faharetan` ny tetik`asa? - Conservation International

Transcription

faharetan` ny tetik`asa? - Conservation International
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
LISITRY NY FANAFOHIZAN-TENY
ANAE
Association Nationale d’Actions Environnementales
CFPF
Centre de Formation Professionnelle Forestière
CI
Conservation International
CIREF
Circonscription Régionale de l’Environnement et des Forêts
ESSA
Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques
FOFIFA
Foibe Fikarohana momba ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra
Ha
Hektara
MATE
ONG l’Homme et l’Environnement
MEFT
Ministère de l’Environnement, des Forêts et du Tourisme
MNP
Madagascar National Parks
OIBT
Organisation Internationale des Bois Tropicaux
ONGs
Organismes Non Gouvernementaux
RPF
Restauration de Paysages Forestiers
SAF/FJKM
Sampan’Asa Fampandrosoana/Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara
SNGF
Silo National de Graines Forestières
TAMS
Tetikasa Mampody Savoka
UICN/IUCN
Union Internationale pour la Conservation de la nature
USAID
United States Agency for International Development
VAM
Vascular Arboscular Mycorrizae
WWF
World Wildlife Fund
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
FANOROAN-TAKILA
1. TARITENY..................................................................................... 1
2. FANOLORANA NY TOROLALANA ........................................................... 1
3. TSARA HO FANTATRA MOMBA NY FANARENANA ATIALA ............................ 2
3.1 Fahalalana momba ny “fanarenana endritany rakotra atiala” ..................................................... 2
3.2 Fiteny vitsivitsy manodidina ny fanarenana atiala ....................................................................... 2
4. SORIDALANA MIKASIKA NY FITONDRANA NY FANARENANA ATIALA ............. 3
4.1 Fandrafetana......................................................................................................................................... 4
4.1.1 Famantarana sy famaritana ny toerana hisian’ny fanarenana ............................................ 4
4.1.2 Famaritana ny firaisan-tontoloiainana harenina ................................................................... 4
4.1.3 Fanoritsoritana ny ara-piarahamonina sy ara-toekarena ................................................... 5
4.1.4 Famantarana ny tarigetra sy ny tanjon’ny tetikasa fanarenana ....................................... 6
4.1.5 Fametrahana ny vokatra andrasana ........................................................................................ 6
4.1.6 Famantarana ny mpandray anjara ............................................................................................ 7
4.1.7 Famantarana ireo karazana asa (fiasa ara-teknika) ............................................................ 7
4.1.8 Fijerena ny olona sy ny fitaovana ilaina.................................................................................. 8
4.1.9 Famantarana ny enti-manana ara-bola sy ny fandaniana .................................................... 8
4.1.10 Fanisana ny tombontsoa omen’ny tetikasa fanarenana...................................................... 9
4.1.11 Faminavinana ny faharetan’ny tetikasa ................................................................................. 9
4.1.12 Fametrahana ny fomba fiasa sy ny fizotran’ny fanarenana ........................................... 10
4.1.13 Fametrahana ny fandaharampotoan’ny asa ........................................................................ 10
4.1.14 Fametrahana lamina fanarahamaso sy tomban’ezaka ...................................................... 10
4.2 Fanatanterahana ................................................................................................................................ 13
4.2.1 Fikarakarana ny toerana sy ny enti-manao .......................................................................... 13
4.2.2 Fepetra fanampiny ................................................................................................................... 16
4.3 Fanarahamaso sy tomban’ezaka ...................................................................................................... 18
4.3.1 Fametrahana toerana fanarahamaso maharitra ................................................................. 18
4.3.2 Fanatanterahana ny lamina fanarahamaso sy ny tomban‘ezaka ...................................... 18
5. OHATRA MIVAINGANA ......................................................................................................................... 19
6. RAKI-TAHIRIN-KEVITRA ..................................................................................................................... 22
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
DIKAN-TENY
« Fitantanana vohitra »
“Gestion du terroir”
«Mifantoka amin’ny firaisan-tontoloiainana »
“Par écosystème”
Akora azo avy amin’ny zava-mananaina
Matière organique
Ambaratongan’ny endritany
Echelle du paysage
Anona
Facteurs
Endritany
Paysage
Famitsiana
Dépressage
Fanarenana atiala
Restauration forestière
Fepetran’ny fahombiazana
Standards de performance
Firaisan-tontolo iainana
Ecosystème
Fomba fiasa « sivana roa sosona »
Approche « double filtre »
Foto-tahony
Collet
Haiaina
Biologie
Karazantany
Type de sol
Mpihazaka
Acteurs
Ny lamina fanaraha-maso
Plan de suivi
Sori-kisarintany
Topographie
Tompon’ antoka/Mpandray anjara
Acteur
Tondro hanaraha-maso
Indicateurs de suivi
Voaary fitaratra
Ecosystème de reference
Zanapehintany
Tropique
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
1. TARITENY
Eo anivon’izao tontolo izao, na dia manana sanda sarobidy ho an’ny olombelona aza ny atiala, dia
mihoatra ny 50 isan-jaton’ny rakotr’atiala eran-tany tamin’ny fiandohana no efa tsy hita intsony
(WWF, 2005). Teo anelanelan’ny taona 1990 sy 2005 ohatra dia hita fa mahatratra 8 tapitrisa
hekitara isan-taona eo ho eo ny atiala simba sy very (FAO, 2007).
Raha ny zanapehintany no resahina dia fantatra ihany koa fa nanova endritany maro ny
fahasimban’ny atiala. Ary ankehitriny dia 42 isan-jaton’ny rakotr’atiala sisa tavela no mbola
vondron’atiala mifanila. Vokatr’izany, atiala mahatratra 830 tapitrisa hektara aty amin’ny faritry
ny zanapehintany dia atiala mitsitapatapaka avokoa (OIBT/UICN, 2005).
Noho ireo tranga ireo, tato anatin’ny 20 taona izay, dia nitombo hatrany ny ahiahy sy ny
fitodihana amin’ny fahasimban’ny atiala eran-tany. Teraka ny eritreritra santatra maro
hamadihana io fironana io sy hamolavolana tetikady sy fiasa ho fanajariana maharitra ny atiala.
Anisan’izany ny fisafidianana ny fomba fiasa « fitantanana maharitra » sy ny « fiarovana ny
atiala » izay mikendry ny hampihena ny fahasimbana sy ny faharatsian’ny harena ao anatiny. Noho
izany, maro no nirona tamin’ny famoronana tambazotram-paritra arovana ka anisan’ny tetikady
iantohana ny fifandraisan’ireo vondron’ala mifanila ny fanarenana ny atiala sy ny harena ao
anatiny.
Ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy miala amin’io voalaza io. Ny fiarovana ny firaisantontoloiainana sy ny harena voajanahary manko dia lasa anisan’ny vaindohan-draharaha eo amin’ny
Fanjakana Malagasy fa indrindra ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala. Izany dia nohon’ny
fahitana fa tsy mitsahatra mihavery ny harena voajanahary nohon’ny fahasimban’ny atiala: raha
10 746 403 ha ny rakotr’atiala ny taona 1990 dia nihena ho 9 294 237 ha kosa izany ny taona
2005 (MEFT, USAID & CI, 2009).
Noho ireo olana ireo ary dia nambara fa ny fampitomboana ny fifampitohizan’ny vondron’atiala
tsirairay avy eran’ny Madagasikara, indrindra amin’ny faritra misy ireo zavamananaina mila
fiarovana manokana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, no fanoitra lehibe indrindra hahafahan’ny
tontolo iainana manana fanoherana. Ny tanjona lehibe mifandraika amin’izany moa dia ny
famolavolana tetikasa hahafahana mitazona sy mamerina ny fifampitohizan’ny vondron’atiala ary
mampihena ny tsindry mihatra aminy amin’ny alalan’ny fanarenana atiala.
Maro ireo fikambanana sy vondrona toy ny FOFIFA, WWF, WCS, ESSA- Forêts, ny tetikasa COEFOR,
eny fa na dia ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany toy ny QMM / Rio Tinto sy
Sherritt (Tetikasa Ambatovy) aza, no nanao fanandramana momba ny fambolena karazanjavamaniry zanatany. Ary tato anatin’ny 10 taona izay, dia maro ireo tetikasa “fanarenana atiala”
niorina toy ny Tetikasa Mampody Savoka (TAMS) sy ny Tetikasa Masoala.
2. FANOLORANA NY TOROLALANA
Ity torolalana ity dia natao hampiasain’ny olona na vondrona maniry ny hiasa amin’ny tetikasa
fanarenana atiala. Ireo dingana samihafa tokony harahina ary no haseho ato toy ny:
¾ Lamina sy ny teknika harahina,
¾ Vokatra andrasana anelanelana (mandritra) na amin’ny fiafaran’ny asa,
¾ Ohatra mivaingana
1
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
3. TSARA HO FANTATRA MOMBA NY FANARENANA ATIALA
3.1 FAHALALANA MOMBA NY « FANARENANA ENDRITANY RAKOTR’ATIALA »
Ny fanarenana endritany rakotr’atiala1 dia:
¾
Maminavina ny zava-miseho eo amin’ny endritany: ny fanapahan-kevitra raisina mba
hanarenana toerana iray dia tokony hifanaraka amin’ny tanjona misy amin’ny
ambaratongan’ny endritany ary hihevitra ny mety ho vokatra aterany amin’io ambaratonga
io ihany;
¾
Mampiasa ny fomba fiasa « sivana roa sosona »: ny asa fanarenana atiala dia tokony
hiteraka fanatsarana ny fifandraisan’ny fiainan’ny olombelona eo amin’ny endritany;
¾
Fizotra fiaraha-miasa mampiasa andiana mpandray anjara maro
¾
Tsy mikendry foana ny hamerina ny endritany rakotr’atiala amin’ny toerany teo aloha
fa firehankevitra mitodika amin’ny ho avy izay mikendry ny hanamafy ny faharetan’ny
endritany rakotr’atiala;
¾
Azo ampiasaina amin’ny savoka, faritra rakotr’atiala sy amin’ny tany fambolena.
3.2 FITENY VITSIVITSY MANODIDINA NY FANARENANA ATIALA
Tany rakotr’atiala simba: Vondron’atiala niharan’ny fahasimbana be noho ny fakana tsy misy
fetra ny hazo fandrafitra sy ny vokatra hafa ankoatry ny hazo, ny tsy fahaiza-mitantana, ny afo
miverimberina, ny fampiraofam-bilona na fanakorontanana hafa… izay manakana na mampaela ny
fitsirin’ny atiala indray aorian’ny fialana amin’ilay toerana. (OIBT, 2002)
Soridalan’ny firaisan-tontoloiainana: fifandimbiasana « voajanahary » ataon’ny firaisantontoloiainana iray sy ny lalàna hafa mety harahin’io firaisan-tontoloiainana io aorian’ny tsindry
(AROSON et al, 1995).
Fifandimbiasan’ny zavamaniry: Karazan-javamaniry mpialoha lalana mahatantny masoandro no
mandrakotra voalohany ny toeran’ny niharan’ny tsindry ka manaraka ary mandimby azy avy eo ireo
karazan-javamaniry mahatanty hainandro be
Tanin-janakazo: tany hampaniriana zanakazo manomboka amin’ny famafazana hatramin’ny fotoana
hahafahany miaritra ny toetr’andro sy toe-tany hambolena azy.
Karazana zavamananaina zanatany: Karazana zava-mananaina hita amin’ny faritra iray aravoajanahary (Bruenig 1996 in OIBT, 2002).
Karazana zavamaniry mpialoha lalana: Karazana zavamananaina mila masoandro ary afaka
mameno banga amin’ny atiala voajanahary voaenlingelina (banbagoana) (OIBT, 2002).
1
Restauration du Paysage Forestier (RPF)
2
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4. SORIDALANA MIKASIKA NY FITONDRANA NY FANARENANA ATIALA
Ny fampodiana na fanarenana atiala dia fizotra ao anatin’ny fotoana lava izay mila fanadihadiana
lalina. Maro ireo fandrindrana sy fomba fiasa azo ampiasaina fa miankina indrindra amin’ny
toetoetry ny firaisan-tontoloianinana no isafidianana azy. Mba hahatanteraka ny asa fanarenana
antsakany sy andavany ary dia ireto misy dingana tsara arahina vitsivitsy izay asehon’ity
kisarisary manaraka ity:
FANDRAFETANA
1.
2.
3.
4.
5.
6.
7.
8.
9.
10.
11.
12.
13.
14.
Mamantatra sy mamaritra ny toerana hisian’ny fanarenana
Mamaritra ny firaisan-tontoloiainana harenina
Manoritsoritra ny tontolo ara-piarahamonina sy ara-toekarena
Mamantatra ny tarigetra sy ny tanjon’ny tetik’asa fanarenana atiala
Mametraka ny vokatra andrasana
Mamantatra ny mpandray anjara
Mamantatra ireo karazana asa (fiasa ara-teknika)
Mijery ny olona sy ny fitaovana ilaina
Mamantatra ny enti-manana ara-bola sy ny fandaniana
Manisa (mamantatra) ny tombotsoa omen’ny tetik’asa fanarenana
Maminavina ny faharetan’ny tetik’asa
Mametraka fomba fiasa sy ny fizotry ny fanarenana
Mametraka ny fandaharam-potoanan’ny asa
Mametraka lamina fanaraha-maso sy tomban’ezaka
1.
Mikarakara ny toerana sy enti-manao
a. Fisafidianana ny karazan-kazo
b. Fisafidianana ny toerana asiana ny tanin-janakazo
c. Famokarana zanakazo
d. Fitaterana zanakazo
2.
Mandray
a.
b.
c.
d.
1.
2.
Mametraka toerana fanaraha-maso maharitra
Manatanteraka ny lamina fanaraha-maso sy ny tomban’ezaka
FANATANTERAHANA
FANARAHA-MASO SY
TOMBAN’EZAKA
fepetra fanampiny
Fikarakarana ara-teknika
Fikarakarana ny aroafo
Fiadiana amin’ny fikaohan’ny tany
Famantarana ny fombafomba eny an-toerana sy fanomezana andraikitra ny
vondron’olona amin’ny fanaraha-maso
3
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.1 FANDRAFETANA
4.1.1 FAMANTARANA SY FAMARITANA NY TOERANA HISIAN’NY FANARENANA
Mialoha ny zavatra rehetra dia tsara fantarina aloha ny toerana sy ny faritra voakasiky ny asa
fanarenana. Ny atao hoe «toerana » eto dia ny firaisan-tontoloiainana harenina. Toy izao aseho
manaraka eto izao ary ny fizotry ny asa.
Asa
Fototra iaingana
• Sarin-tany
Fantarina ny
toerana hanaovana
ny fanarenana
• Sary azo avy amin'ny zanabolana vao
haingana no tsara indrindra
• Kendrena ho hita soritra ao ireo singa
Atao ny famaritana fototra misy eo amin'ny endritany: rakoamin’ny alalan’ny
javamaniry, fampiasana ny tany, sns
taotsaritany
4.1.2 FAMARITANA NY FIRAISAN-TONTOLOIAINANA HARENINA
Tanjona fototra: Fametrahana sy fanoritsoritana “voaary na firaisan-tontoloiainana fitaratra” no
koa ny « fitaratra ».
Hahatratrarana io tanjona fototra io dia ireto ny dingana tokony harahina:
a. Famaritana ny toetany sy ny zavamananaina
¾
Toe-tany: anona (facteurs) ara-toetrandro, ara-tsori-kisarintany (topographiques), arakarazantany (édaphiques)
¾
Zavamananaina: Isa sy lisitry ny karazan-javamananaina (zavamaniry sy biby), firafitr’ireo
eo amin’ny toe-tany misy azy
Mamaly ny hoe:”Toy inona ny anona miaina sy tsy miaina mamaritra ilay toerana?”
b. Faminavinana ny toetra ara-ekôlôjika (ambaratonga sy toetry ny fahasimbana)
¾
Sarintany momba ny velaran’ny faritr’atiala voakapa (taloha sy ankehitriny)
¾
Haben’ny fisokafan’ny rakotr’atiala
¾
Karazana tsindry nisy
¾
Anton’ny fahasimban’ny toerana ankehitriny (toe-javatra nisy talohan’ny fahasimbana,
fototra niaviany sy tantaran’ny fahasimbana)
¾
Asa mety ho nampitombo na nampihena ny rakotr’atiala
¾
Tompon’antoka voalohany amin’ny fahasimban’ny endritany
Ireo dia entina hamaliana ny fanontaniana hoe: “Maninona ny fanarenana no ilaina?”
4
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
d. Famaritana ny lojikan’ny fifandimbiasan’ny vondron-java-maniry
¾ Firafitra sy fifangaroan’ny vondron-javamaniry isan’ ambaratonga sy fotoana misy azy
¾ Firafitra sy fifangaroan’ny vondron-javamaniry arakaraka ny toetry ny fahasimban’ny
toerana misy azy
Mikendry ny hamaly ireto fanontaniana ireto: « Ahoana ny fomba fandrindran’ny
fahafenoan’atiala iray ao anatin’ny fotoana sy ny toerana (espace)? Amin’ny lafiny ekôlôjika,
inona no zavatra hitranga amin’ny fahafenoan’atiala raha tsy misy fanajariana atao ? »
e. Fanondroana sy fanoritsoritana ny fitaratra
¾ Miainga avy amin’ny fandraisana ireo mpihazaka (paramètres) nohadihadiana rehetra teo
aloha [andalana (a) (b) (d)]
¾
Na miainga amin’ny fanoritsoritana ara-ekôlôjika sy lisitry ny karazana zavamananaina tamin’ny
voaary mitovitovy aminy fa tsy voakitika (écosytèmes similaires intacts)
Mamaly ny fanontaniana hoe:”Manao ahoana ny mety ho toetra harahin’ny zotran’ny voaary
harenina?”
Marihina fa ny “voaary na firaisan-tontoloiainana fitaratra” no koa ny « fitaratra » dia
fitambaran’ny toetra mety hananan’ny firaisan-tontoloiainana harenina rehefa mitombo izy. Ny
fitaratra dia mety ho toerana iray na maromaro efa misy na fanambarana an-tsoratra io toerana
io.
4.1.3 FANORITSORITANA NY TONTOLO ARA-PIARAHAMONINA SY ARA-TOEKARENA
Tanjona fototra: Fijerena ny fifandraisan’ny asa fanarenana atiala amin’ny asa amandraharahan’ny mponina akaikin’ny atiala, izay mpandray anjara voalohany amin’ny fanarenana ihany
koa.
Ara-tsosialy:
¾ Rafitra sy fandaminana misy eo an-toerana mikasika ny fampiasana ny harena
voajanahary
¾ Tompon’ny fanapahan-kevitra raha sendra misy olana
¾ Fitantanana ny harena voajanahary araka ny lamina eo an-toerana
Mitaky ny valin’ny hoe: “Manao ahoana ny fomba fahazoan’ny olona mampiasa ny harena
voajanahary, ny fitantanana ny disadisa? Iza no manana fahefana amin’ny fanapahankevitra ary ahoana ny fomba fampiharana izany?”
Ara-toekarena:
¾ Fanoritana ny asa aman-draharahan’ny mponina mivelona manodidina ny faritr’ala harenina
(fambolena, fiompiana, fanodinana vokatra, sns.)
¾ Famantarana izay mety ho fidiram-bola na fampiasana akora avy amin’ilay toerana
¾ Antony mety mahabetsaka ny fampiasana ireo akora ireo (oh: fivelomana, lalam-barotra,
fanafody, sns.)
Ireo dia entina hamaliana ny fanontaniana hoe:” Manao ahoana ny fotopiveloman’ny mponina
any an-toerana? Mandray anjara amin’ny asa famporisihina ara-toekarena ve izy ireo?
Inona no akora anisan’ny manan-danja be indrindra?”
5
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.1.4 FAMANTARANA NY TARIGETRA SY NY TANJON’NY TETIKASA FANARENANA ATIALA
Toy ny tetikasa rehetra, tokony hasiana tarigetra sy tanjona ny tetikasa fanarenana atiala. Ilaina
ihany koa izy ireo mandritra ny dingana fitsarana sy fanombanana ezaka.
¾
Tarigetra: mifandraika amin’ny nofinofy na lafatra indrindra ary tokony hahitana taratra
ireo toetra sy harenan’ny “fitaratra” manan-danja indrindra.
¾
Tanjona: fepetra mivaingana raisina entina hanatratrarana ny tarigetra.
Ireto avy ny dingana harahina amin’ny famaritana ny tarigetra sy ny tanjona:
¾
Mamaritra vonjimaika ny tanjona sy tarigetra araka ny fahafantarana ny zavamisy any an-toerana efa hita teo aloha
¾
Mitondra izany hiadian-kevitra eo anatrehan’ny mpandray anjara rehetra
) Mampahafantatra azy ny toetra fototra iaingana sy ny toetry ny
firaisan-tontoloiainana ankehitriny ary ny mety hoaviny, araka ny
« modely » natao, raha tsy misy fepetra raisina.
) Mandinika miaraka amin’ny olona ifotony ny mety ho anton’ny
fahasimbana
) Mitady ireo vahaolana rehetra manoloana ny fihenan’ny harena
voajanahary
) Manambatra isan-tsokajy ireo vahaolana hita ary mandahatra azy
ireo arakaraka ny fialohavany (laharam-pahamehana).
) Mamantatra ireo sokajy azo tanterahina
) Ireo sokajim-bahaolana azo tanterahina ireo no apetraka ho
tanjona. Mbola azo atao tsara ny manisy fanovana arakaraka ny
toe-java-misy raha ilaina izany.
¾
Mandraikitra tanteraka ny tarigetra sy ny tanjona hotratrarina amin’ny
fanarenana atiala
Aorian’ireo dingana ireo dia azo atao ihany koa ny mijery ireo “zana-tanjona” izay tokony hazava
kokoa mba hanamorana ny fanoritsoritana ny “asa” sy ny “fanondro anarahi-maso ny asa”.
4.1.5 FAMETRAHANA NY VOKATRA ANDRASANA
¾ Miainga avy amin’ny tarigetra sy ny tanjona no ametrahana ny vokatra andrasana.
¾
Isaky ny tanjona iray dia tokony hisy vokatra andrasana iray mifandraika aminy.
¾
Tokony hahitana taratra sahady ireo asa aman’andraikitra rehetra ilaina sy ireo fomba
enti-manana hanatanterahana azy.
6
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.1.6 FAMANTARANA NY MPANDRAY ANJARA
Tanjona fototra: Famantarana ny mpandray anjara isaky ny singa mandrafitra ny endritany
miainga amin’ny fandrafetana ilay tetikasa ka hatramin’ny fanatanterahana azy.
Ny mpandray anjara dia tsy iza fa ireo tompon’antoka voakasiky ny tetikasa fanarenana. Izany
hoe:
¾ olon-tsotra,
¾ mpamatsy vola ny tetikasa,
¾ mponina an-toerana,
¾ manampahefana ara-panjakana sy eny an-toerana
¾ vondrona sy sampan-draharaham-panjakana ifotony amin’ny sehatry ny tontoloiainana.
Raha fehezina dia:
Asa
Tompon’andraikitra
4.1.7 FAMANTARANA IREO KARAZANA ASA (FIASA ARA-TEKNIKA)
Tanjona fototra: Famantarana ireo karazana asa sy fomba firotsahana an-tsehatra rehetra na
amin’ny lafiny ara-teknika io na amin’ny fanatanterahana mivantana ny asa fanarenana.
Fanontaniana ho valiana: “Raha ireto ny tarigetra sy tanjon’ny tetikasa ary ireo mpandray anjara
samihafa, inona kosa ny fomba fiasa tokony harahina mandritra ny asa?”
Fototra iaingana: Toetry ny endritany sy fahasimban’ilay atiala.
Ohatra vitsivitsy amin’ny fanarenana azo atao àry no aroso eto amin’ity Fafana manaraka eto ity.
Toetry ny endritany
Safidy fanarenana azo atao
Toetra 1 : Endritany manana fahasimbana kely
Safidy 1 :
¾
Endritany manana velarana lehibe
¾
¾
Misy hazo tapaka vitsivitsy ary afo kely
¾
Misy fambolena
midadasika
amin’ny
velarana
fanalana
ny ahi-dratsy manodidina ny
zanakazo
voajanahary, famelana ny karazan-kazo sasany hitsiry ary
famonoana ireo hafa (famitsiana na fiavana), fiarovana ny
faritra amin’ny tsindry maro samihafa.
tsy
Toetra 2 : Endritany manana fahasimbana antenatenany
¾
Endritany manana velarany lehibe
¾
Misy toerana malalaka tsy misy hazo ka
nanirian’ny karazan-kazo tia masoandro eo
aminyÎtsy ahitana karazana zava-maniry
sarobidy sy tadiavina intsony eo amin’ilay
toerana
Fampaniriana voajanahary arahi-maso sy karakaraina:
Safidy 2 :
¾
Fampanirina voajanahary arahi-maso sy karakaraina :
fanalana
ny ahi-dratsy manodidina ny
zanakazo
voajanahary, famelana ny karazan-kazo sasany hitsiry ary
famonoana ireo hafa (famitsiana na fiavana), fiarovana ny
faritra amin’ny tsindry maro samihafa.
¾
Fambolen-kazo fanatsarana : fanatsarana ny atiala
amin’ny alalan’ny fampidirana karazan-kazo manan-danja na
azo amidy
Toetra 3 : Endritany manana fahasimbana be
Safidy 3 :
¾
Endritany tapak’atiala amin’ny velarany
lehibe
Îfisokafana
midadasika
izay
mahafeno ny antsasan’ny velarana
¾
Fambolen-kazo
¾
Toetra ara-tontoloiainan’ny atiala manana
fahasimbana be : bozabozaka sy hazo
madinika no tena mandrakotra azy, fikoan-
¾
Fanarenana sy famerenana atiala: fambolena sy fepetra
fanatsarana : fanatsarana ny atiala
amin’ny alalan’ny fampidirana karazan-kazo manan-danja na
azo amidy
fiarovana. Kendrena ny fampiasana ny karazan-kazo
mahatanty ny toe-tany ka hahafahana mametraka na
7
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
tany, renirano, sns.
mamboly karazan-kazo matanjaka kokoa aty aoriana. Ny
toerana tokony ho volena voalohany dia ireo faritra
andairan’ny fikaon-tany (solampy miaka-drantsana, faritra
manara-drenirano) ary ireo voly hazo izay hahafahana
miantoka ny fifandraisan’ny atiala sisa tavela.
4.1.8 FIJERENA NY OLONA SY NY FITAOVANA ILAINA
Rehefa voajery avokoa ny asa tokony hatao dia fantarina ireo olona sy ny fitaovana ilaina mba
hanamora io famantarana io, dia ireto avy ny fanontaniana tokony hovaliana:
¾
Iza no hampahomby ny asa fanatanterahana raha mandray anjara izy (na iza no
hampihena ny fahombiazana raha tsy mandray anjara izy) ?
¾
Iza no hanohitra ny fanatanterahana io hevitra fanarenana atiala io? Inona no azo atao
mba hamporisihana azy na izy ireo hiara-hiasa ?
¾
Iza no afaka hizara ny fahaizany (traikefany), ny talentany sy enti-manao hafa amin’ny
asa fanarenana?
Nalaina sy navaozina avy tamin’ny OIBT/UICN, 2005
Marihina fa ny fahombiazan’ny asa fanarenana dia tokony hiainga amin’ny fiaraha-miasa amin’ny
vondron’olona eny an-toerana.
Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa io famaritana tompon’antoka io dia tokony havaozina ary
dinihina matetika mandritra ny asa fanarenana atiala. Ny tompon’antoka voafaritra teo ampiandohana ho toy ny voalohan-daharana mantsy dia mety hihen-danja aty aoriana ary ny vondrona
hafa izay tena ilaina dia mety tsy hiseho raha tsy amin’ny dingana aty afara.
4.1.9 FAMANTARANA NY ENTI-MANANA ARA-BOLA SY NY FANDANIANA
Ny fanoritsoritana ireo fandaniana amin’ny asa fanarenana dia miankina amin’ny fomba
hanatanterahana azy.
Noho izany
dia tokony
)
Hofantarina avokoa ny vola
lany mifanaraka amin’ireo
fomba
fiasa
rehetra
(méthodes) notanisaina
Hofantarina ny vola eo ampelatanana (toe-bola) sy ny
loharanom-bola.
Hojerena ny elanelana, izany
hoe ny vola fanampiny mbola
ilaina isaky ny fomba fiasa
tsirairay.
8
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.1.10 FANISANA (FAMANTARANA) NY TOMBONTSOA OMEN’NY TETIKASA FANARENANA
Tanjona fototra: Fampahafantarana ny tombontsoa rehetra
fanatanterahana ny asa sy aoriany) entina hamporisihana
fandraisan’anjaran’ny vondron’olona amin’ny asa fanarenana.
(mandritra ny fotoana
sy hampitomboana ny
Ireto àry misy ohatra vitsivitsy amin’ny tombontsoa mety ho azo:
Tombontsoa arakaraka ny
fampiasana azy
Anjara asa
Karazana vokatra sy soa azo
Vokatra azo avy amin’ny
toerana mandritra na aorian’ny asa
fanarenana:
Tombontsoa azo avy amin’ny
fampiasana mivantana ny atiala
¾
¾
¾
Famokarana
Fiarovana
Sosialy
Tombontsoa azo avy amin’ny
fampiasana ankolaka ny atiala
¾
Asa ara-ekôlôjika : fiarovana
Tombontsoa azo na dia tsy
mampiasa azy aza
¾
¾
Rivotra madio
Lanja ara-tsosialy
¾
¾
¾
asa fivelomana,
hazo, tantely,
fiarovana amin’ny riaka, sns
¾
¾
¾
Mitahiry karbôna
Mandrindra ny toetrandro
sns
¾
¾
Fahafaham-po sy filaminana
Fahafantarana fa ho tafita amin’ny
taranaka aoriana ny harena
voajanahary
Tanjona
4.1.11 FAMINAVINANA NY FAHARETAN’NY TETIKASA
Loharanom-bola
Mpandray
anjara
Karazana asa atao
FAHARETAN'
NY
TETIK'ASA?
Ireo singa efatra ireo no mamaritra ny faharetan’ny tetikasa
9
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.1.12 FAMETRAHANA NY FOMBA FIASA SY NY FIZOTRAN’NY FANARENANA
Tanjona fototra: Fifidianana ny fomba mahomby indrindra hanatanterahana ny asa fanarenana
mifanaraka amin’ny loharanom-bola nefa hahatratrarana ny tanjona napetraka.
Fomba fiasa sy paikady
raikitra
Faharetan'ny
tetik'asa
Tombotsoan'ny
fomba fiasa
tsirairay
Famatsiam-bola
Enti-manana
sy fandaniana
4.1.13 FAMETRAHANA NY FANDAHARAMPOTOAN’NY ASA
4.1.14 FAMETRAHANA LAMINA FANARAHAMASO SY TOMBAN’EZAKA
Tanjona fototra : Fanatontosana rindran-damina enti-manaramaso sy manao tomban’ezaka ny asa
fanarenana
Ny fandaharam-potoan’ny asa dia mandahatra ny asa rehetra
atao, anatrarana ny tanjona tsirairay, ao anatin’ny fotoana.
Tokony ho hita ao ihany koa ny zavatra ilaina mifanaraka amin’ny
asa rehetra tanisaina (ara-olona, ara-pitaovana ary ara-bola).
Noho izany dia:
¾
Ilaina ny mamaritra ireo tondro hanaraha-maso hahafahana mandrefy ny fahavitan’ny
asa nofaritana.
10
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
Salan’isa, isan-jato, velarana, sns: antontan-kevitra azo refesina
¾
Ilaina ny mamaritra fepetra fahombiazana (standards de performance) hitsarana ny
fahatratrarana na tsia ny tanjona napetraka
Miainga amin’ny fahalalana hita ao anatin’ny fanoritsoritana ny “fitaratra”
no avadika ho mpanondro na tondro
11
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
Famintinana ny dingana fandrafetana
Raha fehezina ireo ambaratonga samihafa amin’ny dingana fandrafetana dia toy izao:
1. Manao ahoana ny toetran’ny
¾
fahafenoana atiala sy ny toerana misy
azy ?
Fahafenoana : karazan-javamaniry, firafitra, fahasalamana,
taona, fahafahana manavao taranaka, sns
¾
Toetran’ny
toerana :
mpihazaka
ara-karazan-tany,
ara-
haifitsinjaran-drano,
¾
Toe-javatra ara-toekarena sy ara-tsosialy : iza no mampiasa
ny atiala, atao inona, ary inona no fiantraikan’izany ?
2. Inona no tantaran’ny fahafenoana
atiala sy ny toerana misy azy?
Mamantatra ny anton’ny fahasimbana, ohatra, iharan’ny fomba
fambolena mifindrafindra ve ny faritra?; raha eny, manao ahoana
ny fahamafisany? Voatrandraka amin’ny fomba tafahoatra ve ilay
fahafenoana? Nisy doroala nitranga ve?
3. Manao ahoana ny mety ho
fivoaran’ilay toerana raha tsy misy
fandraisan’andraikitra miainga avy
Inona no zavatra mitranga amin’ilay fahafenoana raha tsy misy ny
fanajariana azy? Ohatra, ara-ekôlôjika (fifandimbiasana, sns) ary
ara-tsosialy (famadihana tany amin’ny zavatra hafa, sns)
amin’ny rafitra fanajariana ?
Fandrafetana fanajariana ny fahafenoana atiala na ny toerana
simba: fikarakarana atiala, fitantanana iaraha-manao, fitantanana
4. Inona no tetikady fanajariana tsy
mahasahana asa aman-draharaha maro :
maintsy ilaina mba hahazoana vokatra
¾
Famaritana ny tanjona
tsara? (fanatsarana, fanarenana,
¾
Famantarana ny tompon’antoka
¾
Fanisana ny enti-manao ilaina sy ny loharanom-bola
¾
Famantarana ny tombotsoan’ny fanarenana
¾
Famerana ny fomba fiasa
¾
Fametrahana ny fandaharam-potoan’ny fiasana
¾
Famerana ny fanaraha-maso
famerenana)?
Ny fiantraikan’ny zavatra atao dia
miankina amin’ny olona manajary,
mandrafitra, mandray ny vokatra ary
miambina ny vokatra.
Navaozina avy amin’ny OIBT/UICN, 2002
12
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.2 FANATANTERAHANA
4.2.1 FIKARAKARANA NY TOERANA SY NY ENTI-MANAO
a. Fisafidianana ny karazan-kazo
Ny fisafidianana ny karazan-kazo dia miankina amin’ny fepetra telo: fepetra ara-ekôlôjika,
fepetra ara-tsosialy, fepetra ara-toekarena
Fisafidianana ny karazan-kazo
Fepetra ara-ekôlôjika
1. Inona avy ny karazan-kazo mahatanty ny toe-tany
(karazan-tany, toetrandro, firafitry ny tany, sns) ?
ÎIreo karazan-kazo mandrafitra ilay faritra
harenina ihany no afaka mivelona eo amin’ilay toerana
2. Iza amin’izy ireo no afaka miaritra ny toetrandromparitr’ilay faritra harenina (toetany sy haiaina
taorian’ny
tsindry :
fisokafan’ny
rakotr’atiala,
hakitrok’ilay atiala, karazantany, sns.) ?
ÎNy fizotran’ny fifandimbiasan’ny zavamaniry
voajanahary amin’ilay faritra harenina no mandidy ny
karazan-kazo sahaza ny toerana.
Ambaratongam-pahasimbana iray = andiana
karazan-kazo iray
Fepetra ara-tsosialy sy ara-toe-karena
Amin’ireo karazan-kazo voasafidy taorian’ny dingana
ara-ekôlôjika, inona avy ireo izay azo ekena amin’ny
lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena?
ÎIreo karazan-kazo misy lanja amin’ny lafiny arabarotra sy ara-tsosialy no safidiana
Î Manana taham-pahombiazana tsara kokoa eo
anivon’ny fiaraha-monina ny fanarenana atiala raha
mitondra fanatsarana ankapobeny eo amin’ny
fandonahan’ny tany, fisian’ny rano, sns.
b. Fisafidianana ny toerana asiana ny tanin-janakazo
Toy ny nambara teo aloha, ny tanin-janakazo dia toerana natao
hamokarana zanakazo mialoha ny hambolena ity farany amin’ny atiala
harenina na tany ho volena.
Ny tanin-janakazo dia tokony hapetraka amin’ny toerana:
¾ Ahitana rano mandavan-taoana, izany hoe akaiky renirano na dobo;
¾ Ahitana tany lonaka maro nohon’ny famokarana mila tany betsaka;
¾ Mora itsihan’ny rano mba hiarovana ny tanin-janakazo tsy ho
azon’ny tondran-drano ;
¾ Alan-drivo-mahery: tsy maintsy hatao izay hiarovana ilay toerana
raha tsy voaharon’ny zavamaniry manodidina;
¾ Akaikin’ny toerana hambolena ny zanakazo mba hahamora ny
fitaterana;
¾ Misy arabe na lalana tsara mampifandray azy amin’ny toerana ilana
ireo zanakazo;
¾ Ahitana olona afaka mikarakara azy.
13
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
D. Famokarana zanakazo
Marihina fa ny isan’ny zanakazo karakaraina dia tokony hitombo roapolo isan-jato mihoatra
amin’ny ny isa neritreretina hovokarina, izany dia mba hahafahana manolo ny simba na maty.
Toy izao aseho manaraka eto izao ary ireo dingana harahina amin’ny famokarana zanakazo.
na
Fandrafetana tanin-janakazo izay
mizara ho sampana maromaro
sarahin’ny lalankely
Fanangonana voa
Raha voa nalaina avy
amin’ny hazon’ala ihany
Fangalana zana-kazo
anaty ala (sauvageon)
Raha voa nafarana avy
amin’irony toerana
mpamokatra voa toy ny SNGF
Aparitaka ambony toerana
malalaka ilay voa mandrapahamainany
Atao anaty plastika na boaty
ka asiana anarana sy laharana
Tehirizina amin’ny toerana tsy
misy amandoana ary tsy
mangatsiaka na mafana be
loatra
Afafy anaty soriboly
(plate-bande)
Fametrahana ny “pot
plastika na bolety misy
zanakazo” eny amin’ny
tanin-janakazo voaaloka
“Fanetsana” (fambolena
ny zanakazo anaty plastika
na “bolety”)
Fampidirana ny tany
anaty pot plastika na
fandrafetana “bolety”
Fanangaroina tany
14
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
Marihina etoana fa:
¾ Raha alaina amin’ny hazo ao anaty ala ihany ny “voa” dia tokony ho hazo voafantina
tsara no angalana azy (tsy misy aretina, mahitsy, tsy be sampana). Mialohan’ny hamaritana
izany hazo izany dia ilaina ny manara-maso ny mombamomba ny hazo: fotoana
hamelanan’ny hazo, fotoany hivadihan’ny felana ho voany, fotoana mahamasaka ny voa,
fotoana mampisy voa (isan-taona sa isaky ny roa taona), ireo singa na mpihazaka rehetra
mety hampiova ny fahavokaran’ny voa, sns.
¾ Raha toa kosa ka “zanakazo alaina anaty atiala” na “sauvageon” avy hatrany no
ampiasaina dia tokony ho zana-kazo tsara: tsy misy bibikely sy aretina, manana tahan’ny
fitsiriana ambony. Ary ny zanakazo nalaina dia tokony hasiana anarana siantifika, toerana
sy vaninandro nangalana azy.
¾
Ny fotoana faharetan’ny zanakazo ao amin’ny tanin-janakazo dia miankina amin’ny
faritra ekôlôjika sy ny karazan-kazo.
Zanakazo manana toetra tsara = manana halava sy savaivon’ny foto-tahony (collet)
mifanaraka amin’ny taonany, manana faka mitovitovy amin’ny haben’ny vatany ambony.
E. Fitaterana zanakazo
Ny zanakazo manana halehibe mifanaraka amin’ny fepetra voalaza teo
ambony no fantenina.
¾ Ilana fitandremana lehibe ny fitaterana sy fampidinana azy ireo
avy ao anaty fiara na fitaovam-pitanterana hafa.
¾ Tokony harovana amin’ny rivotra izay mety hanamaina azy ny
zanakazo mandritra ny fitaterana
¾ Mila atao mifanety ihany koa ny zanakazo mba tsy hihetsehany.
Ny fotoana fandefasana zanakazo dia tokony hapetraka mazava mba tsy
hisian’ny fahatarana na fahatongavany aloha be loatra mihoatra amin’ny fotoana hambolena azy.
Fitaterana zanakazo = iray andro mialohan’ny fambolena
F. fambolena
Ny safidy roa mahazatra amin’ny « fanarenana » dia ny fambolena milahatra sy ny fambolena
amin’ny toerana babangoana.
Ny fambolena milahatra (lalankely) dia
fambolena, amin’ny atiala izay manana
fahasimbana be, manaraka tsipika mirazotra
sy mitovy halavirana.
Arakaraka ny karazana sy ny haben‘ny
zanakazo ny elanelan’ny ny zanakazo ary ny
karazan-kazo matetika hampiasaina eto dia
ireo manan-danja amin’ny varotra.
15
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
Ny fambolena amin’ny toerana banga (banga be anaty atiala) dia fambolena tanterahina amin’ny
atiala simba na notrandrahana be. Ny anton’ny hisafidianana io fomba iray io dia noho ny
hasarotry ny fanatanterahana sy fikarakarana ny fambolena manaraka tsipika. Io ihany koa ny
fomba fiasa safidiana raha karazan-kazo tena tia taratr’andro no hovolena. Toy izao ary ny
fanatanterahana azy:
¾
Fantarina ny toerana misy ny banga sy ny fitsinjaran’ny
karazan-kazo sisa tavela.
¾
Atao mitovy amin’ny salan’ny haavon’ny hazo manjaka eo amin’ny
toerana ny savaivon’ny toerana hambolena ny zanakazo
(placeau).
Ny fotoana fambolena zanakazo dia amin’ny fotoana fatorian’ny
zavamaniry (mialoha ny fiafaran’ny vanim-potoana main-tany indrindra
ho an’ireo faritra maina). Izany dia mba hifanandrifian’ny fotoana
fifohazan’ny zavamaniry (fotoana hiasany) amin’ny vanim-potoanan’ny
orana.
4.2.2 FEPETRA FANAMPINY
A. Fikarakarana ara-teknika
Aorian’ny fambolena ny zanakazo dia tsy maintsy hapetraka tsara ny fomba sy fotoana
hitantanana sy hikarakarana azy.
Noho izany dia ilaina ireto karazan’asa ireto:
¾ Fanadiovana: fanalana ny ahidratsy sy ny zavamaniry manelingelina
hikendrena ny fampihenana ny fifaninanana misy eo zavamaniry.
¾
Fanoloana ny maty
¾
Fiavana sy fievoevoana ny tany
Fotoana hanatanterahana ny asa = mandrapahazon’ny zanakazo halavana mihoatra ny bozaka
B. Fikarakarana ny aroafo
Ny faritra narenina dia tokony harovana amin’ny afo na zavatra mety manimba (toy ny
fametrahana omby) amin’ny alalan’ny fametrahana « aroafo ».
Tsara ho fantatra
¾
Toerana manodidina ny faritra narenina
no tsara ametrahana ny aroafo mba
hiarovana ilay faritra amin’ny ahitra sy
bozabozaka
¾
Azo apetraka manaraka ny tendron’ny
havoana na ny vohitra ihany koa ny
aroafo
¾
Tsiahivina ihany koa fa ny arabe, ny
lalana, sns ary ny aroafo voajanahary
(toy ny renirano, ny vatovato sy ny
lavaka) dia tokony hampiasaina araka
izay mahamety azy.
16
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
D. Fiadivana amin’ny fikaohan’ny tany
Raha toa ka simba be ilay faritra ary tsy ahitana vondron-javamaniry intsony dia azo atao ny
miady amin’ny fikaohan’ny tany.
Fomba entina miady amin’ny fikaohan’ny tany
¾
Fanajariana vala mitazona rano na lakan-drano amiliana rano
¾
Fambolena zavamaniry toy ny hazo fihinamboa na hazo
manamasaka ny tany (mba hanatsarana ny firafitry ny tany
sy ampiasana arak’izay tratra)
¾
Fanajariana lavaka anangonana tany
E. Famantarana ny fombafomba eny an-toerana sy fanomezana andraikitra ny
vondron’olona amin’ny fanaraha-maso, fijerijerena ary fikarakarana ny
toerana.
Ny asa fanarenana dia mitaky fahazotoana sy fandraisana anjaran’ny mponina manodidina. Koa
mba hahazoana ny fanampian’izy ireo dia:
¾
Fantarina, amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny antony hanaovany ireo tsindry maro isankarazany.
¾
Jerena miaraka amin’ireo mpitondra sy Zokiolona eo an-toerana ny fomba sy lalàna
nentim-paharazana mikasika ny fampiasana afo sy fanapahana hazo ary ny fomba
fampiharana izany lalàna izany.
¾
Manao ezaka fanentanana amin’ny fampihenana ny fanaovana ireo tsindry sy fametrahana
azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asa fanarenana.
17
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
4.3 FANARAHAMASO SY TOMBAN’EZAKA
4.3.1 FAMETRAHANA TOERANA FANARAHAMASO MAHARITRA
Tanjona fototra: Fametrahana toerana hahafahana manara-maso ny fitombon’ny zanakazo
Famaritana an-tsary ireo
toerana fanaraha-maso
Fametrahana marika “maharitra”
manodidina ny toerana
4.3.2 FANATANTERAHANA NY LAMINA FANARAHAMASO SY NY TOMBAN‘EZAKA
Tanjona fototra:
¾
Fandrefesana ny fitombon’ny zanakazo isaky ny fotoana voatondro izay atao ao amin’ny
toerana fanarahamaso.
¾
Fahatratrarana na tsia ny tanjona napetraka
Amin’ity dingana ity no ampitahaina amin’ireo tondro fanaraha-maso napetraka teny amboalohany ireo fiovana hita nandritra ny fandrefesana natao tao amin’ny toerana fanaraha-maso.
Izany dia mba hanitsiana na hanampiana ny tsy nety na ny tsy ampy mety ho anton’ny fahadisoana
na fahatarana.
Taona 1
Taona 2
Taona 3
Ny tomban’ezaka kosa dia atao amin’ny alalan’ny fanadihadiana ny antontan-kevitra azo
nandritra ny fanaraha-maso. Amin’izany dia ampitahaina amin’ireo fepetra fahombiazana
notsoahina avy amin’ny “fitaratra” ny zava-misy. Eo no hahafantarana raha nanahaka ny
fitaratra napetraka teny am-boalohany ny toetry ny zavamaniry na tsia.
Zava-misy mifanaraka amin’ny fepetra fahombiazana = TRATRA NY TANJONA
18
Manavao ny faritra simba mba hisian’ny
fifandraisan’ny tapatapak’atiala. Ny tanjona
manokana dia :
Tanjona
toy ny
amin’ny
faritra
kitroka
¾ Mitazona ireo atiala ho toeram-pitahirizana
karbôna mba hampisy fidiram-bola maharitra.
¾ Manamora ny fanajariana ny zavaboary amin’ny
alalan’ny
fifandraisan’ny
vondron’atiala
mitsitokotoko ary mampitombo arak’izany ny
faharetan’ny atiala manoloana ny fiovan’ny
toetr’andro,
¾ Mampandray anjara ny vondron’olona eny antoerana amin’ny fitazomana ny rakotr’atiala sady
mitady ny fomba hanatsarana ny fiainan’izy ireo,
Notanterahin’ny mpiara-miasa isan-karazany
Conservation
International
tao
faritr’Andasibe izay tafiditra ao anatin’ny
ara-ekôlôjika Atsinanana manana atiala
mando maitso mandavataona
Toetra
mampiavaka
ankapobeny
Tetikasa TAMS
¾ Manavao ny velarana notrandrahana mba
hahafahana mitrandraka azy indray
¾ Manao fanofanana sy fikarohana mikasika ny
fanatsarana atiala
¾ Mahafantatra ny fomba fiaina sy ny
fitombon’ny karazan-kazo zanatany vitsivitsy
natao hanatsarana ny atiala taorian’ny
nitrandrahana azy
Manavao
ny
faritra
simba
taorian’ny
nitrandrahana azy. Ny tanjona manokana dia :
Notanterahin’ny CNFEREF (CFPF taloha) tao
anatin’ny alan’i Kirindy izay tafiditra ao anatin’ny
faritra ara-ekôlôjika andrefan’i Madagasikara
manana atiala kitroka maina
KIRINDY
19
¾ Mamela ny vondron’olona eny antoerana hampiasa ny vokatra sy anjara
asa nateraky ny fisian’ny atiala amin’ny
fomba maharitra sy voahevitra.
¾ Miantoka ny fifandraisan’ny faritra
arovana sy ny manodidina azy,
¾ Mitazona ny sisin’ny sombin-tanin’ny
tahiry roa misy ankehitriny amin’ny
alalan’ny fanarenana ny manodidina azy
izay natao ampiasain’ny olona,
¾ Manalefaka ny fahasimbana sy fiovan’ny
fifangaroana sy ny firafitry ny
karazan-javamanirin’ny atiala indrindra
fa ny sombin-tanin’ny tahiry faharoa,
Miantoka ny fitohizan’ny fahafaha-miaina sy
ny mampiavaka ny zavaboary ny tahiry
manokana. Ny tanjona manokan’ny tetikasa
dia :
Notanterahin’ny ESSA-Forêts sy ny MNP,
tao anatin’ny sombitany faharoa sy ny
faritra manodidina ny tahirin-javaboary
manokan’i Bezà-Mahafaly sy ny manodidina
azy, izay tafiditra ao anatin’ny faritra araekôlôjika atsimo manana atiala misy tsilo
BEZA MAHAFALY
Mba hahazoana an-tsaina ireo voalaza rehetra teo ambony dia ireto misy ohatra mivaingana nalaina avy amin’ny asa fanarenana efa natao tamin’ny faritra
ara-ekôlôjika telo teto Madagasikara. Marihina moa fa ny tanjona (dingana fandrafetana), ny teknika nanatanterahina (dingana fanatanterahana) ary ny
vokatry ny asa ihany no haseho eto.
5. OHATRA MIVAINGANA
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
Fomba
fanarenana
Mpandray
anjara
manana
fitomboana
ela
toy
ny
¾ Famoahana zanakazo an-tanin-janakazo : haavo
30 sentimetatra fara-fahakeliny ho an’ny sokajy
voalohany, haavo 15 santimetatra farafahakeliny ho an’ny sokajy faharoa sy fahatelo
¾ Faharetan’ny fikarakarana : 4 ka hatramin’ny 5
volana ho an’ny karazana mitombo haingana ary 9
volana ho an’ny karazana ela fitomboana
¾ Mampiasa ny teknika VAM (Vascular Arboscular
Mycorriza)
¾ Fiotazana ny voa
Fitaizana an-tanin-janakazo :
Dalbergia sp. Ocotea sp. ary Phyllarthron sp.
¾ Karazana
¾ Karazana manana fitomboana salantsalany toy ny
Symphonia sp., Prothorus ditimena
¾ Karazana mora tadiavina sy manana fitomboana
haingana toy ny Harungana madagascariensis,
Croton mongue ary Trema orientalis
Fepetra nisafidianana ny karazan-kazo: karazana
zanatany amin’ilay faritra harenina. Sokajiana
karazana telo araka ny rafitra fanarenana :
¾ Mpanatanteraka (fambolena) : vondron’olona eny
an-toerana (omena andraikitra rehefa avy
nofanina)
¾ Mpiandraikitra mpanamora : MATE, GERP,
SAF/FJKM
Moramanga),
MNP
AndasibeMantadia,
¾ Mpanara-maso ara-teknika : ANAE sy CIREF
Moramanga
miaina
misy
Alleanthus greveanus, Colvillea racemosa,
Commiphora guillaumini, Commiphora mafaidoha,
Gyrocarpus
americanus,
Neobeguea
mahafaliensis, Hazomalania voyronii
Karazan-kazo fanarenana:
¾ Karazan-kazo mamaly ny tinady eo anivon’ny
firenena, ny faritra sy eny an-toerana
¾ Karazan-kazo manan-danja ara-toe-karena:
toe-batana sy toetra ara-teknôlojikan’ny
hazo, ara-bokatra ;
¾ Karazan-kazo manana fahafahana
tsara
eny
amin’ny
toerana
fahasimbana ;
¾ Karazan-kazo mora ahitana voa sy efa
ananana traikefa raha ny famokarana ny
zanakazony
anaty
tanin-janakazo
no
resahina ;
¾ Karazan-kazo zanatany amin’ilay faritra
(satria izy ireo ihany no mahatanty ny toetany amin’ilay toerana) ;
Fepetra nisafidianana ny karazan-kazo :
¾ Mpanatanteraka : mpiasan’ny CNFEREF sy
fampiasana olona eny an-toerana
¾ Mpanara-maso ara-teknika : CNFEREF
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
ara-teknika :
ESSA-
20
¾ Fikararakarana : tsy misy fikarakarana
¾ Fomba
fambolena
ara-teknika :
fambolena manaraka tsipika amin’ny
elanelana 1m x 1m
¾ Fotoana fambolena : oktobra
Fambolena
Tsy notaizana tanaty tanin-janakazo fa
famindrana ny tahontsiry ho an’ny Alluaudia
procera ary fanafazana avy hatrany ho
an’ny Jatropha mahafaliensis.
Karazan-kazo
fanarenana :
Alluaudia
procera, Jatropha mahafaliensis (karazana
mpisava lalana amin’ny faritra harenina)
Fepetra nisafidianana ny karazan-kazo :
karazana zanatany manan-danja amin’ny
lafiny ara-toe-karena sy ara-tsosialy
Îfifanaraham-piaraha-miasa
amin’ny
andrim-panjakana eny an-toerana
¾ Mpanatanteraka : vondron’olona eny antoerana
¾ Mpanara-maso
Forêts sy MNP
Vokatra
15,2% eny amin’ny vodin-tany
21,3% eny amin’ny horaka
¾
¾
Tsara ny manamarika fa 2 taona ny zanakazo tamin’ny
fanisana farany.
Ny fitombon’ny haavony ankapobeny mahatratra 14,5
ka hatramin’ny 42sm/taona.
18,3% eny amin’ny solampy
¾
36 hatramin’ny 63% anatin’ny lalankely
savaivo ankapobeny : 8 sm
Ho an’i Kirindy, ny fambolena dia nanomboka ny
taona 1979
¾
¾
Haavon’ny hazo amin’ny ankapobeny : 6
hatramin’ny 8 m
¾
¾
15,1% eny amin’ny tampom-bohitra
¾
85 hatramin’ny 90% anatin’ny banga
Taorian’ny fanisana natao tamin’ny volana
desambra 2009, ny tahan’ny fahafatesana dia :
Fikarakarana : fanadiovana ho an’ny fambolena
0 hatramin’ny 6 taona.
¾
Fihety ankapobeny : 10000 fototra isaky
ny hektara ho an’ny banga ary 100 fototra
isaky ny hektara ho an’ny lalankely
¾
Fomba
fambolena
ara-teknika :
Fambolena
anaty
lalankely
(elanelan’ny
zanakazo : 2m x 2m) ary fambolena anaty
banga (elanelana 1m x 1m)
Taorian’ny fanisana natao tamin’ny volana desambra
2009, ny tahan’ny fahafatesana dia :
Famangitra : in-telo isan-taona amin’ny taona
voalohany, indroa isan-taona amin’ny taona faharoa
ary indray isan-taona manomboka ny taona
fahatelo: fanalana ny ahidratsy manodidina ny
fototry ny zanakazo novolena
¾
¾
Fiavana : fanalana ny ahi-dratsy amin’ny
toerana fanarenana
¾
Fotoana fambolena : volana jolay ka
hatramin’ny aogositra
Fambolena
Fikarakarana
Fametrahana aroafo
¾
Faharetan’ny fikarakarana : 4 ka
hatramin’ny 5 volana
¾
Fihetin’ny fambolena amin’ny ankapobeny :
1 000 fototra isaky ny iray hektara
Fiotazana ny voa
¾
¾
Fandavahana : 40smx40smx40sm
Fitaizana an-tanin-janakazo :
Fambolena
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
73%
¾
¾
ho
an’ny
Jatropha
21
Savaivo ankapobeny : 5 sm
91% ho an’ny Alluaudia procera
mahafaliensis
¾
Araka ny fikirakirana ny antontan-kevitra
azo tamin’ny fanisana natao ny volana
desambra 2009 ihany, ny tahan’ny
fahafatesan’ny zanakazo dia :
Torolalana amin’ny fanarenana atiala
6. RAKI-TAHIRIN-KEVITRA
BOKY NANOVOZAN-KEVITRA
1.
MEFT, USAID et CI, 2009. Evolution de la couverture de forêts naturelles à
Madagascar, 1990- 2000- 2005, 58p + Annexes.
2. OIBT/UICN, 2002. Directives OIBT pour la restauration, l’aménagement et la
réhabilitation des forêts tropicales dégradées et secondaires, Série Développement de
politiques OIBT No 13, 61p
3. OIBT/UICN, 2005. Restauration des paysages forestiers, Introduction à l'art et la
science de la restauration des paysages forestiers. Série technique OIBT No 23, 156p
TRANON-KALA NANOVOZAN-KEVITRA
1.
FAO, 2007. Situation des forêts du monde 2007, in www.fao.org
2. WWF, 2005. Forests for life Programme in www.panda.org/forests
22

Similar documents

Fanoroan

Fanoroan - ny dalle ary - ny lavaka Ny pejy manaraka eto dia mampiseho sanƟonany vitsivitsy. Tsy izay rehetra azo atao akory no eto. Ny fizaràna voalohany dia manazava ny karazana lavaka azo atao arakaraka ...

More information

fanamboarana kaomposta

fanamboarana kaomposta FANAMBOARANA KAOMPOSTA TANJON’NY FIOFANANA Arian’ny fiofanana ny mpandray anjara dia: 1- Mahafehy ireo tekinika fototra momba ny kaomposta 2- Afaka manao kaomposta

More information

Arahaba nahatratra ny PASKA 2015

Arahaba nahatratra ny PASKA 2015 Mitondra ho amin’ny firaisantsaina sy firaisam-po mandrakariva ny asa iombonana eo anivon’ny fiainan’ny Fiangonana. Ny mampiavaka manokana ny hetsiky ny firaisam-po dia izy andraisan’ny sokajin-tao...

More information

FANOFANANA ASAFI MAMBRA SY MPANDAHA

FANOFANANA ASAFI MAMBRA SY MPANDAHA ANDRO HO AN’NY SEKOLY SABATA SY FITORIANA AN-TARATASY IFANDEFASANA FAMPIRANTIANA ARA-PAHASALAMANA (MIFEM) & BOROGADY FAHASALAMANA FIZARANA BOKY MISIONERA 2014: « TSY TAKATRY NY SAINA » (Fampielezam...

More information

Ny MAP - Planipolis

Ny MAP - Planipolis Ankehitriny, eto Madagasikara dia manodidina ny 10 isanjaton’ny hari-karena faobe ny totalin’ny fidiram-bolam-panjakana avy amin’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Ezahina ny hampiakatra izany ho 15 i...

More information