Arahaba nahatratra ny PASKA 2015

Transcription

Arahaba nahatratra ny PASKA 2015
TSARA HO FANTATRA
Pâques : résignation ou
espérance ?
>6
TOHO-TANTELY
Fanorenam-piainana marina
>8
EDITO
Ny herin’ny finoana
GAZETY AVOAKAN’NY FJKM AMBOHITANTELY
>5
Laharana faha-62
Aprily 2015
Ar 500
“Ary ny toho-tantely ho mamy eo am-bavanao” (Ohab. 24:13)
Arahaba nahatratra ny PASKA 2015
Ny Paska no tena loharanon’ny fiainana kristiana ary mifototra eo amin’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy ny
fanantenana izany fiainana mandrakizay izay anton’ity fiainana fandalovana ity ....
>3
SABATRY NY
FANAHY
« Aza ho isan’izay tsy
mino, fa minoa.»
(Jao. 20:27)
>2
CHORALE AMBOHITANTELY
Mitohy ny fankalazana ny Jobily
>4
volamena
www.fjkmambohitantely.org
SABATRY NY FANAHY
T
« Aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa (Jao. 20:27) »
eny hentitra notenenin’i Jesoa tamin’i Tomasy fony Izy nitsangana tamin’ny maty ity teny ity. Tsy nino ny fanambarana nataon’ny mpianatra mantsy i Tomasy, izay nilaza taminy hoe : «
Efa nahita ny Tompo izahay ». Marihina fa tsy i Tomasy ihany tsy
akory no nihevitra fa hoe nifarana teo amin’ny fahafatesana ny momba
ny Tompo, fa saika ny ankamaroan’ireo mpianatra.
Betsaka no nahatonga azy ireo nanadino ny
fanambarana intelo nataon’i Jesoa hoe : « ny
Zanak’olona hatolotra,…ary hohelohina ho
faty…fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy » (Mar. 10: 32-34).
Ny Filazantsara araka an’i Marka dia milaza
fa ny hamafisam-pon’ny mpianatra no tsy nahatakarany ny tenin’ny Tompo. Ny Filazantsara araka an’i Jaona kosa dia milaza fa ny
tahotra no nanakona izany fahatakarana ny
famonjen’i Kristy izany. Vavolombelona nanatri-maso ny fijalian’i Jesoa mantsy ny
mpianatra, nahita ny fahoriana mangidy sy
mafy nahazo Azy ny herinandro masina, sady
nahita ny habibian’ny fiarahamonina : ny vahoaka Jiosy nihoraka hoe « homboy, homboy
», ny Romana rahateo tsy nanana fo antra nanamarina ny marina fa nandiso ny marina,
ka nanolotra ny Tompo hoviravirain’izao tontolo izao.
Vokatr’izany dia nihorohoro ny mpianatra nihidy aman-trano (Jao 20,19) ka tsy tao antsainy intsony ny hafatry Kristy fa mbola
hitsangana Izy. Raha tsorina dia sarotra ho
an’ireo vavolombelona nanatri-maso ny fahoriana sy ny fangirifirian’ny Tompo ny hino ny
fitsanganany, hany ka Izy Tompo no tonga
niseho tamin’ny mpianatra nanao izay hinoan’izy ireo, isan’izany Tomasy, ka nitenenany hoe : « aza isan’izay tsy mino fa minoa
».
Raha halalinina ny hevitry hoe mino na koa
ny hoe finoana ao amin’ny Soratra Masina
dia roa ny heviny : finoana midika hoe fandraisana ny Fanambarana sy finoana midika
hoe fahatokiana na fiankinana.
1.Finoana midika hoe fandraisana ny
Fanambarana
Ny teny Grika nandikana ny finoana ao
amin’ny Testamenta Vaovao dia ny hoe pistis. Ity teny ity dia midika hoe ekeko izany
voalaza izany, na koa hoe izaho koa dia miandany amin’izany fanambarana izany.
Ny finoana ao amin’ny Testamenta Vaovao
izany dia midika, voalohany indrindra, fanapahan-kevitra hiandany sy hirotsaka ho
mpiandany sy mpanohana fanambarana iray
ary mety ho tonga mpanambara koa aza.
I Tomasy tamin’ity tantara ity dia tsy nino
ilay fanambarana nataon’ny mpianatra hoe «
velona ny Tompo » sy ny hoe « efa nahita ny
Tompo izahay », hany ka tsy mety ho mpanambara na ho mpitory.
Ny atao hoe fitoriana ny Filazantsara dia fanambarana fa velona ny Tompo, tsy fitantarana ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty
loatra, satria tsy nisy vavolombelona nanatrimaso nahita ny fizotry ny fitsanganany raha
2 | GAZETY TANTELY | Aprily 2015
nareo fa tsy nitsangana Izy ary sahy naka fanahy ny Tompo (chantage) ka nanao hoe
izaho tsy hino raha tsy…
Tsy hoe midika tsy fahatokiana ihany ny tsy
finoana eto fa midika tsy fitiavana, mifamatotra ny finoana sy ny fitiavana ao amin’ny
teny hoe hémouna, izany hoe, ny fitiavana dia
mahatonga fahatokiana sy fiankinana, ny finy Soratra Masina eo amintsika no jerena noana dia endrika isehoan’ny fitiavana.
(marihina fa ny Filazantsaran’i Petera, Mavesatra ny Tenin’ny Tompo tamin’ny Toisan’ny boky Apôkrifa, tokony ho tany ante- masy hoe « mba minoa », toy ny milaza hoe
nantenan’ny taonjato faharoa dia mitantara aiza ny fahatokianao an’Andriamanitra ?,
aiza ny fitiavanao an’Andriamanitra ? aiza
amin’ny antsimpiriany ny fitsanganany).
Fa vavolombelon’ny fitsanganany kosa satria koa ny fitiavanao sy ny fahatokianao ny nanahita Azy maty ary nahita Azy velona. Koa manao ? nahoana no tsy inoanao izay laraha hentitra Jesoa eto tamin’i Tomasy, tsy zain’ny namanao taminao sy izay efa
noho ny hamafiasam-pony ihany, na koa tsy nolazaiko taminao ?
noho ny tahotra ihany, fa indrindra noho ny Tsy nanan-kavaly intsony i Tomasy, fantany
tsy fandraisany ny fanambarana na ny Fila- ny fahalemeny, fantany hoe aiza ho aiza izy
amin’ny finoana, hany heriny nihiaka mafy
zantsara nambaran’ny mpianatra taminy.
hoe « Tompoko sy Andriamanitro ». Araka
Raha lazaina amin’ny androntsika ankehi- izany, ity tenin’i Jesoa ity dia midika aminttriny ity tenin’i Jesoa tamin’ny Tomasy ity sika hoe ny mino dia fanapahan-kevitra madia toy ny manao hoe : efa naniraka ny Fian- metraka ny fitokiana amin’ny Tompo,
manaiky hiankina
gonana Aho, efa naniamin’ny Tompo,
raka
Mpitory
ny
«Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao
koa ny hoe minoa
Filazantsara ihany koa
nanambara fa Velona amin’ny fonao rehetra…ary tiava ny nama- dia tsy mifanalavitra amin’ny hoe «
Aho, aoka isika ho
nao tahaka ny tenanao.»
tiava an’i Jehovah
isan’izay mandray izany
Andriamanitrao
fanambarana izany, na
mandray izany Filazantsara izany, ho mpian- amin’ny fonao rehetra…ary tiava ny namanao
dany amin’izany sy mpanely izany, ho mpi- tahaka ny tenanao »
tory ny Filazantsara ihany koa.
Ny Finoana eto, araka izany, dia midika fan- Amin’izao Paska izao, efa namangy antsika
draisana ny Filazantsara toriana, fanekena ny ny Tompo, Velona, nandresy ny fahafatesana,
fahamarianan’ny Tenin’Andriamanitra sy fa- nandresy izao tontolo izao ary manaiky hiannekena ho isan’ny mpandray izany. Hoy kinantsika, manaiky ho tia antsika, manaiky
Jesoa : « aza isan’izay tsy mino fa minoa », hitarika antsika, manaiky hampahery antsika
milaza baiko hiala amin’ny tahotra sy ny fisa- sy hiady ho antsika, koa aza isan’izay tsy
lasalana, mankao amin’ny fitiavana sady mi- mino fa minoa.
laza baiko ho mpiandany
amin’ny
Filazantsara.
2.Finoana midika hoe fahatokiana na
fiankinana.
Raha ny Testamenta Taloha indray no jerena
dia ny teny Hebreo hoe hémouna no nadika
hoe finoana. Misandrahaka be ny hevitr’ity
teny ity fa ny heviny voalohany dia fahatokiana, fianteherana, na koa fitiavana. Koa
amin’izany, ny hoe mino dia manambara fanekena hiankina sy hatoky, eny ho tia ihany
koa aza.
Jesoa eto raha miteny mahery an’i Tomasy
dia manindrona ny tsy fahampian’ny fahatokiana ao anatiny aloha voalohany indrindra,
tsy matoky izay efa nambaran’ny Tompo taminy talohan’ny nahafatesany fa hitsangana
amin’ny maty izy, fa indrindra koa tsy matoky izay nolazain’ny mpianatra taminy.
Ny tsy finoan’ny Tomasy eto dia midika fisarahany amin’Andriamanitra noho ny Tenin’Andriamanitra tsy tao am-pony intsony,
ary koa fisarahany tamin’ny namany ka tsy
ninoany izay nolazan’izy ireo, toy nanao tamin’ny namany sanatria hoe mandainga ia-
RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina
Gazety
Tantely
Mpiandraikitra:
Fiandraiketana Fifandraisana
Mpitrandraka vaovao:
Fiandraiketana, Sampana,Zanaparitra ...
Famandrihana isan-taona: Ar 10.000
Famandrihana fanohanana: izay foinao
Adiresy mailaka:
[email protected]
Tranokalan’ny fiangonana:
www.fjkmambohitantely.org
TSARA HO FANTATRA
Hetsiky ny firaisam-po
Mitondra ho amin’ny firaisantsaina sy firaisam-po mandrakariva ny asa iombonana eo
anivon’ny fiainan’ny Fiangonana.
Ny mampiavaka manokana ny
hetsiky ny firaisam-po dia izy
andraisan’ny sokajin-taona rehetra anjara, ary araka izay fanomezam-pahasoavan’ny
tsirairay. Mampihetsi-po ange
izany mijery ireo zaza madinika
mifaninana mameno ny anjara
tandrify azy e ! Dieny kely dia
efa mianatra manangona tsikelikely araka izay eo am-pelantanana ary rehefa mahafeno dia
mitondra ny anjara biriky…
Tsapa hoe amin’ny alalan’ny zavatra toa heverina ho bitika sy
kely no anehoan’Andriamanitra
ny fahagagany.
Toy ireo mofo dimy sy hazandrano roa nentin’ilay zazalahy
teo amin’i Jesoa izay zary nitondra fahasoavana ho an’ny
manodidina azy. Fa na dia toy
ny voantsinampy aza ny finoantsika dia afaka iasan’Andriamanitra izany ary ny
finoana velona no mampiavaka ny asa tanterahin’ny
Fiangonana eo anivon’ny fiarahamonina.
Izay andrasan’Andriamanitra
amintsika dia ny fitiavana
manao ny asany, ny fahatanterahan’ny asa dia Azy Andriamanitra Tompon’ny asa.
Ho Azy mandrakariva ny voninahitra.
Ny Gazety
Ny Ezaka vita rehetra : 70.891.958 Ar
Hetsika firaisam-po tamin’io : nanomboka ny volana Novembre hatramin’ny 29 mars: dia nitombana 34.979.790 Ar, tafiditra ao anatin’io ilay ezaka tavoahangy nataon’ny sekoly alahady mitentina 565.200 Ar. Ezaka mbola ilaina: 229.108.042 Ar
KOMITIM-PIFIDIANANA : Daty tsara ho fantatra eo am-panomanana ny fifidianana DIAKONA
Hifarana ny alahady 12 Aprily ho avy izao ny famerenana ireo taratasy firotsahana izay ho fidiana ho diakona amin’ity taom-piasana
2016 – 2019 ity. Mandritra io fotoana io dia afaka manolo-tena na
manolotra olona ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra izay
voamarina ao amin’ny lisitry ny mpandray eto amin’ny FJKM Ambohitantely.
Ireto avy ary ny daty fitadidy ho anao izay HIFIDY sy/na HIROTSAKA
ho DIAKONA:
Alahady 12 aprily : faran’ny fandrotsahana ny taratasy firotsahana
ho diakona (tsiahivina fa averina miaraka amin’ny sary tapaka iray
(1) any amin’ny fiandraiketana ny fandraharana ity taratasy firotsahana ho diakona ity)
Alahady 12 aprily amin’ny 4ora tsy diso : fanatanterahana ny antsapaka hahazoan’ny mpirotsaka tsirairay ny laharany amin’ny vatompifidianana (bulletin de vote)
Alakamisy 16 aprily : famoahana ireo lisitry ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra nirotsaka ho diakona
Alahady 26 aprily: fiantsoana ireo mpandray ny Fanasan’ny Tompo
miisa 20 hanatevina ny Komity Mikarakara ny Fifidianana (K.M.F.)
Alahady 03 may: fifidianana diakona
Alahady 03 may: fivoahan’ny valin’ny fifidianana
Mitontaly 150 ny isan’ireo diakona izay hofidiana amin’izany ka ny
75 lahy ary ny 75 vavy
"Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry
anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo …
” Jao 15; 16a
Miezaka
Tena fiainana ve?
Mibanjina ny lohahevitra hoe « Manome fiainana
ny mino ny Tompo » ny FJKM amin’ity volana
Aprily ity. Mby ao an-tsaina avy hatrany ary ny fanontaniana hoe tena ilay fiainana iriantsika tokoa
ve no fiainana omanin’Andriamanitra omena izay
mino Azy ?
Ny Paska no tena loharanon’ny fiainana kristiana
ary mifototra eo amin’ny Hazofijalian’i Jesoa
Kristy ny fanantenana izany fiainana mandrakizay
izay anton’ity fiainana fandalovana ity izany.
Tsy ho resin’ny herintsika samirery ny fakam-panahy izay manalavitra antsika amin’Andriamanitra
fa ny fomba tena tsara indrindra hamikirana Ilay
tena Fiainana - dia tsy i Jesoa Kristy ihany – fa ny
finoantsika ihany koa.
Izany no hahazoantsika antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay.
Samy manana ny mety ho famaritana ny tena fiainana ny olona tsirairay avy fa ny tena fiainana
kristiana dia fanarahana ny Sitrapon’Andriamanitra ihany ary manaiky izany amin’ny fahalalana fa
fitaovana eo an-tanany isika.
Hamela an’Andriamanitra hamaritra ny tena fiainana sahaza ho anao ve ianao sa hamaritra ny
Rindra
anao samirery?
Aprily 2015| GAZETY TANTELY |3
VOAN-TSAMPANA
CHORALE AMBOHITANTELY - Mitohy ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fankalazana ny jobily volamena
“…Dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy”.
Tao anatin’ny fifaliana feno tanteraka no nanoloran’ny Chorale Ambohitantely ny “Kaonseritra Klasika” izay notontosaina tetsy
amin’ny Lapan’ny Tananan’Antananarivo ny
alin’ny Zoma 27 martsa. Nanome ny tsara
indrindra izy ireo ho fanomezam-boninahitra
an’Andriamanitra ary dia nifanandrify tamin’izany rahateo ireo hira klasika malaza
notsongaina raha tsy hilaza afatsy ireto vitsivitsy ireto: Voninahitra (Beethoven), Ny lanitra
mitory ny Voninahitr’Andriamanitra (Haydn),
Haleloia (Handel), Andriamanitro ô (Mozart)…
Ny Chorale Ambohitantely sy ny klasika
Ny taona 1976 no nanombohan’ity antoko
mpihira ity sy ny gadona klasika. Ireo mpampianatra hira tahaka an’I Désiré Lalao Andrianarision, Claude Raoelison sy Willy Roelison
no tena nampiditra izany gadona izany.
Mampiavaka ny Chorale Ambohitantely ny
hira klasika indrindra fa eo amin’ny tonony.
Tsy dika teny fotsiny no natao fa tena zavaboaforon’ny talenta Malagasy tanteraka ireny
tononkira hiraina amin’ny klasika ireny.
Ninina natao ho hetsika manokana ao anatin’ny fankalazana ny faha 50 taona ity seho
ity mba nanasongadinana ny hiram-piderana
eo amin’ny lafiny ara kanto. Amin’ny akapobeny dia vitsy an’isa ny antoko mpihira mihira
ny gadona klasika.
Maro ireo ezaka natao vao tontosa iny
hetsika iny,araka ny filazan’ny tompon’
andraikitra : ny fanazarana ireo ankizy na dia
efa hira fanao daholo aza no natao, ny fandrindrana ny hira miaraka amin’ny violon ary
indrindra ny fandrindrana amin’ny ankapobeny.
Fotoana nentina nanampiana ny fitaizana ny
mpikambana koa ny fotoana tahaka ireny. Tsy
tontosa ny seho raha tsy teo ny fanarahana
ny fitsipika anatiny ifampitondran’ny mpikambana. Tsy tahaka ny hira rehetra tokoa
mantsy ny hira klasika fa mila fanazarana misesy sy fahazarana mihitsy.
Seho miavaka
Naharitra 2 ora ny kaoseritra izay nahitana
Hira 14, ary dia afa-po sy nahazo aim-panahy
raha izay no azo ilazàna azy, ireo olona marobe tonga namaly ny antso. Ity seho ity moa
dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazàna ny Jobily faha-50 taona, izay tsiahivina
fa nisokatra tamin’ny taona 2014 ary hofaranana amin’ny alahady 26 aprily ho avy izao.
Eto am-pamaranana dia tsy hainay ny tsy hisaotra an’Andriamanitra Tompon’ny zavatra
rehetra, nitahy anay ka nahatanterahanay iny
fikasàna tsara iny. Misaotra ireo rehetra niaraka niketrika taminay ka nahalavorary ny
kaonseritra, ny fiangonana Ambohitantely,
ireo mpikambana CA rehetra, ireo mpitendry
zava-maneno, ireo mpikirakira fanamafisampeo, ny mpampianatra hira 3 mianadahy, ireo
haino aman-jery namana, ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ary singaninay manokana
amin’izany
Andriamatoa
ANDRIAMANJATO Ny Hasina mivady.
Ary fisaorana mitafotafo no atolotra anareo
rehetra tonga nanontrona anay ary dia mirary
antsika rehetra Paska feno fiadanana ny Chorale Ambohitantely. Ho an’Andriamanitra irery
ny Voninahitra.
Mbolatahina sy Rindra
SAMPANA DORKASY - « Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay »
« Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, »
Hotanterahina ny Alahady 12 Aprily 2015
amin’ny 2 ora sy 30mn izao eto amin’ny FJKM
Ambohitantely ny hetsika ho famaranana ny
fankalazana ny faha-100 taonan’ny Sampana
DORKASY Ambohitantely.
Ampifaliana arak' izany no hanasana antsika
rehetra hanatrika ilay ANTSAN-KIRAM-PIDERANA izay efa nomanin'izy ireo.
Ny Alahady faha 13 Aprily 2014 teo no nanamarihana ny ivon-jobily, izay nampatsiahivina
tamin'ny alalan'ny hira faneva "Ny hazavanareo" nosintonina tamin'ny tenin'Andriamanitra "Aoka hazava eo imason'ny olona toy
izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny
asa soa ataonareo. Ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra" (Matio 5, 16)
"Zato taona hatrizao, vehivavy nitombandahy, sahy nitondra hazavana, teny soa ji4| GAZETY TANTELY | Aprily 2015
ron'ny fanahy..", io ilay hira raha ampitsiahivina antsika satria hira nampietam-po tokoa...
Fanaon'ny dorkasy ny mandeha mizaha ireo
marary mila vonjy, ny kamboty tsy misy
mpiahy ary manefa ireo adidy maro hafa eny
amin 'ny fiaraha-monina.
Dorkasy miasa ampitiavana, io no tanjon’izy
ireo.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Rindra
EDITO
Ny bokin’i Hebreo no tena maneho amintsika ny amin’ny finoana. Ny Rakibolana
malagasy dia mamaritra azy ho « herim-panahy mahatonga hitoky ny fisian-javatra tsy
hita maso noho ny filazan’Andriamanitra na
ny irany ». Ny Soratra masina kosa dia manambara fa « ny finoana no fahatokiana ny
amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsara » ( Hebreo 11 and.1). Maro ny
ohatra ambaran’ny Soratra masina mikasika
ny finoan’ny olona hahavitany zava-mahagaga tsy takatry ny saina fa na ny « tendrombohitra aza dia mety ho tafafindran’ny
finoana… »
Ambaran’ny Soratra Masina koa
anefa fa misy ny be finoana, toy ilay kapiteny izay hita ao amin’ny Filazantsaran’i
Lioka 8/5-13 ; Fa hoy indrindra ny Tompo ::
« tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany
aho na dia tamin’ny Israely aza ». Misy koa
ny kely finoana izay nahazo kapoka maharary tamin’ny Tompo (Zahao Matio14/31 sy
Matio16/8).. Ny mpianany, akaiky azy indrindra , no voateny mafy tamin’izany.
Mila fitaizana io finoana io, ary fi-
Ny herin’ny finoana
taizana maharitra fa tsy vonjy tavanandro.
Ny Sampana rehetra eto amin’ny Fiangonana dia manao izany ho anton-draharaha.
Isaorana Andriamanitra fa misy vokany
tokoa izany. Hanao ahoana re ny fiainantsika amin’izao toejavatra mahazo ny firenena sy izao tontolo izao izao raha tsy misy
ny Fiangonana hitaiza ny zanany ho amin’ny
Finoana e ? Ny andro Paska toy izao indrindra no hahatsiarovana ny fototra ijoroan’ny
finoantsika Kristianina ny amin’ny famonjena nentin’i Kristy ho antsika teo amin’ny
hazo fijaliana fa resiny ny fahafatesana, tsy
nahatana azy ny fasana, tanterany ary vitany
ny asa nanirahan’ny Rainy Azy !
Vao avy nankalaza ny Jobily faha
50 taona niorenany ny Chorale Ambohitantely. Nahavita ny azy koa ny Fikambanan’ny
Dorkasy tamin’iny taona nodiavina iny ary
mbola eo am-pamaranana izany ankehitriny
ny C.A. Lalan-davitra no naleha. Maro ny sakana sy ny olana nosedraina kanefa tanteraka saika an-tsakany sy an-davany avokoa
izay nokasaina. Raha asaina mijoro ho vavolombelona ireo mpikambana ireo dia ham-
pivoitra ny herin’ny Finoana tamin’ny fanatanterahana ny asa.
Ny Fiangonana manontolo koa, ny
kristianina tsirairay dia miatrika asa goavana, dia ny fananganana ny Tsangambato
hita maso hanamarihana ny faha-150 taona
nijoroan’ny Fiangonana ho vavolombelon’ny
finoany. Mila herim-pinoana izany fa raha
ny toe-java misy toy ny fahantrana sy fahasahiranana isan-tokan-tranon’ny tsirairay
iombonany amin’ny olom-pirenena rehetra
dia ho nofinofy ny fikasana.
Anontanio àry ny tenanao na manana herim-pinoana ianao na tsia. Raha eny,
tezao ny finoanao amin’ny asa tsara. Raha
tsia, havaozy ny finoanao ary iaino mandrakariva ny fanekem-pinoantsika kristianina
iraisantsika amin’izao tontolo izao. Mino
an’Andriamanitra Ray Tsitoha aho!....Raiso
ho anao koa ny tononkiran’i Bessa manao
hoe : “ Ilay Inoako, Andriamanitra Fitiavana!”
RAVALITERA Nalisoa ( Zoky Naly)
Loholona
ISIKA SAMY ISIKA
Zana-paritra Kana - Nifampirarintsoa noho ny taona vaovao
BATISA
08 Febroary 2015
HANITRARISON Sahobiarivelo Felanirina
HANITRARISON Sahobiarivelo Fanirina
FIARISON Fitahiantso Mathieu
15 Febroary 2015
ANDRIANASOLO Hanitriniaina Lucas
RAHARIMALALA Maminiaina Fenosoa
RAHAINGOMALALA Nathacha
01 Martsa 2015
ANDRIAMIRINDRA Toky Ny Aina
MARIAZY
24 Janoary 2015
RAZANATAFIKA Anselme Eddy François
RASOARIMANGA Tatamo Lalaina
Zanaparitra Kana: Nifampirarintsoa noho ny
taona vaovao 2015
Vory lanona ireo kristiana miara-monina ao
amin’ny Zanaparitra Kana ny Sabotsy 21
martsa lasa teo. Tetsy amin’ny tokatranon’Atoa Randriamaharo Mamy sy Hanta
mivady etsy Androhibe Andrianalefy no
nanantontosana ny lanonana tamin’izany.
Tafakatra tany amin’ny zato mahery tany ho
any mihitsy ny kristiana tonga tamin’izany
fotoan-dehibe izany, nahatsapa fa zavadehibe tokoa ny fihaonana toa izao. Vavaka
fisaorana noho ny soa be nandritra ny
taona no nanombohana ny fotoana izay
notarihan’ny Mpitandrina Henitsoa Rakotondrasoa. Narahin’ireo lalao sy fankafahantarana ary indrindra ireo hetsika efa
nomanin’ny mpanetam-paritra izany.
Ankoatry ny sakafo iraisana, izay efa fanao
isan-taona, dia noraisin-tanana ihany koa
ireo ankizy afa-panadinana isam-baraton-
gany (nanomboka tamin’ny CEPE ka hatramin’ny Master), ireo noraisina mpandray fanasan’ny Tompo ary ireo zokiolona nomena
solombody akoho.
Nofaranana tamin’ny fanaovam-bokatra
fanao isan-taona ihany koa ny fotoana, ahazahoana indray ny ho enti-manana amin’ny
adidy sy andraikitra maro ka isan’izany ny
fandaniana rehetra amin’ny fiaraha-misakafo
toy ny fanao amin’izao fiarahabana tratry ny
taona izao.
Nankasitraka sy nisaotra ny tokatrano nandray izany fihaonana voalohany tamin’ity
taona 2015 izany ny rehetra
Ny fivoahana ho any an-tsaha miaraka, io
indray no heverina ho hetsika manaraka
entin’ny mpanentam-paritra hampandrosoana ny zana-paritra Kana…
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
ZP Kana
IREO NODIMANDRY
04 Febroary 2015
Ny Andriana Dr. RAMAHEFANIAINA RATSIIHAH Anselme
18 Febroary 2015
RAVELONJANAHARY RAZAFITSARA Simonnette (Bebe
Neny)vady navelan’ Itpkl RALAMBOMIHOATRA Clément
02 Martsa 2015
Ny Andriana RANDRIAMALALA RAHAMEFY Razafimbelo
02 Martsa 2015
RASOARINORO Esther
12 Martsa 2015
ANDRIANJAFY Désiré Jamson (Loholona)
12 Martsa 2015
RANDRIAMANANA Gabriel Mamy (Diakona— Mpiandry)
23 Martsa 2015
ANDRIAMIHARISOA Ginette Marie Razafy
teraka RAHAJARISON
24 Martsa 2015
RAKOTO Françis Rajoëlisoa
01 Aprily 2015
RAZAFINDRAMIARANA Lala Helisoa
vady navelan’Itpkl RATEFINIERIVO Jean Pierre
Aprily 2015| GAZETY TANTELY |5
TOHO-TANTELY
Il nous a été donné de voir ensemble, et à
travers les différents passages du livre de la
Genèse que tu as lus, comment Dieu a créé
le monde, ce monde dont nous faisons partie. Et tu as certainement relevé qu’au terme
de la « création », Dieu déclare que « tout
ce qu’Il avait fait était vraiment une très
bonne chose .. » Et c’est ainsi que nous
avons été créés, « à sa propre ressemblance » Gen.1 :27. Quelle autre plus grande
preuve d’amour que celle qui consiste à
créer un autre soi-même !
Etant créé à l’image de Dieu qui est Esprit,
l’homme est obligatoirement un être spirituel, et si l’Eternel a créé l’homme pour son
plaisir personnel, c’est pour jouir de la communion avec lui. L’homme n’est pas un animal, il est de la même espèce que Dieu,
sinon il lui serait impossible d’avoir une relation personnelle avec Dieu.
Malheureusement, parmi les créatures divines, il en fut une , d’une beauté et d’une
intelligence extraordinaires, mais « dont le
cœur s’était élevé à cause de sa beauté. »
Parce qu’elle n’était pas satisfaite de son
état, elle voulut être « semblable au Très
Haut , c'est-à-dire prétendre être l’égale de
Dieu, alors qu’elle n’était qu’un ange »,
BON A SAVOIR
C'est prouvé: l'alimentation permet de vivre
mieux, en meilleure santé et plus longtemps.
Pas de restriction mais une alimentation
choisie, ne pas perdre du poids est tout
aussi important : surtout pas de régime aux
environs de 70 ans. Même chez les diabétiques, les restrictions ne sont plus de mise,
seul un régime sans sel, prescrit par le médecin et limité dans le temps peut être envisagé.
Des protéines en
quantité, c’est indispensable: consommer
des protéines en proportion de son poids
est primordial pour
préserver ses muscles
et son immunité surtout à midi. Alors, cap
sur le poisson, la
viande, la volaille et les œufs. Si vous avez
des dents fragiles il faut choisir des plats mijotés, viande hachée, jambon.
Les bonnes idées: ajouter du lait concentré
ou en poudre, hyper riches en protéines
dans les gratins, les purées, les soupes.
Manger régulièrement du porc, du bœuf, du
saumon, du thon, de la morue, riches en
créatinine .La masse musculaire nous maintient droit, nous rend aptes à nous déplacer,
à respirer et à vivre !
Encore faut-il préserver le désir de manger
car la perception du goût diminue avec l'âge
Préserver le plaisir gustatif, c’est vital pour
6 | GAZETY TANTELY | Aprily 2015
Marchons avec Christ (3)
n’ayant rien de divin…(Ezek 28 :3). En cet
instant, il fut précipité, et perdit son intimité avec Dieu.
Bien qu’étant toujours en liberté, pour un
temps, Satan, car c’est de lui qu’il s’agit, n’a
d’autre but que de nous détourner de la vérité de Christ ! C’est pour cette raison que si
le diable est l’ennemi (satan veut dire ennemi) implacable de Dieu, il est aussi notre
ennemi ! Seul le Christ nous donne une
image juste de Dieu .
Et depuis que les premiers hommes,
Adam et Eve , ont connu le péché, poussés
en cela par Satan, nous continuons à subir
chaque jour, les assauts du mal sous toutes
ses formes, parfois inattendues. et souvent
sans que nous en ayons conscience. Donc le
mal est en nous, tapi au fond de notre être,
n’attendant qu’un moment de faiblesse de
notre part pour nous dominer ! Malheureusement, le « Monde » qui nous entoure, se
laisse trop souvent tromper par les artifices
proposés par Satan, artifices dont le seul
objet est de nous éloigner de la Vérité du
Christ.
En terminant , et pour t’aider à mieux
comprendre et bien mesurer l’importance
du combat que nous devons mener à chaque
Mieux manger pour bien vieillir
préserver l'envie de se nourrir, il faut donc
prêter une grande attention à l’hygiène buccale : ne pas fumer, se faire plaisir avec des
recettes pleines de saveurs, utiliser les
herbes odorantes, ou la vanille, prendre les
repas à plusieurs. La solitude tout comme la
précarité financière est un obstacle à l'équilibre nutritionnel.
Prendre quelques repas
avec son papa ou sa
maman, avec ses
grands-parents, c’est sûrement la meilleure
façon de leur permettre
de bien manger mais, les
personnes âgées peuvent aussi adhérer à un
club ou association pour
être moins seules.
RECOMMANDATIONS
Fruits et légumes : au moins 5 par jour
Pain, céréales, pomme de terre, légumes sec:
à chaque repas, à volonté
viande, poisson, œufs: 1 ou 2 fois / jr
Matières grasses: à limiter, privilégier huiles
végétales comme olive, noix, tournesol
Produits sucrés: à limiter, privilégiez-les au
moment des repas
Sel : à limiter, préférer le sel iodé,
Eau: min 1, à 1, 5 l/ jr, plus en cas de canicule
Activité physique : 30 mn de marche rapide
chaque jour ou équivalent.
A. Monique
instant de notre vie, je te conseille vivement
de lire la lettre adressée par l’apôtre Paul
aux chrétiens de Rome à l’époque dans Romains 7 :15 à 25.
En ce jour de Pâques, nous célébrons la
victoire remportée par Christ sur le monde.
Une victoire remportée au prix de sa vie
d’homme . Bien qu’étant Dieu lui-même, Il
a pris à son compte tous nos péchés, pour
être sacrifié sur la croix à notre place . Et
c’est ainsi que Jésus a vaincu le diable .
Marcher avec Jésus, c’est vivre selon la foi
et non avec notre intelligence, et la foi s’acquiert et grandit lorsque nous nous référons toujours à la Bible. (Rom. 10 :17)
Prenons aujourd’hui la résolution d’approfondir nos connaissances de la Parole de
Dieu ; ainsi notre foi grandira automatiquement et nous grandirons spirituellement.
A Bientôt, et à Dieu seul la Gloire !
P.S. Tu sais qu’il t’est possible de télécharger aussi la Bible dans ton portable . C’est
pratique, et cela te permet de te rapprocher
encore plus de Dieu, à travers sa Parole, qui
serait à portée de main…
David et Micheline Rajoharison
Pâques : résignation ou espérance ?
Marc 16:16-18
Il faut bien dire un dernier adieu à celui en qui
elles avaient tant espéré. Jeter un dernier regard et la reprendra son cours, avec au fond du
cœur un peu de nostalgie et une grande désillusion.
Et voilà qu’en face du tombeau, tout est bouleversé. Elles étaient résignées. Elles étaient venues embaumer un mort, rien de plus. Et tout
à coup, c’est l’incroyable parole qui retentit «
le crucifié, il n’est pas ici, il est ressuscité ».
Elles entendent, regardent et plus rien ne
compte que l’invraisemblable réalité de Dieu.
Alors c’est la déroute, elles sont épouvantée,
abandonnant les inutiles aromates. S’il y a une
certitude dans la vie, c’est bien qu’il faille
mourir. Or cette certitude est balayée, elle
s’écroule en quelques secondes. Les femmes se
trouvent en face du Dieu vivant, du Dieu qui
triomphe là où la mort règne de façon visible
et incontestée : dans une tombe.
La déroute des femmes au matin de Pâques,
c’est la déroute de leur incrédulité devant le
triomphe de Dieu. C’est Dieu qui a le dernier
mot, le dernier mot avec notre vie qui ne veut
pas de lui, le dernier mot avec le mot trop souvent notre complice et notre maîtresse.
La déroute de notre certitude de la mort, cet
écroulement de notre confiance en la mort,
c’est le début de la foi chrétienne.
Christ est ressuscité est plus fort que notre
péché, il brise la prison de la mort qui nous enferme. Il est le seul maitre auquel il vaille
obéir. Le servir, c’est être des hommes nouveaux non plus des hommes de notre mort
mais des hommes de notre vie. Il est bon que
toutes nos fausses assurances s’écroulent devant la puissance de la résurrection.
Pasteur Edmond Andrianarivony
VOAN-TSAMPANA
Zana-paritra Galilia - Fihaonana tamin’ny Mpitandrina
Avy tany Suisse dia nandalo teto Frantsa
andro vitsivitsy ny Mpitandrina Rakotonavalona Maholy, ary nihaona tamin’ny Zanaparitra Galilia.
Tao an-tokatranon’Andriamatoa Ranaivoson
René mivady, Paris 12ème, no ambohim-pihaonana.
Betsaka ny nanatrika ny fivoriana, na dia somary tampoka aza ny fiantsoana.
Fiaraha-mivavaka narahina fiaraha-misakafo
sy fifanakalozam-baovao no votoatin’ny fotoana.
Tao anatin’izany koa no nanoloran’ny Zanaparitra Galilia ny ampahany voalohany amin’ny anjarabiriky fanorenana ny tsangambaton’ny
faha-150 taona avy amin’ny Zanak’Ampielezana Ampitandranomasina.
Isaorana ny Fiangonana sy ny Mpitandrina, mahatsiaro mamangy sy mampahery anay aty
an-tany lavitra, saika isan-taona.
Ireto misy sarisary vitsivitsy raki-pahatsiarovana izany fihaonana izany.
Ny Filoha : RAOELIMINO Zamy
Ny Mpitantsoratra : RANDRIANOELINA Nyaina
Dihy Tantely
10 taona nijoroana ny rantsana Dihy Tantely
Hanokatra ny fankalazana ny faha-folo taona nijoroany teto amin'ny fiangonana Ambohitantely ny
rantsana Dihy Tantely amin’ity taona 2015 ity.
Rantsana iray mampiasa ny talentan’ny dihy eo
anivon’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) ny
rantsana Dihy Tantely ka ny tanjony dia ny hitarika
ny olona rehetra hidera an'Andriamanitra amin'ny
alalan'ny dihy araka ny filazantsara salamo 149 :
3a manao hoe “Aoka hidera ny anarany amin’ny
dihy izy sy hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga”.
Isaky ny alahady faha-roa sy faha-efatry ny volana amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no fo-
SEKOLY ALAHADY - Krismasy zana-paritra
“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio
ao an-tanànan’i Davida , dia Kristy
Tompo.” (Lioka 2:11)
Alakamisy 22 Martsa 2015 teto amin’ny
FJKM Ambohitantely no daty nosafidian’ny
zana-paritra ao anaty fitandremana dimy ho
fankalazana ny Krismasy zana-paritra.
Fiangonana Ambahadimitafo, Avaratr’andohalo, Ambanidia, Andrainarivo ahitana
mpandray anjara 225 nanomboka teo
amin’ireo ankizy 3 taona ka hatramin’ny
mpampianatra no nanome Voninahitra
an’Andriamanitra tamin’izany fankalazana
izany.
Ny fankalazana Krismasim-paritra moa dia
isan-taona no nanaovana izany nandritra ny
8 taona nijoroany. Ny tanjona dia ny firaisaina sy fiombonan’ny Sekoly alahady ao
anaty zana-paritra. Anisan’ny hetsika iray
ifankahalalàn’ireo Fiangonana amin’ny faritra ambony ary ifanakalozana traikefa ny
fankalazana ny fahaterahan’ny Tompo.
Ankoatr’izay koa anefa dia misy ireo hetsika
hafa izay karakarain’ny synodam-paritany
toy ny fifaninana Soratra Masina, vako-drazana ka ho fanamafisana ny firaisana sy
fiombonana no anton’izao famerenana ny
Krismasy amin’ny volana Martsa toy izao.
Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity
satria dia nifameno avokoa ireo fampise-
hoana nataon’ny fiangonana tsirairay avy. Fifaliana manaka-danitra ny fankalazana satria
dia nampisehoan’ireo zaza madinika fa babon’i Jesoa avokoa izy ireo ary tena fitiavana
ny Tompo no anton’ny fandraisana anjara
mavitrika. Ny mpampianatra rehetra avy ao
amin’ny fiangonana FJKM avaratr’Andohalo
nanome ohatra velona amin’ny fiangonana
fa tsy manavaka taona ny fiderana sy fankalazana ny nahaterahan’nyTompo. Tamin’ny
alalan’ny tantara fohy ny asa nataon’izy ireo
an-davanandro no nampisehoana fa tsy
vanim-potoana fanararaotana ny fety akory
fa fotoan-dehibe iray hanehoana ny fitiavan’ny Tompo amin’ny fiainana an-davanandro.
Manome fotoana antsika Sekoly Alahady indray amin’ny herintaona toy izao e!
Yda Randrianarivelo.
toana hiarahan’ny mpikambana manao famerenana ao amin'ny Akany Andriamanjato.
Ny Dihy Tantely dia niforona nanomboka tamin'ny taona 2005 araka ny fanirian'ny Mpitandrina Andriamanjato Richard tamin’izany fotoana
izany. Ho fanomanana izany fankalazana izany indrindra no hanaovana hetsika fitadiavam-bola fivarotana chocolat anio Alahadin'ny Paska 04
Aprily izao izay azo raisina amin`ny vidiny 5000Ar
izay hanasanay antsika rehetra tsy ankanavaka
mba handray anjara.
Miora Ismael sy Jocelyn
Zana-paritra Jerosalema
“…fa mifaly amin ‘Andriamanitra isika
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana
ankehitriny.” (Romana 5:11)
Notontosaina ny asabotsy 28 martsa tolakandro
lasa teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona
2015 sy firarian-tsoa teto anivon’ ny Zaparitra Jerosalema.
Nisy ny fotoam-bavaka izay notarihan’ ny Mpitandrina Andriamarosoa Manoa, ary narahina tatitra
sy ny filazam-baovao izany. Izany rehetra izany dia
nofaranana tamin’ny koranam-pianakaviana sy
fiombonana tamin’ny alalan’ny mofomamin’ny
taombaovao. Amin’ ny volana jona indray no fihaonana manaraka, izay hapetraka feno hatrany
eo ampelantanan’ny Tompo.
Aina R.
Aprily 2015| GAZETY TANTELY |7
Fanorenam-piainana marina
« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa
afa-tsy izay natao, dia i Jesoa Kristy »
(1Kor3 :11)
Fiangonana nahitana fifampiandaniana ny tao
Korinto izay niantefan’ny taratasin’i Paoly Apostoly. . Vokatr’izany fifampiandaniana izany, dia ny
maha olona no toa nanjary nisongadina sy natao
ho zava-dehibe tao amin’ny Fiangonana. Araka
izany dia tonga takona i Jesoa Kristy, Ilay Lohan’ny Fiangonana, Ilay Vatofehizoro, Ilay Fanorenana tokana mampaharitra ny Fiangonana ho
mandrakizay. Raha nananatra ny Korintiana i
Paoly tao amin’ny episitiliny, dia nanamafy fa tsy
misy fanorenana afa-tsy i Jesoa Kristy, raha ny
Fiangonana no resahina.
Araka ny fanazavan’i Paoly dia toy ny manorina
trano anankiray ny fitoriana an’i Jesoa Kristy sy
ny famonjeny izao tontolo izao. Raha nanomboka
ny fanorenana i Paoly, ireo taty aoriany kosa dia
tsy tokony hanao fanorenana hafa noho izay efa
natomboka. Toy ny amin’ny fanorenan-trano, dia
izay akora nanombohana ny fanorenana tany amboalohany ihany no tokony anohizana ny fanorenana hatramin’ny farany.
Raha rafitra biriky, ohatra, no nanombohana, dia
tohizana rafitra biriky ; raha rafitra hazo dia tohizana amin’ny hazo : raha i Jesoa Kristy no nanombohana ny fanorenana, dia tohizana amin’i
Jesoa Kristy hatrany izany, fa tsy tovonana zavatra hafa. Toy ny hoe tsy misy olona manorina
trano amin’ny biriky aloha amin’ny rihana voalohany, dia manohy izany amin’ny hazo indray
amin’ny rihana faharoa, ary manohy izany indray
amin’ny vato amin’ny rihana fahatelo. Raha izany
mantsy dia tsy hateza, ary hasehon’ny fotoana sy
hotsarainy ny hateza sy hamafin’izany fanorenana izany.
Araka izany, raha misy manao fampianarana hafa
TOHO-TANTELY
ankoatra an’i Jesoa Kristy ho fanohizana izay efa
natombok’i Paoly, dia hipoitra amin’ny fotoana
voatondro ihany ny tsy faharetan’izany fampianarana hafa izany. Sarotiny i Paoly tamin’izany resaka fanorenam-piainana ao amin’i Jesoa Kristy
izany. Kanefa raha zohintsika ny tantara, dia tsy
izy ihany, fa Andriamanitra mihitsy no sarotiny
tamin’izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany.
Tsaroantsika ve i Jesoa Kristy tezitra tamin’ireo
mpivarotra sy mpanakalo vola teo amin’ny kianjan’ny Tempoly ? Eny, nisy tokoa ny fanararaotana sy ny fanambakana tao ka nahatonga ny
olona ho voasakana tsy hihaona amin’Ilay Andriamanitra manome Fiainana. Nahasarotiny an’i
Jesoa Kristy ny famadihana ny fanaovana fanatitra ho zary fangoronan-karena ho an’ireo mpivarotra sy mpanakalo vola, izay nampiakatra be ny
vidin’ny biby fanao fanatitra sy ny sandan’ny vola
jiosy fampiasa tao amin’ny Tempoly. Sarotiny i
Jesoa satria niteraka fiavahana sy fanavahana teo
amin’ny sokajin’olona tsy nitovy ara-pivelomana
izany, ary tonga sakana ho an’ireo nahantra tsy
hanompoany an’Andriamanitra tao amin’ny
Tempoly aza.
Kanefa tsy mijanona teo amin’ny lafiny ara-bola
ny fahatezeran’i Jesoa Kristy fa nipaka lalindalina
kokoa, dia hatramin’io resaka fanorenam-piainana io mihitsy. Andriamanitra namoha malalaka ny varavaran’ny Tempoly mba
hanompoan’ny olon-drehetra Azy, eny, hatramin’ny olona hafa firenena aza (jereo Isaia 56 : 68), mba hahalalan’ny olona rehetra
an’Andriamanitra ka isafidianany Azy ho Ilay Fanorenana tokana maharitra mandrakizay, Ilay nisiam-piainana ka manome izany koa
maimaim-poana ho an’ny olona rehetra.
Ny zava-misy, anefa, dia nanjakan’ny vola, ny fanavakavahana, ny fitiavana tombontsoa mano-
kana… ny Tempoly ; dia zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra no sady tsy maharitra. Hentitra i Jesoa Kristy, noho izany, fa tsy tokony hisy
zavatra hafa hanjaka ao amin’ny Tempoly, zavatra hafa izay hampivilivily ny olona tsy hifantoka
amin’ilay Tena Fiainana maharitra, dia Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy.
Tian’i Jesoa Kristy hifoha tamin’ny torimasompanahiny ny Jiosy tamin’ny alalan’ny fihetsika nataony, mba tsy ho diso fanorenana izy ireo ka ho
tafalatsaka ao amin’ny fahazarana nampandry
adrisa fotsiny : nanao fanatitra, nanakalo vola, nividy biby atao fanatitra, nitondra an-tampondoha ny Didy Folo sy ny Lalàna jiosy, nanameloka
sy nanenjika ireo izay tsy nahafeno ny fepetra takin’ny lalàna … fa mba hisokatra amin’i Jesoa
Kristy kosa ny masony sy ny fony mba hinoany fa
i Jesoa no Kristy, ary Izy no Fanorenana Tokana.
Ho antsika efa mino sy mahalala fa i Jesoa no
Kristy, Ilay Mesia Voahosotr’Andriamanitra, Ilay
Mpamonjy izao tontolo izao, ka hany làlan-tokana ahazoana fiainana be dia be sy maharitra
mandrakizay, ho antsika izay efa miara-paly noho
ny Paska Fiainana omen’ny Tompo, andeha isika
tsy ho variana amin’ny zavatra mety hampandry
adrisa amin’ny fanompoana Azy, andeha tsy hanaiky ho jambenan’izay heverintsika ao amin’ny
saintsika maha olombelona ho toa marina. Fa andeha kosa isika hisedra ireny amin’ny finoana
marina an’i Jesoa Kristy ka hamantatra hoe ahazoantsika ilay Fanorenam-piainana marina mandrakizay ao Aminy ve ireny sa sanatria
fitsinjovantsika fanorenana mandalo sy tsy maharitra ety amin’izao tontolo izao, noho ny fisainan’olombelona ihany.
SOLI DEO GLORIA.
ANDRIAMAROSOA Manoa, Mpitandrina
“Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty” (Fil. 3:10)
Tenin’ny Apostoly Paoly fanta-daza eo anivon’ny kristiana, ny fiangonana, no mialoha
ity teny noraisina ity, dia ny amin’ny fanaovany “ho fatiantoka ny zavatra rehetra noho
ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i
Kristy Jesosy Tompony” (and.8), ka izay
atao hoe fahafantarana an’i Jesoa sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty no vokatr’izany.
Nafoin’i Paoly avokoa izay mety ho reharehany rehetra amin’ny maha-olona, izay tsy
maiva-danja akory anefa: ny amin’ny firazanany, ny fahaizana, faratampony angamba
aza tamin’ny androny, ny maha-jiosy mpivavaka tsara azy, ny fahamarinany manoloana
ny lalàna sy ny olona koa, ary zavatra hafa,
izany hoe izay faniry tokoa na ho an’iza na
ho an’iza, sady maha-te hanana. Natakalony
ilay hitany fa hany azo hireharehana satria
manoatra lavitra sy mihoa-pampana, tsy azo
ampitahaina amin’izany rehetra izany, mahatonga ireo rehetra ireo ho zava-tsinontsinona, “taimboraka” (and.8) aza hoy izy,
fakofako sy zavatra tsy misy dikany. Izany
no fahatsaran’Ilay ankalazaintsika amin’izao
8 | GAZETY TANTELY | Aprily 2015
Paska izao, dia i Jesoa.
Ilay nijaly sy maty nitondra ny fanamelohana tokony ho ahy sy ho anao, noho ny fahotantsika, ka ananako, anananao
fahamarinana manoloana an’Andriamanitra, fahamarinan’Andriamanitra aza. Saingy
tsy izany ihany! Fa mba hahafantarantsika
an’i Jesoa sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty koa… Firifiry amin’ny mino
voavela heloka sy nohamarinina no mahafantatra an’i Jesoa tahaka ny nahafantaran’i
Paoly Azy, ka mamery ny zavatra rehetra,
mainka moa fa ny nofony, satria manandrana sy mahita ny fahatsarany tsy manampaharoa? Iza amiko sy aminao, izay
natsangan’Andriamanitra ho zanaka tao
amin’i Jesoa no miaina ny herin’ny fitsanganany amin’ny andavanandrom-piainantsika,
ka vonjeny amin’ny fahavelomany eo
amin’izay toe-java-misy amintsika rehetra?
Raha hazavaina izany dia hoe hita ao aminao, n’aiza n’aiza na oviana na oviana, fa
maty tamin’ilay maha-nofo anao tokoa
ianao, efa fahavelomana hafa, dia ny an’i
Jesoa tokoa no hahavelomanao. Ny toetrao
efa voatelina sy voasaron’ny Azy: manjary
ohatra amin’ny fitiavana, ny faharetana, ny
fahalemem-panahy, ny fahadiovana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fanaovan-tsoa, ny fahamarinana,... Firy no olona fantatrao
tahaka izany? Tena vitsy, eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, mety ho
iray na roa, eny, eo anivon’ny fiangonana sy
ny sehatra kristiana hafa koa aza! Ary nahoana moa no tsy ho izaho, no tsy ho ianao?
Fa izany no anton’izao Paska izao, ny nahafatesan’i Jesoa ho antsika: ny hahafantaranao ny herin’ny fitsanganany.
Dia ho hitanao ny fihoaran’ny fahatsarany,
hohamarininy aminao fa tsy diso ianao nanakalo sy namoy ny zavatra rehetra noho ny
Aminy. Fitahiany, fahasoavany, fiadanany,
izay mihoatra ny fahalalana sy azo heverin’ny saina rehetra no hanampiny ho anao:
hahavelomanao satria velona Izy.
Tsy zavatra hafa noho izany no antom-pifaliana amin’izao Paska izao!
RAKOTONDRASOA Henintsoa, Mpitandrina
ILO MBY AN-DOHA
Ambohibemasoandro
Ambohibemasoandro dia tanàna iray sahabo eo
amin ny 35 km raha miala eto Antananarivo raha
mianavaratra mihazo ny lalam-pirenena faha-3,
mankany Anjozorobe. Roa na telo km eo antsinanan’ Ambohitrolomahitsy no misy azy. Tanàna
manan-daza amin ny Mandiavato izy.
Mandiavato dia lazaina ho fito reny, tsy hanimbodihena. Zanakitapanga, sampana iray amin ny
Zanakandrianato (iray amin ireo fokon’ ny Mandiavato) ny mponina ao Ambohibemasoandro.
Voahodidina hadivory roa sosona ny Tanàna,
samy misy vavahady vato tranainy. Andrianony I,
raiben’Andrianony mpitandrina teto Ambohitantely no loholon’ny Mandiavato novantanin’Andrianampoinimerina tao
Ambohibemasoandro, ary isan’ireo nanolo-tsaina
azy raha nanorina fanjakana izy.
Nanome toky azy Andrianony I, nanao hoe: “Matokia marimarina ialahy, fa azoko antoka ny hampanaiky an’i Mandiavato raha ialahy no hanjaka”.
Dia nanao lokan’ady teo izy ireo (fanampin’ilay lokan’ady lehibe tany Ambohimanga), hampanjaka
an Andrianampoinimerina sy hanongana an’Andrianjafy. Mbola mitsatoka eo amin’ny valamena
afovoan-tanàna ankehitriny ny orimbato nataony
tamin’izay.
Noho izany dia tonga olona tian‘Andrianampoinimerina i Andrianony I, ka nomeny lohombitany
teto Antananarivo nony nanjaka teto izy.
Miorina eo amin’ny afovoany ny Tanàna, ary misy
lohasaha mahavokatra. Isan’ny be tanimbary indrindra amin’ny faritr’i Mandiavato izy. Andrianampoinimerina no nanome ny anarana hoe:
Ambohibemasoandro. Raha sendra nandalo izy
indray takariva mena masoandro, ka nivily tao, ary
tsy nahita vatan-dehilahy, dia hoy izy: “Fa nankaiza
Midadasika ny lohasaha ao Ambohibemasoandro
ny vatan-dehilahy no hianareo vehivavy foana no
eto?”. Dia hoy ireo “Mbola miasa any an-tsaha izy
tompoko”. Talanjona ny Ombalahibemaso: “Efa
ho faty masoandro nefa mbola miasa any antsaha hiany! Be masoandro hianareo izany! Dia
ataoko Ambohibemasoandro no anaran’ity Tanàna ity”.
Ambohibemasoandro dia fihavian’ny mpahay
taozavatra sy asa Tanana kanto. Toy izany Ramangetrika, lahimatoan-dRazokinimagetrika, ary zafihafin’Andrianony I : efa nahay nandrendrika
tafondro, nahavita katirijy (cartouche), nanao bakoly (lovia ,sns…).
Isan’ny mampiavaka ny terak’Ambohibemasoandro koa ny mariky ny rihana sy ny polipitra, ny takela-bato misy soratra tsara tarehy eto amin ny
fiangonana Ambohitantely, sy any amin’ny sekoly
Sary : Anjaratiana RAHAMEFY (Flickr)
maro ny lakolosy any amin ny fiagonana sasany,
ny hira tiam-bahoaka betsaka, ireo biby amamborona voasesika naranty tao Anatirova, mbamin
ny sary tsara tarehy…
Marihina fa Rainitrena (rain-dRatrenanony, izany
hoe Dokotera Rahamefy), ary zafin’Andrianony I,
sakaizan’Andrianampoinimerina, no mpitandrina
voalohany teto Ambohitantely. Ny Mpitandrina
faharoa kosa dia Andrianony 2 rahalahin-dRamangetrika. Noho ny fitahian’ny Tompo sy ny fahasoavany dia maro ireo
taranak’Ambohibemasoandro no mbola miombom-bavaka eto Ambohitantely mandrak’ankehitriny.
Aina Rajoharison
Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy : Jobily roa sosona Randriamora Max Mpitandrina,
mankalaza Jobily
Taona sarobidy ity 2015 ity ho an’ny Fikambanana - 21 Jona: Ivon’ny Jobily
Mampiely Baiboly Malagasy ( FMBM) noho ny fankalazana ny faha-180 taonan’ny nahavitana printy
ny Baiboly Malagasy voalohany sy ny faha-50
taona nijoroan’ny FMBM.
Mpialoha làlana ny Baiboly raha ny soratra sy ny literatiora amin’ny teny malagasy no resahina. Tsy
amin’ny maha-boky azy ihany anefa fa mpialoha
làlana rehateo koa izy noho ny asany sy ny fiantraikany eo aminny fiainan’ny Malagasy.
Araka izany dia mendrika indrindra ny hankalazàna
amin’ny fomba miavaka ny vanim-potoana toy
izao.
Notanterahina ny Alahady 8 Febroary ny fotoampanokafana. Hisy hetsika maro hafa hotanterahina
ho fanamarihana io Jobily roa sosona io : hetsika
ho an’ny tanora, famelabelaran-kevitra, fampirantiana, ary fanompoam-pivavahana. Indreto misy
daty vitsivitsy tsara ho fantatra :
- 20 - 24 Avrily: foaram-boky lehibe hatao eo
aminny Esplanade
Antaninarenina
- 09 May: androm-bavaka ho an’ny Fikambanana
Mampiely Baiboly Eran-tany homarihina amin’ny
hetsika manokana ho an’ny tanora.
- 17-18-19-20 Jona: fivoriambe faha-25 ho an’ny
FMBM
- 19 - 25 Jona: fampirantiana momba ny Baiboly
ao aminny Tahala Rarihasina
- 13 Desambra: famaranana ny fankalazàna
Tiana ny manamarika fa ny ho tsangambaton’ity
Jobily roa sosona ity dia ny fanaganana ny trano
foiben’ny FMBM eo Antaninarenina. Trano izay efa
tranainy sy tena simba ka mila fanarenana haingana.
Ankoatra ny fiatrehana ireo hetsika samihafa ireo
moa dia mitohy hatrany ny asa fandikan-teny sy
fampielezana ny Baiboly ary ireo tetikasa samihafa
tanterahinny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.
Pasteure Brigitte Rabarijaona
Hankalaza an’Andriamanitra noho ny ny jobily fisotron-dronono sy ny faha-40 taona
naha-mpitandrina azy amin’ity taona 2015
ity Atoa RANDRIAMORA Max mivady. “Fa
hoy Jehovah tamiko, Aza manao hoe: Mbola
zaza aho, fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay reherta handidiako anao no hambarao” (Jer.1/7): io no
teny nofidiana ho fankalazana izany andro
manan-tantara izany. Ny Mpitandrina RANDRIAMORA Max no isan’ny Mpanorina ny
Synodam-paritany faha-37 tany ampitandranomasina (La Reunion, France, Suisse,
Canada).
Ny Asabotsy 18 Aprily 2015 izao, no hanamarihana izany ka hisy ny fanompoam-pivavahana etsy amin’ny FJKM Analakely
amin’ny 9 ora maraina ary etsy amin’ny
Akany Soafonenako Mandrosoa Ivato kosa
no hiara-misakafo. Mbola misy ny tapakila
ho an’ireo izay mbola tsy nandray anjara.
Ny 19 avril kosa, am in’ny10 ora maraina, no
hisy fotoam-pivavahana iarahana amin’ny
fiangonana FJKM Ambohitantely entina hanamarihana izany fotoan-dehibe izany.
Aprily 2015| GAZETY TANTELY |9
Ireo nanamarika ny volana vitsy lasa teo
Seho Klasika, Chorale Ambohitantely : Rahoviana indray e?
Mofomamy Taombaovao...Zana-Paritra Gosena
Mandroso tsara ity asa ity. Isaorana ny Tompo.
Sary nangonin’i Lova Robson
Ny Katekomena Andia Mendrika, 2015
Kana kely : ny hoavin’ny Zana-paritra Kana ireo an !
10 | GAZETY TANTELY | Aprily 2015
Tànana amin’ny lohaliky ny namana...TTK ‘zany

Similar documents

Fanoroan

Fanoroan tsy afahan’ny lalitra mandalo. Fidio izay mety aminao : 30-40 cm

More information

faharetan` ny tetik`asa? - Conservation International

faharetan` ny tetik`asa? - Conservation International eny fa na dia ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany toy ny QMM / Rio Tinto sy Sherritt (Tetikasa Ambatovy) aza, no nanao fanandramana momba ny fambolena karazanjavamaniry zanatany. Ary ...

More information