FPMA TOULOUSE MATOAN-DAHATSORATRA TORITENY PASKA
Transcription
FPMA TOULOUSE MATOAN-DAHATSORATRA TORITENY PASKA
Gazety Fiainana FPMA TOULOUSE «Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be» - Jaona 10:10 Laharana 223 - 05 Aprily 2015 - Ny finoana an’Andriamanitra Mpahary Isantaona SVK TEMOIGNAGE Le cancer du sein Voir page 7 Jereo pejy 5 Jereo pejy 12 TORITENY PASKA Rev. Dr Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA Mpitandrina Filoha Synodaly « Fantatrareo ny teny nampitondrain’ Andriamanitra ho an’ny vahoaka ISRAELY anambarany ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra. Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an’i Jodea, taorian’ny toriteny sy ny batisa nataon’i Johany: nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefan’ny devoly, satria nomban’Andriamanitra Izy. Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin’ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton’ny olona tamin’ny hazofijaliana no namonoany Azy, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo. Nasehon’Andriamanitra miharihary Izy, tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty; ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.» (Asan’ny Apostoly 10/ 36-43 DIEM) www.fpmatoulouse.com Raha anontaniana izay zavadehibe voalohany amin’ny finoantsika Kristiana isika, dia tsy tokony hisalasala akory hanambara fa «Mino an’i Jesoa Kristy nohomboana tamin’ny hazofijaliana, maty ka nalevina, ary NITSANGANA TAMIN’NY MATY TAMIN’NY ANDRO FAHATELO». Fa hoy ny apostoly Paoly : « Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy; ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torinay, ary tsy misy fotony izay inoanareo» (I Korintianina 15, 13-14) Tena hafa noho ny raiketin’ny fivavahana misy eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity izany finoana izany, noho ireto roa ireto fara-faharatsiny izay mampiavaka azy : - Tsy Andriamanitra Mahery araka ny fisainantsika olombelona ny Andriamanitra inoantsika ka mandidy manapaka araka izay heveriny ny fiainan’izao tontolo izao, mila tambatambazina sy atahorana mafy fandrao mamely mafy sy manafay ny olombelona raha manao ny tsy mety eo anatrehany, kanefa manisy soa rehefa afa-po amin’ny fanompoana ataon’ny olona azy. Ny Andriamanitra inoantsika dia Andriamanitra nanaiky ho tonga olombelona toa antsika ary nitondra fahoriana toy izay mety ho tsaroantsika koa, fa tsy mba nahita fankasitrahana tamin’ny mpiara-belona taminy, na dia «nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefan’ny devoly» aza Izy, maty mihitsy aza rehefa nanaparan’ny olona tsy tia Azy Tohiny pejy 5 MATOAN-DAHATSORATRA Elysée ANDRIAMIANDRA - Mpitandrina « FIADANANA HO ANAREO. » (Jao.20 :19, 21, 26) Izany no teny voalohany nambaran’ny Tompo tamin’ny mpianany izay nihaona taminy rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. “Ilay Velona”, Ilay Andriamanitra velona satria nandresy ny fahafatesana no niteny izany. Ary ianao koa ve efa nandre izany teny izany? Tsy hoe nandre tamin’olona, na tamin’ny fitantaràna fa tamin’ny vavan’ILAY NITSANGANA TAMIN’NY MATY mihitsy. Efa tafahoana tamin’ny Tompo “velona” (nandresy ny fahafatesana) ve ianao? Indraindray, rehefa mifanerasera amin’ny kristiana sasany, dia manontany tena hoe: “Andriamanitra velona” ve no inoana sy arahina, sa “andriamanitra maty” ? Toa vao mandre na mahita loza na iharan-javatra isika dia toa “very fanahy mbola velona” – kivy, mitaraina, matahotra, malahelo, mamoy fo, sns… Ireto mpianatra ireto dia tao anatin’ny tahotra (niery ny Jiosy) sy ny famoizam-po satria Ilay Jesosy nohomboana sy maty no tao an-tsainy. Fa nony nitsangana teo anivony kosa ny Tompo ka niteny taminy hoe: “Fiadanana ho anareo.” dia niova ny toe-pony sy ny toe-panahiny: nifaly, nitraka, nitsiry indray ny fanantenana. Marina fa mbola teo ihany ny Jiosy izay natahorany, mbola teo amin’ny toerany tsy nihetsika ilay Golgota nisy fahatsiarovana mangidy, saingy tsy tsaroany intsony izany, tsy nanarona ny fifaliany sy ny fanantenany ary ny finoany izany. Velona ny Tompo, efa nitsangana ny Tompo, resiny ny fahafatesana, resiny ny mahatahotra rehetra, FIADANANA NO OMENY. “Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” , hoy ny Tompo. Tsy maintsy mbola hisy ny loza, ny fahoriana, ny fanenjehana, ny ady, sns… (vakio Mat.24) saingy efa nandresy ny Tompo. Fa ny fanontanina dia ny hoe: “Efa tafahaona tamin’ny Tompo nitsangana ve Ianao?” Sao dia mbola tantara ihany na fahazarana ara-pivavahana sy fomba amam-pety ankalazaina fotsiny no ahafantaranao an’i Kristy Mpandresy? Sao dia “andriamanitra maty” fa tsy “velona” no ao anaty sy inoako? “Velona ny Tompo:”. Efa tafahaona taminy ve ianao? Ity no marika hamantarana azy: AO AMINAO NY FIADANANY. Nanova ny fijerinao ny fiainana, nanova ny toe-panahinao sy ny toeponao ve ny finoana an’i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana? Sa mbola ilay kristiana saro-tahotra, kanosa ka tsy sahy mitory ny finoana io misalotra ny anaran’i Kristy io (vakio Ap.3:1b) Ary sao mbola tahotra fahafatesana no manosika hivavaka (vakio Toriteny Paska) fa tsy ny fandraisana ny fiadanan’Ilay nandresy ny fahafatesana? “Fiadanana ho anareo!” Manova ny fiainan’ny mino ny mandre sy mandray izany teny izany. Nanova tanteraka ny mpianatra izany, na dia i Tomasy tsy mety mino raha tsy mahita maso aza. Teny manala ny ahiahy sy mampiorina ny fahatokiana (finoana) satria “tenin’Ilay nandresy”, “tenin’Andriamanitra velona” ka mamelona mampijoro izay mandre sy mandray azy. Mba ho ahy sy ianao anie ilay hiran’ny mpanao Salamo hoe: “Tsy ho faty aho, fa ho velona ka hitory ny asan’ i Jehovah.” Aoka izay ny tahotra! FIADANANA HO ANAREO! “Velona ny Tompo!”, “Efa nitsangana ny Tompo”, “Fiadanana ho anareo!” Aza saro-tahotra fa mijoroa; aza manahy fa sahia; aza matory fa mandehana, mandrosoa. “Aza manahy na inona na inona… ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy.” (Fil.4:6a,7) Dia manaova Paska sambatra! birao 2014 - 2016 mpitandrina Elysée ANDRIAMIANDRA FIANGONANA fpma toulouse BIRAOn’ny fpma toulouse 70 Rue Pargaminières 31 000 Toulouse 68 Rue Pargaminières 31 000 Toulouse 06 68 42 24 28 Filoha FILOHA MPANAMPY TONIA Solofoniaina RAJAOBELINA Edgar ANDRIANATOANDRO Jacqueline RAKOTO mpitantsoratra mpitantsoratra mpanampy mpitahiry vola Sylvie RAJAOBELINA Laurencia RAMANANTOANINA Jean-Christian ANDRIANJATOVO 05 61 54 24 48 06 50 19 36 02 06 12 65 20 72 06 63 64 25 34 06 50 91 06 03 05 61 16 00 03 06 51 12 49 68 06 72 32 97 22 mpitantsoratry ny vola mpitantsoratry ny vola mpanampy mpiadidy Hajamamonjy RAJAONARIVELO Dominique RASOLOFO Jean-Max RAKOTONOMENJANAHARY mpiadidy mpiadidy mpiadidy Tantely RANDRIAMANJATO Ary Zo RANDRIAMANANTSOA Maminirina ANDRIAMADY 06 51 66 62 24 06 05 02 04 76 06 37 94 83 11 06 27 04 95 36 07 78 95 22 88 06 75 92 36 89 vondronasa serasera sy firaketana Sammy RAKOTONIRINA 06 60 12 33 65 VOLA SY FANANANA Nanouh RASAMOELY 06 08 16 39 21 Honoré RASOLO RAKOTOARISOA 06 62 71 75 80 sosialy sy fampandrosoana Andonirina ANDRIANATOANDRO 06 49 55 19 29 Bodo RANDRIAMANJATO 06 06 68 01 41 Nasolo RAKOTONINDRAINA 06 77 49 94 61 Fiainam-piangonana Brigitte RANDRIAMAHEFASOA Isabelle RABETRANO 06 62 68 06 59 06 15 94 60 60 sampana feon’Ny mazava fifohazana vehivavy kristiana Lalatiana RALAMBOMANANA Richard RASOLONDRAIBE Lydie RASOLOFO tily lehilahy kristiana Tiana RAJAONARISON Harivelo RAKOTONIRAINY sekolin’ny tenin’ andriamanitra 06 29 41 10 69 06 66 33 46 27 05 34 47 26 56 06 18 42 84 44 06 24 35 52 50 05 61 70 57 18 06 52 79 33 12 Nasolo RAKOTONINDRAINA 06 48 23 93 06 tanora kristiana Joël RAKOTOMALALA 06 95 91 86 47 2 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 www.fpmatoulouse.com HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY TATITRY NY FIVORIAM-BEN’NY MPANDRAY FILOHAN’NY FPMA NOHO NY PASKA 2015 ALAHADY 22 MARTSA Ny Filohan’ny FPMA, Rev. Dr Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’I Jesoa Kristy, Ilay Vavolombelona mahatoky, Ilay Zanaka Lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tamin’ny maty, ary Ilay Filohan’ny mpanjaka amin’ny tany. « Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambarany ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra » Asan’ny apostoly 10. 33. Kristy Loharanon’ny Fampihavanana: Vaovao Mahafaly ampitain’ny Paska amintsika izany. Mampihavana antsika amin’Andriamanitra I Kristy, ary mampihavana antsika samy isika. Sarotra amintsika olombelona kanefa ny tena mihavana noho ny tsy fifandeferana sy fifikirana amin’izay heverin’ny tenantsika tsirairay avy ho marina. Feno korontana izao tontolo izao. Tsy mety milamina tanteraka na dia hatrany amin’ny fiainampiangonana aza matetika. Fa ny Paska dia tsy misaraka mihitsy amin’ny fanomezandanja ny FAHAFAHANA. « Hahazo ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa mijoroa amin’izany, fa aza mety hogiazan’ny zioga maha mpanompo indray.» Galatianina 5. 1 Ny teny hoe «FAHAFAHANA» («LIBERTÉ») no hiarahantsika mandinika amin’ny Zaikabe amin’ity taona ity. Be ny teny re fanahidrahidrana ny “Fahafahana”,. kanefa toa ampiasaina be fahatany izany teny izany, ary alokalofan’ny fitiavan-tena sy tsy firaharahiana ny hafa. Ny Fahafahana kristiana dia ao amin’i Kristy irery ihany. « Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona www.fpmatoulouse.com mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.» Galatianina 5. 13. Mampahatsiaro antsika izahay ny Fandaharan’asan’ireo SAMPANA IRAISANA mikasa hanao ny Fihaonambeny tamin’ity taona ity (Sampana Tily, Sampana Sekoly Alahady, Sampana Tanora Kristiana, Sampana Zava-maneno, Sampana Fifohazana). Eo koa ny Fihaonana sy Fiofanan’ny Filoha sy ny Mpitahiry vola fanao isan-taona sy ny Synoda Lehibe hatao eto Paris amin’ny Jona ho avy izao, ny Fiofanana sy ny Fihaonamben’ny Mpitandrina ao amin’ny FMM amin’ny volana Mey sy amin’ny volana Jolay, ary ny Zaikabe hatao any La Roche sur Yon amin’ny volana novambra. « Ny fampiasan-tena arabatana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy..» 1 Timoty 4, 8 Mirary Paska sambatra ho anareo rehetra ary mitsodrano anareo sy mametraka anareo ho eo ambany fitahian’Andriamanitra: « Andriamanitra dia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay. Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vononkanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen. » Hebreo 13, 20-21 Ny Filoha Solofo Rajaobelina N o h o n ’ n y fitahian’Andriamanitra lehibe dia tanteraka soa amantsara ny fivoriam-ben’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo natao ny Alahady 22 Martsa lasa teo. Ny tatitra moraly 2014 dia nampahatsiahy indrindra ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra ny Fiangonana FPMA Toulouse ka nandrotsahany ny fitahiany sy ny famindrapony lehibe amintsika. Maro be mantsy ireo asa notontosaina tamin’iny taona lasa iny. Raha mamakivaky ny taona 2015 indray isika dia tiana ny mampahatsiahy fa ny tenin’Andriamanitra hanankinantsika ny asa rehetra dia ny teny manao hoe: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay.» (1 Timoty 6, 12) “izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara. ” (1 Korintiana 9, 14) Ireo teny ireo no hafatry ny Synoda 2014 rahateo. Midika izany fa antsoin’Andriamanitra isika handroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany amin’ny fanarahana azy ary hahay hibanjina sy hikatsaka hatrany ny Fanjakany ary ny Fahamarinany. Mampahatsiahy koa io hafatra io fa antsoina isika hanohana hatrany ny Mpitory ny Filazantsara amintsika ary tsaroina manokana amin’izany ny Mpitandrina izay Ray amandreny am-panahy eto amin’ny fiangonantsika. Ireto ary ny ezaka kasaina hirosoana amin’ity taona 2015 raha sitrapon’ny Tompo: > Fitaizana amin’ny fanoloran- tena maharitra (fanatrehana fiofanana, fanaterambokatra, fanefana ny adidin’ny Mpandray) > Fanetsiketsehana ny VALA : mba hifandray tsara ny diakona sy ny mpiangona > Fanampiana ny sahirana : fanangonana ny PPN (produits de premières nécessité) ary fizaràna izany amin’ny fotoana manokana > Fitadiavana trano Fiangonana : fametrahana « commission » manokana hiasa ho amin’izany > Fankalazàna jobily faha-30 taona niasan’ny Mpitandrina teto amin’ny tafo Toulouse sy faha-15 taona nanokanana azy ho Mpitandrin’ny FPMA Ireo EZAKA ireo dia mila ny fanohanantsika hatrany ka «Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo.» Romana 12:11. Eto ampamaranana dia indro misy famintinana ny mety ho taratry ny fiainam-piangonana. Hitantsika etsy ambany fa ny tena “idealy” dia sady be fanoloran-tena isika no mazoto manao asa betsaka koa ato am-piangonana. Izany hoe ny rehetra mihitsy no miaramisalahy manatanteraka ny asa REHETRA araky ny fandaminana. “Satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” I Kor 15 : 58 (b). Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 3 Soa fa nisy ny Paska Maty Jesoa ! Maty teo amin’ny Hazo Fijaliana Izy. Kiaka tokana no namarana ny fiainany tety antany, dia kiakam-pijaliana, nefa kiakam-pitiavana sy kiakampanantenana koa. ”Vita !”, hoy Izy. Dia niala teo, ka lasa nody izay nanatrika ny fahafatesany. Fihetseham-po maro samihafa tsy hay faritana no nanaraka azy ireo ho any amin’ny fonenany avy. Afaka mifarana eo ny tantara, fa zava-dehibe no efa nitranga teo amin’ny Hazo Fijaliana nanombohona Azy. Fandresena, eny, fandresena tsy misy anombinana no vokatry ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fa “teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” (Rom 5:20). Tsy mifarana eo anefa ny tantara. Fihetsiketsehana lehibe no nanomboka tamin’ny marainan’ny andro Paska. Nizotra ho eny amin’ny fasana ireo vehivavy mpianatry ny Tompo. Nihazakazaka hijery izay niseho teny koa i Petera sy Jaona. Niverina alina avy any Emaosy ho any Jerosalema ny mpianatra roa lahy. Nivory ny iraika amibin’ny folo sy ny mpianatra rehetra hankany an-trano ambony, hankany ankianjan’ny Tempoly, hankany amoron’ny ranomasin’i Teberiasy, hankany antendrombohitra Oliva. Dia nihanaka ny fihestiketsehana. Nanomboka tao Jodia izany, dia nahazo an’i Samaria, ary nanenika ny tany rehetra teo ambany fiadidian’ny fanjakana romana. Roa arivo taona mahery izao no nitohizan’izany fihetsiketsehana izany amin’ny alalan’ny fivoriana, ny fitsidihana, ny fitokanana, ny fiofanana, ny fanompoampivavahana, ny fetim-piangonana, ny tafika masina, ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny toriteny, ny fifanampiana sy ny fampandrosoana. Ny 4 asan’Andriamanitra tanterahin’ny Fiangonana eran’ny firenen-tsamihafa eto amin’izao tontolo izao dia mikoriana avy amin’ny loharano tokana ihany, dia ny Paska, izay andro nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Nanomboka tamin’ny marainan’io andro io dia re mamakivaky ny taonjato maro, ny kontinenta dimy, ny taranaka mifandimby, re avy amin’ny tenim-pirenena rehetra, ny hiram-pihobiana manao hoe: “Velona Jesoa, ilay nohomboana teo amin’ny Hazo Fijaliana ! Resy tanteraka ny fahafatesana !”. Velona Jesoa ! Ary miombona Aminy amin’izany fitsanganany ho velona izany isika. ”Niaranatsangana tamin’i Kristy hianareo” (Kol 3: 1), hoy ny Apostoly Paoly. Fa rehefa natsangana tamin’ny maty Izy, dia isan’andro, tsy voafetran’ny fotoana na ny elanelan-tany, no ifandraisany amintsika. “Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho lohany amin’ny zavatra rehetra” (Kol 1: 18b), sy “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” (Rom 8: 29), izay tarihiny ho tonga amin’ny fitsanganana amin’ny maty koa, ka ho velona ao Aminy. Rehefa tonga eny amin’ny fara-tendrony ny mpitarika ny mpananika tendrombohitra, dia tsy manao hoe : “tonga aho !”, fa mihiaka hoe : “tonga isika !”. Na dia mbola eny an-tehezany aza mantsy ireo mpanaraka azy, ka mbola mitady izay hifikiran’ny tanany sy hipetrahan’ny tongony ao anaty zavona, dia matoky fa efa miara-tonga eny an-tendrony amin’ilay mpitarika azy sahady, satria miray aminy amin’ny tady izay mampifamatotra azy rehetra aminy. Amin’ny fiombonantsika amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy no andraisantsika anjara koa amin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Tsy natao ho antsika mpino irery anefa izany, fa ho an’ny olona ankasitrahana rehetra koa. Efa maty ho an’ny olona rehetra i Kristy. Araka izany dia miasa gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 ao am-pon’ny olona rehetra amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika ny fahasoavan’ Andriamanitra, mba hitarika ny tsirairay avy ho mpiombona amin’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. “Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miaramarary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny, ary antenaintsika fa hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” (Rom 8: 22, 21). Koa amin’ny mason’ny olona nandray ny fitsanganana amin’ny maty no iandrasantsika lanitra vaovao sy tany vaovao, sy anantenantsika fanafahana ho an’ny zava-boahary manontolo, dia fanavaozana azy tanteraka. Marina fa tsy mandeha ho azy izany fanavaozana izany. Tsy mora ny manova ny rafitra mafy orina napetrapetraky ny fahotana amin’ny sehatra samihafa hatraiza hatraiza eto amin’izao tontolo izao, izay mamadika ny fananana ho fangoronan-karena, ny fahefana ho fanjakazakana, ny fahalalana ho famoretana ny hafa. Mbola marary ny zanak’olombelona. “Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ny diloilo izy” (Isa 1 : 6). Na dia eo aza anefa izany, dia azo antoka fa mandroso tsy misy fihatoana amin’ny fanasitranana azy Andriamanitra. Ny Fanahin’Ilay Lahimatoa amin’ny fitsanganana amin’ny maty mantsy dia miasa amin-kery eto amin’izao tontolo izao toy ny lalovay mampisondrotra azy, ka manova ny tantarany ho vonon-kandray ny fananganana amin’ny maty koa. Ao anatin’izany no iantsoan’ny Tompo antsika hiara-miasa Aminy mba hanova ny fahasahiranana atrehintsika ho lalana mitondra amin’ny fandrosoana, ny fifanolanana mampifanjevo antsika ho fitaovana hanorenana ny fahamarinana, ny lalan’ny hazo fijaliana izorantsika ho lalan’ny fanantenana, ny fahafatesana miandry antsika ho lalana ho amin’ny fiainana. Dia faly isika mahita ny fanafahana azon’ireo ela niharetana fangejana sy fanaporetana, mahita ny fahombiazan’ny fitakiampiadanana ilofosan’ny vahoaka tsy mankasitraka herisetra, mahita ny fifandraisan’ny tànana maro samy hafa volon-koditra, mahita ny fametrahana ny fanantenana sy ny firaisankina ho vy miaina manetsika ny sivilizasiona. Soa fa nisy ny Paska, fa ny Paska no manoro lalana antsika hiditra amin’ny vavahady etin’ny fibebahana sy ny lalan-terin’ny fahaterahana indray, araka ny tenin’ny Tompo rahateo manao hoe : “Midira amin’ny vavahady ety hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy” (Mat 7: 13, 14). Avy amin’izany no anangonany antsika ho andiany iray, ho vahoaka iray, dia vahoakan’ Andriamanitra mandray ny fanamasinany isan’andro ; mihanoka ny mofon’aina sy ny ranovelona atobany eo ampofoantsika amin’ny alalan’ny Teniny, izay tsy iza fa Jesoa Kristy, Ilay Teny tonga nofo monina amintsika ; tohanan’ny herin’ny Fanahy Masina izay nanangana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty mitoetra ao anatintsika sy mamelona ny tenantsika mety maty (Rom 8 : 11) ; mba hivondronantsika ho tena tenan’i Kristy marina manatanteraka ny asany eto amin’izao tontolo izao, dia ny fitoriana ny Filazantsara, ny famonjena sy ny fitsanganana amin’ny maty. Koa mitsangàna hitory ny Paska, ilay hany lalana ahafahana mifindra avy ao amin’ny tany mangetana sy mivava, ny lalana tampina tsy ahafahana mandroso, ny sakantsakana mahavery hevitra sy ny maizina mampiraparapa itoerana eto amin’izao tontolo izao, ho amin’ny fahazavana mahagaga, ny fanjakan’ny lanitra, ny fiainana mandrakizay izay avy sady efa tonga eto amintsika ankehitriny. Mitsangàna hitory ny Paska, ilay hany lalana ahafahana mifindra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fitsanganana amin’ny maty. www.fpmatoulouse.com TORITENY PASKA ny Iray masinao ho tratry ny lo Ianao.» (Salamo 16/10) Tohiny ny herisetra sy fankahalana ka « nahanton’ny olona tamin’ny hazofijaliana no namonoany Azy». Kanefa, izay fahoriana nentiny izay no nanatanterahany ny famonjena antsika sy fampihavanana antsika olombelona tamin’Andriamanitra. Hoy Jaona raha nampitandrina ny mpino tsy hinoino foana fa hahay hizaha toetra ny fanahy misy eto amin’izao tontolo izao izy, hoe : «Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra; ny olona rehetra tsy manaiky an’i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin’ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny...» (I Johany 4, 1-2). Tsy eken’ny sain’olombelona tsotra izany Andriamanitra nijaly izany. - Tsy Andriamanitra maty na resin’ny fahafatesana kanefa ny Andriamanitra inoantsika, fa nitsangana tamin’ny maty Izy : « nefa natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo. Nasehon’Andriamanitra miharihary Izy, tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa». Efa nambaran’Andriamanitra mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminany izany, ary nampiomanan’i Jesoa ny mpianany koa, kanefa sarotra na dia tamin’izy ireo aza ny nino izany raha tsy efa nitranga tokoa Izy sy «niara-nihinana sy nisotro taminy izahay». Fa hoy ny mpanao Salamo : «Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainantsy hita ny aiko ; Tsy hamela www.fpmatoulouse.com Tsara homarihana fa ny ankamaroan’ny fivavahana eto amin’izao tontolo izao (les religions du monde) dia saika miompana avokoa amin’ny resaka manodidina ny fahafatesana avokoa. Fantatry ny olombelona tsara fa misy fetra izy (inscrit dans la finitude) toy ny zava-boary rehetra, kanefa ny finiavany hihoatra izany fefy izany, noho ny hambo «te hitovy amin’Andriamanitra» araka ny fakam-panahy nahalavo azy hatramin’ny fiandohana no hitadiavany lalana hafa hahazoana famonjena sy sitraka avy amin’Andriamanitra ankoatra ny finoana an’i Jesoa maty nohomboana teo amin’ny hazofijaliana sy n a t s a n g a n’ A n d r i a m a n i t r a tamin’ny maty. Te ho vita fihavanana amin’Andriamanitra araka ny saina aman’eritreriny fotsiny ny olombelona, ka ny «sampy» rehetra dia vokatry ny sain’olombelona tsy te handalo amin’ny asan’Andriamanitra feno sy tanteraka amin’ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra manokana. Tsaroana ny navalin’i Jesoa Kristy an’i Petera izay nandà ny fahoriana holalovan’ny Tompo hanatanterahany ny sitrapon’Andriamanitra Rainy (Matio 16, 21): «Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin’i Petera hoe: Mialà amiko, ry Satana! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin’ny ratsy ianao, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona..» (Matio 16, 23) Endrika maro ny fomba miaro fivavahana ataon’ny olona «hanambatambazana ny andriamanitra» tsy hanisy ratsy azy. Isan’izany ny fikarakarana tafahoatra ny maty, ohatra, izay miaro tahotra ny fahafatesana heverina ho toy hery na andriamanitra kely mihitsy izay «maka remby» tsy miato. Maka endrika «fanehoam-pitiavana» ny havana nodimandry izany matetika, kanefa ao ambadika dia ny tahotra sy ny finoana ny «herin’ny fasana» mety hanimba. Ny Andriamanitra inoantsika dia Andriamanitra tsy resin’ny fahafatesana. Hoy ny apostoly Paoly, raha nanazava sy nanizingizina tamin’ny vahoaka kristiana tany Korinto izay mbola nisalasala (- ary tsy latsaka noho ireo Korintiana koa ny maro mandraka ankehitriny -), hoe : « Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no hery ahombiazan’ny fahotana. Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!.» (I Korintianina 15, 56-57). 1 . N a m b a r a n ’ n y tenin’Andriamanitra hatrany am-boalohany ny fiavian’i Kristy sy ny asany. «Jesoa Kristy no teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny Zanak’Isiraely, milaza fiadanana», araka ny Isaia 57, 17-19 sy 61, 1-3. Fa nitatra ho an’ny mino rehetra avy amin’ny vazan-tany efatra ny fiadanana, araka ny nambaran’ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry tany Betlehema tamin’ny fanambarana ny nahaterahan’i Kristy, Ilay Teny tonga nofo ka nonina tamintsika. Tsy hahafantarantsika ny asan’Andriamanitra ny fanaovantsika tsirambina ny fihainoana sy fitadidiana ny teny efa nambaran’ny Tompo. Ny mahakely ny finoana ka tsy hahitantsika ny herin’Andriamanitra dia ny tsy fahatokiana ny tenin’Andriamanitra fa manaiky sy mitoky amin’ny saina amam-pahalalanan’ny olombelona fotsiny isika. 2. Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny amin’ny fahafatesana sy fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia andraikitra nomena ny vavolombelona « Ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no vo a t e n d r i n’ A n d r i a m a n i t r a ho Mpitsara ny velona sy ny maty », hoy ireo Apostoly. Na dia sarotra tamin’izy ireo aza ny nino tany amboalohany, resy lahatra ihany izy ireo rehefa «niaranihinana sy nisotro taminy». Nampahatsiarovin’ny Tompo tamin’ireo ho vavolombelona, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, ny Fanasana Masina izay vao niarahany naorina tamin’izy ireo talohan’ny nijaliany sy niaretany. Hoy ny Apostoly Paoly raha nilaza ny nanorenana ny Fanasan’ny Tompo izy, hoe: «Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.» (I Korintianina 11, 26). Tsy azo sarahina na oviana na oviana amin’ny fialohavan’ny hazofijaliana ny fifaliana noho ny fandresena eo amin’ny Paska. Fa tsy hahatakatra na oviana na oviana ny hasarobidin’ny Fanasan’ny Tompo koa isika raha tsy mitodika amin’ny niaretan’ny Tompo nialoha ny fandreseny. Ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly dia manomboka ao anatiny aloha, vao mandeha any ivelany. Tsy feno sy tanteraka ny maha-Kristiana antsika, raha mbola manjaka ao anatin’ny Fiangonana ny fisalasalana sy ny fiheverana fa «toy ny Andriamanitra maty» ny inoantsika. Tsy mahomby matetika ny fijoroantsika ho vavolombelona. Lany andro miady hevitra sy mampiasa saina isika hampandroso ny Fiangonana amin’ny alalan’ny kajy sy ny tetika isan-karazany, ary alaim-panahy hanadino sy handositra ny hazofijaliana nambaran’ny Tompo fa tsy maintsy entin’izay rehetra te hanaraka Azy. Kanefa, tsotra ihany no takiana amintsika : mino fa Andriamanitra velona no tompointsika, nijaly kanefa nandresy ny fahafatesana. Tsy miandry fahagagana fa miasa, kanefa tsy matoky tena araka ny fisainan’olombelona fa mametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra Izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty, ary mahay manao mihoatra lavitra noho izay heverintsika sy tanterahintsika akory aza, rehefa manaiky hotarihiny sy ampianariny isika. Hoy ny Apostoly vavolombelona voalohany izay arahintsika rehetra mino koa, hoe :« Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelankeloka amin’ny anarany.» Voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary Fiadanana ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany ! gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 5 Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo Paska ! Andro fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ! « Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho… » (Lio 24 : 34). Koa asaina isika hitory mivantana ombieny ombieny eny tontolo eny an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay Andriamanitra iray amin’ny Ray. « Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao 10 : 30), hoy Izy, ary «Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray » (Jao 14 : 9). Ao amin’i Jesoa Kristy no ahitana an’Andriamanitra, Ilay « tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo » (Mat 20 : 28), Ilay tonga handohalika eo anoloan’ny olona, mba hanasa ny tongony (Jao 13 : 5), Ilay tonga ho tia ny azy hatramin’ny farany (Jao 13 : 1), hatramin’ny fanolorana ny ainy teo amin’ny Hazo Fijaliana, hatramin’ny Fitsanganana amin’ny maty, mba hamonjena azy amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, sy hanamarinana azy, ary hanomezana azy ny fiainana mandrakizay, sy ny zavatra rehetra (Rom 8 : 32), izay miara-miasa hahasoa azy (Rom 8 : 28). Asaina isika hitarika ny olona ho eo amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, dia Ilay Andriamanitra Mpahary sady tsy sasatry ny manohy ny fahariana natombony ; Ilay Andriamanitra mampianatra sy mitaiza antsika tsirairay avy mba hanampiany antsika hitombo ao Aminy ; Ilay Andriamanitra nanolo-tena ho mpiara-dia sy ho akaiky dia akaiky antsika, araka ny teniny manao hoe : « Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony ; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo » (Jao 15 : 15) ; Ilay Andriamanitra mampihavana sy manome fiadanana ; Ilay Andriamanitra tonga mofon’aina eo an-tànantsika, mba hahatànantsika ny tànany, izay mitsotra hitàntana antsika mandrakariva ; Ilay Andriamanitra tonga rà ao am-pontsika, mba hahafahantsika mitia toa Azy koa ; Ilay Andriamanitra nanolotra ny tenany sy ny rany, mba haha-tena iray antsika rehetra izay nandray Azy, ka nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra (Jao 1 : 12) ; Ilay Andriamanitra tsy misy mahasakana, fa miasa (Isa 43 : 13), ka mamonjy, mampionona, mamela heloka, manangana amin’ny maty ary mamory antsika ao ambany elany. Imanoela no Anarany, izany hoe, « Amintsika Andriamanitra » (Mat 1: 23). Fa “ny Teny dia tonga nofo, ka monina amintsika”, hoy ny Apos- toly Jaona (Jao 1: 14). Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra nanolotra ny ainy hamonjy ny maro, mba hitarika antsika hanolotra ny aintsika ho an’ny namantsika koa. Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra mpamela heloka, mba hampianatra antsika hifamela heloka koa. Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra mitady ny ondry very, mba hiantso antsika hiaraka Aminy hitady ny very, hampody ny voaroaka, hamatra ny folaka, ary hanatanjaka ny malemy (Eze 34: 16). Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra tia ny olona rehetra, mba hanampy antsika handray ny olona rehetra ho rahalahintsika koa (Mat 23: 8). Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra tompon’ny voninahitra sy ny fiandrianana rehetra, mba hahaizantsika manome voninahitra Azy eo amin’ny fiainantsika. Monina ao amintsika Ilay Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty, mba handraisantsika sy hiainantsika ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny fiainantsika an-davan’andro. Ny fihaonana marina amin’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, dia manery antsika hifampizara Aminy ny asa iraka nanirahan’ny Ray Azy tety, izay mbola tanterahiny tsy miato mandraka androany, dia ny fitondrana ny zioga fitarihana ny angadinomby iasana ny sahan’ny Fanjakana, mba hamokarana sy hanabeazana ary hampaharetana ny vokatra eto amin’izao tontolo izao (jao 15: 16). Manoloana ny fitomboan’ny sarisary sy hevitra mahatsikaiky sy feno fanivaivana ahelin’ny tsy mpino mikasika an’Andriamanitra, izay mikendry ny hahamaty momoka ny ezaka fitoriana ny Filazantsara, dia ilaina isika hanambara an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, izay nanao fanekena vaovao maharitra mandrakizay tamin’ny nandatsahany ny rany, fanekena vaovao ahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fahasoavana manompo Azy ary ny fahasambarana miara-miaina Aminy. Tsy mbola vita tanteraka ny fanasana tongotra natombok’i Jesoa tety an-tany. Tsy maintsy mbola misikina ny lamba famaohana koa isika, mba ho vonona mandrakariva hanasa ny tongotry ny namantsika, izay miisa lavitrisa maro dia maro eto amin’izao tontolo izao. Izany no marika hita maso hahafantaran’izao tontolo izao ny fisian’Andriamanitra mitady fihavanana amin’ny olona rehetra amin’ny fanekena vaovao notanterarin’i Jesoa Kristy teo amin’ny Hazo Fijaliana sy tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Arilaza Randriamahefasoa NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA MPAHARY. “ Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.” (Jao.1:3) Mazava ao amin’ny Soratra Masina, fa iray ihany ny hoe: “Mino an’Andriamanitra”, sy ny hoe: “Manaja an’Andriamanitra.” (vakio Mal.1:6). Eken’ny mino rehetra fa Andriamanitra no nahary “ny tany sy izay rehetra eo aminy” sy tompony, ary tsara ny nanaovany azy. Miharihary ankehitriny fa simba izany zava-boahary izany noho ny asan’ny olombelona; nefa toa tsy mametra-panontaniana mikasika izany ny ankamaroan’ny kristiana. Toa heverin’ny maro fa i Adama sy Eva irery ihany no tompon’antoka ny amin’ny ozona niteraka izany fahasimbana izany (Gen.3). Ny Testamenta Vaovao dia manantitra ny toeran’Andriamanitra teo amin’ny fahariana ary manondro ny antony: “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.” (Kol.1:16) Voalaza àry fa Ilay Mpahary izao tontolo izao ihany no Mpamonjy azy, dia 6 Jesosy Kristy. Koa moa àry ve azo ferana amin’ny fikendrena sy fibanjinana ny fiainana an-danitra na ny fiainana mandrakizay ihany ny finoana an’i Jesosy sy ny fanarahana Azy ka handraisantsika ny hevitry ny Ap.21:1? Moa ve tsy manana anjara-adidy sy andraikitra manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana indrindra ny kristiana eo amin’ny fandraisany sy fitoriany ny asanpamonjen’i Kristy; indrindra fa matetika mandray anjara mavitrika amin’ny fanimbàna ny tontolo iainana koa izy amin’ny fandraisany anjara amin’ny fomba famokarana, fanorenana, fitantanana, fandanilaniana foana (surexploitation des ressources naturelles, constructions sauvages, destruction et anéantissement de certaines ressources utiles à l’équilibre écologique de notre planète, gaspillage, etc…) Ny Apostoly Paoly dia nanambara fa tsy isika ihany fa ny zavaboahary rehetra koa dia samy miandry amin’ny fanantenana ny fananganan’anaka sy ny fanavotana; izany hoe manana anjara amin’ny famonjena koa izy gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 ireo. Hoy ny Rom.8:19-23: “ Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra. Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miaramisento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voalohambokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.” Ary moa tsy noho ny nataon’ny olombelona no nahatonga ny ozona teo amin’ny zava-boahary, satria izy no napetrak’Andriamanitra ho mpanjakany? Ny mpandinika dia miara-manaiky fa vokatry ny asan’ny olombelona ny fahasimbana misy eo amin’ny zava-boahary ankehitriny. Ny fandresen’i Kristy ny fahotana sy ny vokany dia tokony hasehon’ny kristiana koa eo amin’ny fanajàny sy ny fiarovany ny zava-boahary, izay asan’Andriamanitra. Ny fandresena ny fahafatesana ve tsy tokony hiseho amin’ny hitsaharan’ny olombelona amin’ny fanimbàna ny zavaboaharin’ Andriamanitra koa, ka hikarakaràny sy hamelomany azy kosa, ho fitoriana ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana amin’ny lafiny rehetra? Mankalaza ny PASKA isika izao. Velona ny Tompo! Asehoy fa mpamelona ianao fa tsy mpanimba na mpamono. Asehoy fa ny fiainana nomen’ny Tompo ahy sy anao dia mitarika antsika hirotsaka an-tsehatra hizara fiainana be dia be tsy ho an’ny olona ihany, fa ho an’ny zava-boahary rehetra koa izay nanokanan’Andriamanitra antsika olombelona ho mpanjakany (Gen.1:26, 28). Elysée ANDRIAMIANDRA www.fpmatoulouse.com LA FOI EN CHRIST : SOURCE DE GUERISON Tout d’abord joyeuses pâques à chacun. Que la résurrection de notre Seigneur et Sauveur Jésus Christ change le cours de notre histoire ainsi que la vie de millions d’êtres humains ! A la découverte de cette maladie (le cancer de sein) me concernant, je savais déjà que Dieu a un plan particulier. Il est dit dans Jérémie 29 : 11/13) « je connais les projets que je forme pour vous. Je le déclare : ce ne sont pas des projets de malheur mais des projets de bonheur. Je veux vous donner un AVENIR plein d’espérance » : la restauration de l’âme et du cœur. Le cancer fait partie de ces maladies qui « inquiètent » voire « terrorisent » même s’il est devenu fréquent de nos jours . Cette maladie appelée également « tumeur » montre déjà d’emblée « la défaite » selon le monde. Je bénis Dieu car là encore ce mot est rayé de mon vocabulaire POURQUOI ??? « Car en Jésus tu ne meurst pas : TU VIS » Jésus parle dans Jean 10/10 : « je suis venu afin que vous ayez la vie, et que vous l’aurez en abondance » Ce qui fera la différence c’est cette FOI en Jésus, justement c’est là tout l’enjeu : 1/ le cancer qu’on appelle « homamiadana » en malgache montre qu’on ne se rend pas forcément compte de l’évolution de la maladie, on se croit en bonne santé sauf qu’en vérité il réside un sérieux problème au fond. N’est-il pas semblable quant à notre santé spirituelle ? Depuis le début je faisais un rapprochement entre cette maladie et ma santé spirituelle et combien j’ai vu, j’ai senti que Dieu a beaucoup à m’apprendre à travers. 2/ le cancer nécessite des traitements plus ou moins lourds selon chaque cas ; d’ailleurs une réunion pluridisciplinaire est organisée par les thérapeutes pour chaque décision à prendre : Identique à cela, notre santé www.fpmatoulouse.com spirituelle (notre FOI) a besoin d’être traitée en profondeur. La parole dit dans 1 Pierre 1 :6-7 : « … vous soyez attristés pour un peu de temps par diverses épreuves ; afin que l’ÉPREUVE de votre FOI ; plus précieuse que l’or périssable qui cependant est éprouvé par le feu , ait pour résultat la louange, la gloire et l’honneur, lorsque Jésus Christ apparaîtra ». Ce passage que j’ai entendu plusieurs fois auparavant et que j’ai connu par cœur fut pour moi révélateur de beaucoup de choses : Accepter les épreuves, dépendre de Jésus entièrement, ne jamais abandonner, espérer par la foi. 2a/ avec le cancer, on ne peut pas faire de l’automédication ; contrairement au petit rhume où doliprane et spasfon feront l’affaire. Indispensable de consulter les spécialistes puis surtout d’accepter de suivre les traitements proposés ; Il est en est de même pour notre âme ; ce n’est pas en faisant des prières courtes ou en feuilletant la A/N RAKOTOARISOA ner les cellules cancéreuses, le sang versé par Jésus, a un prix fort, a lui aussi besoin de couler dans nos veines spirituelles pour faire son effet. On parle de naître de nouveau ou d’être une nouvelle créature en Christ mais à ce compte là j’ai vécu le scénario en direct. 2c/ Nombreux sont les effets secondaires causés par la chimiothérapie qui soit disant reste un poison. Mon oncologue m’a toujours dit : « soyez rassurée, ce n’est qu’un mauvais moment à passer, tout sera renouvelé d’ici quelques temps ». Dieu m’a parlé à travers sa parole dans Marc 16/18 : « …quand ils auront bu quelque chose de mortel, cela ne leur nuira point ». Je rends grâce à Dieu car sa parole reste le plus efficace des traitements que j’ai expérimentés; durant les 6 mois de traitement ; ses mains puissantes m’ont préservé des effets secondaires. Dorénavant, je pense que si on me parle d’effet secondaire, il existe un effet primaire qui reste « la NOUS SOMMES PLUS QUE VAINQUEUR PAR CELUI QUI NOUS A AIMES (Romains 8/37) bible de temps en temps ; ou en réchauffant les bancs de l’église les dimanches que la santé spirituelle est acquise, on a besoin de consulter le grand spécialiste « Jésus Christ » : « ce ne sont pas ceux qui se portent bien qui ont besoin de médecins mais les malades » ( Mathieu 9/12). Il nous faut avoir l’humilité de se dire qu’on n’est pas en forme et qu’on a besoin chaque jour de l’intervention de notre Sauveur Jésus Christ. 2b/ ce qui m’a marqué dans mon traitement ( la chimiothérapie) c’est la couleur du produit (ROUGE) en intraveineux. Là encore, Dieu me parle : tel ce fameux liquide rouge qui a besoin de couler dans mes veines afin d’élimi- puissance Dieu » 2d/ ces injections ont eu lieu toutes les 3 semaines, par contre je surveille mon alimentation tous les jours : Malgré qu’on soit baptisé (uni en Christ), on a besoin de surveiller notre alimentation spirituelle chaque jour en avalant la parole de Dieu. Je sais que le doliprane soulage les maux de tête, je peux en avoir sur les mains mais si je ne l’avale pas, aucun effet ne sera envisageable. Il en est de même pour la parole de Dieu qui est : « la VIE pour ceux qui les trouvent, et la SANTE pour tout leur corps » (Prov. 4/22) 2e/ la chimiothérapie reste un traitement invisible car ni moi ni les médecins ne savons comment elle opère dans les cellules. Si j’ai une blessure extérieure, j’applique une crème (par la vue) et psychologiquement ça peut aller! Extraordinaire encore, la puissance de ce sang de Jésus (par la foi) opère de grand miracle : « car nous marchons par la foi et non par la vue » (2 Corinth 5/7). 3/ ici c’est mon cardiologue qui me parle : « une étude a été faite par les américains sur le cancer : le cancer est le fruit DU HASARD puisqu’il arrive sur une personne vraiment au hasard…. Albert Einstein dit : le hasard c’est DIEU qui se promène incognito ». ce qui est certain c’est que la maladie n’est pas de Dieu, par contre la volonté de Dieu est de nous guérir « Car c’est par la Grâce que vous êtes sauvés, par le moyen de la foi. Et cela ne vient pas de vous, c’est le don de Dieu » (Ephe 2/8). La Grâce est la source, la foi le moyen, et le résultat est que nous sommes sauvés. Nous ne sommes pas sauvés parce que nous faisons nous, parce que Jésus a accompli à la croix, il a payé la totalité du prix du rachat de nos péchés. Ma sœur, mon frère ! Si dans ta vie tu reconnais que tu es limité, accepte tes faiblesses et dépose tes insuffisances sous la croix de Jésus : « cependant, ce sont nos souffrances qu’il a portées, c’est de nos douleurs qu’il s’est chargé… et c’est par ses meurtrissures que nous sommes guéris » (Esaie 53 :4/5). Ces quelques mois de traitement nous (Dada, Nono et moi) ont ouvert nos cœurs sur l’AMOUR de Dieu et ses conséquences : - Dieu est fidèle et omniprésent , rendons-lui GRACE : « rendez grâce en toutes choses, car c’est à votre égard la volonté de Dieu en JésusChrist » ( 1 Thessa 5/18) Ce verset nous enseigne de rendre gloire EN toutes circonstances et non POUR toutes circonstances. La différence est très importante. Suite page 8 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 7 Dans les évangiles, jamais on ne voit Jésus rendre grâce pour la maladie ni pour la mort. Parfois, on pense qu’il faut remercier Dieu pour les difficultés, mais c’est faux. Apprenons à rendre grâce comme Jésus l’a fait : non pas pour les difficultés, qui sont les manoeuvres de l’ennemi, mais pour la victoire. Louons Dieu parce que nous savons qu’Il a le pouvoir de nous guérir, parce que nous avons la certitude qu’Il veut nous apporter la joie, la santé et la prospérité. Ne nous focalisons pas sur nos problèmes car en faisant cela, nous les glorifions ; concentrons-nous sur Dieu, louons-Le afin de recevoir son secours. - L’amour de Dieu : Dieu nous aime. Pour Lui nous sommes particuliers. Il ne nous aime pas parce que nous sommes quelqu’un de bien ou parce que nous agissons toujours convenablement. Dieu nous aime car Il est amour. L’amour n’est pas une action divine. L’amour fait partie de Dieu. C’est Sa nature. L’amour de Dieu est pur et intarissable. Il ne peut être gagné ou mérité. Il doit être reçu par la foi. J’ai compris intimement l’amour de Dieu pour moi, que j’ai une valeur à ses yeux. Je sais que Dieu m’aime en dépit de mes manquements et de mes défauts, il est alors plus évident d’aimer Noah, Anaiah, Ethan malgré leurs faiblesses et de leur démontrer l’amour de notre grand Dieu. Auparavant je m’emportais facilement envers mes enfants, je voulais tout contrôler, être tout le temps derrière eux : et je considérais cela comme un acte d’amour, malheureuse que j’étais. Je loue Dieu pour mon papa qui manifeste son amour de père et fait beaucoup de sacrifice pour nous . Je bénis Dieu pour le bon mari qu’Il m’a destiné ,on est vraiment UN en Christ et on apprend chaque jour à faire régner l’amour du Christ sur notre couple. Sans vous oublier , vous tous qui m’aimez , qui avez démontré votre amour pas vos gestes et prières, « soyez richement bénis » . Un verset qui nous exhorte dans 1 jean 4 :7-8 « 8 Bien-aimés, aimons nous les uns les autres; car l’amour est de Dieu, et quiconque aime est né de Dieu et connaît Dieu. Celui qui n’aime pas n’a pas connu Dieu, car Dieu est amour » - Passer du temps avec Dieu : La vie n’est pas basée sur ce que nous réalisons ni sur ce que nous possédons, mais la vie est basée sur l’amour. Cependant l’agitation quotidienne nous fait oublier quelles sont les priorités dans la vie. Elle nous fait oublier que le principal c’est l’amour. Et l’amour ne peut s’épanouir que si l’on prend le temps de le vivre, de le partager. Voilà pourquoi il est important de prendre le temps d’aimer. J’ai compris pourquoi il m’a fallu stopper toutes mes activités pour prendre ce temps d’apprentissage avec Dieu. Lorsque deux personnes vivent ensemble une relation d’amour, quelle est la plus belle preuve d’amour qu’elles peuvent s’apporter ? Il ne s’agit pas d’un diamant, « De loin l’Eternel se montre à moi: Je t’aime d’un amour éternel; C’est pourquoi je te conserve ma bonté » ( Jérémie 31/3) - La Miséricorde de Dieu : toutes les fois où nous devrions être condamnés, Il nous pardonne. Sans sa miséricorde aucune de nos fautes ne pourrait être effacée et aucun d’entre nous ne pourrait être son enfant. Et tel Il est, tel Il veut que nous soyons. « Louez l’Eternel , car il est bon, car sa miséricorde dure à toujours » (Psaumes 136/1) - Vivre par la foi et non par la vue : ne s’avère pas facile mais là encore on se met en relation avec Jésus à travers son esprit saint ainsi qu’en méditant sa parole : « que ce livre ne s’éloigne point de ta bouche, médite le jour et nuit… » (Josué 1/8) Je ne mourrai pas, je vivrai et je RACONTERAI les oeuvres de l’Eternel (Psaumes 118:17) ni d’une boite de chocolats, ni d’un bouquet de fleurs. La plus belle preuve d’amour qu’ils peuvent se donner est leur présence, le temps qu’elles passent ensemble. Passer du temps avec une personne est la plus belle preuve d’amour que nous pouvons lui donner. La vitesse à laquelle vit notre société aujourd’hui est pour beaucoup responsable des problèmes relationnels que nous avons avec nos proches. La plupart de nos relations sont endommagées par le stress, le manque de temps, les nombreuses choses à faire. Nous sommes toujours dans l’urgence : on marche vite, on parle vite, on mange vite, on est toujours pressé par un rendez-vous... et cette agitation détruit les relations. L’amour n’a plus le temps de s’exprimer à cause de cette rapidité constante. On a tellement de choses à faire qu’on ne prend même plus le temps d’aimer. gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 - L’intercession : je tiens à remercier chacun de vous qui intercédait et qui continue à le faire à mon égard. Cette épreuve m’a appris à intercéder pour les gens qui ont en besoin et voir les résultats d’une prière de foi authentique. Il est dit dans Jacques 5 :16 « confessez donc vos péchés les uns aux autres, et priez les uns pour les autres, afin d’être guéris » - Proclamer la parole de Dieu : une grande leçon que je transmettrai aux gens que Dieu met sur mon chemin, croyant ou non croyant. La parole que nous prononçons impacte qu’on le veuille ou non sur notre santé et surtout qu’elle peut être source de vie ou de mort. Si on se dit chrétien, notre langage doit être différent (réconfort, exhortation, remerciements, reconnaissance, bénédiction…). Au réveil le matin déjà. Cherchons la face de Dieu, ayons au moins une parole à proclamer pour que l’ennemi fuit loin de nous (quand Jésus fut tenté par le diable, il s’appuyait toujours sur la parole de son père : « Jésus répondit, IL EST ECRIT » ( Mathieu 4/4) - Le témoignage : Dieu a besoin de toi et moi pour parler de Lui, alors si tu es convaincu qu’il veut guérir toute l’humanité, raconte (parole, comportement, écoute..) ses exploits autour de toi. « Je ne mourrai pas, je vivrai, et je RACONTERAIS les œuvres de l’Eternel » (Psaumes 118/17) Pour terminer ce partage, ma sœur, mon frère ! Comprenons bien que Dieu nous offre un nouveau départ : les choses anciennes sont passées et de nouvelles portes s’ouvrent sur l’avenir. Ses projets pour notre vie sont merveilleux et le meilleur est devant. Peu importe ce que tu as fait ! Il n’y a pas d’échec trop difficile pour Dieu ! Il n’y a pas de fautes qu’Il ne pardonne pas ! Et peut-être que jusqu’ici ta vie a été très éprouvante ; mais maintenant que nous appartenons à Dieu, un nouveau départ s’offre à nous. A nous de tourner la page et de rentrer dans cette voie que Dieu ouvre pour nous. Ayons la certitude que le désir de Dieu est que nous nous épanouissions dans notre vie, que nous nous sentions bien, que nous évoluions ; c’est pour cela qu’Il nous libère du joug de la condamnation. PRIERE : Je te rends grâce seigneur pour ce que tu es dans notre vie, je proclame pour chacun de nous que derrière nos montagnes se trouvent des bénédictions. Que toi Seigneur tu prends soin de nous, nous sommes les prunelles de tes yeux, et tu fais de nous des VAINQUEURS pour ta seule gloire, au nom puissant de Jésus. « NOUS SOMMES PLUS QUE VAINQUEUR PAR CELUI QUI NOUS A AIMES » (Romains 8/37) Soyez bénis dans le nom puissant de Jésus. www.fpmatoulouse.com LA CROIX ET LA RÉGÉNÉRATION Nancy Rakotomalala Il n’y a aucun doute que la croix est un instrument de mort ! Dans cet aspect, elle devient un bistouri dans la main du Divin Chirurgien pour l’opération la plus sévère qui existe: une transplantation de cœur et d’esprit. Le Seigneur Jésus nous témoigne de cette opération majeure par les paroles du prophète Ézéchiel: «Je vous donnerai un cœur nouveau, et je mettrai en vous un esprit nouveau; j’ôterai de votre corps le cœur de pierre, et je vous donnerai un cœur de chair. Je mettrai en vous mon Esprit...» (Ézch. 36:26,27) . Entre les mains du Seigneur, le bistouri de la croix tranche au plus profond de ses élus pour accomplir cette opération, tout en y versant le baume adoucissant de sa grâce qui nous guérit et nous restaure dans une nouvelle vie. En termes précis, il s’agit ici d’une nouvelle création, nous sommes créés de nouveau par la puissance de la croix, nous naissons de nouveau dans une vie éternelle et glorieuse. La «nouvelle naissance» ou «régénération d’en haut» qui selon le Grec original porte la signification de «régénération dès l’origine» est une partie intrinsèque de la prédication de la croix. Son principe opérationnel débuta avec les élus avant la fondation du monde dans le décret d’élection de Dieu qui détermina le moment précis que chacun d’eux recevrait «un nouveau cœur et un nouvel esprit». Quoique ce principe opérationnel était actif depuis le début des temps, il portait un sens anticipatoire et devait attendre la mort de Christ sur la croix afin de se manifester dans toute sa vigueur, se poursuivant tous les jours dans la vie de chaque élu pour déraciner d’eux tout ce qui est contraire à la grâce et la vérité. Sans la croix il ne peut y avoir de nouvelle naissance, et sans nouvelle naissance il ne peut y avoir de repentance et de foi; ce qui nous indique que le sacrifice du Seigneur Jésus était prédestiné depuis avant la fondation du monde, comme l’indique l’apôtre Pierre: «Sachant que vous avez été rachetés de la vaine manière de vivre que vous aviez héritée de vos pères, non par des choses périssables, comme l’argent et l’or, mais par le sang précieux de Christ, comme d’un Agneau sans défaut et sans tache, qui fut prédestiné avant la fondation du monde, et maniwww.fpmatoulouse.com festé dans ces derniers temps à cause de vous.» (1 Pierre 1:1820) Ainsi, selon les Écritures, il est clair que la prédication de la croix qui pardonne nos péchés, et nous donne une nouvelle vie qui engendre en nous la foi en Jésus-Christ, se rapporte directement à la prédestination de Christ et des Élus. La foi seule ne peut sauver, elle est complètement impuissante pour cela, c’est l’objet de la foi qui sauve, à savoir Jésus-Christ, et si nous sommes sauvés c’est à cause que Dieu l’a déterminé d’avance dans son décret d’élection avant la fondation du monde. La régénération est l’œuvre de Dieu seul. C’est là cette régénération si célébrée dans les Écritures, ce renouvellement, cette nouvelle création, ce relèvement d’entre les morts et cette vivification, que Dieu opère en nous et sans nous. Or elle ne s’accomplit nullement par la seule doctrine entendue, ou par une persuasion morale ou toute autre manière d’opérer, qui se ferait par des raisons persuasives, de telle sorte qu’après que Dieu ait agi pour sa propre part, il resterait encore au pouvoir de l’homme d’être régénéré ou non, d’être converti ou de ne l’être point. Au contraire, c’est une opération entièrement surnaturelle, très puissante et très douce à la fois, admirable, secrète et ineffable. Selon l’Écriture (qui est inspirée par l’Auteur même de cette opération), celleci, quant à son efficacité, n’est en rien inférieure à la création ou à la résurrection des morts, si bien que tous ceux dans les cœurs desquels Dieu opère de cette façon admirable, sont certainement, infailliblement et efficacement régénérés, et croient effectivement... (Canons de Dordrecht, IV.12) La conversion est comparable à une transplantation cardiaque. Dieu nous donne un cœur nouveau par son Esprit afin de nous convertir à lui. La régénération n’est pas une œuvre humaine. L’homme n’a pas le pouvoir de se convertir et de se donner la vie nouvelle. Contrairement à la transplantation cardiaque corporelle, la transplantation cardiaque spirituelle n’est pas une œuvre humaine. Ce n’est pas l’œuvre d’un chirurgien humain. Ceux qui croient en Jésus «sont nés, non du sang, ni de la volonté de la chair ni de la volonté de l’homme, mais de Dieu.» (Jean 1:13). Ce n’est pas par la volonté des parents que les enfants peuvent naître de nouveau. Le fait de naître dans une famille chrétienne ne produit pas automatiquement la nouvelle naissance. Ce n’est pas non plus l’Église qui a le pouvoir d’infuser la vie nouvelle dans le cœur d’une personne. Ce n’est même pas la personne elle-même qui peut se donner la nouvelle naissance. C’est Dieu seul qui accomplit cette œuvre. «Cela ne dépend ni de celui qui veut, ni de celui qui court, mais de Dieu qui fait miséricorde.» (Rom. 9:16). La régénération est l’œuvre surnaturelle de Dieu. Dans la Bible, cette œuvre est désignée par plusieurs expressions riches en signification: renouvellement, nouvelle création, résurrection des morts, vivification, nouvelle naissance, régénération, cœur nouveau, vie nouvelle. Ces expressions sont synonymes et nous enseignent toutes que ce n’est pas l’œuvre de l’homme, mais l’œuvre de Dieu. Elles décrivent sous des angles différents cette œuvre glorieuse du Saint-Esprit «que Dieu opère en nous et sans nous». En fait, nous voyons que «c’est une opération entièrement surnaturelle, très puissante et très douce à la fois, admirable, secrète et ineffable». Cette œuvre surnaturelle nous étonne et nous dépasse. Nous n’avons pas assez de mots pour l’exprimer. Le mieux que nous puissions faire pour en parler, c’est de la comparer à d’autres choses que nous avons beaucoup de difficulté à comprendre. tion à la résurrection d’entre les morts: «Nous qui étions morts par nos fautes, il nous a rendus à la vie avec le Christ.» (Éph. 2:5) Les morts se redonnent-ils la vie eux-mêmes? Certainement pas! Savons-nous comment les morts peuvent revenir à la vie? C’est là une œuvre merveilleuse que nous ne pouvons pas comprendre. Quand Jésus a ressuscité Lazare, il n’est pas allé dans le tombeau pour essayer de persuader Lazare de se lever. Il n’a pas dit à Lazare: «Si tu veux, Lazare, je peux te ressusciter, si c’est vraiment ce que tu veux.» Non, Lazare était mort. Ça n’aurait eu aucun sens de lui parler de cette manière. Qu’est-ce que Jésus a fait? Il a commencé par dire: «Moi, je suis la résurrection et la vie. Celui qui croit en moi vivra, quand même il serait mort.» (Jean 11:25). Ensuite, pour démontrer qu’il est puissant pour sauver des pécheurs, il a parlé avec autorité: «Il cria d’une voix forte: Lazare, sors!»(Jean 11:43). Lazare est revenu à la vie! Par nature, nous sommes morts spirituellement, mais lorsque nous entendons sa voix, nous revenons à la vie. Il nous est impossible de contribuer à notre résurrection spirituelle. C’est l’œuvre puissante et souveraine de l’Esprit de Dieu. «Selon l’Écriture, celle-ci, quant à son efficacité, n’est en rien inférieure à la création ou à la résurrection des morts, si bien que tous ceux dans les cœurs desquels Dieu opère de cette façon admirable, sont certainement, infailliblement et efficacement régénérés, et croient effectivement.» Quelle œuvre étonnante et admirable que je puisse avoir la vie nouvelle! Comment pouvons-nous la comprendre? Nous avons besoin de prier, à la suite de l’apôtre Paul, afin de savoir «quelle est la grandeur surabondante de sa puissance envers nous qui croyons selon l’action souveraine de sa force.» (Éph. 1:19). La Bible compare la régénéra- GAZETY FIAINANA FPMA TOULOUSE Editeur : Vondron’asa Serasera sy Firaketana (VSF) FPMA Toulouse - Nombre de tirages : 200 - Tale VSF : Sammy Rakotonirina - Tale Mpanampy VSF : Nanouh Rasamoely Rédacteur en chef Gazety Fiainana : P. Elysée Andriamiandra - Responsable comité technique VSF : Rija Randriamiharizaka - Responsable comité rédactionnel VSF : Nancy Rakotomalala - Maquette et conceptions graphiques : Soréo Randriamanantena - Photographies : Soafara Randrianaivojaona, Lova Andrianantoandro, Dieudonné Andriamifidy - Ont également participé à ce numéro : Pasteur Elysée Andriamiandra, Razanadrakoto Benjamin, Randriamahefasoa Arilaza, Randriamiharizaka Manda, Ramiandrisoa Maeva, Rakotonirina Sammy, Randriamanantena Soréo, Rasamoely Nanouh, Rakotomalala Nancy, Rabodoarivony Julie. gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 9 POUR TOI, C’EST QUOI PAQUES ? Nasolo RAKOTONINDRAINA Présidente STA FPMA Toulouse A l’approche de Pâques, les moniteurs de l’école de dimanche abordent le thème de Pâques avec les enfants. Et toi, saistu vraiment le vrai sens de Pâques? Est-ce que tu vis Pâques comme Dieu le souhaite ou est-ce que c’est juste une fête comme tant d’autres? raison? A travers cette petite discussion entre moniteur et élèves de l’école de dimanche, je t’invite à revoir ensemble ce qu’est vraiment Pâques et comment devons-nous la vivre. Moniteur : C’est parce qu’Il nous aime tellement et veut nous sauver. Moniteur enfants. Enfants : Monsieur. : Bonjour les Bonjour Moniteur : Aujourd’hui, nous allons parler de Pâques. Savez-vous ce que c’est ? Moniteur : D’abord, Pâques c’est Jésus qui a donné sa vie sur la croix pour nous tous. Enfant 2 : Mais pourquoi s’est-Il sacrifié pour nous, alors qu’Il est le fils de Dieu et qu’Il n’a rien fait de mal? Enfant 4 : L’année dernière, la monitrice nous a appris que trois jours après sa mort, Jésus était ressuscité. Il a vaincu la mort. Enfant 1 : Donc s’Il est ressuscité, cela veut dire qu’Il est toujours présent ? Qu’Il peut nous aider dans la vie de tous les jours ? Moniteur : Bien entendu, et plus même, Il donne la vie éternelle à tous ceux qui croient en Lui. Enfant 3 : Etes-vous sûr de cela ? Moniteur : Bien sûr, nous allons le vérifier ensemble. Ouvrez votre Bible et lisez dans l’évangile de Jean chapitre 11 verset 25. Qu’est-ce qui est écrit ? Enfant 1 : Au nom de Jésus : « Je suis la résurrection et la vie, lui dit Jésus. Celui qui place toute sa confiance en moi vivra, même s’il meurt ». Enfant 2 : Maintenant je comprends bien ce qu’est Pâques. vous avez compris ? Enfants : Oui !!! Moniteur : Pour finir notre leçon d’aujourd’hui, notez dans votre cahier le verset clé à mémoriser que nous avons lu tout à l’heure : « Jean 11:25 »…Au revoir les enfants Enfants : Au revoir Monsieur J’espère que tu as bien reçu le message de Pâques à travers cette petite histoire. « Pâques ! Jésus est mort pour toi ! Jésus est ressuscité en toi ! ». « Pâques c’est la VIE, et cette VIE, tu peux la trouver en Jésus si tu l’acceptes dans ton cœur ». Moniteur : Et les autres, Jeu sur le thème de Pâques pour les enfants (tiré du site http://www.idees-cate.com/) Complète la grille. Lorsque tu auras terminé, tu découvriras une phrase dans les cases jaunes. C’est une phrase que l’ange disait à Marie de Magdala et l’autre Marie de faire auprès des disciples suite à la résurrection de Jésus (Matthieu 28 :7). Enfant 1 : Eh bien, c’est la fête du chocolat !! Enfant 2 : Oui, chaque année nous participons à une chasse aux œufs de Pâques avec les enfants de notre quartier. Humm, j’adore les œufs au chocolat !!! Enfant 3 : C’est aussi une fête en famille. Toute la famille se retrouve autour d’un bon repas. Moniteur : Oui toutes ces façons de fêter Pâques ne sont pas mauvaises. Mais il y a quelque chose plus essentielle qu’il ne faut surtout pas oublier avant tout cela. Enfant 4 : Ah oui, nous célébrons Pâques aussi à l’église. Enfant 2 : Et pour quelle 10 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 www.fpmatoulouse.com Fandalinana Soratra Masina (Efe 6 : 10-18) Ny miaramilan’i Jesoa Arilaza Randriamahefasoa Antso ho antsika mpino no ataon’i Paoly ao amin’ny hafatra nalefany ho an’ny fiangonana tany Efesosy voarakitra ao amin’ny Efesiana 6 : 10 – 20), dia antso mba hirotsahantsika ho miaramilan’i Jesoa Kristy. Ny tena zanak’Andriamanitra marina tokoa mantsy, dia tokony hahafantatra fa ady ny fiainana kristiana, ady ifanaovana amin’ny tafik’i Satana, izay milofo handavo ny miaramilan’ny Tompo, mba hanakanana ny asan’i Jesoa Kristy tsy hahavanona eto amin’izao tontolo izao. Arakaraka ny handrosoan’ny mpino amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, no tsy maintsy hiatrehany ny fanafian’ny fahavalo koa. Fa tsy adala akory ny devoly, ka handany ny fotoanany, handany ny balany, handany ny fitaovam-piadiany hanafihana ny kristiana anarana fotsiny, izay fantany rahateo fa tsy manao izay iadiana aminy akory. Hevi-dehibe telo no hita mivoitra ao amin’ity hafatr’i Paoly ity, dia ny fanovozankery ao amin’i Jesoa Tompo, ny fisalorana ny fiadian’Andriamanitra rehetra ary ny fananana fiainambavaka. Ny fanovozan-kery ao amin’ny Tompo Tsy afaka handresy an’i Satana amin’ny herintsika fotsiny isika. Koa ny baiko voalohany omen’i Paoly antsika dia ny hanovozantsika hery ao amin’ny Tompo, ao amin’ny heriny lehibe izay tsy hay resena, mba hananantsika izany heriny izany, sy hahatonga izany ho vy miaina manosika antsika eo amin’ny ady atrehantsika. “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, hoy ny Tompo” (Mat 28 : 18). Ny miaramila tsaran’Andriamanitra dia mahafantatra ny fahalemeny sy ny tsy fahombiazany manoloana ny halehiben’ny asan’Andriamanitra iantsoany azy sy ny ady tsy maintsy atrehany amin’izany. Mosesy, Gideona, Isaina, Jeremia sy ny mpanompon’Andriamanitra hafa hita ao amin’ny Soratra Masina koa dia samy nahatsapa izany. Fa “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery” (I Kor 1 : 27). Ny fahatsapantsika ny fahalementsika dia mitarika antsika hitoky amin’ny herin’Andriamanitra tsy hay tohaina. Fantatsika tsara ny teny nataon’ny Tompo tamin’i Paoly manao hoe : “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako, hoy i Paoly, ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko” (II Kor 12: 9). “Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, hoy ihany i Paoly, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay” (II Kor 4 : 7). Ny krisrtiana dia olona ahitana fifanoheran-kevitra sarotakarina, izay tena araka ny sitrapon’Andriamanitra mihitsy. Maro ny olona no mandray ny fiainana kristiana ho rakitra sarobidy (trésor) tsy afa-miaraka amin’ny vilany tany (fanaka malemy). Ka raha vao mahita ny mahavilany tany ny kristiana fotsiny, dia voasarika hihevitra avy hatrany fa kristiana sandoka ireo. Hafa noho izany anefa ny fisainan’Andriamanitra. Amin’Andriamanitra dia mitondra ny rakitra soa an’Andriamanitra amin’ny vilany tanintsika isika. Ka na dia ny vilany tany aza Un article à proposer pour le prochain numéro ? N’hésitez pas à transmettre vos écrits à l’équipe Gazety Fiainana - L’équipe GF www.fpmatoulouse.com no hita miseho ety ivelany, dia tsy tokony hahadiso fanantenana izany, satria ao anatin’io vilany tany hita aty ivelany io indrindra no ametrahan’Andriamanitra ny rakitra soany. Ny kristiana dia tsy olona tsy manana fahalemena intsony akory, fa lasa anjely avy hatrany. Ny kristiana dia mitoetra ho olona manana fahalemena, nefa ao anatin’ny fahalemeny no anehoan’Andriamanitra ny heriny. Ao anatin’ny alahelony no anehoan’Andriamanitra ny fifaliany, ao anatin’ny ranomasony no isehoan’ny fiderany an’Andriamanitra, ao anatin’ny ahiahiny no ihariharian’ny finoany an’Andriamanitra, ao anatin’ny fiheveran’ny olona azy ho tsinontsinona no ampibaribarian’Andriamanitra ny fahagagany. Izay rehetra maha-izy azy ny kristiana, ao anatin’izany ny fahalemeny, no sitrak’Andriamanitra arafitra ho vilany tany avokoa, izay tsy natao afa-tsy ny hitondrana ny rakitra soany, ny heriny, ny fandreseny, ny voninahiny. Ny fisalorana ny fiadian’Andriamanitra rehetra Ny baiko faharoa omen’i Paoly antsika mba hahatonga antsika ho miaramila tsara an’i Jesoa Kristy dia ny hitafiantsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra, izay tsy misy azo avela na dia iray aza, mba hahazoana mifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Mampiasa tetik’ady maro isan-karazany handavoana antsika mantsy ny devoly : ny fanakiviana, ny fandisoam-panantenana, ny fanakatsakanana antsika tsy hahomby amin’izay atao, ny fampianaran-diso sy ny hafa maro koa. Fantany tsara izay fahalemena ananantsika, ka amin’izany indrindra no amelezany antsika. Raha tsy misy vokany ny tetika ampiasainy, dia ovaina tetika hafa indray, fa tsy manaiky resy avy hatrany mihitsy izy. Izany no tsy maintsy iarovantsika tena tsara amin’ny alalan’ny fiadian’Andriamanitra rehetra. Tsy ady itolomana amin’ny nofo aman-drà no ataontsika, tsy ady atao amina olona mpanohitra an’Andriamanitra, na mpaminany sandoka, na mpanaraka fivavahana tsy mino an’i Jesoa Kristy, na mpitondra fiangonana tsy mijoro tsara amin’ny finoana. Ny ady ataontsika dia ady ifanaovana amin’ny herin’ny devoly, amina legionan’anjely mpanaraka an’i Satana izay niara-nazeran’Andriamanitra taminy avy any an-danitra ho ety an-tany (Mar 5 : 9). Tsy hitantsika maso izy ireny, tsy fantatsika koa ny karazany sy ny sokajiny ary ny ambaratonga misy azy avy. Nefa dia ambaran’ny Apostoly Paoly fa misy tokoa izy ireny, eny amin’ny rivotra manodidina antsika no iriariavany ary manana fanapahana sy fanjakana izy, dia ny fanjakan’ny fahamaizinana. Tsy afaka miditra honina ao anatin’ny olona tena kristiana marina ny fanahy ratsy avy amin’i Satana. Na izany aza anefa, dia tokony ho fantatra fa manan-kery mahatsiravina sy mihoapapana izy, ary mikendry lalandava izay hampahoriana sy hanadalana ny mpino. Eo anoloan’izany anefa dia tsy tokony hiaina amin’ny fahatahorana ny demonia isika. Ny fananantsika ny herin’ny faherezan’ny Tompo sy ny fiadian’Andriamanitra no hahajoroantsika tsara sy handresentsika amin’ny andro mahory, izany hoe, amin’ny fotoana rehetra anafihan’i Satana antsika. Ka ny fanafihana ataony, izay mandroso misafoaka hanafotra antsika toy ny onjan-dranomasina, dia mihemotra sy miverina foana, rehefa mifanehatra amintsika, raha mitafy ny herin’ny Tompo sy misalotra ny fiadian’Andriamanitra isika. Tohiny pejy 12 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 11 Ny fiadiana tokony hisalorana Ny fahamarinana Ny fiadiana voalohany asain’ny Tenin’Andriamanitra raisina sy itafiana dia ny fahamarinana. “Sikino fahamarinana ny valahanareo”, hoy i Paoly. Ny fisikinana dia maneho fahavononana hanatrika ady na asa (tolona, diamanga, dihy …sns…). Ny fisikinana koa dia manampy amin’ny famoriana tsara ny hery ananana alohan’ny fiatrehana izay hatao. Tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin’ny fitehirizana ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, ny fahamarinan’Andriamanitra isika, nefa koa dia tsy maintsy manaiky ho tehirizin’izany fahamarinana izany, izany hoe : vonona hampihatra ny fahamarinana amin’ny fiainantsika an-davanandro. Ny fisedrana ny zavatra rehetra amin’ny fahazavan’ny fahamarinana, mba hahitana izay tokony arahina satria mifanaraka amin’ny fahamarinana sy izay tokony ho lavina satria mifanohitra amin’ny fahamarinana, izany no ahazoantsika hery sy fiarovana amin’ny ady atrehintsika. Misikina ny fahamarinana ! Ny rariny (justice) Ny fiadiana faharoa dia ny rariny (justice). Tsy mahalaza tanteraka ny hevitra fonosin’ny “justice” raketin’ny Soratra Masina ny teny malagasy hoe “rariny”, sady tsy afaka hanavahana tsara koa ny “verité sy ny “justice”. Noho izany dia ny teny hoe “justice” no ampiasaina eto. “Mitafia ny “justice” ho fiarovan-tratra”. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ny mpino rehetra dia tafin’Andriamanitra “justice”. “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (II Kor 5 : 21). Nefa na izany aza dia tsy maintsy mijoro amin’ny fahitsiana sy ny fahadiovana isika. Ny olona mitafy ny “justice” ka mampihatra izany eo amin’ny fiainany, dia mahery amin’ny ady atrehany. Tsy ny teny atao mantsy no miaro amin’ny fiampangana ataon’ilay Ratsy, fa ny fandehanana amin’ny fahitsiana. Rehefa madio ka afaka amin’ny fahotana atao amin’Andriamanitra sy atao amin’ny olona ny fo, ny saina, ny fanahy sy ny feon’ny fieritreretantsika, dia tsy afaka handresy antsika intsony i Satana. Davida mpanjaka dia tena nanao ny “justice” ho fiarovan-tratra, ka voaaro tamin’ny fanafian’ny fahavalo (Sal 7 : 3-6). Jesoa Kristy koa dia nanao ny “justice” ho fiarovan-tratra tamin’ny androny rehetra tety an-tany (Isa 59 : 17). Mitondra ny “justice” ho fiarovan-tratra ! Ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana Ny fiadiana fahatelo dia ny fahavononam-panahy avy amin’ ny Filazantsaran’ ny fihavanana. “Kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ ny Filazantsaran’ ny fihavanana ny tongotrareo”. Tsy maintsy manana fahavononana handeha hitory ny Filazantsaran’ny fihavanana isika, dia ny Vaovao Mahafaly manambara ny fampihavanana antsika olona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny Hazo Fijaliana. Mitaky fandehanana any amin’izao tontolo izao, izay misy ny fanjakan’ny devoly izany. Tandindonin-doza mahafaty ny kristiana mitomoepoana eo amin’izay misy azy, satria tsy afa-mihetsika hanohitra an’i Satana, ka raisim-potsiny. Mitonontena toy ny lolo fotsy, hoy ny fitenenana. Ny fandehanana manaraka ny tongotr’i Jesoa Kristy Mpamonjy mitety tendrombohitra mitory ny Vaovao Mahafaly sy manambara ny fihavanana amin’Andriamanitra kosa dia miaro antsika amin’izany loza mahafaty izany (Rom 10 : 15 ; Isa 52 : 7). Ny tongotra, rehefa tsy misy kiraro, dia maloto, feno vovoka, 12 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 feno fotaka, vakivaky be ihany, ka tsy tsara jerena ; ary mora ratraina sy finganin’ny fahavalo, mba hampidaraboka ny olona. Kanefa, rehefa asiana kiraro ny tongotra, dia sady hahavitana lalan-davitra sy asa betsaka, no mahafinaritra jerena, no tsy laitran’ny fanafihan’ny fahavalo koa. Ny fahavononana hitory ny antson’Andriamanitra mba hihavanan’ny olona Aminy no kiraro omen’ny Tompo antsika, mba hahafahantsika mijoro sy mandroso, na inona na inona famelezana afafin’ny fahavalo amintsika. Isaia mpaminany dia nilaza hoe : “Akory ny hatsaran’ ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ antendrombohitra sady mitory fiadanana ! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe : Mpanjaka Andriamanitrao !” (Isa 52 : 7) Amin’Andriamanitra dia tsara tarehy, mahafinaritra Azy ny tongotra entina mitory ny famonjena sy ny fihavanana Aminy. Koa aoka isika tsy hanary io kiraron’ny fahavononampanahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana io, fa hanao azy mandrakariva, mba hahamailaka antsika amin’ny fandrosoana amin’ny ady sy ny fialàna amin’ny fanafihana rehetra ataon’ny fahavalo, ary haazo fankasitrahana eo imason’Andriamanitra. Mandray ny fahavononampanahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ho kiraro ! Ny finoana Ny fiadiana fahefatra dia ny finoana. “Tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy”. Raha manana finoana isika, ka ampiasaintsika ho ampinga fiarovana antsika izany, dia hiforotra fotsiny eo amin’izany finoantsika izany ny zanatsipika rehetra amelezan’i Satana antsika, na dia izay tena mivaivay indrindra aza, ka tsy hahakasika antsika, fa hirarakopana amin’ny tany avokoa. Ny finoana dia ny fahatokiana miorina mafy tsy azo hozongozonina amin’ny Tompo sy ny Teniny. Raha mafy ny fakam-panahy, raha tsy tsara fa sarotra ny zavamiseho manodidina antsika, raha mamely ny tahotra sy ny ahiahy, raha mananontanina ny faharendrehanana ; dia ny finoana no mampitraka antsika hijery sy hibanjina an’i Jesoa Kristy izay tompon’ny finoantsika rahateo sy mpanefa azy ary mampiteny antsika hoe : “Mino an’Andriamanitra aho, mino ny Tompo Jesoa aho. “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko ; iza no hangovitako ?” (Sal 27 : 1). Manana ny Finoana ho ampinga ! Ny famonjena Ny fiadiana fahadimy dia ny famonjena. “Raiso ny famonjena ho fiarovandoha”. Ny famonjena no omen’Andriamanitra antsika ho fiarovan-doha (Isa 59 : 17b). Na manao ahoana na manao ahoana fahamafisan’ny ady, dia tsy kivy ny kristiana, satria azony antoka ny famonjena nomen’Andriamanitra azy maimaimpoana, ary azony antoka, noho izany koa, ny fandresena miandry azy, Ny fahazoantsika antoka fa voavonjy isika dia manampy antsika tsy hihemotra, tsy hiamboa. “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?” (Rom 8 : 31b), hoy ny Apostoly Paoly. Ny Tenin’Andriamanitra Ny fiadiana farany omen’Andriamanitra dia ny Tenin’Andriamanitra. “Raiso ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy”. Manazava tsara ny herin’ny Tenin’Andriamanitra ny nampiasan’i Jesoa Kristy azy ho sabatra nandresena ny fakampanahy tany an’efitra (Lio 4 : 1-13). In-telo no nampiasàny ny Tenin’Andriamanitra tamin’izany. Tsy Te n i n ’ A n d r i a m a n i t r a Tohiny pejy 13 www.fpmatoulouse.com noraidraisina fahatany anefa no notononiny, tsy ny Baiboly manontolo koa, fa Tenin’Andriamanitra tena mifanandrify amin’ny fakampanahy nanafihan’i Satana Azy, dia Tenin’Andriamanitra napetraky ny Fanahy Masina teo am-bavany, ka tsy azon’i Satana novaliana na noresena (Lio 21 : 15). Mitaky famakiana, fianarana, fahalalana sy fiainana ary fampiarana ny Tenin’Andriamanitra amintsika izany. Mandray ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy ! Ny fananana fiainam-bavaka Resahin’i Paoly koa ny amin’ny vavaka, na dia tsy nampidiriny ao anatin’ny fiadian’Andriamanitra aza, satria rivotra tokony iainan’ny miaramilan’i Jesoa Kristy. Amin’ny fanahim-bavaka no tsy maintsy isalorantsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra izay nomeny antsika hanatrehana ny fahavalo. Ny vavaka no miaro antsika tsy ho azon’ny fakam-panahy. Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery, hoy ny Tompo, ka mila tohanana amin’ny vavaka (Mat 26 : 41). Ahoana ary izany hoe “mivavaka mandrakariva ? Ny vavaka dia tokony hatao mandrakariva, fa tsy atao indraindray ; fiainana fa tsy anaovana vonjy tavan’andro. Ny vavaka atao dia tokony ho vavaka ialohavan’ny fangatahana ny Fanahy Masina hanolo-tsaina sy hitarika antsika. Rehefa nahatsiaro ho tsy mahay miteny hanambara an’Andriamanitra i Isaia, dia n o t e n d re n’ A n d r i a m a n i t r a tamin’ny vainafo ny molony, ka afaka niteny izy hoe : “Inty aho, iraho aho” (Isa 6 : 5-8). Ny vainafo, ny afo, ny lelafo, dia ny manambara ny Fanahy Masina izay niseho tamin’ny alalan’ny lela mitarehin’afo nipetraka tamin’ny mpino tamin’ny andro Pentekosta voalohany koa. Manainga ny mpino ny Tompo hamela ny Fanahy Masina hameno azy, mba hahafahany manambara Azy sy manao ny asany amin’ny mahawww.fpmatoulouse.com miaramilan’i Jesoa azy (Efe 5 : 18). Ny olona fenon’ny Fanahy no afaka manao tsara ny asan’ny miaramilan’i Jesoa (Lio 1 : 67 ; Asa 4 : 8 ; Asa 7 : 55 ; Asa 13 : 9). Ny miaramilan’i Jesoa Kristy koa dia tokony ho vonona amin’ny vavaka rehetra : vavaka imasom-bahoaka sy vavaka samirery, vavaka omanina sy vavaka aneren’ny fo ny tena, vavaka fangatahana sy vavaka fitalahoana, vavaka fiaiken-keloka sy vavaka fanetren-tena, vavaka fiderana sy vavaka fankasitrahana. Misy fiangonana kristiana izay tsy manao afa-tsy vavaka fiderana sy fankalazana. Misy indray izay tsy manao afa-tsy vavaka fibebahana. Vonona amin’ny fivavahana rehetra, hoy i Paoly. Raha vavaka manara-drafitra fotsiny, na vavaka atao amin’ny fahazarana fotsiny, fa tsy iainana ny hevitry ny teny lazaina, no vavaka ataon’ny miaramilan’i Jesoa Kristy, dia manao ahoana no lanjan’izany manoloana ny ady ifanaovana amin’ny tafiky ny devoly ? Fa ny vavaka dia tokony hatao amin’ny fiambenana tsara sy atao amin’ny faharetana. Rehefa mivavaka isika dia tsy maintsy miambina mba tsy ho rendrehana, mba tsy handehandeha mankany amin’ny hevitra hafa ny saina, fa hiorina tsara amin’ny tonom-bavaka atao. Tokony tsy hahareraka antsika koa ny mangataka, ny mitady sy ny mandondona amin’ny fo manontolo, satria amin’izany no ampiorenan’ny Tompo ny teny fikasany mikasika ny valim-bavaka (Lio 11 : 9). Tokony tsy ho adinoina koa ny mivavaka ho an’ny olona masina rehetra, ny mpino izany, satria ao anatin’ny ady ifanaovana amin’ny miaramilan’i Satana avokoa izy rehetra ireny, ka tokony ho trotroina am-bavaka mandrakariva koa. Ary farany, dia tokony ho tsaroana ihany koa ny mivavaka manokana ho an’ny iraky ny Tompo (ambasadaorony) [ny mpitandrina, ny misionera, ny evanjelistra, ny mpiandry … sns…]. Amin’ny ankapobeny, ny ambasadaoro dia manana ny zon’ny tsy maty manota (immunité diplômatique), ka tsy azo samborina na gadraina. Ny zava-misy anefa dia izao : voalefitry ny olona avokoa ny zavatra rehetra, afa-tsy ny Filazantsara ihany. Mampitroatra sy mampisavorovoro ny olona ny firesahana ny Filazantsara, ka ahiahiana, ankahalaina, toherina, enjehina aza ny mpitory ny Filazantsara. Sarotra ny fiainana sy ny andraikitra sahanin’ny mpitory ny Filazantsara. Noho izany dia ilaina ny mivavaka ho azy mandrakariva. Izany no antony ilazan’i Paoly ny tenany ho “Iraka migadra noho ny Filazantsara”. [fa tsy noho izy tany am-pigadrana tamin’ny fotoana nanoratany akory] (and 20). Ny vavaka atao ho an’ny iraky ny Tompo dia ny “hahafahany mampahafantatra amin’ny fahasahiana ny zava-miafin’ny Filazantsara isaky ny miloabava” izy, ny hahafahany mitory bebe kokoa hatrany ny Filazantsara. Migadra i Paoly eo ampanoratana ho an’ny efesiana. Ny nitoriany ny Filazantsara indrindra no nampigadra azy. Nefa dia tsy ny fanafahana azy amin’ny figadrana no vavaka angatahiny amin’ny fiangonana tany Efesosy, fa ny hanomezan’Andriamanitra azy fahafahana sy fahasahiana hitory hatrany ny zava-miafin’ny Filazantsara (and 19-20). fiadiana rehetra amin’ny fiarovana Andriamanitra : ilaina antsika - Tokony hataontsika vaindohan-draharaha izay hanodidinan’ny fahamarinana antsika mandrakariva. - Tokony ho mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra sy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny fiainantsika. - Tokony hiezaka hiasa ho an’ny fihavanana isika, ny fihavanana avy amin’ny Filazantsara izay tsy maintsy torina, na aiza na aiza misy antsika. - Tokony hanainga sy hampirantiranty ny ampingan’ny finoana hatrany isika, mba hahafahantsika mamono ny zana-tsipika mirehatra rehetra alefan’ny fahavalo. - Tokony hiaro ny fontsika amin’ny tahotra sy ny fanahiana ary ny fisalasalana izay mora mandavo antsika isika, fa ho resy lahatra sy matotra tsara ny amin’ny famonjena nomen’ny Tompo antsika. - Tokony hahay mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina isika. - Tokony hiambina tsara sy haharitra amin’ny fivavahana ho an’ny tenantsika isika, mba tsy hidirantsika amin’ny fakampanahy ; ho an’ny mpino namantsika koa, fa miaramilan’i Kristy miaramiady amintsika izy ireny ; ho an’ny irak’Andriamanitra, fa sarotra ny andraikiny. Fehiny Ho fehin’izay voalaza rehetra izay dia tsara ny manao antsaina mandrakariva fa : 1 - Antsoina ho miaramilan’i Kristy isika, ka tokony hahatsapa tena fa malemy, mba hahafahantsika manovo hery mandrakariva ao Aminy sy hitoeran’ny heriny amintsika. 2 - Manome antsika ny gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 13 Isantaona SVK Ny Sampana Vehivavy Kristiana dia nankalaza ny isantaonan’ny sampana ary koa ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny 7 sy 8 martsa . Ny teny faneva nanamarihana izany dia nalaina tao @ ny Salamo 34:3 - «Miaraha-mankalaza an’i Jehovah amiko ary aoka hiara-mamandratra ny anarany isika» Izany fankalazana izany dia natomboka ny asabotsy tamin’ny thé concert izay nafanain’ny tarika évangélique ILO avy any Marseille. Nahavory olona marobe tokoa izany ary tena nahafinaritra sy nahaliana ny maro ny hetsika rehetra natao. Lydie Rasolofo Filoha SVK Ny alahady dia fotoampivavahana fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izay nandraisan’ny sampana anjara ary mbola notronin’ireo mpikambana maro tao amin’ny Tarika Ilo. Nisy fiaraha-misakafo tamin’izy ireo alohan’ny nodiany tany Marseille. Ny SVK dia manantitra ny fisaorana ny rehetra na tamin’ny fandraisana anjara na tamin’ny fanampiana samihafa ary «ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra». 14 gazety fiainana #223 - 05 Aprily 2015 www.fpmatoulouse.com