FAMBOLENA LEGIOMA
Transcription
FAMBOLENA LEGIOMA
LEGIOMA FAMARITANA « Légume » : Teny vahiny entina hilazana ireo sokajin – javamaniry ampiasaina hanaovana « potage » na « lasopy ». Sokajin – javamaniry fanao laoka. « Anana » : ilazana ireo zavamaniry fihinan – dravina (matetika ampiasaina hatao laoka). « Laoka »: sakafo matsiro kokoa natao hanampiana ny foto – tsakafo (vary). LEGIOMA FANASOKAJIANA Legiome maina (Légumes Secs) : Tsaramaso, Voanemba, … Legioma maintso (Légumes Verts) : « Legioma ravina » : Salade, Anana, Petsay, Anamamy « Legioma voa » : Voatabia, Courgette, Haricot Vert « Legioma vodiny »: Karaoty, Navet, … LEGIOMA FANASOKAJIANA Arakaraky ny « Fianakaviany » « Solanacée » : Ovy, Anamamy, Poivron, Sakay, … « Crucifère » : Laisoa, Petsay, Chou de chine, Navet, radis « Liliacée »: Tongolo be, Tongolo maintso, Poireau … « Légumineuse » : Haricot vert, Petit pois, … « Cucurbitacée »: Concombre, Courgette, Cornichon, … « Ombellifère »: Karaoty , Fenouil, … TOMBOTSOA TOMBOTSOA ARA – BOLA Fidiram – bola mahavelona Betsaka ny mpividy (mpanjifa avokoa ny sokajin’olona rehetra) TOMBOTSOA HAFA Mampihena ny fandaniana ao antokatrano Antoky ny fahasalamana FAMPIHARANA: Fikajiana ny isan’ny legioma maniry eo amin’ny velaran – tany iray, ny vola mety ho azo amin’ny fivarotana azy ireo FEPETRA TAKIANA FEPETRA « ARA - BAROTRA » : Fisian’ny tsena hivarotana FEPETRA « ARAK’OLONA » Fahaiza – manao Fitiavana ny asa fambolena Fananana fotoana FEPETRA TAKIANA FEPETRA « ARA – TEKNIKA » : Tany lonaka na azo lonahana Toerana akaiky rano sy be rano Fananana fitaovana ampy : Fitaovana fikarakarana ny tany , fitaovana famafazana sy famindrana, fitaovana fanolokoloina. FANAJARIANA NY TANY FANANGANANA NY TOERAM - PAMOKARANA • Famefena ny toerana amin’ny alalan’ny fefy velona • Fametrahana ny toerana fangalana (akaiky indrindra araka izay azo atao) rano • Fametrahana tranon – jezika • Fametrahana lavaka hametrahana ranon jezika FANAJARIANA NY TANY FANANGANANA NY TOERAM - PAMOKARANA • Fanamboarana sori – boly Habeany : 1,2m ny sakany Lalàna : 30 – 40cm Fitodiny : Mahazo masoandro Endriny: Ambony ny ambany ny lalàna raha oharina amin’ny sori – boly Kajio ny velaran’ny sori – boly anakiray sy ny velaran’ny tany manotolo FANAJARIANA NY TANY FANANGANANA NY TOERAM - PAMOKARANA • Fikarakarana ny tany misolampy mba ho fiarovana azy amin’ny riakan – drano FISAFIDIANANA NY VOLY FEPETRA ARA – BAROTRA • Légume misy mpividy no ho volena • Légume ahazoana tombom – barotra FEPETRA ARA – TEKNIKA • Ahitana ny akora rehetra ilaina : masomboly, fanafody, … • Manaja ny fifandimbiasam – boly sy ny fampivadiam - boly FISAFIDIANANA NY VOLY F – EPETRA ARA TEKNIKA • Ny fifandimbiasam – boly sy ny fampivadiam boly Ataovy ny fandaharam – potoam – pambolena kasainao hatao eo amin’ny toerana iray mandritra ny taona Fianakaviana Ravina CRUCIFÈRE (BRASSICACEE) Petsay, Laisoa, Chou fleur, Tee – sam, chou de chine, Cresson Voa Vodiny Radis, Navet Cocombre, Courgette, Voatavo, Cornichon CUCURBITACÉE SOLANACÉE Anamamy, Anamalaho, LILIACÉE Tongolo maintso, Poireau, Asperge Tongolo be, Tongolo gasy OMBÉLLIFÈRE Persil, Karaoty CHÉNOPODIACÉE Bettrave LÉGUMINEUSE (FABACEE) Sakay, Poivron, Aubergine Haricot vert, Tsaramaso, Voanemba, Tsiasisa, Pois Ovy FAMAFAZANA FOTOAM – PAMBOLENA • Ao anatin’ny taona : Voly fahavaratra, Voly avotra, Verim – boly • Ao anatin’ny volana : manaraka ny fihodin’ny volana FAMAFAZANA FOMBA FAMAFAZANA • Famafazana mivantana : légume manana voa vaventy (Légumineuse, Cucurbitacée,...), légume manana voa madinika kanefa fangalana vodiny mijidina (karaoty, …) • Famafazana mandalo eny amin’ny tanin – janakanana : légume manana voa madinika, famafazana any amin’ny toerana tena be orana, FAMAFAZANA FAMAFAZANA ENY AMIN’NY TANIN - JANAKANANA • Velaran’ny tanin – janakanana : 1/10 n’ny velaran’ny tany manotolo • Fikarakarana manokana ny tanin – janakanana : malemy, masaka, mora karakaraina, … • Fomba famafazana : Fafy katrana, fafy manaraka soritra, famafazana ao amin’ny toerana manokana (pot, godet) • Famafazana ao amin’ny toerana manokana (pot, godet): fanamboarana « substrat » FAMAFAZANA FATRAN’NY MASOMBOLY • Miankina amin’ny karazana légume ho volena • Miankina amin’ny toerana famafazana (mivantana na mandalo tanin – janakanana) • Miankina amin’ny elanela ampiasaina rehefa mamafy • Miankina amin’ny velaran’ny hamafazana sy famindrana Fikajiana ny fatran’ny masomboly ampiasaina tany FAMAFAZANA ADY AMIN’NY BIBIKELY • Fiasana mialoha ny tany • Fametrahana fanafody mamono bibikely eo amin’ny soritra hamafazana • Fampiasana masomboly nohatsaraina izay efa nasiana fanafody miaro amin’ny fanafian’ny bibikely ao anaty tany. FAMAFAZANA TOETRY NY MASOMBOLY • Mety maniry (Taham – pitsiriana ambony) • Tsy mifangaro : tsy ahitana afa – tsy masomboly tokana ihany • Madio: Karazana tokana ihany no omeny rehefa maniry • Tsy ahitana na tsy mitondra aretina FAMAFAZANA FAMAFAZANA DIA TOKONY • Manify araka izay tratra • Rakofana tany na voran – jezika manify (Avo roa na telo heny amin’ny hatevin’ny voa afafy) • Halokalofana mba hiarovana hainandro sy ny oram – be amin’ny FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fiasana ny tany • Antony: hamapemy ny tany ka hahamora ny fidiran’ny rivotra, hamandoana, ny hafanana. Hamonoana ny bibikely ambany tany. Hahafahan’ny faka lasa lalina kokoa. • Fotoana: Mandritra ny fotoana maina (lohataona). Tandremo fa tsy azo atao ny miasa tany mandritra ny andro avy orana FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fiasana ny tany • Halaliny: Miankina amin’ny halalin’ny fakan’ireo zavamaniry tiana ho volena. Mita asa lalina kokoa ny légume fangalana vodiny. FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fitondrana fandonahana • Dolomie: Hampidinana ny herin’asidra amin’ny tany. 250 – 500kg/ha/taona no fatra fampiasa Firy kapoaka ny « dolomie » 1kg FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fitondrana fandonahana • Zezika organika : Zezika masaka tsara no ampiasaina ka atao maherin’ny 50t/ha no fatra ampiasaina Firy sarety ny fatran’ny zezika haparitaka amin’ny tany 1ara FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Famotehana ny bainga • Antony: Natao mba hamadihana ny fandonahana ho any ambany tany (Tsy atao lalina loatra). Hanalana ireo elanelana lehibe izay manakana ny tany sy voa, ary ny tany sy ny faka tsy hifandray. FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fanaovana lavaka na tatatra Natokana indrindra ho an’ny « Cucurbitacée » sy ireo zavamaniry rehetra hatahorana tsy hahazo rano. Tsy azo atao any amin’ny faritra be orana sy mandritra ny fotoana be orana ity fomba ity. FAMBOLENA FIKARAKARANA NY TANY Fanaovana Vokavoka na dongona Natokana indrindra ho fiarovana ny voly amin’ny hamandoana diso tafahoatra. Manamora ny fanotofana ireo zavamaniry mitaky izany asa izany FAMBOLENA FAMINDRANA Antony Hanomezana toerana lehibe kokoa mba hahafahan’ny voly mitombo Hahafahan’ny faka misandrahaka kokoa FAMBOLENA FAMINDRANA Fotoana fanatanterahina Lehibe manomboka mahavelo – tena ; feno 4 – 5 ravina (1 na 1volana sy tapany aorian’ny famafazana) Ho an’ny « Liliacée » dia azo atao ny famindrana rehefa toy ny « stylo » ny habean’ny taho. Mandritra ny fotoana mangatsiatsiaka FAMBOLENA FAMINDRANA Fanomanana ny zanakanana Tondrahana ho vonto rano tsara ny tanin – janakanana iray andro mialoha ny famindrana Ongotana tsirairay ny zanakanana Hanapahana ny faka sy ny ravina Afindra eo no ho eo fa raha tsy izany dia mila tehirizina anaty rihitra manokana FAMBOLENA FAMINDRANA Fitandremana Tsy avela hiforitra ny faka Tsy azo halentika any anaty tany ny taho sy ny ravina FAMBOLENA FOMBA FAMBOLENA HAFA Fampiasana zana – pototra Ampiasaina amin’ny « tongolo maintso » Fampiasana hasina Ampiasaina amin’ny tongolo gasy FIKARAKARANA FANONDRAHANA Antony Tia rano ny legume (mamorona ny tenany) Mandevona ny mineraly ho lasa singam – pandonahana sakafon ’ny zavamaniry FIKARAKARANA FANONDRAHANA Fatran’ny rano Tia rano ny legume (mamorona ny tenany) Mandevona ny mineraly ho lasa singam – pandonahana sakafon ’ny zavamaniry Miova arakaraky ny zavamaniry sy ny dingam -pivoarany, karazan – tany, toetr’andro Amin’ny ankapobeeny : 3 – 6mm/andro FIKARAKARANA FANONDRAHANA Famerenana ny fanondrahana Mety atao in – droa isan’adro, in – 1/andro, isaky ny 2 andro, Isaky ny herinandro FIKARAKARANA FANONDRAHANA Fomba fanondrahana Arakaraky ny velaran’ny tanimboly, fomba fambolena, karazam – boly, habetsahan – drano. Azo atao mampiasa siny fanondrahana, manao tari – drano, fanondrahana mitsitaitaika, … FIKARAKARANA FIHAVANA Antony Ady amin’ny ahidratsy Hampihenana ny fahaverezan – drano Hampidirana rivotra sy hafanana ao anaty tany FIKARAKARANA FIHAVANA Fotoana Atao matetika indrindra araka izay tratra. Tsy miankina amin’ny fisian’ny ahi – dratsy. FIKARAKARANA FANDRATSANANA Antony Ahena ny taho sy ny ravina mba hampitobo ny haben’ny voa Hanesorana ireo faritra misy fahasimbana Hanesorana ny ravina izay mikasika ny tany (voatabia) FIKARAKARANA FANDRATSANANA Voly azo rantsanana Solanacée : Voatabia, … Cucurbitacée : Voatavo, … FIKARAKARANA FIHAVANA Fitaovana Atao amin’ny tanana Mampiasa fitaovana manokana FIKARAKARANA FAMETRAHANA TOHANA Antony Natao mba hialana amin’ny fikasohan’ny taho sy ny ravina ary ny voa amin’ny tany. FIKARAKARANA FAMOTSIANA Foto - kevitra Tsy avela ho tratry ny taratry ny masoandro ny taovan – javamaniry mba hahatonga azy ho malefaka kokoa (fotsy kokoa). FIKARAKARANA FAMOTSIANA Fanatanterahina FAKA (Vodiny) TAHO RAVINA Fomba famotsiana voly Fanotofana Ovy, Karaoty, .. Fanotofana, Fandrakofana Poireau, Céleri, Asperge, … Famatorana, Fanaronana, Fampidirana anaty toerana maizina Chou fleur, Endive, Salady, Chicoré, Petsay, FIKARAKARANA ZEZIKA FANARENANA Atao mandritra ny fotoana fitomboan’ny voly. Zezika organika tena masaka tsara na Zezi – bazaha (Urée) no fampiasa. VOKATRA FAHARETAN’NY VOLY Miova arakaraky ny voly : voly maharitra (mihoatra ny heritaona), voly mandalo (latsaky ny heritaona) Ho an’ny voly mandaho dia maharitra 20 andro izay haingana indrina (radis) ka hatramin’ny 150 andro. Ho an’ny voly maharitra kosa dia azo hangalana vokatra indray mandeha isan – taona (mandritra ny roa na telo taona) VOKATRA FITANDREMANA MANOKANA Vokatra matoy (tsy tsara anefa ny masaka loatra satria vetivety dia lo) Vokatra tsy misy fahasimbana na misy fanafody tavela Tandremana ny fahadiovan’ny vokatra : mandritra ny fiotazana, mandritra ny fitahirizana, mandritra ny fitanterana,, … VOKATRA TARATASIN’NY FAMOKARANA Antony: Mamaritra ny mombamomba ny voly tsirairay (Karazana, …) Hamantarana ireo dingana rehetra nolalovan’ny voly Mitondra fanatsarana eo amin’ny asa atao VOKATRA TARATASIN’NY FAMOKARANA Fanatanterahina Soratana avokoa ireo daty rehetra nolalovan’ny fambolena: manomboka any amin’ny fikarakarana ny tany ka hatrany amin’ny fiotazana Soratana ireo olana nihatra tamin’ny famokarana (aretina, bibikely, …) sy ny vahaolana noraisina (Fanafody, fatrany, …)