin’ny Synoda sy ny Pastora mpiahy ny Sekoly Alahady no mampianatra ireto mpampianatra vaovao ireto. Renim-pianakaviana sy ireo tanora nivoaka tamin’ny Kilasy F2 no miofana ao amin’ity kilasy fiofanan’ny mpampianatra ity. Akoatry ny fiofanan’ny mpampianatra vaovao dia miofana isam-bolana koa ny mpampianatra amperinasa. Sokajin-taona iray isam-bolana no jerena. Efa vita ny fiofanan’ny ho an’ny Kilasy zandriny( Santatra – A-B) ary efa manomboka ny Kilasy Zokiny ny fiofanana amin’izao fotoana izao. Ho an’ny Kilasy F manokana dia ny Filoha nasionaly, Pastora Rajoma, no hampiofana amin’ny volana Jiona ho avy izao. . Vaovao anatiny AKON’NY ALATSINAININ’NY PASKA SY TAHIRIN-TSARY 2008 Nahasondriana tokoa ny nahita ireto mpianakavin’ny finoana niaraka nankalaza ny Alatsinain’ny Paska sy naneho ny hafaliany fa VELONA JESOSY ka niara-nitsangatsangana tany SAVA làlana mankany Imerintsiatosika. Aoka aloha haka aina kely indray e! Departementan’ny Firaketana sy Serasera izy ireny. Ny toerana rahateo moa nidadasika sy nahafa-po ny rehetra ka dia feno ny fifaliana. Ny faniriana lehibe indrindra moa dia ny ho Sao mbola misy tavela any anaty harona any!!! Departementa, ny asam-pifohazana rehetra mba ho fanehoana avo ny Voninahitr’-ANDRIAMANITRA Tsitoha nahary izao rehetra izao. Mieritreritra aloha vao mikatroka Miisa teo amin’ny 1500 teo ho eo moa ny olona : tao ny ankohonana maro samihafa, tao ireo nasain’ny havany, tao koa ireo tapaka sy namana rehetra. Ho fampifaliana ny fianakaviam-ben’i Jesosy izay tonga teny an-toerana dia maro ny lalao nomanin’ireo tanora mpiandraikitra toy ny : toraka kapoaka, toraka anneau, rahosy jamba, tao koa ny fifaninanana fanatanjahantena toy ny volley-ball, ny foot-ball sns... izay nahitana Iza izany be fihavy any izany? tafahoana indray ny rehetra ka hitombo isa amin’ny fivoriana masina tahak’ireny ka tsy ho fitsangatsanganana fotsiny ihany no hisarika olona maro an’isa toy ireny fa rehefa mety ho asa fanompoana isan-tSampana, Faritra, Ity ndray dia tsy maintsy matiko! Aleo mitsiky lalandava ny talentan’ ireo vehivavy ray aman-dreny eo amin’ny fiangonana izay mbola matanjaka tokoa, ary tao ny fifaninanana an-kira masina. Ireo sekoly alahady kely moa dia faly satria izay nilalao dia nahazo fanomezana sahaza azy avy. Santionan’ireo sary maro dia maro nalaina moa ireto satria dia hatao tahiry ho an’ny Toa lavitra loatra izy 'zany!! DOKAM-BAROTRA Hifanohanantsika !!!! 30 000 Ariary Mivoaka in-3 be izao!!. Izay tonga voalohany dia miseho maimaim-poana amin’ny laharana manaraka - mandoa 20 000 Ariary fotsiny ho an’ny laharana roa farany. 80 x 64 mm azo asiana sary Amin'ny herintaona indray e! FAMANDRIHANA NY GAZETY FANANTENANA 3.000 Ariary monja isan-taona. Anarana/Sampana/Faritra/Departemanta……………………………… Adiresy mazava...………………………………………………………… Tel….…………….............………E-mail………………………………... Taratasim-bola (Chèque) N°…………………...........Banky…….…….. Na lelavola mitentina ………...........Ar ho famandrihana mandritra ny …..taona Atero ao amin’ny fandraharahana ary takio sy tehirizo ny rosianao! Misaotra amin’ny fanohananao ny gazetintsika. Toby Fanantenana 67 Ha 5 Fampianarana Boky Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana (Fizarana 2) “NY FANAMARINAN’ANDRIAMANITRA na ny MARINA AMIN’NY FINOANA” nataony. Eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra dia samy y faratampony amin’ity fizarana ity dia ny 3.21-36 izay manam- hotsaraina, eny fa na dia ny jiosy izay mihevitra fa manana ny bara ny zavatra vitan’i Jesosy ho famonjena antsika. lalàna sy handova ny teny fikasana aza. Asan’Andriamanitra ny Mialoha an’io anefa ny 1.18,3.20, izay mampiseho fa tsy misy mari- fanamarinana antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, koa tsy misy na eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona rehetra ary ny man- afaka mirehareha fa samy eo ambany fitsaran’Andriamanitra araka indray dia ny 3.26-4.25 dia izay manafoana ny fireharehana avokoa ny olona rehetra. sy manamporofo fa ampianarin’ny testamenta taloha ihany koa izany fahamarinana avy amin’ny finoana izany. 2) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “positif” dia ny fahamarinana avy amin’ny finoana amin’ny toe-piainana vaovao 1) Ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny lafiny “negatif” dia ny (Rom 3.21-4.25) fanamelohana ny olombelona manontolo eo amin’ny toe-piainana Ny fanamarinana ny mpanota dia ny hahatonga azy ho marina eo taloha (1.18-3.20 ) anatrehan’Andriamanitra izay ahazoany famelankeloka. Tsy hain’ny Lazain’ny Paoly ao amin’ny 1.17 fa hamarinina amin’ny finoana ny olona anefa ny manaisotra ny fahotany na manonitra ny ratsy vitany, olona, ary ny andininy manaraka (1.15-3.20 ) dia mampiseho ny ka izany no antony nanirahan’Andriamanitra ny Zanany teto fitsaran’ny filazantsara ny olombelona na izany tamin’ny fotoana amin’izao tontolo izao mba hananan’ny olona ny fiadanany niainantsika sy izay nataontsika na izay marina momba antsika eo (Rom 1.1). Ny olona mibebaka , miova amin’ny toe-piainana ratsy imason’Andriamanitra, ary ambaran’I Paoly ao amin’ny 3.10 fa “tsy teo aloha, miaiky heloka ka mandray fanamarinana avy misy marina na dia iray aza” amin’Andriamanitra no mandray fiainam-baovao ao amin’I Kristy, Mifanindra-dalana ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fahamari- koa ny fahamarinan’Anndriamanitra dia fahamarinana avy amin’ny nany satria Andriamanitra amin’ny maha- Andriamanitra Masina Azy Kristy, ka tsy azo raha tsy amin’ny finoana irery ihany. Nanova ny dia tsy afaka handefitra amin’ny fahotana ary mihatra olona, ka mahatonga azy ho vita fihavanana amin’ny olona rehetra ny fahatezerany amin’izay tsy amin’Andriamanitra ny herin’ny Filazantsara anjakan’ny fahamarinany. Ankilany koa anefa ny (Rom 3.23-25). Ny famonjena dia natao hoan’izay fanamarinany dia noho ny asa-panavotana vitan’i rehetra mino ary ny fahamarinana dia fahamarinana Jesosy Kristy ho an’ny olona, ka izay mino izany dia raisina amin’ny finoana ao main’ny Filazantsara. hamarinina ka vita fihavanana, ary manana (Rom 10.3). Ny hazo fijaliana no toerana lehibe fiadanana satria afaka amin’ny fahatezerana. anehoan’Andriamanitra ny fahamarinany, ary ny Asehon’i Paoly eto amin’ny 1.18-3.20 ity ary ny ràn’I Jesosy latsaka no fanavotana ho antsika fanamelohan’Andriamanitra ny olombelona manon(Rom 3.25) ary izany indrindra no fototry ny tolo, ka tsy misy afaka amin’izany na ny jentilisa na ny fahamarinan’Andriamanitra. Jiosy, fa izay rehetra manota na manao zavatra tsy Fomba iray ihany no hanamarinan’Andriamanitra ny araka ny sitrapon’Andriamanitra dia iharan’ny olona, fa raha tsy izany dia azo lazaina fa tsy Iray fahatezerany (2.6-11). Asehoan’Andriamanitra izany fahatezerany izy. Hamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny izany mba anehoany fa tsy ankasitrahany ny fahotana, satria izany olona ary raha misy milaza fa misy fomba manokana dia mitondra ho amin’ny fahaverezana. Tsy toetra ananan’- hamonjen’Andriamanitra ny Israely dia midika izany fa tsy iray Andriamanitra anefa ny fahatezerana fa asany ny mitsara ny intsony Andriamanitra. Tsy misy afaka mirehareha eo anatrehan’mpanota, koa amin’ny maha-Andriamanitra Masina Azy dia maneho Andriamanitra eny fa na dia Abrahama aza dia hamarinina amin’ny ny fahatezerany amin’ny olombelona mpanota rehetra Izy finoana (Rom 4.1-8). Tsindrian’i Paoly mazava tsara fa raha marina (Rom 1.18). Ny fahatezeran’Andriamanitra dia aseho avy any an- izay lazain’i Jiosy fa nohamarinina amin’ny asany Abrahama dia danitra amin’ny tsi-fahamarinana (Jiosy sy ny Jentilisa) ary foana ny fampianaran’i Paoly hatreto. Noho izany ny finoana an’i Andriamanitra dia tsy mila voatsiary ka hijinja amin’izay tsy Jesosy Kristy irery ihany no ahazoana fahamarinana ary io asan’ i namafazany, fa tsy nisy nafenina tamin’ny olona ny marina, fa ny Jesosy ho fanavotana io no fototry ny fampihavanana izay olona no tsy nanaraka izany, tsy nety niankina tamin’Andriamanitra Filazantsara lehibe manala ny mino tsy ho eo ambanin’ny izy fa nihambo ho nahavita tena sy nahaleontena noho izany tsy fahatezeran’Andriamanitra satria isaina ho marina izay rehetra mino fahatezeran-poana ny fahatezeran’Andriamanitra fa tena ara- an’i Jesosy Kristy ary vita fihavanana amin’Andriamanitra izy. drariny (Rom 2.2). Mitovy ny fomba fijerin’Andriamanitra ny faharatsian’ny Jiosy sy Pastora Raharimanana Eugène Jentilisa fa samy tsy manana ny marina eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra izy roa (Rom 1.20) ary tsy misy fizahantavan’olona amin’Andriamanitra (Rom 2.11) Tsy misy miafina eo anatrehan’Andriamanitra ny asan’ny olona rehetra, koa raha manao GAZETY FANANTENANA fitsarana Andriamanitra dia araka ny fahamarinany ary tsy miafina ny fitTalen'ny Gazety : Past Dr Péri Rasolondraibe sarany (Rom 1.20) Tsy misy afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra Tonian’ny Gazety : Atoa Ramanankatsoina Lucas satria natao miharihary ny fitsarana ( Rom 2.3) Mpanao gazety : Tsiry - Laingo - Mamy - Rinah - LéaTsindrian’i Paoly mazava fa tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olona no Harimalala- Haja- Vololona-Felana - Oelifara - Samy - Lynda isaina ho maha- marina azy fa mifanohitra amin’ny fanamarinana - Denise - Lalaoarisoa amin’ny finoana izany (Rom 1.17). Kirakira Sary : Christophe Hotsarain’Andriamanitra amin’ny alalan'i Jesosy Kristy izao tontolo Maquette : Christophe, Vohanson izao, ary tsy ny jiosy ihany fa na ny jentilisa koa dia samy hotsaraina avokoa, eny fa hatramin’ny Kristiana dia handalo fitsarana FLM Toby Fanantenana 67 ha (2 kor 5.10) (Rom 14.10-11) E-mail : [email protected] Araka an’i Paoly ny fahamarinana dia mitory ny fitsarana mba ho Site Web: www.flm67ha.org Tél: 261 20 22 324 45 fanairana ny Kristiana sy fampiononana azy amin’ny andro izay B.P: 72 Antananarivo 101 hahamarinan’Andriamanitra ny olona rehetra amin’izay rehetra N 6 Toby Fanantenana 67 Ha Samihafa Filozofia Malagasy « Ny tsiny, ny tody, ny eritreritra » 2. Ny tody: Filozofia Malagasy isan’ny mavesa-danja ao aminy loatra ny “tody”; toa tsy mila ampitaina na ampianarina aza indrindray vao fantatra ny heviny fa zary hay ho azy ny dikany noho ny lanjany eo amin’ny fiaraha-monina, na koa na dia ny fanenon’ilay teny ihany aza dia toa ampy hahalalàna ny dikany. Raha nilaza momba ny “tsiny” isika teo aloha dia nahalala fa azon’ny olona atao ihany ny misoroka azy amin’ny alalan’ny “fialan-tsiny”, saingy ny “tody” kosa dia tsy mba azo ialana velively satria valin’ny fitondratena tsy azo hozongozonina, hany ka tsy mba fandre ny teny hoe “miala tody” na dia miezaka hametraka ny fefy ihany aza ny maro ka milaza ny hoe “aza manody”, raha toa ka nisy zavatra tsapa ho tsy nety natao. Raha tomorina akaiky kokoa dia valin’izay rehetra tsy nety nataontsika na koa ambara fa fiverenan’ny natao amin’ny tena na koa amin’ny taranaka ny tody. Izany hoe raha nangalatra dia mba hangalarana koa ao aoriana, raha namono olona dia mba hovonoina koa, sy ny sisa. Nohamarinin’ny Ntaolo izany rehetra izany ka nanambarany hoe: “Ny Tody tsy misy fa ny atao no miverina”, izany hoe tsy inona akory izy io fa fiverenan’ny natao ihany; “todim-pitia, fitia”; “todin-karena, harena”. Ny voamarika dia toa any amin’ny lafiratsin’ny natao ihany no ipetrahann’ny tody araka ny fihevitry ny maro. Tsara fantarina fa na dia ny soa atao koa aza “Manody” eo amin’ny tontolon’ity tody ity, “ny soa atao ilevenam-bola”, “Ny tody toy ny salaka: soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina”. Aiza ary ny lalan-kombana fa ny “tsiny mbola azo sorohina fa ny tody tsy misy fanefitra”. Ka na iza na iza malemy, na iza na iza mahery; na iza bado na iza mahay dia tsy afa miala aminy avokoa. Ka na ratsy na tsara atao amin’ny hafa dia tsy maintsy miverina amin’ny tena avokoa araka ny finoan’ny razantsika izay mbola mitoetra ankehitriny. Eo amin’ny fiainan’ny kristiana anefa dia hafa tanteraka noho izany, tsy sanatria rehefa nanao ratsy dia tsy maintsy valiana ratsy, na rehefa nanao soa dia hanantena soa ihany koa, fa nohon’ny amin’ny ran’ny Zanakondry nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao dia voafafa ny fahotan’izay miaiky izany Aminy ary mendrika ny handova fiainan-tsambatra sy fiadanana dieny ety an-tany ary indrindra ny mandrakizay. Fa izay tsy mino (mibebaka amin’ny fahotany) dia efa voaheloka rahateo. (hitohy) Fileovana Fahamarinana 67Ha Isan-telovolana faharoa Notanterahina tao amin’ny FLM Arivonimamo ny 18, 19 ary 20 Aprily 2008 teo ny Isantelovolana faharoa eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha. Ny teny fanevan’ny fivoriana dia ny hoe ″ Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao ″ ( Jaona 17 : 16 ). Ny fiofanan’ny Mpiasam-piangonana rehetra ato amin’ny Fileovana momba ny firaisan’ny fiangonana sy ny maha-mpisorona ny mino rehetra no nanombohana ny fivoriana ny Zoma 18 Aprily 2008. Nitohy tamin’ny fotoam-pivavahana niraisan’ny Krisitiana mpiray Fileovana izany ny Asabotsy 19 Aprily tontolo andro sy ny Alahady maraina. Nisy ny fampianarana Soratra Masina sy lahateny ary toriteny izay nifototra tamin’ny maha-mpisoronabe an’i Jesosy, maha-loharanom-pamonjena Azy ary ny firaisan’ny fiangonana. Tao ihany koa ny asa sy fampaherezana sy ny antsam-panahy ary ny fanentanana samihafa. Ny fiombonana amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo no namaranana ny fivoriana ny Alahady maraina. Nampahafantarina ny mpivory tamin’izao Isantelovolana izao ny Mpitondra Fileovana vaovao eto amin’ny Fileovana Fahamarinana 67 ha, dia ny Raiamandreny Pastora Dr Péri RASOLONDRAIBE. Hotanterahina amin’ny talata 12 Mey maraina ny fanoloran’ny Filohan’ny Synodam-paritany Antananarivo azy, eto amin’ny FLM Toby Fanantenana 67 ha. Nampiavaka ity Isantelovolana ity ny hamaroan’ny mpivory sy fahavitrihany teo amin’ny ezaka samihafa natao. Ho famaranana dia tiana ny mampatsiahy ireto daty ireto : - 14 Jona 2008 amin’ny 9 ora : fivorian’ny Komitin’ny Fileovana; - 12, 13 Jolay 2008 : Isantelovolana fahatelo hatao eto amin’ny Toby Fanantenana 67 ha. FMBM : Fandikana ny Baiboly « SAMY MANANA NY HANITRA HO AZY » Izany no nambaran'Atoa Rakoto Marc, tomponandraikitra voalohany ny Trano Mampiely Baiboly, tamin'ny fampirantina ny Baiboly DIEM na Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara ny volana Novambra 2007 teo iny, tao amin'ny Trano foibe toerany ao Antaninarenina, Antananarivo. Raha tsiahivana ny tantara dia ny taona nahatongavan'ny Misionera anglisy voalohany teto Madagasikara dia i David Jones (1820) sy David Griffith (1821), no nanombohan'ny fandikana ny Baiboly anglisy ho amin'ny teny Malagasy. Tsy vitan'izy roa lahy irery izany asa lehibe izany fa nampian'ireo mpianatra Malagasy roambinifolo, nomena ny anarana hoe Raombinifololahy I. Didy folo Raha nihodina ny fanotana printy ny volana desambra 1827 dia ny Eksodosy:20, dia ny Didy folo no andininy ao amin'ny Soratra Masina vita voalohany. Raha ny volana Martsa 1830 no nahavitana Testamenta Vaovao,dia ny 21 Jona 1835 no vita tanteraka ny fandikana sy ny fanotana printy ny Baiboly Malagasy. Nandalo fanitsiana maromaro ny Baiboly taorian'io dia ny taona 1865, 1887 ary 1909. Ny taona 1976 koa dia niroso tamin’ny fandikana ny Baiboly amin’ny Dikanteny Iombonana na ny DIEM. Anisan'izany Itompokolahy Pastora Dr Rakoto Andrianarijaona avy amin'ny FLM. Nizara ekipa maromaro izy ireo ka ny volana Jiona 2003 no vita ny Baiboly D.I.E.M. manontolo. Ity Baiboly D.I.E.M.ity dia ilay dikanteny niainga avy dia ny teny hebreo ho an'ny Testamenta Taloha ary teny grika ho an'ny Testamenta Vaovao. Ny taona 2005 no vita ny fanitsiana ny Baiboly Katolika, raha mbola eo andala-mpanatsarana ny dikanteny ny Protestanta. Fanatsarana Nanomboka ny Martsa 2006 ny asa fanatsarana ny Baiboly Protestanta. Mpiasam-piangonana telo nomanatanteraka izany ao amin'ny Foibe Fikambanana Mampiely Baiboly dia: Pastora Rakotoarivony Stephenson, avy amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Rév Randrianavalona Lovaniaina, avy amin'ny Fiangonana Anglikana sy Ramatoa Rabarijaona Brigitte Mpitandrinaavy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).Telo taona no fetra napetraka hahavitana io asa fanatsarana io. Hanitra Samy mampiasa ny Baiboliny ny isam-piangonana isan'alahady na amin'ny fotoana ilainy izany, izay hanitra maha izy azy, fa rehefa amin'ny fotoana iraisan’ny Fiangonana no ampiasana ny DIEM. FFPM MIROSO AMIN’NY FIFAMATORANA NY PROTESTANTA Fivoriana indroa miantoana no natao dia ny faha 6 Febroary 2008 sy ny 25, 26 Avrily 2008 tao amin’ny Fofikri Ilafy. Nandray anjara tamin’izany ny mpikambana ao amin’ny Komitim-pitanana iombonana amin’ny vondron-tsapan’asa rehetra, ny birao vondron’asa rehetra, ny birao farimbon’asa rehetra, ny Talen’ny sampan’asa rehetra ao amin’ny FFPM. Izany no natao ho fanomanana ny Komitin’ny Protestanta hatao any Antsirabe manomboka ny 26 Mai 2008 ho avy izao. Hasongadina amin’izany ny maha Protestanta amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary hojerena koa ny ifandraisana amin’ny Fiangonana rahavavy hafa. Hanantanteraka ny Tenin’I Tompo hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra” no tanjona amin’izany. An-dalam-panavaozana tanteraka koa ankehitriny ny trano fiasana ao Vohipiraisana izay mampiray ny Fiangonana roa tonta dia ny FLM sy FJKM eo Ambohijatovo Ambony.Vita ny Talatan’iny Herinandro Masina iny ny trano andrefana izay iasana amin’izao fotoana izao. Ho vita ny fanavaozana ny trano rehetra ny Janoary 2009, vokatry ny fiaraha-miasa ny Fiangonana sy ny Fanjakana. FIFANINANA HO AN’NY TANORA !!!!! Fikajiana ny tontolo iainana no nanomezan’ny Ntaolo anaran-tanàna mitondra anaran-kazo, ohatra: Madirotelo, Ambodibonara Manomeza ary anaran-tanàna na toerana eto Madagasikara misy anaran-kazo araka izay fantatrao, ka izay tanora telo voalohany mahalaza betsaka indrindra dia hahazo loka avy amin’ny Gazety Fanantenana!!! Atero ao amin’ny Biraon’ny fandraharahan’ny Fiangonana ny taratasy misy ny valiny, misy anarana mazava, taona, adiresy, alohan’ny faran’ny volana Mey. Mazotoa mandray anjara. Toby Fanantenana 67 Ha 7 Soa sy ny Finaritra MIHINANA FINARITRA : Raha hazan-drano no asian-teny, mahalala azy avokoa na ny ankizy madinika , io ilay sakafo namokisan’i Jesosy ireo lehilahy tsy omby dimy arivo fahizay. Karazan- trondro aman’alina no hita any anaty ranomasina sy ranomamy any. Mora levonina ny trondro ary tena mahasalama , ahitana proteina betsaka ao aminy.Iray amin’ireo trondro tena mahay milomano ny “thon”. Mahavariana fa misy koa ireo trondro tsy dia mitsoriaka firy na anaty rano aza. Zavatra ilaina : Ho an'ny " Filets de merlan à la crème " : Nofon-trondro ..................................4 Ny ikarakarana ny ro Rano ..........................................1,5 l Divay fotsy ....................................2dl Tongolo, selery,karoty Trondro Hanitra maintso isan-karazany Sira, dipoavatra Ny ikarakarana ny lasaosy Tamenak’atody ................................3 Crème fraîche............................125g Fomba fikarakarana azy : Ampangotrahana miaraka ny rano misy sira, ny divay, ny zava-maintso sy ny selery ary ny karoty. Avela hiketrika mandritra ny 30 minitra. Arotsaka ao anaty ro ny nofon-trondro tokony ho 10 mn eo ho eo. Esory avy hatrany rehefa tokony ho fahefatry ny litatra sisa ny ranony.Esorina ireo hanitra isankarazany. Karakaraina ny lasaosy: afangaro ny tamenak’atody sy ny crème fraîche dia atao “bain marie”eo ambony afo malefaka, kendrena tsy hangotraka dia asiana dipoavatra kely sy sira. Iny lasaosy iny no handrakofana ilay nofontrondro ary azo aroso avy hatrany. Tsara kokoa raha vary fotsy lava no ampiarahana aminy. TONOKALO Vonona Izahay 1-Ry Ray sy Zanaka Fanahy Miantso Anao’zahay etoana R’Ilay Telo izay iray Androany no fotoana 3-Raha tsy Ianao no niasa Sasa-poana izahay Tanterakay ny kinasa Nanirahanao anay 5-Maintimolaly no anaranay Tsy mitsahatra mitory Voninahitra ho Anao ry Ray Na dia maro ny mampahory. Amen 2-Dimy taona lasa izay No nitorianay ny Teny Nasandratray ny feonay Nafafy eny rehetra eny 4-Ny toriteny an-kira no atao Ampibebaka ny maro Ny iverina Aminao Ny tsara tsy ifangaroaro FAHASALAMANA “Tuberclose” Ny tiberkilaozy na raboka dia aretina azo avy amin’ny tsimok’aretina atao hoe « bacille de Koch ». Mbola mamono olona hatrany amin’ny roa tapitrisa isan-taona maneran-tany izy io. Manome fanazavana bebe kokoa ny Dokotera tompon’andraikitra eto amin’ny Tobim-Pitsaboana Loterana 67ha: Dr.RANDRIANTIANA Michelle: ny tiberkilaozy dia i Laennec no nahita azy voalohany tamin’ny taona 1839. Tamin’ny taona 1865 no nahitan’i Dokotera Jean Antoine Villemin ny fomba fifindran’ny aretina. Ny taona 1862 i Robert Koch no nahita ny tsimok’aretina (fandinihana nataon’ny Institut Pasteur). Ny fisehoany eran-tany: Ambara ho aretin’ny tany mahantra ny tiberkilaozy. Aty Afrika no tena mbola ambony ny tahan’io aretina io noho ny maha ambony ny tahan’ny olona izay mitondra ny tsimok’aretina VIH (seropositivité HIV) izay mampihena ambany dia ambany ny hery fiarovana eo amin’ny marary . Ho an’i Madagasikara manokana dia mahatratra hatrany amin’ny 20000 ny isan’ny marary mitondra io tsimok’aretina io isan-taona . Ny karazany: 1) Ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka na tratra (tubercu lose pulmonaire) 2) Ny tiberkilaozy ivelan’ny tratra (exotre-pulmonaire, ohatra any amin’ny taolana, hoditra, ny lalan’ny fivalanandrano, lalanjaza sns…) Ny karazany voalohany no tena mihanaka eto amintsika satria dia Malagasy 15000 isan-taona no mitondra azy io izay miseho amin’ny alalan’ny: ° Fanaviana, harerahana matetika, fahalain-komana, tsembontsembodava indrindra amin’ny alina, fihenan-danja. ° Kohaka mihoatra ny telo herin’andro. ° Marary amin’ny tratra na mandrehoka misy rà. Mifindra ve? Ny olona iray voan’ny tiberkilaozy ao anaty havokavoka (tuberculose pulmonaire) ihany no mifindra amin’ny alalan’ny fipitihan’ny otrik’aretina rehefa mievona na mikohaka. Ny fomba ahalalana fa voan’ny tiberkilaozy: Ny fitsirihana ny rehoka no ahitana taratra fa mitondra ny tsimok’aretina ny olona iray ary hamafisina amin’ny alalan’ny fitarafana ny tratra izany. Eo ihany koa ny IDR(intradermo-reaction) Ny fomba fitsaboana azy: Azo tsaboina ny raboka ary sitrana tsara rehefa manaraka ny torohevitra antsakany sy andavany ny marary. Valo volana ny fotoana hitsaboana ka hihinanana fanafody isan’andro. Efa nohamoraina rahateo ny fitsaboana azy satria dia maimaim-poana izany. Mbola sakana anefa ny fiheverana fa aretina mahamenatra ny raboka. Marihana etoana fa mampiverina ny aretina ary indrindra manome aina ireo”bacille” matanjaka ny tsy fanaperana ny fitsaboana na ny traitement . Fiarovana: ° Fitsaboana ara-potoana ny olona voan’ny tiberkilaozy izay mety hamindra ° Vaksiny B.C.G hoan’ny zaza ° Fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana (tsy mandrehoka eny rehetra eny ary tsy manimba ny ala izay manadio ny tontolo iainana. Voahirana Maintimolaly NY KILALAONTSIKA : Diso fito N° 003 8 Toby Fanantenana 67 Ha
Similar documents
Ny MAP - Planipolis
ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP isika ny volana Oktobra 2006. Drafitr’asa goavana sy matotra ny MAP ary manoritra ny soridalana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny Firenena ao anatin’ny dimy taona...
More informationVakiana manontolo - Hafatry ny lanitra
mihoatra noho ny fitadiavana volamena ny Paradisa. Jesosy Kristy irery ihany no làlana tokana ahafahanao mankany, dia ilay niteny hoe : « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » Jao 14. 6 Ra...
More information